Saro-piaro Amin’ny Fanompoam-pivavahana Madio Amin’i Jehovah
“Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy”. — EKSODOSY 34:14.
1. Inona no toetran’Andriamanitra lehibe indrindra, ary ahoana no ifandraisan’izy io amin’ny fahasarotam-piarony?
NILAZALAZA ny tenany ho “Andriamanitra saro-piaro” i Jehovah. Mety hanontany tena ny amin’ny anton’izany ianao, satria ny teny hoe “saro-piaro” dia mifono heviny tsy manorina. Mazava ho azy fa ny toetran’Andriamanitra lehibe indrindra dia ny fitiavana. (1 Jaona 4:8). Izay mety ho fahatsapany hasarotam-piaro àry dia tsy maintsy hahasoa ny olombelona. Raha ny marina, dia ho hitantsika fa ny fahasarotam-piaron’Andriamanitra dia tena zava-dehibe ho an’ny fiadanana sy ny firindrana eo amin’izao rehetra izao.
2. Inona avy no fomba sasany andikana ireo teny hebreo nadika hoe “fahasarotam-piaro”?
2 Ireo teny mifandray amin’ny hoe “fahasarotam-piaro” dia miseho in-80 mahery ao amin’ny Soratra Hebreo. Saiky ny antsasak’ireo fakan-teny ireo dia momba an’i Jehovah Andriamanitra. “Rehefa ampiharina amin’Andriamanitra ilay hevitra hoe fahasarotam-piaro”, hoy ny fanazavan’i G. H. Livingston, “dia tsy milaza an-kolaka fihetseham-po ratsy, fa milaza kosa fanantitranterana fa tsy azo zarazaraina ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah.” (The Pentateuch in Its Cultural Environment). Araka izany, ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao indraindray dia mandika ilay anarana hebreo amin’ny hoe “fanantitranterana fifikirana tsy mizarazara” (Ezekiela 5:13, NW ). Fandikana hafa mety koa ny hoe “firehetam-po” na “zotom-po”. — Salamo 79:5, NW; Isaia 9:7, NW.
3. Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahan’ny fahasarotam-piaro miasa ho amin’ny zava-kendrena tsara indraindray?
3 Noforonina hanana fahafahana hahatsapa hasarotam-piaro ny olona, saingy ny fahalavoan’ny taranak’olombelona tamin’ny ota no nahatonga fivaonan’ny fahasarotam-piaro. Na dia izany aza, dia afaka miasa ho amin’ny zava-kendrena tsara ny fahasarotam-piaro eo amin’ny olombelona. Afaka manosika olona iray hiaro ny olon-tiany amin’ny fitaoman-dratsy izany. Ambonin’izany, ny olombelona dia afaka mampiseho fahasarotam-piaro araka ny tokony ho izy ny amin’i Jehovah sy ny fanompoam-pivavahana aminy. (1 Mpanjaka 19:10, NW ). Mba hampitana ny fahatakarana tsara ny hevitr’izany fahasarotam-piaro ny amin’i Jehovah izany, ilay anarana hebreo dia azo adika hoe ‘tsy fandeferana amin’ny fandrafiana’ azy. — 2 Mpanjaka 10:16, NW.
Ilay ombilahy kely volamena
4. Didy inona nahatafiditra fahasarotam-piaro ara-drariny no nisongadina tao amin’ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Isiraely?
4 Ohatra iray ny amin’ny fahasarotam-piaro ara-drariny ilay nitranga taorian’ny nahazoan’ny Isiraelita ny Lalàna teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. Imbetsaka izy ireo no efa nampitandremana mba tsy hanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ireo andriamanitra nataon’olona. Hoy i Jehovah tamin’izy ireo: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro [na “Andriamanitra tsy mandefitra amin’ny fandrafiana”, NW, fanamarihana ambany pejy]”. (Eksodosy 20:5; ampitahao amin’ny Eksodosy 20:22, 23; 22:19; 23:13, 24, 32, 33.) Nanao fanekena tamin’ireo Isiraelita i Jehovah, nampanantena ny hitahy azy ireo sy hitondra azy ireo tany amin’ny Tany Nampanantenaina. (Eksodosy 23:22, 31). Ary dia nilaza ilay vahoaka hoe: “Izay rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay sy hekenay.” — Eksodosy 24:7.
5, 6. a) Ahoana no nanaovan’ny Isiraelita fahotana lehibe raha mbola nitoby teo amin’ny Tendrombohitra Sinay izy ireo? b) Ahoana no nampisehoan’i Jehovah sy ireo mpivavaka tsy nivadika taminy fahasarotam-piaro ara-drariny tao Sinay?
5 Na dia izany aza, tsy ela ireo Isiraelita dia nanota tamin’Andriamanitra. Mbola nitoby teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay izy ireo. Tany an-tendrombohitra efa nandritra ny andro maro i Mosesy, nandray toromarika fanampiny avy tamin’Andriamanitra, ary dia nanery an’i Arona rahalahin’i Mosesy ny vahoaka mba hanao andriamanitra ho azy ireo. Nanaraka izany i Arona ka dia nanao ombilahy kely avy tamin’ny volamena izay nomen’ilay vahoaka. Nolazaina fa io sampy io dia nampiseho an’i Jehovah. (Salamo 106:20). Ny ampitson’iny izy ireo dia nanao fanatitra sy “niankohoka teo anatrehany”. Avy eo izy ireo dia “nitsangana hilalao”. — Eksodosy 32:1, 4, 6, 8, 17-19.
6 Nidina avy tany an-tendrombohitra i Mosesy raha mbola teo am-panaovana fankalazana ireo Isiraelita. Rehefa nahita ny fitondran-tenan’izy ireo nanala baraka izy, dia niantso mafy hoe: “Iza no miandany amin’i Jehovah?” (Eksodosy 32:25, 26, NW ). Niangona teo amin’i Mosesy ny taranak’i Levy, ary dia nanome toromarika azy ireo izy mba haka sabatra ka hamono ireo mpiliba mpanompo sampy. Nampiseho ny fahasarotam-piarony tamin’ny fanompoam-pivavahana madio tamin’Andriamanitra ireo Levita ka namono sahabo ho 3 000 tamin’ireo rahalahiny meloka. Nanamafy io fanaovan-javatra io i Jehovah tamin’ny fandefasana loza tamin’ireo sisa tsy maty. (Eksodosy 32:28, 35). Avy eo Andriamanitra dia namerina indray ilay didy hoe: “Tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamani-kafa hianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy.” — Eksodosy 34:14.
Bala Peora
7, 8. a) Ahoana no nahalatsahan’ny Isiraelita maro tao anatin’ny fanompoan-tsampy nibaribary nifandray tamin’i Bala Peora? b) Ahoana no nanjary nitsaharan’ny loza avy tamin’i Jehovah?
7 Efapolo taona tatỳ aoriana, rehefa nadiva hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny firenen’ny Isiraely, dia nisy vehivavy moabita sy midianita nahafatifaty nanangoly Isiraelita maro mba ho tonga hifaly amin’ny fahaizan’izy ireo nandray vahiny. Tokony ho nanda ny fifaneraserana akaiky tamin’ireo mpivavaka tamin’andriamanitra sandoka, ireny lehilahy ireny. (Eksodosy 34:12, 15). Tsy izany no nataony fa nihazakazaka toy ny “omby entina hovonoina” kosa izy ireo, nijangajanga tamin’ireo vehivavy ary niaraka taminy teo amin’ny fiankohofana tamin’i Bala Peora. — Ohabolana 7:21, 22; Nomery 25:1-3.
8 Nandefa loza mba hamonoana ireo izay voarohirohy tamin’io fanompoam-pivavahana momba ny lahy sy ny vavy nahamenatra io, i Jehovah. Nandidy an’ireo Isiraelita tsy nanan-tsiny mba hamono ireo rahalahiny meloka koa Andriamanitra. Tsy tahotra tsy henatra no nitondran’ny filoha iray teo amin’ny Isiraely atao hoe Zimry ny andriambavy midianita iray nankao an-dainy mba hanana firaisana taminy. Rehefa nahita izany i Finehasa, mpisorona natahotra an’Andriamanitra, dia namono nahafaty ireo olon-droa naloto fitondran-tena. Nitsahatra tamin’izay ny loza, ka izao no nambaran’Andriamanitra: “Finehasa (...) dia nampiala ny fahatezerako tamin’ny Isiraelita; nampiseho teo amin’izy ireo fahatezerana feno hasarotam-piaro toy ilay nanosika ahy izy, ka noho izany, tao amin’ny fahasarotam-piaroko, dia tsy nataoko lany ringana ny Isiraelita.” (Nomery 25:11, The New English Bible). Na dia voavonjy tamin’ny fandringanana aza ilay firenena, dia Isiraelita 23 000 fara fahakeliny no maty. (1 Korintiana 10:8). Nafoin’izy ireo ilay fanantenana nankamaminy hatramin’ny ela, dia ny hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina.
Fianarana ho fampitandremana
9. Inona no nanjo ny vahoakan’ny Isiraely sy Joda noho izy ireo tsy saro-piaro tamin’ny fanompoam-pivavahana madio tamin’i Jehovah?
9 Nampalahelo fa tsy ela ireo Isiraelita dia nanadino ireny fianarana ireny. Tsy hita ho saro-piaro tamin’ny fanompoam-pivavahana madio tamin’i Jehovah izy ireo. “Nahasaro-piaro [an’Andriamanitra] tamin’ny sarin-javatra voasokitra [izy].” (Salamo 78:58). Ho vokatr’izany dia navelan’i Jehovah ny foko folon’ny Isiraely hoentin’ny Asyriana ho babo tamin’ny 740 al.f.i. Niharan’ny sazy nitovy tamin’izany ny fanjakan’ny Joda nisy foko roa rehefa noravana tamin’ny taona 607 al.f.i. i Jerosalema, renivohiny. Maro no maty, ary nentina ho babo tany Babylona ireo sisa tsy maty. Ohatra fampitandremana toy inona moa izany ho an’ny Kristiana rehetra amin’izao andro izao! — 1 Korintiana 10:6, 11.
10. Inona no hitranga amin’ireo mpanompo sampy tsy mibebaka?
10 Milaza tena fa Kristiana ankehitriny ny ampahatelon’ny mponin’ny tany — olona 1 900 tapitrisa eo ho eo. (1994 Britannica Book of the Year). Ny ankamaroan’izy ireo dia anisan’ny fiangonana izay mampiasa sary masina sy sary vongana ary lakroa ao amin’ny fanompoam-pivavahana ataony. Tsy nitsimbina ny vahoakany manokana izay nahasaro-piaro azy tamin’ny fanompoan-tsampiny i Jehovah. Tsy hotsimbininy toy izany koa ireo milaza tena fa Kristiana izay manolotra fanompoam-pivavahana miaraka amin’ny fanampian’ny zavatra azo tsapain-tanana. “Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”, hoy i Jesosy Kristy. (Jaona 4:24). Ankoatra izany, ny Baiboly dia mampitandrina ny Kristiana mba hiaro tena amin’ny fanompoan-tsampy. (1 Jaona 5:21). Ireo mpanompo sampy tsy mibebaka dia anisan’ireo izay tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. — Galatiana 5:20, 21.
11. Ahoana no mety hahatonga ny Kristiana iray ho meloka noho ny fanompoan-tsampy kanefa tsy niankohoka teo anatrehan’ny sampy iray, ary inona no hanampy ny olona iray hanalavitra ny fanompoan-tsampy toy izany? (Efesiana 5:5).
11 Na dia tsy hiankohoka na oviana na oviana eo amin’ny sampy iray aza ny Kristiana marina, dia tsy maintsy manalavitra izay zavatra heverin’Andriamanitra fa mifandray amin’ny fanompoan-tsampy, tsy madio sy feno ota. Mampitandrina toy izao, ohatra, ny Baiboly: “Vonoy ny rantsambatanareo izay etỳ an-tany raha ny amin’ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny firehetana momba ny lahy sy ny vavy, ny faniriana manimba ary ny fitsiriritana, izay fanompoan-tsampy. Noho ireo zavatra ireo no ahatongavan’ny fahatezeran’Andriamanitra.” (Kolosiana 3:5, 6, NW ). Ny fankatoavana ireo teny ireo dia mitaky ny hanariana ny fitondran-tena maloto. Izany dia mitaky ny hanalavirana fialam-boly natao hanaitra firehetana maloto momba ny lahy sy ny vavy. Tsy manome fahafaham-po ny firehetana toy izany ny Kristiana marina fa saro-piaro kosa amin’ny fanompoam-pivavahana madio amin’Andriamanitra.
Ohatra tatỳ aoriana momba ny fahasarotam-piaro araka an’Andriamanitra
12, 13. Ahoana no namelan’i Jesosy ohatra niavaka teo amin’ny fampisehoana fahasarotam-piaro tamin’ny fanompoam-pivavahana madio tamin’Andriamanitra?
12 Ny ohatra niavaka indrindra tamin’ny olona nampiseho fahasarotam-piaro amin’ny fanompoam-pivavahana marina amin’Andriamanitra dia i Jesosy Kristy. Tamin’ilay taona voalohany nanaovany fanompoana, dia hitany ireo mpivarotra mpierina nanao ny asany teo an-kianjan’ny tempoly. Ireo Jiosy nivahiny dia nety ho nila ny asan’ireo mpanakalo vola mba hanakalozana ny vola vahiny nananany tamin’ny vola izay azo nekena ho hetran’ny tempoly. Nila nividy biby sy vorona koa izy ireo mba hanolorana ireo sorona notakin’ny Lalàn’Andriamanitra. Ny fandraharahana ara-barotra toy izany dia tokony ho natao tany ivelan’ny kianjan’ny tempoly. Mbola ratsy kokoa aza fa ireo mpivarotra ireo dia niharihary fa naka tombony tafahoatra avy tamin’ireo zavatra ara-pivavahana nilain’ireo rahalahiny, tamin’ny fitakiana vidiny nidangana loatra. Narehitry ny fahasarotam-piaro tamin’ny fanompoam-pivavahana madio tamin’Andriamanitra i Jesosy ka nampiasa kotopia mba handroahana hiala teo ireo ondry mbamin’ireo omby. Nazerany koa ny latabatr’ireo mpanakalo vola tamin’ny filazana hoe: “Aza atao trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.” (Jaona 2:14-16). Tamin’izay i Jesosy dia nanatanteraka ireo teny ao amin’ny Salamo 69:9 manao hoe: “Ny firehetako [na “fahasarotam-piaroko”, Byington] ny amin’ny tranonao no naharìtra aina ahy”.
13 Telo taona tatỳ aoriana, dia voamarik’i Jesosy indray fa nanao ny asany tao amin’ny tempolin’i Jehovah ireo mpivarotra mpierina. Hanadio azy io fanindroany indray ve izy? Tamin’izay, ny fahasarotam-piarony tamin’ny fanompoam-pivavahana madio tamin’Andriamanitra dia nahery toy ilay fony izy nanomboka ny fanompoany. Samy noroahiny hiala teo na ny mpivarotra na ny mpividy. Ary nanome antony nahery kokoa ho an’izay nataony mihitsy aza izy tamin’ny filazana hoe: “Tsy voasoratra hoe va: ‘Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra?’; fa hianareo kosa efa nanao azy ho ‘zohy fieren’ny jiolahy’.” (Marka 11:17). Ohatra mahatalanjona toy inona moa izany raha ny amin’ny fikirizana maneho fahasarotam-piaro araka an’Andriamanitra!
14. Ahoana no tokony ho fiantraikan’ny fahasarotam-piaron’i Jesosy tamin’ny fanompoam-pivavahana madio eo amintsika?
14 Tsy niova ny toetra maha-izy an’i Jesosy Kristy Tompo nomem-boninahitra amin’izao fotoana izao. (Hebreo 13:8). Amin’izao taonjato faha-20 izao, dia mbola saro-piaro amin’ny fanompoam-pivavahana madio amin’ny Rainy ihany izy, toy ny fony izy teto an-tany. Hita izany ao amin’ireo hafatr’i Jesosy voarakitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Izy ireny dia hafatra ho an’ny kongregasiona fito, izay mihatra amin’izao “Andron’ny Tompo” izao ny ankabiazany. (Apokalypsy 1:10; 2:1–3:22). Tao amin’ny fahitana iray ny apostoly Jaona dia nahita an’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra nanana ‘maso tahaka ny lelafo’. (Apokalypsy 1:14). Izany dia mampiseho fa tsy misy na inona na inona tsy tsikaritr’i Kristy rehefa misafo ny kongregasiona izy mba hahazoana antoka fa mitoetra ho madio sy azo ekena amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy io. Ilain’ny Kristiana amin’izao andro izao ny mitadidy ao an-tsaina ny fampitandreman’i Jesosy mba tsy hanompo tompo roa — Andriamanitra sy ny harena. (Matio 6:24). Niteny toy izao tamin’ireo mpikambana tia fatratra zavatra ara-nofo tao amin’ny kongregasionan’i Laodikia i Jesosy: “Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako hianao; (...) koa dia mazotoa hianao, ka mibebaha.” (Apokalypsy 3:14-19). Amin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra no tokony hanampian’ireo loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona an’ireo mpiray finoana aminy mba hanalavitra ny fandriky ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo. Ireo loholona dia tsy maintsy miaro koa ny andian’ondry amin’ny fahasimbana ara-pitondran-tenan’itỳ tontolo mirona amin’ny lahy sy ny vavy itỳ. Ambonin’izany, ny olon’Andriamanitra dia tsy sahy mandefitra amin’izay mety ho fitaoman’i Jezebela ao amin’ny kongregasiona. — Hebreo 12:14, 15; Apokalypsy 2:20.
15. Ahoana no nanahafan’ny apostoly Paoly an’i Jesosy teo amin’ny fampisehoana fahasarotam-piaro tamin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah?
15 Mpanahaka an’i Kristy ny apostoly Paoly. Mba hiarovana ireo Kristiana vao vita batisa tamin’ny fitaoman-dratsy ara-panahy, dia hoy izy: “Fahasaro-piaro araka an’Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo”. (2 Korintiana 11:2). Talohan’izay, ny fahasarotam-piaron’i Paoly tamin’ny fanompoam-pivavahana madio dia efa nanosika azy hanome toromarika an’io kongregasiona io ihany mba handroaka ny mpijangajanga iray tsy nibebaka izay nanan-kery handoto. Ireo toromarika ara-tsindrimandry nomena tamin’io toe-javatra io dia nanampy be dia be ireo loholona amin’izao andro izao, rehefa mikely aina izy ireo mitana ho madio ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 75 500. — 1 Korintiana 5:1, 9-13.
Mitondra soa ho an’ny vahoakany ny fahasarotam-piaron’Andriamanitra
16, 17. a) Rehefa nanafay ny Joda fahiny Andriamanitra, dia fihetsika nanao ahoana no nasehon’ireo firenena? b) Taorian’ireo 70 taona naha-babo ny Joda, dia ahoana no nampisehoan’i Jehovah ny fahasarotam-piarony tamin’i Jerosalema?
16 Rehefa nanafay ny vahoakan’ny Joda Andriamanitra tamin’ny famelana azy ireo hoentina ho babo tany Babylona, dia nesoina izy ireo. (Salamo 137:3, NW ). Noho ny fankahalana feno fialonana, dia vatran’ireo Edomita mihitsy ny nanampy ny Babyloniana mba hitondra loza teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra, ary dia nomarihin’i Jehovah izany. (Ezekiela 35:11; 36:15). Tany amin’ny fahababoana dia nibebaka ireo sisa tsy maty, ary taorian’ny 70 taona dia namerina azy ireo tany amin’ny taniny i Jehovah.
17 Tamin’ny voalohany, dia tao anatin’ny toe-piainana nampamoy fo ny vahoakan’ny Joda. Tao anatin’ny faharavana ny tanànan’i Jerosalema sy ny tempoliny. Ireo firenena nanodidina anefa dia nanohitra ny ezaka rehetra natao mba hanorenana indray ny tempoly. (Ezra 4:4, 23, 24). Inona no tsapan’i Jehovah tamin’izany? Milaza toy izao ny firaketana an-tsoratra ara-tsindrimandry: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an’i Jerosalema sy Ziona Aho. Ary tezitra indrindra Aho amin’ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana. Koa izao no lazain’i Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin’ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon’ny maro”. (Zakaria 1:14-16). Nifanaraka tamin’io fampanantenana io, dia voaorina tamim-pahombiazana indray ny tempoly sy ny tanànan’i Jerosalema.
18. Inona no fanandraman-javatra hitan’ireo Kristiana marina nandritra ny ady lehibe voalohany?
18 Nahita fanandraman-javatra nitovy tamin’izany ny tena kongregasiona kristiana amin’ny taonjato faha-20. Nandritra ny ady lehibe voalohany, dia nanafay ny vahoakany i Jehovah noho izy ireo tsy nialanalana tamin’ny fomba hentitra tamin’io fifandrafiana araka an’izao tontolo izao io. (Jaona 17:16). Navelan’Andriamanitra hampahory azy ireo ny hery ara-politika, ary dia nifaly noho ny loza nanjo azy ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Raha ny marina, ireo anisan’ny klerjy dia loha laharana tamin’ny fanaovana izay handraran’ireo mpanao politika ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. — Apokalypsy 11:7, 10.
19. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fahasarotam-piaro tamin’ny fanompoam-pivavahana taminy hatramin’ny 1919?
19 Nampiseho fahasarotam-piaro tamin’ny fanompoam-pivavahana natao taminy anefa i Jehovah ka namerina indray ny vahoakany nibebaka tao amin’ny fankasitrahany tamin’ny taona 1919 taorian’ny ady. (Apokalypsy 11:11, 12). Ho vokatr’izany, dia nitombo ny isan’ireo mpidera an’i Jehovah, latsaka ny 4 000 tamin’ny 1918 ka 5 tapitrisa eo ho eo amin’izao andro izao. (Isaia 60:22). Tsy ho ela dia hiseho amin’ny fomba manaitra kokoa ny fahasarotam-piaron’i Jehovah amin’ny fanompoam-pivavahana madio atao aminy.
Asa amin’ny hoavy mampiseho ny hasarotam-piaron’Andriamanitra
20. Inona no hataon’Andriamanitra tsy ho ela mba hampisehoana ny fahasarotam-piarony amin’ny fanompoam-pivavahana madio?
20 Nandritra ireo taonjato, ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia nanaraka ny lalam-pitondran-tenan’ireo Jiosy nivadi-pinoana izay nahasaro-piaro an’i Jehovah. (Ezekiela 8:3, 17, 18). Tsy ho ela dia hanao zavatra i Jehovah Andriamanitra amin’ny fametrahana eritreritra hentitra ao am-pon’ireo anisan’ny Firenena Mikambana. Izany dia hanosika ireo hery ara-politika ireo hanafoana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana sy ny sisa amin’ny fivavahan-diso. (Apokalypsy 17:16, 17). Ho tafita velona amin’io fampiharana mampivarahontsana ny didim-pitsaran’Andriamanitra io ireo mpivavaka marina. Izy ireo dia handray tsara ny tenin’ireo zavaboary any an-danitra izay nanao hoe: “Haleloia [“Miderà an’i Jah ianareo, ry olona”, NW ]! (...) Fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy — dia ilay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany — ary namaly azy noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany.” — Apokalypsy 19:1, 2.
21. a) Inona no hataon’i Satana sy ny fandehan-javany rehefa avy noravana ny fivavahan-diso? b) Hanao ahoana ny fihetsik’Andriamanitra?
21 Inona no hitranga aorian’ny fandravana ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso? Hanesika an’ireo hery ara-politika mba handamina fanafihana maneran-tany amin’ny vahoakan’i Jehovah, i Satana. Hanao ahoana ny fihetsik’ilay Andriamanitra marina manoloana io fanandraman’i Satana hanafoana ny fanompoam-pivavahana marina tsy ho eto an-tany io? Milaza amintsika toy izao ny Ezekiela 38:19-23: “Amin’ny fahasaro-piaroko sy ny afon’ny fahatezerako no nitenenako (...). Ary hamaly azy [Satana] amin’ny areti-mandringana sy ny ra sy ny ranonorana manafotra ary ny havandra vaventy Aho; ary koa, handatsaka afo sy solifara aminy sy amin’ny miaramilany mbamin’ny firenena maro izay miaraka aminy Aho. Ka dia hasehoko ny fahalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason’ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.” — Jereo koa ny Zefania 1:18; 3:8.
22. Ahoana no azontsika anehoana fa saro-piaro amin’ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah isika?
22 Mampionona toy inona moa ny mahafantatra fa miahy ireo tena mpivavaka aminy ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao! Noho ny fankasitrahana lalina ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory, dia aoka isika ho saro-piaro amin’ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah Andriamanitra. Amin-jotom-po, dia enga anie isika hanohy hitory ny vaovao tsara sy hiandry amim-patokiana ilay andro lehibe hankalazan’i Jehovah sy hanamasinany ny anarany lehibe. — Matio 24:14, NW.
Hevitra Hosaintsainina
◻ Inona no atao hoe saro-piaro ny amin’i Jehovah?
◻ Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra navelan’ireo Isiraelita fahiny?
◻ Ahoana no azontsika analavirana ny hampahasaro-piaro an’i Jehovah?
◻ Ahoana no nampisehoan’Andriamanitra sy i Kristy fahasarotam-piaro amin’ny fanompoam-pivavahana madio?
[Efajoro, pejy 12]
Ny Fitiavana Tsy Mialona sy Tsy Saro-piaro
MAHAKASIKA ny fitsiriritana, dia nanoratra toy izao i Albert Barnes, nanam-pahaizana manokana momba ny Baiboly tamin’ny taonjato faha-19: “Izy io dia iray amin’ireo fihariharian’ny faharatsiam-panahy fahita indrindra, ary mampiseho mazava ny halalin’ny fahambanian-toetra ao amin’ny olona.” Nanampy teny toy izao izy: “Izay olona afaka milaza amin’ny tsipiriany ny amin’ireo ady sy fifampiandaniana ary planina araka an’izao tontolo izao rehetra, hatramin’ny fiandohany — ireo tetika sy fikasana rehetra ataon’ny olona, na dia ireo mihambo ho Kristiana aza, izay manao zavatra betsaka aoka izany mba hanimbana ny fivavahany, ary mba hanaovana izay hananany ny toe-tsain’izao tontolo izao, raha afaka milaza amin’ny tsipiriany ny amin’izany hatramin’ny fiandohany izy — dia ho gaga hahita hoe betsaka toy inona amin’izy ireny moa no avy amin’ny fitsiriritana. Malahelo isika satria ambinina kokoa noho isika ny hafa; maniry hahazo izay ananan’ny hafa isika, na dia tsy manana zo amin’izany aza isika; ary izany dia mitarika ho amin’ny fomba fanaovan-javatra tsy marina samihafa, izay kendrena mba hampihena ny fifalian’izy ireo amin’izany fananana izany, na mba hahazoan’ny tenantsika azy io, na koa mba hampisehoana fa tsy manana betsaka araka izay heverina mazàna fa tokony hananany izy ireo. (...) Koa araka izany dia hahazo fahafaham-po ny toe-tsaina mampiseho fitsiriritana ao an-tratrantsika.” — Romana 1:29; Jakoba 4:5, NW.
Mifanohitra amin’izany kosa, i Barnes dia nanao filazana mahaliana iray mahakasika ny fitiavana izay “tsy mialona sy tsy saro-piaro”. (1 Korintiana 13:4, King James Version). Nanoratra izy hoe: “Ny fitiavana dia tsy mitsiriritra ny fahasambarana izay ifalian’ny hafa; izy io dia mifaly amin’ny soa azon’izy ireo; ary rehefa nitombo ny fahasambaran’izy ireo (...), ny olona izay atosiky ny fitiavana (...) dia tsy hampihena izany; tsy hanao izay hahasaikatra azy ireny noho ny tombom-pananan’ireny, izy; tsy hanaisotra ilay fahasambarana izy; tsy himonomonona na haneho fahadisoam-panantenana izy satria hoe ny tenany dia tsy mba nahazo tombontsoa manokana toy izany. (...) Raha tia ny hafa isika — raha mifaly amin’ny fahasambaran’izy ireny isika, dia tsy tokony hitsiriritra azy.”
[Sary, pejy 10]
Saro-piaro tamin’ny fanompoam-pivavahana madio tamin’i Jehovah i Finehasa