Eken’Andriamanitra ve ny Karazam-panompoam-pivavahana Rehetra?
ANDRIAMANITRA dia namorona ny olona hila zavatra ara-panahy — ny hanolotra fanompoam-pivavahana. Tsy hoe zavatra nitombo niandalana izy io. Tapany raikitra amin’ny olona hatrany am-piandohana izy io.
Mampalahelo anefa fa nampitombo fomba fivavahana maro samy hafa ny olombelona, ary tamin’ny ankapobeny dia tsy namokatra fianakavian’olombelona tafaray sy sambatra izy ireny. Mbola atao amin’ny anaran’ny fivavahana kosa ireo ady isian’ny ra mandriaka. Izany dia mampipoitra ny fanontaniana lehibe hoe: Zava-dehibe ve ny fomba anoloran’ny olona iray fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra?
Fanompoam-pivavahana mampisalasala tamin’ny andro fahiny
Manolotra ohatra ara-tantara iray izay manampy antsika hamaly io fanontaniana io, ireo firenena fahiny nonina tany Moyen-Orient. Maro no nivavaka tamin’ny andriamanitra iray nantsoina hoe Bala. Nivavaka tamin’ireo sakaizavavin’i Bala, toa an’i Asera koa izy ireo. Ny fanompoam-pivavahana tamin’i Asera dia nahatafiditra ny fampiasana tsato-kazo masina iray ninoana ho mariky ny maha-lahy. Namongatra sary vongana nampiseho vehivavy nitanjaka maro be ireo arkeology niasa tany amin’izany faritra izany. Ireny sary ireny, hoy ny filazan’ny Encyclopedia of Religion, dia “mampiseho ny sarin’ny andriamanibavy iray manana taovam-pananahana misongadina, manohona ny nonony”, ary “angamba mampiseho (...) an’i Asera”. Zavatra iray no azo antoka, dia ny hoe matetika no niharo fahalotoam-pitondran-tena be ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala.
Tsy mahagaga, noho izany, raha nahafaoka filibana teo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala. (Nomery 25:1-3). I Sekema, Kananita iray, dia nametaveta an’ilay tovovavy virjiny nantsoina hoe Dina. Na dia teo aza izany, dia noheverina ho ny lehilahy nanan-kaja indrindra tamin’ny fianakaviany izy. (Genesisy 34:1, 2, 19, NW ). Ny firaisana tamin’olom-pady, ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, sy ny firaisana tamin’ny biby dia fahita. (Levitikosy 18:6, 22-24, 27). Ilay teny mihitsy hoe “sodomia”, fanaon’ireo lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy, dia avy amin’ny anaran’ny tanàna iray izay nisy taloha tao amin’io faritra amin’ny tany io. (Genesisy 19:4, 5, 28). Nahatafiditra fandatsahan-dra koa ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala. Ireo mpivavaka tamin’i Bala dia nanipy ny zanany velona tao anatin’ny afo nidedadeda ho fanatitra ho an’ireo andriamaniny! (Jeremia 19:5). Nifandray tamin’ny fampianarana ara-pivavahana ireo fanao rehetra ireo. Tamin’ny fomba ahoana?
“Ny habibiana, ny filan-dratsin’ny nofo sy ny fanaranam-po hita tamin’ny tantaran’ireo andriamanitra kananita”, hoy ny fanazavan’ny Dr. Merrill Unger ao amin’ny bokiny hoe Archaeology and the Old Testament, dia “faran’izay ratsy lavitra noho ny tany an-toeran-kafa rehetra tany Proche-Orient tamin’izany fotoana izany. Ary ny lafin-toetra manaitra mampiavaka ireo andriamanitra kananita, ny tsy fananany hatsaram-pitondran-tena mihitsy na amin’inona na amin’inona, dia tsy maintsy ho nampitombo tao amin’ireo mpanohana azy lafin-toetra ratsy indrindra, ka nahatonga ny fisian’ny maro tamin’ireo fanao manimba ara-pitondran-tena indrindra tamin’izany fotoana izany, toy ny fijangajangana masina [sy] ny sorona ankizy.”
Nanaiky ny fanompoam-pivavahan’ireo Kananita ve Andriamanitra? Tsia, mazava ho azy. Nampianatra ny Isiraelita ny fomba anolorana fanompoam-pivavahana taminy tamin’ny fomba madio izy. Momba ireo fanao voalaza tetsy ambony, dia nampitandrina toy izao izy: “Aza mandoto ny tenanareo amin’izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan’ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo. Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan’ny tany ny mponina eo.” — Levitikosy 18:24, 25.
Nanjary voaloto ny fanompoam-pivavahana madio
Isiraelita maro no tsy nanaiky ny fiheveran’Andriamanitra momba ny fanompoam-pivavahana madio. Navelan’izy ireo hitohy tao amin’ny taniny kosa ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala. Tsy ela ireo Isiraelita dia voataona hampifangaro ny fanompoam-pivavahan’i Jehovah tamin’ny an’i Bala. Nanaiky io karazam-panompoam-pivavahana nifangaro io ve Andriamanitra? Diniho izay nitranga nandritra ny fotoana nanjakan’i Manase Mpanjaka. Izy dia nanorina alitara ho an’i Bala, nandoro ny zanany lahy mihitsy ho sorona, sy nanao majika. “Ary ny sarin’i Astarta [ʼashe·rahʹ amin’ny teny hebreo] izay nataony dia napetrany tao amin’ny trano nolazain’i Jehovah (...) hoe: Ato amin’ity trano ity (...) no hasiako ny anarako mandrakizay.” — 2 Mpanjaka 21:3-7.
Ireo olom-pehezin’i Manase dia nanaraka ny ohatry ny mpanjakany. Raha ny marina, dia “nitaona azy hanao ratsy mihoatra noho ny nataon’ny jentilisa, izay naringan’i Jehovah tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Isiraely” izy. (2 Mpanjaka 21:9). Tsy nanaraka ny fampitandremana niverimberina avy tamin’ireo mpaminanin’Andriamanitra i Manase fa namono olona kosa mandra-pamenony an’i Jerosalema tamin’ny ra marina. Na dia nanjary niova aza i Manase tamin’ny farany, dia namelona indray ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala i Amona Mpanjaka, zanany sady mpandimby azy. — 2 Mpanjaka 21:16, 19, 20.
Tamin’ny farany, dia nanomboka niasa tao amin’ny tempoly ireo mpijangajanga lehilahy. Ahoana no niheveran’Andriamanitra io fisehoan’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala io? Tamin’ny alalan’i Mosesy izy dia nampitandrina toy izao: “Aza mitondra ny tangin’ny vehivavy janga na ny karaman’ny alika [azo inoana fa lehilahy manana firaisana amin’ankizilahy], ho ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrao, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.” — Deoteronomia 23:18, 19 (andininy faha-18, fanamarihana ambany pejy amin’ny NW ).
I Josia Mpanjaka, zafikelin’i Manase, no nanadio ny tempoly tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala miharo fahalotoam-pitondran-tena. (2 Mpanjaka 23:6, 7). Efa lasa lavitra loatra anefa ny zavatra. Tsy ela taorian’ny nahafatesan’i Josia Mpanjaka, dia nitranga tao amin’ny tempolin’i Jehovah indray ny fanompoam-pivavahana tamin’ny sampy. (Ezekiela 8:3, 5-17). Koa nataon’i Jehovah àry izay handravan’ny mpanjakan’i Babylona an’i Jerosalema sy ny tempoliny. Io zava-nisy mampalahelo ara-tantara io dia porofo fa tsy azon’Andriamanitra ekena ny endri-panompoam-pivavahana sasany. Ahoana ny amin’ny androntsika?