FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/5 p. 29-31
  • Mpialoha Lalana ny Mesia Izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpialoha Lalana ny Mesia Izy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nambara mialoha ny asa nanirahana azy
  • Feo tany an’efitra
  • Nampitandremana ny “karazan’olona rehetra”
  • Nampahafantarina ny Mesia
  • Nahatoky hatramin’ny farany
  • Nanomana ny Lalana i Jaona Mpanao Batisa
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Nampiomana i Jaona hoe ho Avy i Jesosy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Nanomana ny lalana i Jaona
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/5 p. 29-31

Mpialoha Lalana ny Mesia Izy

NANASONGADINA ny hodiny notaninin’ny hainandro ny fehikibo hoditra iray. Niakanjo lamba volon-drameva izy, ka tena tahaka ny mpaminany iray tokoa. Olona maro no voasintona hanatona azy teo amin’ny ony Jordana. Teo io lehilahy nahavariana io dia nanambara tamim-pahasahiana fa vonona hanao batisa ireo mpanota nibebaka izy.

Talanjona ny vahoaka! Iza moa io lehilahy io? Inona no zava-nokendreny?

Hoy i Jesosy Kristy momba io olona io: “Hizaha inona no nivoahanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy. (...) Amin’izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa”. (Matio 11:9-11). Nahoana no lehilahy naningana toy izany i Jaona? Satria mpialoha lalana ny Mesia izy.

Nambara mialoha ny asa nanirahana azy

Maherin’ny 700 taona talohan’ny nahaterahan’i Jaona, i Jehovah dia nanambara fa hiantso any an’efitra izy io: “Manamboara làlana any an-efitra ho an’i Jehovah, manaova làlambe any an-tany foana ho an’Andriamanitsika.” (Isaia 40:3; Matio 3:3). Maherin’ny 400 taona talohan’ny nahaterahan’i Jaona, dia izao no nambaran’Andriamanitra Tsitoha: “Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra”. (Malakia 3:23). Tsy kisendrasendra fotsiny ny nahaterahan’i Jaona Mpanao Batisa enim-bolana teo ho eo talohan’i Jesosy, no sady tsy nitranga noho ny fisehoan-javatra voajanahary fotsiny izany. Tahaka ny fahaterahan’i Isaka, zaza nampanantenaina, dia fahagagana ny fahaterahan’i Jaona, satria samy efa nihoatra ny taona ara-dalàna hiterahana i Zakaria sy i Elizabeta ray aman-dreniny. — Lioka 1:18.

Na dia talohan’ny nahatorontoronina an’i Jaona aza dia efa nampahafantarin’ny anjely Gabriela ny fanirahana azy sy ny asany ary ny fomba fiainany. Amin’ny hery sy ny fanahin’i Elia, i Jaona dia hampody ireo tsy mpankato hiala amin’ny lalan’ny fahafatesana ka hanomana azy ireo hanaiky an’i Jesosy ho Mesia. Hatramin’ny nahaterahany, dia tokony ho Nazirita i Jaona, hatokana tanteraka ho an’Andriamanitra, ary tsy tokony hisotro divay na toaka. Raha ny tena izy, dia “valala sy tantely remby” no sakafony tany an’efitra. (Marka 1:6; Nomery 6:2, 3; Lioka 1:13-17). Tahaka an’i Samoela, hatramin’ny fahazazany i Jaona dia natokana ho amin’ny fanompoana be voninahitra an’ilay Andriamanitra Avo Indrindra. — 1 Samoela 1:11, 24-28.

Na dia ny anarana hoe Jaona aza dia nofidin’Andriamanitra. Ilay anarana hebreo nadika hoe “Jaona” dia midika hoe “Nampiseho Fankasitrahana i Jehovah; Namindra Fo i Jehovah”.

Rehefa noforana tamin’ny andro fahavalo ilay zaza, dia nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra i Zakaria rainy ka nanambara hoe: “Hianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ny Avo Indrindra; fa hialoha eo anatrehan’[i Jehovah, NW ] hianao hamboatra ny làlany. Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin’ny famelana ny helony, noho ny halehiben’ny famindrampon’Andriamanitsika, izay hiposahan’ny mazava avy any amin’ny avo ho antsika.” (Lioka 1:76-78). Ny fanompoan’i Jaona ampahibemaso dia tokony ho ny zava-dehibe voalohany teo amin’ny fiainany. Rehefa nampitahaina tamin’izy io ny zavatra hafa rehetra dia tsy zava-dehibe. Koa amin’izany, ny Soratra Masina dia mamelabelatra ny 30 taona voalohany niainan’i Jaona amin’izao andininy tokana izao: “Ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan’ny andro nisehoany tamin’ny Isiraely.” — Lioka 1:80.

Feo tany an’efitra

Tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Tiberio Kaisara, fony i Pontio Pilato no governora tany Jodia, dia niseho tany an’efitra i Jaona Mpanao Batisa nitondra izao hafatra nanaitra izao: “Mibebaha hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 3:2; Marka 1:4; Lioka 3:1, 2). Taitra ny sarambabem-bahoaka tao amin’ilay faritra manontolo. Nanohina ny fon’ny olona izay naniry fatratra fanantenana azo antoka izany fanambarana tamim-pahasahiana izany. Nitsapa ny fanetren-tenan’ny olona koa ny fanambaran’i Jaona satria nitaky fibebahana tamim-pahatsorana. Nanosika ny olona nahitsy fo sy tso-po maro be hihevitra azy ho lehilahy nirahin’Andriamanitra ny fahatsoram-pony sy ny fiekeny lalina.

Niely patrana haingana ny lazan’i Jaona. Tamin’ny naha-mpaminanin’i Jehovah azy, dia fantatra mora foana tamin’ny fitafiany sy ny fandavan-tenany izy. (Marka 1:6). Na dia ireo mpisorona sy Levita aza dia nandeha avy tany Jerosalema mba hahafantarana hoe inona no niteraka izany fahalianana rehetra izany. Hibebaka hoe? Nahoana, ary ny amin’inona? Iza moa io lehilahy io? Naniry ny hahalala izy ireo. Nanazava toy izao i Jaona: “Tsy izaho no Kristy. Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va hianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va hianao? Fa izy namaly hoe: Tsia. Dia hoy ireo taminy: Iza ary hianao? mba hitondranay valiny ho any amin’izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao? Dia hoy izy: ‘Izaho dia feon’ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny làlan’i Jehovah’, araka izay nolazain’Isaia mpaminany. Ary iraka avy tamin’ny Fariseo ireo. Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary hianao no manao batisa, raha tsy hianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?” — Jaona 1:20-25.

Ny fibebahana sy ny batisa dia dingana tena ilaina ho an’ireo izay hiditra ao amin’ilay Fanjakana. Noho izany, dia namaly i Jaona hoe: ‘Izaho manao batisa amin’ny rano ny mpanota mibebaka, fa avy ao aoriako dia hisy mahery kokoa hanao batisa anareo amin’ny fanahy masina sy ny afo. Tsy mendrika na dia ny hamaha ny kapany aza aho. Ary mitandrema! Mitondra fikororohana eny an-tanany izy ka hanangona ny vary ho ao an-tsompiny, fa handoro sy handevona ny akofa kosa.’ (Lioka 3:15-17; Asan’ny Apostoly 1:5). Eny tokoa, homena an’ireo mpanara-dia ny Mesia ny fanahy masina, fa hiharan’ny afon’ny fandringanana kosa ireo fahavalony.

Nampitandremana ny “karazan’olona rehetra”

Jiosy nahitsy fo maro no voatohina lalina tamin’ny tenin’i Jaona ka niaiky an-karihary ny fahotan’izy ireo tamin’ny tsy fahatokiany teo anoloan’ny faneken’ny Lalàna. Nampiseho ampahibemaso ny fibebahany izy ireo tamin’ny famelana an’i Jaona hanao batisa azy tao amin’ny Ony Jordana. (Matio 3:5, 6). Ho vokany, dia nanana toe-po nety mba handraisana ny Mesia izy ireo. Nanome fahafaham-po ny hetahetan’izy ireo hahazo fahalalana momba ny zavatra takin’Andriamanitra ara-drariny i Jaona ka nampianatra azy ireo tamim-pifaliana toy ny hoe mpianany, nampianatra azy ireo ny fomba fivavaka mihitsy aza. — Lioka 11:1.

Mikasika io mpialoha lalana ny Mesia io, dia izao no nosoratan’ny apostoly Jaona: “Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan’ny [karazan’olona rehetra, NW ] noho ny teniny.” (Jaona 1:7). Koa ny karazan’olona rehetra no tonga nihaino an’i Jaona Mpanao Batisa rehefa ‘nitory tamin’ny olona Isiraely rehetra aloha ny batisan’ny fibebahana’, izy. (Asan’ny Apostoly 13:24). Nampitandrina ireo mpamory hetra mba tsy hisoloky izy. Nampitandrina ireo miaramila mba tsy hampijaly olona na hanao fiampangana lainga izy. Ary hoy izy tamin’ireo Fariseo sy Sadoseo mpivavaka, mpihatsaravelatsihy: “Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana hianareo; ary aza manao anakampo hoe: Manana an’i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.” — Matio 3:7-9; Lioka 3:7-14.

Tamin’ny naha-kilasy, ireo mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jaona dia tsy nety nino azy ary niampanga lainga azy ho azon’ny demonia. Nolavin’izy ireo ny lalan’ny fahamarinana izay mitarika ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Tetsy an-danin’izany, ireo mpamory hetra sy vehivavy janga mpanota izay nino ny fanambaran’i Jaona dia nibebaka ka natao batisa. Tamin’ny fotoana nety, dia nanaiky an’i Jesosy Kristy ho Mesia izy ireo. — Matio 21:25-32, NW; Lioka 7:31-33.

Nampahafantarina ny Mesia

Nandritra ny enim-bolana — nanomboka tamin’ny lohataona ka hatramin’ny fararanon’ny taona 29 am.f.i. — i Jaona, vavolombelona mahatokin’Andriamanitra dia nampifantoka ny sain’ireo Jiosy tamin’ilay Mesia ho avy. Tamin’izay no fotoana hisehoan’ilay Mpanjaka Mesianika. Kanefa rehefa niseho izy, dia nidina nankeny amin’ireo ranon’i Jordana ireo ihany ka nangataka ny hatao batisa. Tamin’ny voalohany dia nanda i Jaona, kanefa nanaiky izy avy eo. Alao sary an-tsaina ny fifaliany rehefa nidina teo amin’i Jesosy ny fanahy masina ary re ny feon’i Jehovah nilaza ny fankasitrahany ny Zanany. — Matio 3:13-17; Marka 1:9-11.

I Jaona no voalohany nanaiky an’i Jesosy ho Mesia, ary nampahafantatra an’io Voahosotra io tamin’ireo mpianany manokana izy. “Indro”, hoy i Jaona, “ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” Hoy koa ny nambarany: “Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy. Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin’ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin’ny rano.” — Jaona 1:29-37.

Nitohy niaraka tamin’ny fanompoan’i Jesosy nandritra ny enim-bolana teo ho eo ny asan’i Jaona. Samy nahatakatra ny hevitry ny asa izay nataon’ny ankilany avy izy ireo. Nihevitra ny tenany ho sakaizan’ny Mpampakatra i Jaona ka nifaly nahita an’i Kristy nitombo raha mbola nihena kosa izy sy ny asany. — Jaona 3:22-30.

Nampahafantatra an’i Jaona ho mpialoha lalana azy, nasehon’i Elia, i Jesosy. (Matio 11:12-15; 17:12). Indray mandeha, dia hoy i Jesosy: “Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin’i Jaona; ary hatramin’izany no efa nitoriana ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo.” — Lioka 16:16.

Nahatoky hatramin’ny farany

Nosamborina i Jaona ka natao an-tranomaizina satria nanambara tamim-pahasahiana ny fahamarinana. Tsy niamboho ny andraikiny hanala sarona na dia ny fahotan’i Heroda Mpanjaka aza izy. Tamin’ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra, io mpanjaka io dia nanitsakitsa-bady niaraka tamin’i Herodiasy, vadin-drahalahiny ihany. Niteny tamim-pahasahiana i Jaona sao mety hibebaka ka hahazo ny famindram-pon’Andriamanitra io lehilahy io.

Oha-pinoana sy fitiavana toy inona moa i Jaona! Namoizany ny fahafahany manokana ny nanaporofoany ny fahatokiany teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra sy ny fitiavany ny olombelona tahaka azy. Taorian’ny nanaovana azy an-tranomaizina herintaona, dia notapahin-doha i Jaona ho vokatry ny teti-dratsy avy tamin’ny tolo-tsain’ny Devoly novolavolain’i Herodiasy ratsy fanahy, izay “nanao otri-po” taminy. (Marka 6:16-19; Matio 14:3-12). Kanefa, nihazona ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah ilay mpialoha lalana ny Mesia ka hatsangana amin’ny maty tsy ho ela mba hiaina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra hanjakan’ny fahamarinana. — Jaona 5:28, 29; 2 Petera 3:13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara