FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 15/4 p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Olona Betsaka Mpivavaka Marina — Avy Taiza Izy Ireo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Olona Betsaka eo Anoloan’ny Seza Fiandrianan’i Jehovah
    Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Olona Betsaka eo Anoloan’ny Seza Fiandrianan’i Jehovah
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 15/4 p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

Raha raisina amin’ny heviny hentitra, misy fahasamihafana ve eo amin’ireo teny ara-baiboly hoe “ondry hafa” sy “olona betsaka”?

Eny, misy fahasamihafana, na dia tsy mila ny ho sarotiny loatra aza isika momba ny fampiasana azy ireo, na ho sosotra raha mifangaro indraindray ny fampiasana azy ireo.

Ny ankamaroan’ireo Kristiana dia mahafantatra tsara ireo andalan-teny ahitantsika ireo teny ireo. Ny iray dia ao amin’ny Jaona 10:16. Hoy i Jesosy ao: “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.” Ilay fitenenana faharoa hoe “olona betsaka” dia miseho ao amin’ny Apokalypsy 7:9. Izao no vakintsika: “Rehefa afaka izany, dia hitako, fa, indreo, nisy olona betsaka [“vahoaka be”, NW ] tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany”.

Aoka isika aloha handinika ny Jaona 10:16. Iza moa ireo ondry ireo? Tsara ny hitadidiantsika fa ny mpanara-dia an’i Jesosy mahatoky rehetra dia resahina ho toy ny ondry. Ao amin’ny Lioka 12:32 (NW ), izy dia niantso ireo mpianany izay manana fanantenana ny ho any an-danitra hoe “andiany kely”. Andian’inona? Andian’ondry. Ireo “ondry” ao amin’ilay “andiany kely” dia ho anisan’ilay Fanjakana any an-danitra. Kanefa, misy olon-kafa izay manana fanantenana hafa, heverin’i Jesosy ho toy ny ondry koa.

Azontsika atao ny mahita izany ao amin’ny Jaona toko faha-10. Rehefa avy niresaka momba ny ondry, toy ireo apostoliny, izay hantsoiny ho any amin’ny fiainana any an-danitra, i Jesosy, dia nanampy teny toy izao eo amin’ny Jaona 10 andininy faha-16: “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko”. Efa takatry ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny ela fa niresaka momba ireo olona izay hanana fahatsinjovana ny hiaina eto an-tany i Jesosy eo amin’io andininy io. Ireo olo-nahatoky maro be tamin’ny andro talohan’ny Kristianisma, toa an’i Abrahama, i Saraha, i Noa sy i Malakia, dia nanana izany fahatsinjovana izany. Koa ampidirintsika ara-drariny ho anisan’ireo “ondry hafa” ao amin’ny Jaona 10:16 àry izy ireny. Mandritra ny Arivo Taona, dia hatsangana amin’ny maty ireny vavolombelona nahatoky tamin’ny andro talohan’ny Kristianisma ireny, avy eo dia hianatra momba an’i Kristy Jesosy sy hanaiky azy, ary ho tonga ‘ondry hafan’ilay’ Mpiandry Tsara.

Fantatsika koa fa hatramin’ny nifaranan’ny fiantsoana ny kilasin’ireo izay ho any an-danitra tamin’ny fitambarany, dia an-tapitrisany maro no tonga Kristiana marina. Ireo koa dia antsoina ara-drariny hoe “ondry hafa”, satria tsy anisan’ilay “andiany kely”. Ny ondry hafa amin’izao andro izao kosa dia miandrandra ny hiditra ao amin’ny paradisa eto an-tany.

Izao àry, inona no azo lazaina momba ny hoe iza ilay “vahoaka be” voatonona ao amin’ny Apokalypsy 7:9 (NW )? Jereo ny Apok. 7 andininy faha-13, sy ilay fanontaniana hoe: “Iza moa ireo (...)? Ary avy taiza izy?” Mahita ny valiny isika ao amin’ny Apokalypsy 7:14, manao hoe: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe”. Koa ilay “vahoaka be” àry dia voaforon’ireo izay avy amin’ilay fahoriana lehibe, na hoe tafita velona amin’izy io. Araka ny lazain’ny Apok. 7 andininy faha-17, dia ‘hoentina ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina’ eto an-tany, izy ireo.

Mora anefa ny mahatakatra fa mba hahatafitan’izy ireo velona amin’ny fahoriana lehibe manatona akaiky, dia tsy maintsy ho efa nanasa ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry izy ireo, ka tonga mpivavaka marina. Araka izany, na dia milazalaza momba ireo olona ireo aorian’ilay fahoriana aza ny Apokalypsy 7:9 (NW ), ilay teny hoe “vahoaka be” dia azontsika ampiharina amin’ireo rehetra manana fanantenana ny ho eto an-tany, izay, dieny ankehitriny, alohan’ny hanombohan’ilay fahoriana lehibe amin’ny famelezan’ireo firenena ny fivavahan-diso, dia efa manolotra fanompoana masina ho an’i Jehovah.

Ho famintinana, dia ho azontsika atao ny hitadidy momba ny “ondry hafa” ho toy ny teny ankapobeny kokoa, izay mahafaoka ny mpanompon’Andriamanitra rehetra manana fanantenana ny hiaina mandrakizay eto an-tany. Tafiditra amin’izany ilay antokon’ireo olona toy ny ondry izay voafetra kokoa ny isany ary angonina amin’izao andro izao ho “vahoaka be”, manana fanantenana ny ho voatsimbina amin’ny fahoriana lehibe efa antomotra. Ny ankamaroan’ireo Kristiana tsy mivadika velona amin’izao andro izao dia anisan’ny “ondry hafa”, ary izy ireo dia anisan’ny “vahoaka be” koa.

Mendrika ny haverina fa, na dia tsara dia tsara aza ny miteny amin’ny fomba mazava tsara momba ny hevitra hentitr’ireo teny ireo, dia tsy misy ilan’ny Kristiana na iza na iza ny ho sarotiny loatra momba ny teny — izay mety ho azo antsoina hoe fitsikerana teny. I Paoly dia nampitandrina momba ny sasany izay “mieboebo foana” ka tafiditra amin’ny “fiadian-teny”. (1 Timoty 6:4). Raha takatry ny tenantsika manokana ny fiavahana sasany misy eo amin’ireo teny ireo, dia tsara izany. Kanefa isika dia tsy mila ny hanakiana, na ivelany izany na ao anatintsika, ny olon-kafa iray izay mety tsy hampiasa ireo teny ara-baiboly amin’ny fomba hentitra toa antsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara