Finoana An’Andriamanitra Tokony Hitaky Fahagagana ve Izany?
EFA dila kelin’ny faha-20 taonany i Albert fony izy nanomboka nitady an’Andriamanitra. Nanandrana fivavahana maromaro izy kanefa dia nitoetra ho tsy afa-po ihany. Raha namaky ampahany amin’ny Baiboly izy, dia nahafantatra ny fomba nifampiraharahan’Andriamanitra tamin’olona toa an-dry Noa sy Abrahama sy Saraha ary Mosesy. Nanjary voasarik’ilay Andriamanitry ny Baiboly i Albert. Afaka mahazo antoka anefa ve izy fa tena misy tokoa Andriamanitra?
Indray takariva, dia nandeha fiara tany amin’ny toerana nitokana iray i Albert, ka tany izy dia nivavaka hoe: “Mba omeo famantarana re aho Andriamanitra ô — na inona na inona mba hanaporofoana fa misy ianao.” Dia niandry i Albert, ka niandry. Tsaroany fa rehefa tsy nisy na inona na inona nitranga, dia “nivadika ho fahadisoam-panantenana sy fahatsapana fahabangana ary fahatezerana” ilay fanantenany.
Sahala amin’i Albert, dia maro no mihevitra fa sasa-poana izy nitady an’Andriamanitra. Mety hampisafotofoto azy ny toritenin’ireo anisan’ny klerjy, na mety ho diso fanantenana izy noho ny fivarotana entana ataon’ireo mpitoriteny ao amin’ny televiziona. Tohina noho ny fihatsarambelatsihy ahariharin’ny maro amin’ny mpiara-monina aminy, ny sasany ka tsy mahazo antoka ny amin’izay tokony hinoana. Nanome toky toy izao an’i Solomona zanany anefa i Davida Mpanjakan’ny Isiraely fahiny: “Raha mitady [an’Andriamanitra] hianao, dia hahita Azy”. — 1 Tantara 28:9.
Koa ahoana àry no ampahafantaran’Andriamanitra ny tenany? Moa ve ianao tokony hanampo famantarana — fanandraman-javatra tsy mahazatra izay hanaporofo aminao fa misy Andriamanitra? Araka ny fanadihadiana vao haingana voatatitra ao amin’ny gazetiboky Time, dia maherin’ny androatokon’ny Amerikana no mino fahagagana. Marihin’ilay lahatsoratra koa fa “ireo fiangonana mitombo haingana indrindra any Amerika dia ireo fitambaran’olona mpanao fahagagana sy pentekotista izay manao fanompoam-pivavahana mihodinkodina amin’ny ‘famantarana sy zava-mahagaga’ ”.
Tokony hitaky “famantarana sy zava-mahagaga” tokoa ve ny finoana an’Andriamanitra? Nampiasa fahagagana izy tamin’ny lasa. Indro misy ohatra: Teny an-dalana avy any Jerosalema hankany Damaskosy, dia niaina zavatra nampitolagaga i Saoly avy any Tarsosy izay nanenjika ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra. Nahatonga an’i Saoly hiova finoana io fihaonany nahagaga tamin’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty io. (Asan’ny Apostoly 9:1-22). Araka izany, dia nanjary apostoly Paoly — iray amin’ireo voalohany indrindra niaro ny Kristianisma — ny mpanenjika taloha iray!
Kanefa mampahatsiaro fandraisana tsara toy izany foana ve ny fahagagana? Miankina amin’ny fiainan’ny olona iray zava-mahagaga ve ny finoana marina an’Andriamanitra?
[Sary, pejy 3]
Niresaka tamin’ny fomba nahagaga tamin’i Saoly avy any Tarsosy, ny Zanak’Andriamanitra. Tokony hanampo fahagagana ve ianao?