Tokony Hino ny Fahaterahana Indray ao Amin’ny Vatana Vaovao ve Ianao?
I PLATON, filozofa grika, dia nampifandray ny hoe raiki-pitia amin’ny hevitra momba ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao. Nino izy fa aorian’ny fahafatesan’ny vatana, ny fanahy (âme), izay tsy mety maty, dia mifindra toerana any amin’izay nantsoina hoe “faritra misy ireo endri-javatra madio”. Tsy manana vatana io fanahy io, ary mijanona ao mandritra ny fotoana kelikely, ka misaintsaina ireo endri-javatra. Rehefa teraka indray ao amin’ny vatana vaovao hafa io fanahy (âme) io atỳ aoriana, dia tadidiny ilay faritra misy ireo endri-javatra ka alahelovany mafy. Araka ny fihevitr’i Platon, dia raiki-pitia ny olona satria hitany ao amin’ilay olon-tiany ilay hatsaran-tarehy heveriny ho tonga lafatra, izay tadidiny amin’ny fomba manjavozavo, ary tadiaviny.
Famantarana ny loharano sy ny fototra
Mitaky ny tsy fetezan’ny fanahy (âme) ho faty, ny fampianarana momba ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao. Ny niandohan’ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao àry dia tsy maintsy zohina hatrany amin’ireo vahoaka na firenena izay nanana izany finoana izany. Mifototra amin’izany, dia misy olona mihevitra fa niandoha tany Egypta fahiny izy io. Ny hafa indray dia mino fa nanomboka tany Babylona fahiny izy io. Mba hampahalaza ny fivavahana babyloniana, dia nanolotra ny foto-pampianarana momba ny fifindran-toeran’ny fanahy, ireo mpisorona teo aminy. Afaka nihambo izy ireo, araka izany, fa ireo sampiny ara-pivavahana, dia razambe nalaza, izay teraka indray tao amin’ny vatana vaovao, na dia maty efa ela aza.
Tany India anefa no niroboroboan’io finoana ny amin’ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao io. Ireo olon-kendry hindoa dia nisaintsaina lalina ny amin’ny zava-manahirana maneran-tany momba ny faharatsiana sy ny fijaliana mianjady amin’ny olona. ‘Ahoana no azo ampifanarahana an’ireo zavatra ireo amin’ilay hevitra ny amin’ny Mpamorona marina iray?’, hoy ny fanontanian’izy ireo. Nandramany nohazavaina ilay fifanoherana misy eo amin’ny fahamarinan’Andriamanitra sy ireo loza tsy ampoizina ary ireo tsy fitoviana misy eo amin’izao tontolo izao. Rehefa nandeha ny fotoana, dia namorona “ny lalàn’ny karma” izy ireo, dia ny lalàn’ny antony sy ny vokany — ‘na inona na inona afafin’ny olona dia izany no hojinjany’. Nanaovany ‘filazana’ tamin’ny tsipiriany fa ny fitondran-tena tsara na ratsy nananana teo amin’ny fiainana iray, dia valian-tsoa na sazina ao amin’ilay fiainana hanaraka.
Ny teny hoe “karma” dia midika fotsiny hoe “fitondran-tena”. Lazaina fa manana karma tsara ny Hindoa iray raha manaraka ireo fari-pitsipika ara-tsosialy sy ara-pivavahana izy, ary manana karma ratsy kosa izy raha tsy manaraka izany. Ny fitondran-tenany, na hoe ny karma-ny no mamaritra ny hoaviny ao amin’ny fahaterahana indray hifandimby. “Ny olona rehetra dia samy manana rafi-toetra mampiavaka azy, izay nomanin’ireo zavatra nataony teo amin’ny fiainany tany aloha, voalohany indrindra, na dia ny fandovan-toetra aza no mamaritra ireo toetoetrany ara-batana”, hoy ny filozofa Nikhilananda. “Ny olona ihany [araka izany] no tompo-marika amin’ny anjarany, sady mpanorina ny hoaviny.” Ny tanjona farany anefa, dia ny fanafahana amin’io tsingerin’ny fifindran-toerana io, ka ho tafaray amin’i Brahman — ilay fisiana fara tampony. Inoana fa ho tratra izany amin’ny fiezahana mafy mba hanana fitondran-tena azon’ny fiaraha-monina ekena, ary fahalalana manokana ny hindoisma koa.
Ny fampianarana momba ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao, araka izany, dia mampiasa ny foto-pampianarana ny amin’ny tsy fetezan’ny fanahy (âme) ho faty ho toy ny fototra iorenany, ary manorina eo ambonin’izany izy amin’ny fampiasana ny lalàn’ny karma. Andeha hojerentsika izay lazain’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, ny Baiboly, momba ireo hevitra ireo.
Tsy mety maty ve ny fanahy?
Mba hamaliana io fanontaniana io, dia andeha isika hitodika any amin’ilay manana ny fahefana ambony indrindra ny amin’ilay foto-kevitra — ny Teny ara-tsindrimandrin’ilay Mpamorona. Ao amin’ny boky voalohany indrindra amin’ny Baiboly, ny Genesisy, dia mianatra ny dikany araka ny marin’ny teny hoe “fanahy” isika. Raha ny amin’ny famoronana an’ilay lehilahy voalohany, i Adama, dia hoy ny Baiboly: “Vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga [fanahy velona, NW ] izy.” (Genesisy 2:7). Mazava fa ny fanahy dia tsy izay ananan’ny olona iray, fa ilay olona. Ilay teny hebreo nadika eto hoe fanahy dia neʹphesh. Miseho in-700 eo ho eo izy io ao amin’ny Baiboly, ary tsy manondro na oviana na oviana tapany misaraka sy tsy azo tsapain-tanana ao amin’ny olona, fa manondro foana kosa zavatra azo tsapain-tanana sy hita maso. — Joba 6:7, NW; Salamo 35:13, NW; 107:9; 119:28, NW.
Inona no mitranga amin’ny fanahy eo amin’ny fahafatesana? Hevero izay nitranga tamin’i Adama teo amin’ny fahafatesany. Rehefa nanota izy, dia hoy Andriamanitra taminy: ‘Hiverina any amin’ny tany hianao; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.’ (Genesisy 3:19). Eritrereto izay dikan’izany. Talohan’ny namoronan’Andriamanitra azy avy tamin’ny vovoka, dia tsy nisy i Adama. Taorian’ny nahafatesany, dia niverina ho amin’ny tsy fisiana indray i Adama.
Raha tsorina, ny Baiboly dia mampianatra fa ny fahafatesana dia ny mifanohitra amin’ny fiainana. Izao no vakintsika ao amin’ny Mpitoriteny 9:5, 10: “Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy. Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.”
Midika izany fa tsy afaka manao zavatra, na mahatsapa na inona na inona ny maty. Tsy manana hevitra intsony izy, sady tsy mahatadidy na inona na inona. Manambara toy izao ny mpanao salamo: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” — Salamo 146:3, 4.
Mampiseho mazava ny Baiboly fa eo amin’ny fahafatesana, ny fanahy dia tsy mifindra ao amin’ny vatana hafa iray, fa maty izy. “Ny fanahy izay manota no ho faty”, hoy ny Baiboly manantitrantitra. (Ezekiela 18:4, 20; Asan’ny Apostoly 3:23, NW; Apokalypsy 16:3, NW ). Araka izany, ny foto-pampianarana ny amin’ny tsy fetezan’ny fanahy ho faty, izay fototra iorenan’ny teôria ny amin’ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao, dia tsy tohanan’ny Soratra Masina mihitsy. Mirodana io teôria io, raha tsy tohanany. Koa inona àry no manazava ny fijaliana hitantsika eo amin’izao tontolo izao?
Nahoana no mijaly ny olona?
Ny antony fototra ijalian’ny olombelona dia ny tsy fahatanterahana nolovantsika rehetra avy tamin’i Adama mpanota. ‘Tamin’ny olona iray no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra’, hoy ny Baiboly. (Romana 5:12). Noho isika rehetra samy avy amin’i Adama, dia marary sy mihantitra ary maty isika. — Salamo 41:1, 3; Filipiana 2:25-27.
Ankoatra izany, ny lalàna ara-pitondran-tena tsy mety miova nomen’ny Mpamorona dia manambara hoe: “Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany. Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo”. (Galatiana 6:7, 8). Araka izany, ny fomba fiaina misy fahalotoam-pitondran-tena, dia mety hitarika ho amin’ny fahoriana ara-pihetseham-po, fananana anaka tsy nirina, sy aretina azo avy amin’ny firaisana. “Mahagaga fa ny 30 isan-jaton’ny kansera mitera-pahafatesana [any Etazonia], voalohany indrindra, dia voka-dratsin’ny fifohana sigara, ary mitovy isa amin’izany ihany dia voka-dratsin’ny fomba fiaina, indrindra fa ny fahazarana ara-tsakafo sy ny tsy fahampian’ny fampiasan-tena”, hoy ny gazetiboky Scientific American. Ny loza sasany izay miteraka fijaliana dia vokatry ny tsy fahaizan’ny olombelona mitantana ireo loharanon-karena eto an-tany. — Ampitahao amin’ny Apokalypsy 11:18.
Eny, ny olombelona no tokony homen-tsiny noho ny ankamaroan’ny fahoriana mianjady aminy. Koa satria tsy hoe tsy mety maty anefa ny fanahy, ny lalàna momba ny ‘fijinjana izay nafafy’ dia tsy azo ampiasaina mba hampifandraisana ny fijalian’olombelona amin’ny karma iray — dia ny zavatra nataony teo amin’ny fiainana heverina ho nisy tany aloha. “Izay efa maty dia afaka amin’ny ota”, hoy ny ambaran’ny Baiboly. (Romana 6:7, 23). Araka izany, dia tsy mitohy hatrany amin’ny fiainana iray aorian’ny fahafatesana akory ny vokatry ny ota.
Mahatonga fijaliana betsaka koa i Satana Devoly. Raha ny marina, itỳ tontolo itỳ dia tapahin’i Satana. (1 Jaona 5:19). Ary araka ny nambaran’i Jesosy Kristy mialoha, dia ‘ho halan’ny olona rehetra noho ny anarany’, ny mpianany. (Matio 10:22). Vokatr’izany, dia matetika ny olo-marina no miatrika zava-manahirana maro kokoa noho ny ratsy fanahy.
Eto amin’itỳ tontolo itỳ, dia misy zava-mitranga izay tsy miharihary avy hatrany ny antony. Ny mpihazakazaka haingam-pandeha indrindra dia mety ho tafintohina ka hamoy ilay hazakazaka. Ny tafika mahery iray dia mety hilavo lefona eo anatrehan’ny tafika kely noho izy. Ny lehilahy hendry iray dia mety tsy ho afaka hahita asa tsara ka noho izany dia ho noana. Ny olona faran’izay manam-pahaizana eo amin’ny fitantanan-draharaha dia mety, noho ny toe-javatra, tsy ho afaka hampiasa izany fahaizany izany ka hanjary hahantra. Ny olona mahira-tsaina dia mety hiharan’ny fahatezeran’ireo manam-pahefana ka hanjary tsy hankasitrahan’izy ireny. Nahoana no izany no izy? Satria “ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra”, hoy ny valin-tenin’i Solomona Mpanjaka hendry. — Mpitoriteny 9:11.
Ny olombelona dia efa nijaly, ela be talohan’ny nanandraman’ireo olon-kendry hindoa hanazava ny anton’izany. Misy fanantenana ny amin’ny hoavy tsara kokoa ve anefa? Ary inona no fampanantenana raketin’ny Baiboly ho an’ny maty?
Hoavy feno fiadanana
Nampanantena ny Mpamorona fa tsy ho ela izy dia hamarana ny fitambaran’olon’ny tontolo misy ankehitriny, izay eo ambany fifehezan’i Satana. (Ohabolana 2:21, 22; Daniela 2:44). Ho zava-misy amin’izay ny fitambaran’olona vaovao sy marina — “tany vaovao” iray. (2 Petera 3:13). Amin’izay fotoana izay, dia “tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”. (Isaia 33:24). Hofoanana na dia ny ngidin’ny fahafatesana aza, satria ‘hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha’. — Apokalypsy 21:4.
Raha ny amin’ny mponina ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra, dia nanambara mialoha toy izao ny mpanao salamo: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:29). Ambonin’izany, ny mpandefitra dia “hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana”. — Salamo 37:11.
I Mukundbhai, voalaza tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha, dia nody mandry, kanefa tsy nahafantatra ilay fampanantenana mahatalanjon’Andriamanitra. Olona an-tapitrisany maro izay maty nefa tsy nahalala an’Andriamanitra, no manana fahatsinjovana ny hofohazina ao amin’io tontolo vaovao feno fiadanana io, satria mampanantena ny Baiboly hoe: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny [tsy marina, NW ].” — Asan’ny Apostoly 24:15; Lioka 23:43.
Ny teny hoe ‘fananganana amin’ny maty’ eto dia nadika avy tamin’ny teny grika hoe a·naʹsta·sis, izay midika ara-bakiteny hoe “fampiarenana indray”. Ny fananganana amin’ny maty, araka izany, dia mahatafiditra ny fiverenan’ilay olona amin’ny fiainana, miaraka amin’ny toetra mampiavaka azy.
Tsy manam-petra ny fahendren’ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany. (Joba 12:13). Tsy sarotra aminy ny mitadidy ny fiainan’ireo maty, miaraka amin’ny toetra mampiavaka azy ireny. (Ampitahao amin’ny Isaia 40:26.) Be fitiavana koa i Jehovah Andriamanitra. (1 Jaona 4:8). Noho izany, dia afaka mampiasa ny fitadidiany lavorary izy, tsy hoe mba hanasaziana ny maty noho ny ratsy vitan’izy ireny, fa mba hamerenana azy ireny indray ho amin’ny fiainana kosa, ao amin’ny tany zary paradisa. Hanana ilay toetrany talohan’ny nahafatesany izy ireo.
Ho an’ny olona an-tapitrisany maro sahala amin’i Mukundbhai, ny fitsanganana amin’ny maty dia hidika ho fiarahana indray amin’ireo olon-tian’izy ireo. Alao sary an-tsaina anefa izay mety ho dikan’izany ho an’ireo velona ankehitriny. Hevero, ohatra, ilay zanakalahin’i Mukundbhai, izay tonga tamin’ny fahalalana ny fahamarinana mahatalanjona momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. Mampionona azy toy inona moa ny mahalala fa ny rainy dia tsy voageja ao amin’ny tsingerin’ny fahaterahana indray saika tsy misy farany, ka ny tsirairay amin’izy ireny dia voahodidin’ny faharatsiana sy ny fijaliana! Matory ao amin’ny fahafatesana fotsiny izy, miandry ny fitsanganana amin’ny maty. Mampientam-po azy toy inona moa ny mieritreritra ny mety hizarany amin’ilay rainy, indray andro any, ny zavatra nianaran’ny tenany avy tao amin’ny Baiboly!
Sitrapon’Andriamanitra ny ‘hahavoavonjy ny karazan’olona rehetra ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina’. (1 Timoty 2:3, 4, NW ). Izao no fotoana tokony hiarahanao mianatra amin’ireo olona an-tapitrisany maro efa manao ny sitrapon’Andriamanitra, ny fomba hahavelomana mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa. — Jaona 17:3.
[Teny notsongaina, pejy 7]
“Ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo azy rehetra.” — Mpitoriteny 9:11
[Efajoro, pejy 6]
Ny Toetran’Andriamanitra sy ny Lalàn’ny Karma
“Ny lalàn’ny Karma”, hoy ny nohazavain’i Mohandas K. Gandhi, “dia sady tsy azo ivalozana no tsy azo andosirana. Noho izany, dia tsy misy ilana ny fanelanelanan’Andriamanitra. Nanorina ilay lalàna izy ary niala sasatra, raha azo atao ny milaza izany.” Hitan’i Gandhi ho nampikorontan-tsaina io fanazavana io.
Etsy an-danin’izany, ny fampanantenana fitsanganana amin’ny maty dia mampiharihary fa miahy lalina ny zavatra noforoniny Andriamanitra. Mba hamerenana ny maty ho amin’ny fiainana indray ao amin’ny tany zary paradisa, dia tsy maintsy mahalala sy mahatadidy ny zavatra rehetra momba izany olona izany, Andriamanitra. Eny tokoa, miahy ny tsirairay amintsika Andriamanitra. — 1 Petera 5:6, 7.
[Sary, pejy 5]
Ny kodiaran’ny fiainana hindoa
[Sary, pejy 8]
Mampianatra ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty ny Tenin’Andriamanitra