Ahoana no Hiheveran’Andriamanitra ny Fanompoam-pivavahan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
“TSY izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra”, hoy i Jesosy Kristy, “fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa (...) nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.” — Matio 7:21-23.
Tamin’ny alalan’ny Teniny masina, ny Baiboly Masina, dia nataon’Andriamanitra nazava hoe inona no sitrapony. Manao ny sitrapon’Andriamanitra ve ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana? Sa kosa izy ireo no nantsoin’i Jesosy hoe “mpanao meloka”?
Fandatsahan-dra
Ny alina talohan’ny nahafatesan’ny Tompony, i Petera dia saika nanomboka ady nampiasana fiadiana tamin’ilay antokona miaramila nirahina hisambotra an’i Jesosy. (Jaona 18:3, 10). Naverin’i Jesosy tamin’ny laoniny anefa ny fahatoniana ary nampitandrina an’i Petera toy izao izy: “Izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.” (Matio 26:52). Averina ao amin’ny Apokalypsy 13:10 io fampitandremana mazava io. Nanaraka azy io ve ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana? Sa kosa izy ireo manana andraikitra amin’ireo ady misy ankehitriny any amin’ny faritra samihafa amin’izao tontolo izao?
Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia Serba sy Kroaty ana hetsiny maro no novonoina tamin’ny anaran’ny fivavahana. “Tany Kroasia”, hoy ny tatitra nataon’ny The New Encyclopædia Britannica, “ny fitondrana fasista tera-tany dia nanomboka nampihatra ny tetik’adin’ny ‘fanasivanana ara-pirazanana’ izay tafahoatra noho ny fanaon’ny Nazia mihitsy aza. (...) Voambara fa natao sesitany ny ampahatelon’ny mponina serba, nasaina niova hanaraka ny Fivavahana Katolika Romana ny ampahatelony, ary naripaka ny ampahatelony. (...) Nanimba mafy ny fifandraisan’ny fitondrana sy ny eglizy taorian’ny ady, ny fiaraha-miasa nampiseho fizahan-tavan’olona nasehon’ny klerjy tamin’ireny fanao ireny.” Olona maro tsy tambo isaina no noterena, na hiova hanaraka ny Fivavahana Katolika na ho faty; an’arivony maro hafa no tsy nomen-tsafidy akory aza. Vohitra iray manontolo maro — lehilahy, vehivavy, ankizy — no noterena hiditra tao amin’ny egliziny ortodoksa ary novonoina. Ahoana ny amin’ireo tafika komonista mpanohitra? Nahazo fanohanana ara-pivavahana koa ve izy ireo?
“Ny sasany tamin’ireo pretra dia nandray anjara tamin’ny ady teo amin’ny ilany nisy ny andian-tafika revolisionera”, hoy ny tatitra ataon’ilay boky hoe History of Yugoslavia. “Ny tafika mpiandany aza dia nanjary nanana tao anatiny pretra, sady avy tamin’ny eglizy ortodoksa serba no avy tamin’ny eglizy katolika romana”, hoy ny lazain’ilay boky hoe Yugoslavia and the New Communism. Manohy manamafy ny ady any amin’ireo tany balkanika ireo tsy fifanarahan-kevitra ara-pivavahana.
Ary ahoana ny momba an’i Rwanda? Niaiky toy izao tao amin’ilay gazety hoe The Month i Ian Linden, sekretera jeneralin’ny Fikambanana Katolika ho Amin’ny Fifandraisana Iraisam-pirenena: “Ireo famotopotorana nataon’ilay fihetsiketsehana hoe Ireo Zo Afrikana any Londres dia manome ohatra iray na roa ny amin’ireo mpitondra Eglizy Katolika, Anglikana sy Batista eo an-toerana izay voarohirohy tamin’ny famonoana nataon’ny miaramila fiandry noho ny tsy firaharahana na noho ny fanefana iraka. (...) Tsy misy isalasalana mihitsy fa Kristiana be mpahalala maro dia maro tany amin’ireo paroasy no voarohirohy tamin’ireo famonoana.” Mampalahelo fa manohy mamely ny faritr’i Afrika afovoany ny ady ifanaovan’ireo lazaina fa Kristiana.
Fijangajangana sy fanitsakitsaham-bady
Araka ny Tenin’Andriamanitra, dia tsy misy afa-tsy toerana mendri-kaja iray ihany ho an’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, ka izany dia ao anatin’ny fatoram-panambadiana. Hoy ny Baiboly hoe: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny [mpanitsakitsa-bady, NW ] dia hohelohin’Andriamanitra.” (Hebreo 13:4). Manohana io fampianaran’Andriamanitra io ve ireo mpitondra fiangonana?
Tamin’ny 1989, ny Eglizy Anglikana any Aostralia dia namoaka taratasy ofisialy maneho hevitra momba ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, izay manipy hevitra fa tsy ratsy ny firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana raha mifanaiky tanteraka ny olon-droa. Vao haingana kokoa izay, dia nilaza toy izao ilay mpitondra ny Eglizy Anglikana any Ekosy: “Tsy tokony hanameloka ireo firaisana ivelan’ny fanambadiana ho fahotana sy ratsy ny Eglizy. Tsy maintsy manaiky ny Eglizy fa vokatry ny tarazo nolovantsika ny fanitsakitsaham-bady.”
Atsy Afrika Atsimo, dia sahy naneho ny heviny manohana ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy ny anisan’ny klerjy maromaro. Ohatra, tamin’ny 1990, ny gazety afrikana tatsimo iray hoe You dia nanonona mpitondra fivavahana anglikana iray be mpahalala ho nilaza hoe: “Tsy atao hanan-kery foana akory ny andinin-teny. (...) Mino aho fa hisy ireo fiovana eo amin’ny fihetsika sy ny fomba arahin’ny fiangonana eo anoloan’ireo lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy.” — Ampitahao amin’ny Romana 1:26, 27.
Araka ny Britannica Book of the Year 1994, dia nanjary raharaha fahita ombieny ombieny iadian-kevitra ao amin’ireo fiangonana amerikana ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, indrindra ny raharaha toy ny “fanokanana ho amin’ny fanompoana ireo lehilahy mampahafantatra ny tenany ho miray amin’ny lehilahy na ireo vehivavy mampahafantatra ny tenany ho miray amin’ny vehivavy, ny faneken’ny fivavahana ny zon’izy ireny, ny fitsofan-drano ny ‘fanambadian’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy’, sy ny fanekena ho ara-dalàna na ny fanamelohana ny fomba fiaina mifandray amin’ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy”. Ny ankamaroan’ireo fikambanana ara-pivavahana lehibe indrindra dia mandefitra amin’ireo anisan’ny klerjy izay manao ezaka amin-kafanam-po mba hisian’ny fahalalahana bebe kokoa eo amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Araka ny Britannica Book of the Year 1995, dia nanao sonia fanambarana iray “manamafy ny maha-azo ekena ny fanokanana sy ny fanaon’ny lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy” ny eveka episkopaliana 55.
Manohana ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy ny sasany amin’ny anisan’ny klerjy, satria lazainy fa tsy niteny nanohitra izany velively i Jesosy. Tena izany tokoa ve anefa no izy? Nanambara i Jesosy Kristy fa fahamarinana ny Tenin’Andriamanitra. (Jaona 17:17). Midika izany fa nankasitrahany ny fiheveran’Andriamanitra ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, araka ny voalazalaza ao amin’ny Levitikosy 18:22 izay amakiana toy izao: “Aza mandry amin’ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.” Ambonin’izany, dia notanisain’i Jesosy ho anisan’ireo “zava-dratsy (...) [izay] mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy” ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady. (Marka 7:21-23). Ny teny grika nadika hoe fijangajangana dia teny malalaka kokoa noho izay ho an’ny fanitsakitsaham-bady. Milazalaza ireo endrika rehetra amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ivelan’ny fanambadiana ara-dalàna izy io, voafaoka amin’izany ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. (Joda 7). Nampitandrina ireo mpanara-dia azy koa i Jesosy Kristy mba tsy handefitra amin’izay milaza tena ho mpampianatra kristiana kanefa manamaivana ny maha-ratsy ny fijangajangana. — Apokalypsy 1:1; 2:14, 20.
Rehefa manao ezaka manokana ho fombana ny fanokanana lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy ireo mpitondra ara-pivavahana, dia inona no vokatr’izany eo amin’ireo mpikambana ao amin’ny fiangonany, indrindra eo amin’ny tanora? Tsy fampirisihana hanandrana ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ivelan’ny fanambadiana ve izany? Mifanohitra amin’izany, dia mampirisika mafy ny Kristiana mba ‘handositra ny fijangajangana’ ny Tenin’Andriamanitra. (1 Korintiana 6:18). Raha misy mpiray finoana lavo amin’izany fahotana izany, dia omena fanampiana feno fitiavana izy noho ny fikendrena hahazoan’ilay olona sitraka avy amin’Andriamanitra indray. (Jakoba 5:16, 19, 20). Ahoana raha toa ka lavina io fanampiana io? Milaza ny Baiboly fa raha tsy mibebaka ny olona toy izany, dia “tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra”. — 1 Korintiana 6:9, 10.
“Mandrara tsy hanam-bady”
Noho ny “[fihanaky, NW ] ny fijangajangana”, dia milaza ny Baiboly fa “tsara ny manam-bady noho ny ho maimay”. (1 Korintiana 7:2, 9). Na dia eo aza izany torohevitra maneho fahendrena izany, dia takina ny hitoeran’ny maro amin’ny anisan’ny klerjy ho mpitovo, izany hoe tsy manam-bady. “Tsy tapaka ny voadin’ny fitovoana”, hoy ny fanazavan’i Nino Lo Bello ao amin’ny bokiny hoe The Vatican Papers, “raha manana firaisan’ny lahy sy ny vavy ny mompera na moanina na masera iray. (...) Azo atao ny mahazo famelan-keloka noho ny firaisan’ny lahy sy ny vavy amin’ny fanaovana fanambarana marina ao amin’ny toeram-panaovana konfesy, kanefa kosa tsy heken’ny Eglizy fotsiny ny fanambadian’ny pretra na iza na iza.” Namokatra voa tsara sa ratsy izany fampianarana izany? — Matio 7:15-19.
Tsy isalasalana fa manana fiainana madio ara-pitondran-tena ny pretra maro, kanefa maro no tsy manana izany. Araka ny Britannica Book of the Year 1992, “dia natao tatitra fa nandoa 300 tapitrisa dolara ny Eglizy Katolika Romana mba handaminana ireo raharaham-pitsarana noho ny nanaovan’ny klerjy fitondran-tena tsy mendrika teo amin’ny lahy sy ny vavy”. Tatỳ aoriana, dia nilaza toy izao ny fanontana tamin’ny 1994: “Ny fahafatesan’ny anisan’ny klerjy maro noho ny SIDA dia nanala sarona ny fisian’ny pretra miray amin’ny lehilahy sy ny fanamarihana fa maro be ireo lehilahy miray amin’ny lehilahy voasarika tao amin’ny asan’ny pretra.” Tsy mahagaga raha lazain’ny Baiboly fa “fampianaran’ny demonia” ny ‘fandrarana tsy hanam-bady’. (1 Timoty 4:1-3). “Araka ny fahitan’ny mpanoratra tantara sasany”, hoy ny nosoratan’i Peter de Rosa ao amin’ny bokiny hoe Vicars of Christ, “[ny fitoeran’ny pretra ho mpitovo] angamba no nanimba bebe kokoa ny fomba fitondran-tena noho izay fanao hafa rehetra teo amin’ny tontolo tandrefana, tafiditra amin’izany ny fivarotan-tena. (...) [Izy io] indrindra no tasy teo amin’ny anaran’ny Kristianisma. (...) Nitarika mandrakariva ho amin’ny fihatsarambelatsihy teo amin’ny laharan’ny klerjy ny fitoerana ho mpitovo an-tery. (...) Mety ho lavo inarivo ny pretra iray, kanefa dia voararan’ny lalàn’ny eglizy tsy hanam-bady mihitsy izy.”
Rehefa avy nodinihina ny fiheveran’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala dia tsy sarotra ny manavaka ny fomba tsy maintsy ho fiheverany ireo fiangonana mizarazara ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Atambatry ny boky farany ao amin’ny Baiboly eo ambanin’ny anarana hoe “Babylona Lehibe, renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta, amin’ny tany”, ireo endri-panompoam-pivavahan-diso rehetra. Manampy teny ny Baiboly fa “teo anatiny no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany”. — Apokalypsy 17:5; 18:24.
Noho izany, dia mampirisika mafy toy izao ireo rehetra maniry ho tonga mpivavaka marina aminy Andriamanitra: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. (...) Ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon’ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.” — Apokalypsy 18:4, 8.
Mipetraka izao ny fanontaniana hoe: Rehefa avy nivoaka tamin’ny fivavahan-diso ny olona iray, dia aiza no tokony halehany? Endri-panompoam-pivavahana inona no azon’Andriamanitra ekena?
[Efajoro, pejy 5]
Fanompoan-tsampy
Anisan’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala ny fampiasana sampy. Nanandrana nampifangaro ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tamin’ny an’i Bala ny Isiraelita. Nitondra sampy tao amin’ny tempolin’i Jehovah mihitsy aza izy ireo. Natao nazava ny fiheveran’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahana tamin’ny sampy fony izy nitondra faharavana teo amin’i Jerosalema sy ny tempoliny.
Maro amin’ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no feno sampy, na amin’ny endriky ny lakroa izany, na sary ara-pivavahana, na sary vongan’i Maria. Ambonin’izany, dia ampianarina hiondrika, handohalika na hanao mariky ny lakroa eo anoloan’ireny sary ireny ny mpiangona maro be. Mifanohitra amin’izany, dia didiana ‘handositra ny fanompoan-tsampy’ ny Kristiana marina. (1 Korintiana 10:14). Tsy mitady hivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fanampian’ny zavatra hitan’ny maso izy ireo. — Jaona 4:24.
[Sary nahazoan-dalana]
Musée du Louvre, Paris
[Efajoro, pejy 7]
‘Ny Mpitondra Fiangonana Dia Tokony ho Tsy Manan-tsiny’
AVY ao amin’ny Tito 1:7 io fitenenana io, araka ny Dikanteny Iombonana eto Madagasikara (DIEM ). Ny King James Version dia vakina toy izao: “Ny eveka dia tsy maintsy ho olona tsy manan-tsiny”. Ny teny hoe “eveka” dia avy amin’ny teny grika iray midika hoe “mpiandraikitra”. Araka izany, ireo lehilahy izay tendrena hitari-dalana ao amin’ny kongregasiona kristiana marina dia tsy maintsy mahafeno ireo fari-pitsipika fototra takin’ny Baiboly. Raha tsy izany dia tsy maintsy esorina amin’ny toeram-piandraiketany izy ireo, satria tsy “ohatra ho an’ny andian’ondry” intsony. (1 Petera 5:2, 3, NW ). Mihevitra io fepetra io ho zava-dehibe ve ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
Ao amin’ny bokiny hoe I Care About Your Marriage, ny Dr. Everett Worthington dia manisy firesahana ny amin’ny fanadihadiana iray natao tamin’ny pastera 100 tao amin’ny Fanjakan’i Virginie, any Etazonia. Maherin’ny 40 isan-jato no niaiky ho nanana endri-pitondran-tena nanaitra faniriana firaisana amin’olona iray izay tsy vadiny ara-dalàna. Maro tamin’izy ireo no nanitsakitsa-bady.
“Tao anatin’ireo folo taona lasa”, hoy ny fanamarihana ao amin’ny Christianity Today, “dia voahozongozona imbetsaka noho ireo fanambarana momba ny fitondran-tena maloto nananan’ny sasany tamin’ireo mpitondrany hajaina indrindra, ny fiangonana.” Ilay lahatsoratra hoe “Ny Antony Tsy Tokony Hamerenana Ireo Pastera Mpanitsakitsa-bady Amin’ny Toerany” dia niady hevitra ny amin’ilay fanao mahazatra ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana momba ny famerenana haingana ho amin’ny toerany teo aloha ireo mpitondra fiangonana, rehefa “voaporofo ho nanota teo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy” izy ireo.