Lany Andro ve ny Fifadian-kanina?
“MIFADY hanina isaky ny alatsinainy, hatramin’ny naha-zatovo ahy, aho”, hoy i Mrudulaben, vehivavy karana iray manankarena, 78 taona. Izany dia anisan’ny fanompoam-pivavahany, fomba iray niantohana ny hahavanonan’ny fanambadiany, sy ny fahasalaman’ireo zanany, ary koa ny fiarovana ho an’ny vadiny. Ankehitriny izy dia vehivavy maty vady, ary mbola manohy mifady hanina ny alatsinainy, mba hahazoany fahasalamana tsara sy hahazoan’ireo zanany fanambinana. Sahala aminy, ny ankamaroan’ny vehivavy hindoa dia manao ny fifadian-kanina tsy tapaka ho anisan’ny fiainan’izy ireo.
I Prakash, mpandraharaha iray efa lazondazony mipetraka any amin’ny faritanàna manamorona an’i Mumbai (Bombay), India, dia milaza fa mifady hanina isan-taona izy, dia ny alatsinainy amin’ny Sawan (Shravan). Izy io dia volana misy heviny manokana ara-pivavahana ao amin’ny kalandrie hindoa. Manazava toy izao i Prakash: “Noho ny antony ara-pivavahana no nanombohako, ankehitriny anefa aho dia mahita fandrisihana fanampiny mba hanohizana ilay izy, dia noho ny zava-kendrena ara-pahasalamana. Koa satria any amin’ny faramparan’ny vanin-taonan’ny Tsiokatsimo ny fahatongavan’ny Sawan, izy io dia manome ho an’ny vatako fahafahana hanadio ny tenany ihany amin’ireo aretina mampiavaka ny vanin-taona be ranonorana.”
Mihevitra ny sasany fa manampy ny olona iray amin’ny lafiny ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy, ny fifadian-kanina. Manambara toy izao, ohatra, ny Grolier International Encyclopedia: “Ny fikarohana ara-tsiansa iray vao haingana dia toa manondro fa mety hahasalama ny fifadian-kanina, ary rehefa atao amim-pitandremana izy io, dia mety hahatonga ny saina ho matsilo kokoa sy hahatonga ho mangoraka kokoa.” Voalaza fa nifady hanina nandritra ny folo andro na nihoatra, i Platon, filozofa grika, ary nampifady hanina an’ireo mpianany talohan’ny nampianarany azy ireo, i Pythagore, mpahay matematika.
Ho an’ny sasany, ny fifadian-kanina dia midika hoe tsy manendry sakafo sy rano na dia kely aza, mandritra ny fe-potoana raikitra, fa ny hafa kosa misotro ranon-javatra mandritra ny fifadiany hanina. Heverin’ny maro ho fifadian-kanina ny fanafoanana fotoam-pisakafoana sasany, na ny tsy fihinanana karazan-tsakafo manokana iray. Mety hampidi-doza anefa ny fifadian-kanina maharitra tsy misy fanaraha-maso. Milaza ilay mpanao gazety atao hoe Parul Sheth fa, rehefa avy nalain’ny vatana ny tahirina gliosida tao aminy, dia ovany ho gliokozy manaraka izany, ny proteina ao amin’ny siraka, ary avy eo dia alainy ilay menaka ao amin’ny vatana. Mamoaka poizina antsoina hoe acides gras ny fanovana ny menaka ho gliokozy. Rehefa miangona izy ireny, dia mifindra mankany amin’ny atidoha, ka manimba ny rafi-pitatitra foibe. “Amin’izay no mety hampidi-doza ny fifadian-kanina”, hoy i Sheth. “Mety hampifangaro zavatra ao an-tsaina ilay olona, ho voan’ny tamberin-tany, ary ny mbola ratsy kokoa aza (...) [Izy io dia mety hitarika] ho amin’ny tsy fahatsiarovan-tena maharitra, ary amin’ny farany dia fahafatesana.”
Fitaovana sy fombafomba
Nampiasaina ho toy ny fitaovana mahery ho an’ny zava-kendrena ara-politika sy ara-tsosialy, ny fifadian-kanina. Ny olona ambony iray nampiasa tamim-pahombiazana an’io fitaovana io, dia i Mohandas K. Gandhi tany India. Noho izy nohajaina fatratra teo amin’ny olona an-jato tapitrisany maro, dia nampiasainy ny fifadian-kanina mba hampiharana fitaomana mahery teo amin’ny sarambabem-bahoaka hindoa, tany India. Rehefa nolazalazain’i Gandhi ny vokatry ny fifadiany hanina mba handaminana fifandirana iray momba ny indostria, teo amin’ireo mpiasan’ny orinasa sy ireo tompon’ny orinasa, dia hoy izy: “Ny vokatra farany tamin’ilay izy dia ny fiforonan’ny rivo-piainana nisy fanekena tamim-pifaliana teo amin’ny rehetra. Voatohina ny fon’ny tompon’ny orinasa (...) Nitsahatra ny fitokonana rehefa avy nifady hanina nandritra ny telo andro monja aho.” I Nelson Mandela, prezidàn’i Afrika Atsimo, dia nandray anjara tamin’ny fitokonana tsy hihinan-kanina naharitra dimy andro, nandritra ireo taona naha-mpigadra ara-politika azy.
Ny ankamaroan’ireo izay nanao ny fifadian-kanina ho fahazarana anefa, dia nanao izany noho ny antony ara-pivavahana. Fombafomba malaza eo amin’ny finoana hindoa ny fifadian-kanina. Amin’ny andro sasany, hoy ny ambaran’ilay boky hoe Fast and Festivals of India, “dia misy ny fifadian-kanina tanteraka (...) na dia rano aza tsy sotroina akory. Ny lehilahy sy ny vehivavy dia samy mitandrina fifadian-kanina tanteraka (...) mba hiantohana ny fahasambarana, sy ny fanambinana ary ny famelana ny fahadisoana mbamin’ny fahotana”.
Fanao miely patrana ao amin’ny fivavahana jaina ny fifadian-kanina. Mitatitra toy izao ny The Sunday Times of India Review: “Ny muni [olon-kendry] jaina iray ao Bombay [Mumbai] dia tsy nisotro afa-tsy rano efa nampangotrahina, roa vera monja isan’andro — nandritra ny 201 andro. Very 33 kilao izy.” Ny sasany aza mifady hanina mandra-pahafaty noana ny tenany, amin’ny fiekena mafy fa hitondra famonjena ho azy izany.
Zavatra tsy maintsy atao mandritra ny volana Ramadany ny fifadian-kanina ho an’ireo olon-dehibe amin’ny ankapobeny, izay manaraka ny finoana silamo. Tsy azo atao ny manendry hanina na rano manomboka amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany, mandritra ilay volana manontolo. Na iza na iza marary na manao dia lavitra mandritra io fotoana io, dia tsy maintsy manonitra ireo andro fifadian-kanina ireo. Ny Karemy, fe-potoana maharitra 40 andro alohan’ny Paka, dia fotoana ifadian-kanina ho an’ny sasany ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ary antokom-pivavahana maro no mifady hanina amin’ny andro hafa voafaritra tsara.
Azo antoka fa tsy foana akory ny fifadian-kanina. Ary satria tapany amin’ny fivavahana maro aoka izany izy io, dia mety hanontany isika hoe: Takin’Andriamanitra ve ny fifadian-kanina? Misy tarehin-javatra ve izay mety hanapahan’ny Kristiana hevitra hifady hanina? Azo andraisan-tsoa ve izany? Handinika ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.
[Sary, pejy 3]
Ny fivavahana jaina dia mihevitra ny fifadian-kanina ho toy ny fomba iray hamonjena ny fanahy
[Sary, pejy 4]
I Mohandas K. Gandhi dia nampiasa ny fifadian-kanina ho toy ny fitaovana mahery ho an’ny zava-kendrena ara-politika sy ara-tsosialy
[Sary, pejy 4]
Amin’ny finoana silamo, dia tsy maintsy atao ny fifadian-kanina mandritra ny volana Ramadany
[Sary nahazoan-dalana]
Garo Nalbadian