Ireo Fahagagana Nataon’i Jesosy — Tantara sa Angano?
“Tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina dia nankeny amin’ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin’ny ranomasina.” — Matio 14:25.
HO AN’NY olona an-tapitrisany maro manerana izao tontolo izao, ny finoana fa nanao fahagagana i Jesosy Kristy dia saika zava-dehibe toy ny finoana an’Andriamanitra mihitsy. Milazalaza fahagagana nataon’i Jesosy 35 eo ho eo ireo mpanoratra ny Filazantsara: i Matio, i Marka, i Lioka, sy i Jaona. Manolo-kevitra anefa ireo fitantaran’izy ireo fa nanao asa niavaka tsy toy ny fahita maro kokoa izy. — Matio 9:35; Lioka 9:11.
Tsy natao mba hampialana voly ireny fahagagana ireny. Tapany lehibe tamin’ny fanambaran’i Jesosy ny tenany ho Zanak’Andriamanitra, ilay Mesia nandrasana ela, izy ireny. (Jaona 14:11). Nanao famantarana mahagaga i Mosesy fony izy nampahafantatra ny tenany tamin’ny firenen’ny Isiraely nandevozina. (Eksodosy 4:1-9). Araka ny lojika, ny Mesia, ilay nambaran’ny faminaniana fa ho lehibe kokoa noho i Mosesy, dia ho nampoizina koa fa hampiseho famantarana sasany ny amin’ny fanohanan’Andriamanitra. (Deoteronomia 18:15). Araka izany, ny Baiboly dia miantso an’i Jesosy hoe “lehilahy nasehon’Andriamanitra teo [amin’ny Jiosy] tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana”. — Asan’ny Apostoly 2:22.
Tamin’ny andro fahiny, tamin’ny ankapobeny ny olona dia nanaiky tsy nisy fisalasalana ny filazalazan’ny Baiboly an’i Jesosy ho mpanao fahagagana. Kanefa, tao anatin’ireo am-polony taona faramparany, ireo fitantaran’ny Filazantsara dia nanjary niharan’ny famelezana avy amin’ireo mpanao tsikera. Ao amin’ilay bokiny hoe Deceptions and Myths of the Bible, dia manisy firesahana ny amin’ny fitantaran’ny Baiboly momba ny nitsangantsanganan’i Jesosy teo amin’ny rano i Lloyd Graham ka tonga hatramin’ny filazana hoe: “Mitaky tsy fahampiam-pahalalana be dia be ny hinoana izany ara-bakiteny, kanefa, olona an-tapitrisany maro no tena mino izany ara-bakiteny. Ary avy eo dia gaga isika hoe inona no tsy mety amin’ny tontolontsika. Tontolo tsara kokoa manao ahoana no hantenainao avy amin’ny tsy fahampiam-pahalalana toy izany?”
Tsy nety ho vita ve?
Tsy araka ny fandrindran-kevitra anefa ireo fitsikerana toy izany. Mamaritra ny fahagagana ho “fisehoan-javatra iray izay tsy azo hazavaina amin’ny alalan’ireo lalàn’ny natiora fantatra” ny The World Book Encyclopedia. Araka izany famaritana izany, ny televiziona miloko iray, ny telefaonina cellulaire iray, na ny ordinatera azo entina mandehandeha iray dia ho noheverina ho fahagagana, taonjato iray lasa monja izay! Araka ny fandrindran-kevitra ve ny hanizingizinana sy ny hiheverana zavatra iray ho tsy nety hisy satria fotsiny hoe tsy afaka manazava azy io araka ny fahalalana siantifika ankehitriny isika?
Intỳ misy zava-misy hafa tokony hodinihina: Ao amin’ny teny grika tany am-boalohany izay nanoratana ny “Testamenta Vaovao”, ny teny nampiasaina ilazana ny hoe “fahagagana” dia hoe dyʹna·mis — teny midika hoe “hery” amin’ny fotony. Adika koa hoe “asa mahagaga” na ‘fahaizana’ izy io. (Lioka 6:19; 1 Kôrintianina 12:10, DIEM; Matio 25:15). Milaza ny Baiboly fa fisehoan’ny “halehiben’ny fahefàn’Andriamanitra” ireo fahagagana nataon’i Jesosy. (Lioka 9:43, DIEM ). Tsy ho vitan’ny Andriamanitra tsitoha iray — izay manana ‘fahatanjahana lehibe’ — ve ireny asa ireny? — Isaia 40:26.
Porofo fa araka ny marina
Ny fandinihana akaiky ireo Filazantsara efatra dia manolotra porofo fanampiny ny amin’ny maha-azo inoana azy ireo. Voalohany aloha, ireo fitantarana ireo dia hafa noho ireo angano amin’ny fomba miavaka. Diniho, ohatra, ireo tantara tsy marina momba an’i Jesosy izay niely tamin’ireo taonjato nanaraka ny nahafatesany. Mitantara toy izao ilay “Filazantsaran’i Tomasy” apokrifa: “Fony dimy taona i Jesosy zazalahy (...), dia nandeha namakivaky ny tanàna, ary nisy zazalahy iray nihazakazaka ka nidona teo amin’ny sorony. Sosotra i Jesosy ka niteny taminy hoe: ‘Tsy ho afaka handeha intsony ianao’, ary nianjera avy hatrany ilay zaza ka maty.” Tsy sarotra ny mahita hoe inona io tantara io: tantara noforonina namboamboarina. Ankoatra izany, ilay zaza be haitraitra, manana toe-tsaina tia manorisory voalazalaza eto dia tsy misy itoviana amin’ilay Jesosy ao amin’ny Baiboly. — Ampifanohero amin’ny Lioka 2:51, 52.
Diniho izao ireo fitantaran’ny Filazantsara araka ny marina. Tsy mifono hevitra nampitomboina sy noforonina izy ireo. Nanao fahagagana i Jesosy ho setrin’izay nilaina marina, fa tsy mba hanomezana fahafaham-po haitraitra fotsiny. (Marka 10:46-52). Tsy nampiasa mihitsy ny heriny mba handraisan’ny tenany soa i Jesosy. (Matio 4:2-4). Ary tsy nampiasa izany mihitsy mba hisehosehoana izy. Raha ny tena izy, rehefa tian’i Heroda Mpanjaka, izay liana ta hahafantan-javatra, hanao “famantarana” mahagaga ho azy i Jesosy, dia “tsy namaly teny azy akory” izy. — Lioka 23:8, 9.
Mifanohitra tanteraka amin’ny asan’ireo mpanao fanova-maso za-draharaha sy mpanao majika ary mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana koa ireo fahagagana nataon’i Jesosy. Nankalaza an’Andriamanitra mandrakariva ireo asany lehibe. (Jaona 9:3; 11:1-4). Tsy nisy fombafomba nampihetsi-po, fanononana teny ara-majika, fampideraderana fahaizana, fitaka sy hypnotisma tamin’ireo fahagagana nataony. Rehefa nifanena tamin’i Bartimeo, mpangataka jamba iray, izay niantsoantso hoe: “Rabony ô, aoka mba hahiratra aho”, i Jesosy, dia nilaza taminy fotsiny hoe: ‘Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy’. — Marka 10:46-52, Kat.
Asehon’ireo firaketana an-tsoratry ny Filazantsara fa nanao ireo asany lehibe tsy nisy fitaovana fanampiny, fanorenana sehatra nomanina manokana, na hazavana mamitaka, i Jesosy. Natao ampahibemaso izy ireny, matetika teo anoloana vavolombelona nanatri-maso maro. (Marka 5:24-29; Lioka 7:11-15). Tsy tahaka ny an’ireo mpanasitrana amin’ny alalan’ny finoana maoderina, fa ireo fiezahany mba hanasitrana dia tsy hoe tsy nahomby mihitsy satria hoe noheverina ho tsy ampy finoana ny marary iray. Hoy ny Matio 8:16: “Izay narary rehetra dia nositraniny avokoa”.
Izao no lazain’ilay manam-pahaizana manokana atao hoe Arthur Pierson momba ireo fahagagana nataon’i Kristy ao amin’ilay bokiny hoe “Many Infallible Proofs”: The Evidences of Christianity: “Ny isan’izy ireo, ny fahavitan’ireo fanasitranana nataony teo no ho eo sy ny fahafenoan’izy ireo ary ny tsy fisian’ny tsy fahombiazana iray tamin’ny fiezahana na dia hanangana ny maty aza, dia mametraka elanelana tsy hita lany eo amin’ireo fahagagana ireo sy ireo ihamboana fa zava-mahagaga amin’izao fotoana izao na amin’ny vanim-potoana hafa.”
Fanohanan’ny porofo tsy ara-pivavahana
Manolotra porofo hafa fanampiny izay manohana ireo fitantaran’ny Filazantsara i Pierson, rehefa milaza hoe: “Tsy misy fanamafisana ireo fahagagana ao amin’ny soratra masina miavaka kokoa noho ny fanginan’ireo fahavalo.” Nanana antony mafy dia mafy naniriana hanoso-potaka an’i Jesosy ireo mpitarika jiosy, kanefa fanta-bahoaka aoka izany ireo fahagagana nataony, hany ka tsy sahy nanda azy ireny ireo fahavalo. Ny hany azon’izy ireo natao dia ny nilaza fa avy tamin’ny herin’ny demonia ireny asa niavaka ireny. (Matio 12:22-24). Taonjato maro taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, ireo mpanoratra ny Talmoda jiosy dia nanohy nilaza an’i Jesosy ho nanana hery mahagaga. Araka ny voalazan’ilay boky hoe Jewish Expressions on Jesus, dia nanda azy izy ireo noho izy “nanaraka ireo fanao amin’ny majika”. Moa ve ho natao izany fanazavana izany raha azo natao ny nanda, na dia kely aza, ireo fahagagana nataon’i Jesosy satria angano fotsiny izany?
Misy porofo fanampiny avy amin’i Eusèbe, mpanoratra ny tantaran’ny fiangonana tamin’ny taonjato fahefatra. Ao amin’ilay bokiny hoe The History of the Church From Christ to Constantine, dia manonona ny tenin’ny olona iray atao hoe Quadratus, izay nandefa taratasy iray ho an’ny emperora mba hiarovana ny Kristianisma, izy. Izao no nosoratan’i Quadratus: “Azo nojerena foana ireo asan’ny Mpamonjy antsika, satria marina izy ireny — ireo olona izay nositranina sy ireo natsangana tamin’ny maty, izay tsy hoe hita tamin’ilay fotoana nanasitranana na nananganana azy ireo fotsiny, fa azo nojerena foana, tsy tamin’ny fotoana naha-teto amintsika ny Mpamonjy ihany, fa nandritra ny fotoana ela taorian’ny nialany koa; raha ny tena izy, ny sasany tamin’izy ireo dia mbola velona hatramin’ny androko mihitsy.” Nanao fanamarihana toy izao i William Barclay, manam-pahaizana manokana: “Milaza i Quadratus fa hatramin’ny androny mihitsy, ireo olona nanaovana fahagagana dia azo naseho ho porofo, raha ny marina. Raha tsy marina izany, dia tsy nisy zavatra mora kokoa ho an’ny fitondram-panjakana romana noho ny nanamarika izany ho lainga.”
Araka ny fandrindran-kevitra sy azon’ny saina ekena ary mifanaraka amin’ny fomba feno amin’ireo porofo ny finoana ireo fahagagana nataon’i Jesosy. Na dia izany aza, dia tsy tantara maty ireo fahagagana ireo. Mampahatsiahy antsika toy izao ny Hebreo 13:8: “Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.” Eny, velona any an-danitra izy ankehitriny, afaka mampiasa hery mahagaga, amin’ny fomba lehibe lavitra noho izay nataony fony izy teto an-tany tamin’ny naha-olombelona azy. Ankoatra izany, ireo fitantaran’ny Filazantsara momba ireo fahagagana nataony dia 1) manome fianarana azo ampiharina ho an’ireo Kristiana amin’izao andro izao, 2) mampiharihary lafiny manintona amin’ny toetra maha-izy an’i Jesosy, ary 3) misarika ny saina ho amin’ny fotoana amin’ny hoavy tsy ho ela izay hitrangan’ny fisehoan-javatra mbola hanaitra kokoa aza!
Hifantoka amin’ireo fitantaran’ny Baiboly fantatra tsara telo ny lahatsoratra manaraka mba hanazavana ireo hevitra ireo.