FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w97 15/7 p. 3
  • Ahoana no Fiheveranao ny Ota?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Fiheveranao ny Ota?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Rehefa Tsy Misy Ota Intsony
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Ahoana no Nampiova ny Fiheverantsika ny Ota?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Ota
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ahoana no Fiheveranao ny Ota?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
w97 15/7 p. 3

Ahoana no Fiheveranao ny Ota?

“TSY misy ota ao aminao, tsy misy fahoriana ao aminao; manana tahirin-kery tsy misy fetra ianao.” I Vivekananda, filôzôfa hindoa malaza, no nanao io fanambarana io, rehefa nanazava andalan-teny iray avy tao amin’ny Bhagavad Gita, boky masina hindoa, izy. Rehefa nanonona ny Vedanta izy, dia nilaza toy izao: “Ny fahadisoana lehibe indrindra dia ny filazana fa tsy ampy saina ianao, fa mpanota ianao.”a

Marina ve anefa fa tsy misy ota ao amin’ny olona? Ary inona kosa no nolovan’ny olona iray teo amin’ny fahaterahana? Tsy misy afa-tsy “toetoetra ara-batana no voafaritry ny fandovan-toetra”, hoy i Nikhilananda, mpampianatra hindoa iray. Ny ‘asa nataon’ny olona iray tao amin’ny fiainana teo aloha’ no manomana ny toetra hafa mampiavaka azy. Araka ny tenin’i Vivekananda, dia “ianao no mpamorona ny anjaranao”. Tsy mampianatra na inona na inona momba ny ota nolovana ny fivavahana hindoa.

Tsy hita eo amin’ireo Zoroastriana, Shintoista, sy Konfisianista ary Bodista koa ny fampianarana ny amin’ny ota nolovana. Na dia ao amin’ireo fivavahana mifototra amin’ny Jodaisma sy Kristianisma izay efa nampianatra foana ny foto-pampianarana ny amin’ny ota nolovana aza, dia eo am-piovana ny fihetsika eo anoloan’ny ota. Mihabetsaka hatrany amin’izao andro izao ny olona tsy mihevitra ny tenany ho mpanota.

“Tsy mampirisika ny hanomezan-tsiny eo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena ny toe-tsaina maoderina; tsy mampirisika indrindra indrindra ny hanomezan-tsiny ny tena izy io”, hoy ilay teôlôjiana atao hoe Cornelius Plantinga, Jr. Ireo Fiangonana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana dia anisan’ny meloka noho ny nanamaivanana ny ota. “Aza mankany am-piangonana raha ta handre zavatra momba ny ota ianao”, hoy ny mpiandraikitra ny chapelle ao amin’ny Oniversite Duke. Ary araka ny nambaran’i Plantinga, dia momba ny raharaha ara-tsosialy ihany no itenenan’ny eglizy sasany amin’ny ankapobeny momba ny ota.

Ekena aloha fa betsaka ny fahoriana ara-tsosialy amin’izao andro izao. Miely patrana ny herisetra, ny heloka bevava, ny ady, ny adim-poko, ny fidorohana zava-mahadomelina, ny fanaovana ny tsy marina, ny fampahoriana ary ny herisetra atao amin’ny ankizy. Raha ny marina, ny taonjato faha-20 dia nantsoina hoe iray amin’ireo taonjato feno fandatsahan-dra indrindra hitan’ny olombelona. Manginy fotsiny ny fanaintainana sy ny fijaliana vokatry ny aretina, ny fahanterana ary ny fahafatesana. Iza no tsy maniry mafy fahafahana amin’ny zava-manahirana lehibe izay misy eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?

Ahoana àry no fiheveranao ny ota? Lovana ve ny ota? Ho afaka amin’ny fanaintainana sy ny fijaliana ve isika indray andro any? Handinika ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Miorina amin’ireo Upanishads izay any amin’ny faran’ny Vedas, soratra masina hindoa, ny filôzôfia vedanta.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara