Ny Fanantenako Nandritra ny Fiainako Manontolo — Ny Tsy ho Faty Mandrakizay
NOTANTARAIN’I HECTOR R. PRIEST
“Tsy azo sitranina ny kansera”, hoy ilay dokotera. “Tsy misy na inona na inona hafa azonay atao ho anao.” Efa maherin’ny folo taona izay no nilazana ahy ho nanana izany aretina izany. Kanefa, mbola mihazona ilay fanantenana miorina amin’ny Baiboly ihany aho, dia ny hiaina mandrakizay eto ambonin’ny tany tsy hahitana fahafatesana mihitsy. — Jaona 11:26.
NY RAY aman-dreniko dia Metodista tso-po izay nandeha niangona tsy tapaka tao amin’ny tanàna kely iray any ambanivohitra, tsy lavitra ny toeram-pambolena sy fiompian’ny fianakavianay. Tao amin’ny lohasaha tsara tarehin’ny distrikan’ny Wairarapa, tokony ho 130 kilaometatra any avaratra atsinanan’i Wellington, eto Nouvelle-Zélande, aho no teraka. Teo izahay dia nanana faritra taza-maso tamin’ireo tampon-tendrombohitra rakotra oram-panala sy ireo renirano madio avy any an-tendrombohitra ary ireo havoana mivalombalona sy lemaka lonaka.
Tao amin’ny Fiangonana Metodista izahay dia nampianarina fa mankany an-danitra avokoa ny tsara fanahy rehetra, fa ny ratsy kosa dia any amin’ny afobe, toerana fampijaliana iray misy afo. Tsy afaka nahatakatra aho hoe nahoana, raha nirin’Andriamanitra ny hiainan’ny olombelona tany an-danitra, no tsy nametraka azy ireo tany hatramin’ny voalohany izy. Natahotra ny fahafatesana foana aho ary nanontany tena matetika hoe nahoana isika no tsy maintsy maty. Tamin’ny 1927, fony aho 16 taona, dia niharan-doza ny fianakavianay. Izany no nitarika ahy hitady valiny tamin’ireo fanontaniako.
Nahoana i Reg no maty?
Fony izy 11 taona, dia nanjary narary mafy i Reg rahalahiko. Tsy afaka namantatra izay tsy nety ny dokotera ka tsy afaka nanampy azy. Nampiantso ilay mpitondra fivavahana metodista i Neny. Nivavaka teo amin’i Reg izy, nefa tsy nampionona an’i Neny izany. Raha ny marina, dia nilaza tamin’ilay mpitondra fivavahana izy fa tsy nandaitra ny vavaka nataony.
Rehefa maty i Reg, dia naniry mafy hiresaka na tamin’iza na tamin’iza ary tamin’olona rehetra i Neny mba hanandramana hampitony ny hetahetany valiny marina momba ny antony tsy maintsy nahafatesan’ny zanany lahy tanora. Raha teo am-piresahana tamin’ny mpandraharaha iray tany an-tanàna izy, dia nanontany azy io izy raha nisy zavatra fantany momba ny toetran’ny maty. Tsy nahafantatra ny momba izany izy io, nefa kosa niteny hoe: “Nisy olona nametraka boky iray teto izay azonao alaina.”
Nentin’i Neny nody ilay boky ary nanomboka novakiny ilay izy. Tsy afaka namela azy io izy. Tsikelikely dia niova ny fihetsiny manontolo. Niteny tamin’ny fianakaviana izy hoe: “Itỳ no izy; itỳ no fahamarinana”. Ilay boky dia Le divin plan des âges, ny boky voalohany tamin’ny Études des Écritures. Be fisalasalana aho tamin’ny voalohany, ary nanandrana niady hevitra nanohitra ny fampisehoan’ilay boky ny fikasan’ny Mpamorona. Ritra tamin’ny farany ny hevitra narosoko.
Fandraisana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly
Nieritreritra aho hoe: ‘Alao sary an-tsaina ny hoe hiaina mandrakizay, tsy voatery ho faty mihitsy!’ Fanantenana toy izany no hantenaina amin’ny Andriamanitra be fitiavana iray. Tany iray zary paradisa! Eny, mety amiko izany.
Taorian’ny nianarana ireo fahamarinana mahatalanjona ireo, dia nandeha nanely ny voan’ilay Fanjakana hatraiza hatraiza tany amin’ny toerana ambanivohitra i Neny sy ny anabavy kristiana telo avy tany Wellington — ny anabavy Thompson sy Barton ary Jones — nandritra ny andro maromaro tamin’ny fotoana iray. Na dia tsy nanana ny toe-tsaina misioneran’i Neny aza i Dada, dia nanohana azy tamin’ny asa nataony.
Niaiky ny amin’ny fahamarinana aho, nefa nandritra ny fe-potoana iray dia tsy nanao zavatra firy momba ireo zavatra ninoako. Tamin’ny 1935, dia nanambady an’i Rowena Corlett aho, ary tatỳ aoriana izahay dia nahazo fitahiana tamin’ny fiterahana zanakavavy, i Enid, sy zanakalahy, i Barry. Niasa tamin’ny naha-mpividy andiam-biby fiompy aho, ka nividy biby an’arivony maromaro avy tamin’ireo mpiompy teny amin’ny manodidina. Rehefa niresaka politika ireo mpiompy dia nahatsiaro tena ho sambatra aho rehefa nilaza tamin’izy ireo hoe: “Tsy misy amin’ireo ezaka ataon’ny olombelona ireo hahomby. Tsy misy afa-tsy ny Fanjakan’Andriamanitra no hahomby.”
Nampalahelo fa nanjary nandevozin’ny sigara aho; nisy sigara mandrakariva teo am-bavako. Tamin’ny farany dia niharatsy ny fahasalamako, ary naiditra hopitaly aho noho ny aretim-bavony. Nilazana aho fa voan’ny gastro-entérite aiguë, vokatry ny fifohako sigara. Na dia niala tamin’ilay fahazarana aza aho, dia tsy hoe tsy mahalana tamiko ny nanonofy fa teo am-pifohana sigara na sigarety iray tsy mety lany aho. Fahazarana manandevo mahatsiravina toy inona moa ny sigara!
Taorian’ny nialako tamin’ny sigara, dia nanao fanitsiana lehibe hafa aho. Tamin’ny 1939, fony aho 28 taona, dia natao batisa tao amin’ny Ony Mangatai, akaikin’ny fonenanay tany ambanivohitra aho. I Robert Lazenby, izay niandraikitra ny fanaraha-maso ny asa fitoriana eto Nouvelle-Zélande tatỳ aoriana, dia nanao ny dia manontolo avy tany Wellington mba hanao ny lahateny tao an-tokantranonay ary hanao batisa ahy. Nanomboka hatreo, dia nanjary Vavolombelon’i Jehovah feno fahasahiana aho.
Fandaminana ny asa fitoriana
Taorian’ny batisako aho dia notendrena ho mpiandraikitra ny Kongregasionan’i Eketahuna. I Rowena vadiko dia mbola tsy nandray ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Kanefa, dia nampahafantatra azy aho fa handeha hanasa an’i Alf Bryant hidina avy any Pahiatua mba hampiseho ahy ny fomba mety hitoriana isan-trano. Niriko ny handamina ny asa fitoriana sy hamita ny faritaninay tamin’ny fomba feno sy tamin’ny fomba tsy tapaka.
Hoy i Rowena: “Hector a, raha mandeha mitory isan-trano ianao, dia tsy ho eto aho rehefa miverina ianao. Ilaozako ianao. Ny andraikitrao dia eto — ato an-tokantrano miaraka amin’ny fianakavianao.”
Tsy hitako izay natao. Tamim-pisalasalana, dia nandeha niakanjo aho. ‘Tsy maintsy manao izany aho’, hoy aho tsy nitsahatra nieritreritra anakampo. ‘Miankina amin’izany ny fiainako sy ny fiainan’ny fianakaviako.’ Koa nanome toky an’i Rowena aho fa tsy naniry hampalahelo azy na tamin’ny fomba ahoana na tamin’ny fomba ahoana. Nilaza taminy aho fa tsy foiko izy, nefa noho ny anaran’i Jehovah sy ny fiandrianany, ary koa noho ny fiainanay mihitsy voafaoka, dia tsy maintsy mitory fotsiny amin’io fomba io aho.
Nankeo amin’ny varavarana voalohany izahay sy i Alf, ary izy no nanomboka niteny. Avy eo anefa dia nahita ny tenako nandray ny resaka aho, nilaza tamin’ilay tompon-trano fa izay nitranga tamin’ny andron’i Noa dia ny mifanitsy amin’izay mitranga amin’ny androntsika ary fa tsy maintsy manao zavatra isika hahazoana antoka ny amin’ny famonjena antsika. (Matio 24:37-39). Nametraka bokikely vitsivitsy tao aho.
Teo am-piainganay, dia hoy i Alf: “Taiza no nahazoanao izany fahalalana rehetra izany? Tsy mila ahy ianao. Mandehana ianao irery, dia hahavita faritany avo roa heny be lavitra isika.” Koa izany àry no nataonay.
Rehefa niverina nody izahay, dia tsy nahafantatra izay niandry anay aho. Akory ny hagagako sy ny hafaliako, fa novononin’i Rowena ho anay ny dite. Tapa-bolana tatỳ aoriana dia niaraka tamiko tamin’ny fanompoana ampahibemaso ny vadiko ary nanjary ohatra tsara dia tsara tamin’ny zotom-po kristiana.
Anisan’ireo olona voalohany tonga Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny lohasaha fambolena sy fiompiana nisy anay i Maud Manser, sy i William zanany lahy ary i Ruby zanany vavy. Ny vadin’i Maud dia lehilahy mahasosotra, henjana, raha jerena etỳ ivelany. Indray andro, dia tonga tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompian-dry zareo izahay sy i Rowena haka an’i Maud ho eny amin’ny fanompoana. Nandamina ny hampiasanay ny fiarany i William tanora, nefa nanana hevitra hafa ny rainy.
Nihahenjana ny tarehin-javatra. Nasaiko notazonin’i Rowena i Enid zanakay vavy kely. Niakatra tao anatin’ny fiaran’i William aho ary niriotra nivoaka ny garazy raha niolomay nanandrana nanakatona ny varavaran’ilay garazy Atoa Manser talohan’ny nahafahanay nivoaka. Tsy nahomby anefa izy. Rehefa tafakatra kely ny lalana izahay dia nijanona, ary nivoaka ny fiara aho mba hifanena tamin’Atoa Manser nisafoaka. Hoy aho taminy: “Handeha ho eny amin’ny saha fanompoana izahay, ary hiaraka aminay Rtoa Manser.” Niangavy azy aho, ka nihatony kelikely ny fahatezerany. Rehefa manao jery todika an’izany aho, dia azo inoana fa tokony ho tamin’ny fomba hafa no nitondrako ilay tarehin-javatra, nefa tatỳ aoriana izy dia nanjary nankasitraka kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia tsy tonga Vavolombelona mihitsy aza ny tenany.
Tsy nisy afa-tsy vitsivitsy ihany ny olon’i Jehovah tamin’ireny taona ireny. Ary nahafinaritra anay sy nandraisanay soa marina ny fitsidihan’ireo minisitra manontolo andro izay niara-nipetraka taminay tao amin’ny toeram-pambolenay. Anisan’ireny mpitsidika ireny i Adrian Thompson sy i Molly anabaviny, izay samy nanatrika ireo kilasy voalohandohany tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower ho an’ireo misionera, ka nanompo tany amin’ny toerana nanendrena tany amin’ny firenen-kafa, tany Japon sy tany Pakistan.
Ireo zavatra niainana nandritra ny ady
Tamin’ny Septambra 1939, dia nanomboka ny Ady Lehibe Faharoa, ary tamin’ny Oktobra 1940 dia nandrara ny asa nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitondram-panjakana néo-zélandais. Maro tamin’ireo rahalahinay kristiana no voatery niseho teo anoloan’ny fitsaran’ilay tany. Ny sasany dia napetraka tany amin’ireo toby fiasana an-tery vozona ka nosarahina tamin’ny vady aman-janany. Koa satria nafotaka ny ady, dia nanontany tena aho raha ho voantso hanao raharaha miaramila, na dia toeram-piompiana mamokatra zavatra azo avy amin’ny ronono aza ny anay. Tamin’izay no natao ny fanambarana fa tsy hisy mpiompy ho voatery handao ny toeram-piompiany intsony mba hanao raharaha miaramila.
Nanohy tamin’ny fanompoanay kristiana izahay sy i Rowena, samy nanokana maherin’ny 60 ora isam-bolana tamin’ny asa fitoriana. Nandritra izany fotoana izany, dia nanana tombontsoa nanampy ireo Vavolombelona tanora izay nihazona ny fialanalanany kristiana aho. Niseho ho azy ireo teo anoloan’ny fitsaran’i Wellington, ny fitsaran’i Palmerston Avaratra sy i Pahiatua ary ny fitsaran’i Masterton, aho. Mazàna, dia nisy mpikambana iray tamin’ny klerjy anisan’ny antokon’ireo mpanao famotorana, ka fahafinaretana ho ahy ny nanala sarona ny fanohanany ny ezaka amin’ny ady, izay tsy kristiana. — 1 Jaona 3:10-12.
Indray alina, raha teo am-pianarana Ny Tilikambo Fiambenana izahay sy i Rowena, dia nanao bemidina tao aminay ny mpitsikilo. Ny fikarohana natao tao an-tranonay dia nahitana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Nilazana izahay hoe “afaka miditra am-ponja noho io ianareo”. Rehefa niditra tao anatin’ny fiarany ireo mpitsikilo mba hanainga, dia nahita fa nihitsoka ny freins ary tsy nihetsika ilay fiara. Nanampy tamin’ny fanamboarana ilay fiara i William Manser, ary tsy renay intsony ny momba ireo lehilahy.
Nandritra ny fandrarana izahay dia nanafina ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tao amin’ny trano iray tany amin’ny faritra nitokana tamin’ny toeram-piompianay. Nanao fitsidihana tany amin’ny biraon’ny sampan’i Nouvelle-Zélande aho tamin’ny misasakalina, ary namatratra ireo zavatra vita an-tsoratra tao anaty fiarako. Avy eo, dia nitondra izany nody aho, ka nitahiry izany tao amin’ilay toerana nitokana. Indray alina, rehefa tonga tany amin’ny sampana aho mba haka ireo entana nafenina notateriko, dia nazava tampoka ilay toerana manontolo! Nikiakiaka ny polisy hoe: “Tratranay ianao!” Nahagaga anefa fa navelan’izy ireo nandeha aho, tsy nisy fanoherana loatra.
Tamin’ny 1949, dia namidinay sy i Rowena ilay toeram-piompiana ary nanapa-kevitra izahay hanao ny asan’ny mpisava lalana mandra-pahalanin’ny volanay. Nifindra tamin’ny trano iray tao Masterton izahay ary nanao ny asan’ny mpisava lalana niaraka tamin’ny Kongregasionan’i Masterton. Tao anatin’ny roa taona dia niorina ny Kongregasionan’i Featherston, izay nisy mpitory marisika 24, ary nanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra mpitantan-draharaha aho. Avy eo, tamin’ny 1953, dia nanana tombontsoa aho nanao dia lavitra nankany Etazonia, mba hanatrika ilay fivoriambe niraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah naharitra valo andro tao amin’ny Yankee Stadium, tao New York. Tsy afaka niaraka tamiko i Rowena satria nila fikarakarana i Enid zanakay vavy, izay voan’ny paralysie cérébrale.
Taorian’ny niverenako tany Nouvelle-Zélande, dia tsy maintsy nanomboka asa fivelomana aho. Niverina tany amin’ny Kongregasionan’i Masterton izahay, ka tao dia notendrena ho mpiandraikitra mpitantan-draharaha aho. Tokony ho tamin’izany fotoana izany, dia nividy ilay Teatira Kely tao Masterton i William Manser, ka io no tonga Efitrano Fanjakana voalohany tao amin’ny Wairarapa. Nandritra ireo taona 1950, dia nahita fitomboana tsara dia tsara ara-panahy sy teo amin’ny isa ny kongregasionanay. Noho izany, rehefa nitsidika ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia matetika nampirisika an’ireo matotra hifindra tany amin’ny faritra hafa tamin’ilay tany, mba hanampy tamin’ny asa fitoriana tany, ka maromaro no nanao izany.
Ny fianakavianay dia nijanona tao Masterton, ary nandritra ireo folo taona maromaro nanaraka aho dia tsy hoe nanana tombontsoa maro tao amin’ny kongregasiona fotsiny, fa nahazo fanendrena tamin’ireo fivoriambem-pirenena sy niraisam-pirenena koa. I Rowena dia nandray anjara tamin-jotom-po tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha, nanampy mandrakariva ny hafa hanao toy izany.
Fiaretana ireo fitsapana ny finoana
Araka ny nomarihina terỳ am-panombohana, tamin’ny 1985, dia nilazana aho fa voan’ny kansera tsy azo sitranina. Naniry fatratra toy inona moa izahay sy i Rowena vadiko mahatoky, niaraka tamin’ny zanakay, mba ho anisan’ireo olona an-tapitrisany maro velona ankehitriny izay tsy ho faty mihitsy! Ny dokotera anefa dia nandefa ahy nody mba ho faty. Voalohany anefa, izy ireo dia nanontany ahy ny fomba fahitako ilay filazana aretina.
“Hiezaka aho hihazona fo tony sy hijery ny lafy tsaran-javatra”, hoy ny navaliko. Eny tokoa, ilay ohabolana ao amin’ny Baiboly manao hoe: “Ny fo [tony, NW ] no fiainan’ny nofo” no tonga ny antony tsy nampihozongozona ahy. — Ohabolana 14:30.
Nidera io torohevitra ao amin’ny Baiboly io ireo manam-pahaizana momba ny kansera. “Izany toe-tsaina izany dia efa 90 isan-jaton’ny fanasitranana ireo olona mararin’ny kansera”, hoy izy ireo. Nanoro hevitra koa izy ireo ny hanarahana fitsaboana amin’ny taratra naharitra fito herinandro. Soa ihany fa tamin’ny farany aho dia nahomby tamin’ny ady tamin’ny kansera.
Nandritra izany fotoana tena sarotra izany, dia nitranga tamiko ny zavatra iray tena nampalahelo. Voan’ny hémorragie cérébrale ilay vadiko tsara tarehy sady nahatoky, ary maty. Nahita fiononana tamin’ny ohatr’ireo olo-nahatoky ao amin’ny Soratra Masina aho ary tamin’ny fomba nandaminan’i Jehovah ho azy ireo ny zava-nanahirana, rehefa nihazona ny tsy fivadihany izy ireo. Noho izany, dia nitoetra ho namirapiratra ny fanantenako ny tontolo vaovao. — Romana 15:4.
Na dia izany aza, dia nanjary ketraka aho ary naniry hijanona tsy hanompo tamin’ny naha-loholona. Nampahery ahy ireo rahalahy teo an-toerana mandra-pahazoko ny hery hanohizana indray. Vokatr’izany, dia afaka nanompo tsy an-kijanona tamin’ny naha-loholona sy mpiandraikitra kristiana aho nandritra ireo 57 taona lasa.
Fiatrehana ny hoavy amim-patokiana
Ny fanompoana an’i Jehovah tamin’ireny taona rehetra ireny dia tombontsoa tsy hay tombanana. Fitahiana maro toy inona moa no noraisiko! Toy ny hoe tsy ela be izay no nandrenesako ny reniko nihiaka, fony aho 16 taona, hoe: “Itỳ no izy; itỳ no fahamarinana!” Nitoetra ho Vavolombelona nahatoky sy be zotom-po ny reniko hatramin’ny fotoana nahafatesany tamin’ny 1979, fony izy maherin’ny 100 taona. Vavolombelona nahatoky koa ny zanany vavy sy ny zanany lahy enina.
Ny faniriako miredareda dia ny ho velona mba hahita ny anaran’i Jehovah hafahana amin’ny fahafaham-baraka rehetra. Hahita ny fanantenako nandritra ny fiainako manontolo, ny tsy ho faty mandrakizay, ho tanteraka ve aho? Izany dia mbola ho hita, mazava ho azy. Kanefa, matoky aho fa maro, olona an-tapitrisany maro, no hahita izany fitahiana izany amin’ny farany. Koa raha mbola velona koa aho, dia hazoniko ho sarobidy ny fahatsinjovana ny hisaina ho anisan’ireo izay tsy ho faty mandrakizay. — Jaona 11:26.
[Sary, pejy 28]
Ny reniko
Miaraka amin’ny vady aman-janako