FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/2 p. 14-19
  • Olona Betsaka Manao Fanompoana Masina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Olona Betsaka Manao Fanompoana Masina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Fitsanganana eo anoloan’ny seza fiandrianana’
  • “Niakanjo akanjo fotsy lava”
  • “Sampan-drofia teny an-tanany”
  • ‘Fanompoana masina andro aman’alina’
  • ‘Avy amin’ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena, ny olona sy ny samy hafa fiteny’
  • ‘Avy amin’ny fahoriana lehibe’
  • Vahoaka Be Tsy Tambo Isaina
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Iza Ilay “Vahoaka Be”?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Olona Betsaka eo Anoloan’ny Seza Fiandrianan’i Jehovah
    Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Olona Betsaka eo Anoloan’ny Seza Fiandrianan’i Jehovah
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/2 p. 14-19

Olona Betsaka Manao Fanompoana Masina

“Izy ireo dia manao fanompoana masina ho azy andro aman’alina ao amin’ny tempoliny”. — APOKALYPSY 7:15, NW.

1. Tanjona inona teo amin’ny fahatakarana hevi-javatra ara-panahy no tratra tamin’ny 1935?

TAMIN’NY 31 May 1935, dia nisy fifaliana lehibe teo amin’ireo solontena nanatrika ny fivoriamben’ny distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Washington, D.C. Tamin’izay, dia sambany vao nampahafantarina mazava tsara ny hoe iza ny olona betsaka ao amin’ny Apokalypsy 7:9, nifanaraka tamin’ny tapany sisa amin’ny Baiboly sy nifanaraka tamin’ireo zava-nitranga izay efa nanomboka niseho.

2. Inona no nampiseho fa nisy olona nitombo isa hatrany nahatakatra fa tsy niantso azy ireo ho amin’ny fiainana any an-danitra Andriamanitra?

2 Sahabo ho iray volana sy tapany talohan’izay, tamin’ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo tany amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia olona 10 681 tamin’ireo mpanatrika (sahabo ho 1 isaky ny olona 6) no tsy nandray anjara tamin’ny mofo sy ny divay izay marika, ary ny 3 688 tamin’ireo dia mpitory marisika ny Fanjakan’Andriamanitra. Nahoana izy ireo no tsy nandray anjara tamin’ireo marika? Satria, niorina tamin’izay nianarany tao amin’ny Baiboly, dia takatr’izy ireo fa Andriamanitra dia tsy niantso azy ireo ho amin’ny fiainana any an-danitra, kanefa ho afaka manana anjara amin’ny fomba hafa amin’ireo fandaharan’i Jehovah maneho fitiavana kosa izy ireo. Koa tamin’io fivoriambe io, rehefa nanontany ilay mpandahateny hoe: “Mba mitsangàna aza fady izay rehetra manana fanantenana ny hiaina mandrakizay eto an-tany”, dia inona no nitranga? Olona an’arivony maro no nitsangana, narahin’ny horakora-pifaliana naharitra nataon’ny mpihaino.

3. Nahoana no nanome fanentanana vaovao indray ho an’ny asa fanompoana ny fahafantarana ny olona betsaka, ary inona no tsapan’ny Vavolombelon’i Jehovah nahakasika izany?

3 Izay nianaran’ireo solontena tamin’izany fivoriambe izany dia nanome fanentanana vaovao indray ho an’ny fanompoan’izy ireo. Nanjary takatr’izy ireo fa amin’izao alohan’ny faran’ny fandehan-javatra tranainy izao, dia tsy olona an’arivony vitsivitsy monja fa olona sesehena no omena fahafahana ho tonga ao anatin’ny fandaharana nataon’i Jehovah ho fitsimbinana aina, amin’ny fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany ho tonga paradisa. Hafatra nanafana ny fo toy inona moa no naseho an’ireo tia ny fahamarinana tamin’izay! Takatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa nisy asa lehibe tokony hatao — dia asa mahafaly. Taona maromaro tatỳ aoriana, dia nahatsiaro toy izao i John Booth izay tonga anisan’ny Fitambara-mpitantana: “Io fivoriambe io dia nanome anay zavatra maro tokony hifaliana.”

4. a) Tonga hatraiza, raha ny tena izy, ny fanangonana ny olona betsaka hatramin’ny 1935? b) Amin’ny fomba ahoana no anomezan’ny olona betsaka porofo fa finoana velona no ananan’izy ireo?

4 Nandritra ireo taona nanaraka, dia nitombo tamin’ny fomba nanaitra ny saina ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Na dia teo aza ny fanenjehana matetika nahery vaika natototra azy ireo nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia nitombo efa ho avo telo heny ny isan’izy ireo tao anatin’ny folo taona. Ary ireo mpitory 56 153 izay nanao fanambarana ampahibemaso tamin’ny 1935, dia nitombo ho mpitory ilay Fanjakana mihoatra ny 4 900 000 any amin’ny tany maherin’ny 230, tamin’ny 1994. Ny ankamaroan’izy ireo dia miandrandra amim-pahadodonana ny ho tafiditra ho anisan’ireo izay homen’i Jehovah fiainana lavorary eo amin’ny tany ho tonga paradisa. Raha ampitahaina amin’ny ondry vitsy izy ireo dia tena nanjary olona betsaka tokoa. Tsy olona izay milaza ho manam-pinoana kanefa tsy mampiseho izany izy ireo. (Jakoba 1:22; 2:14-17). Izy rehetra dia samy mizara amin’ny hafa ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Anisan’io vahoaka sambatra io ve ianao? Marika famantarana lehibe ny maha-Vavolombelona marisika ny tena, kanefa dia misy zavatra bebe kokoa tafiditra amin’izany.

‘Fitsanganana eo anoloan’ny seza fiandrianana’

5. Milaza inona ny fitsanganan’ny olona betsaka ‘eo anoloan’ny seza fiandrianana’?

5 Tao amin’ilay fahitana nomena azy, ny apostoly Jaona dia nahita azy ireo “nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry”. (Apokalypsy 7:9). Ny fitsanganan’izy ireo eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, araka ny voalazalaza ao amin’io teny manodidina io, dia milaza fa izy ireo dia manaiky amin’ny fomba feno ny fiandrianan’i Jehovah. Mahatafiditra zavatra betsaka izany. Ohatra: 1) Izy ireo dia manaiky ny zon’i Jehovah hanapaka izay tsara sy izay ratsy ho an’ny mpanompony. (Genesisy 2:16, 17; Isaia 5:20, 21). 2) Mihaino an’i Jehovah izy ireo, rehefa miteny aminy amin’ny alalan’ny Teniny, Izy. (Deoteronomia 6:1-3; 2 Petera 1:19-21). 3) Takatr’izy ireo ny maha-zava-dehibe ny fanekena ireo izay nanankinan’i Jehovah ny fiandraiketana. (1 Korintiana 11:3; Efesiana 5:22, 23; 6:1-3; Hebreo 13:17). 4) Na dia tsy lavorary aza izy ireo, dia miezaka mafy amim-pahatsorana mba hanaiky ny fitarihana teokratika, tsy amim-pahalainana fa amim-pahavononana, avy amin’ny fo. (Ohabolana 3:1; Jakoba 3:17, 18). Eo anoloan’ny seza fiandrianana izy ireo mba hanao fanompoana masina ho an’i Jehovah izay hajain’izy ireo fatratra sy tian’izy ireo lalina. Raha ny amin’izany olona betsaka izany, ny ‘fitsanganany’ eo anoloan’ny seza fiandrianana dia milaza ny fankasitrahan’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 6:16, 17.) Fankasitrahana miorina amin’inona anefa?

“Niakanjo akanjo fotsy lava”

6. a) Inona no tiana holazaina amin’ny fiakanjoan’ny olona betsaka “akanjo fotsy lava”? b) Ahoana no ahazoan’ny olona betsaka toerana marina eo anatrehan’i Jehovah? d) Hatraiza ny finoana ny ra nalatsak’i Kristy no misy heriny eo amin’ny fiainan’ny olona betsaka?

6 Ny filazalazan’ny apostoly Jaona ny amin’izay hitany dia milaza fa ireo anisan’io olona betsaka io dia “niakanjo akanjo fotsy lava”. Ireo akanjo fotsy lava ireo dia mampiseho ny toerana madio sy marina tanany eo anatrehan’i Jehovah. Ahoana no nahazoan’izy ireo toerana toy izany? Efa voamaritsika fa tao amin’ny fahitan’i Jaona, izy ireo dia nitsangana “teo anatrehan’ny Zanak’ondry”. Izy ireo dia manaiky an’i Jesosy Kristy ho ilay “Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao”. (Jaona 1:29). Ren’i Jaona nanazava toy izao ny iray tamin’ireo loholona izay nanatrika teo, teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, tao amin’ilay fahitana: “Ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry. Ary noho izany dia mitoetra eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy”. (Apokalypsy 7:14, 15). Ara-panoharana, dia nanasa ny akanjony izy ireo tamin’ny fanehoana finoana ny ran’i Kristy manao fanavotana. Tsy hoe manaiky ao an-tsaina fotsiny ireo fampianaran’ny Baiboly momba ny avotra izy ireo. Ny fankasitrahan’izy ireo azy io dia misy fiantraikany eo amin’ilay karazana olona anaty maha-izy azy ireo; araka izany, dia “amin’ny fo” no anehoan’izy ireo finoana. (Romana 10:9, 10). Izany dia misy vokany lasa lavitra eo amin’izay anaovan’izy ireo ny fiainany. Amim-pinoana, izy ireo dia manolotra ny tenany ho an’i Jehovah miorina amin’ny soron’i Kristy, mampiseho izany fanoloran-tena izany amin’ny alalan’ny fandrobohana ao anaty rano, miaina marina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenany, ary amin’izany dia manjary mahazo fifandraisana ankasitrahana amin’Andriamanitra. Tombontsoa tsara dia tsara toy inona moa izany, dia tombontsoa tokony harovana amim-pitandremana! — 2 Korintiana 5:14, 15.

7, 8. Ahoana no nanampian’ny fandaminan’i Jehovah ny olona betsaka mba hitana ny akanjony tsy ho voaloto?

7 Noho ny fiahiana amim-pitiavana izay mahasoa azy ireo maharitra, ny fandaminan’i Jehovah dia nanintona ny saina imbetsaka ho amin’ny fitondran-tena sy fihetsika izay afaka nanisy pentina na nandoto ny akanjo famantarana ny tena ka, na dia eo aza ireo fihamboana ivelany, ny olona iray dia tsy tena hifanentana amin’ilay filazalazana ara-paminaniana ao amin’ny Apokalypsy 7:9, 10. (1 Petera 1:15, 16). Ho fanamafisana izay efa navoaka teo aloha kokoa, Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1941 sy ny taorian’izay dia nampiseho imbetsaka fa tsy hety dia tsy hety tokoa ny hitoriana amin’ny hafa ary avy eo, amin’ny fotoana tsy hanompoana, dia hiditra amin’ny fitondran-tena toy ny fijangajangana na ny fanitsakitsaham-bady. (1 Tesaloniana 4:3; Hebreo 13:4). Tamin’ny 1947, dia nantitranterina fa ny fari-pitsipik’i Jehovah momba ny fanambadiana kristiana dia mihatra any amin’ny tany rehetra; na inona na inona zavatra mety heken’ny fanao eo an-toerana, dia tsy afaka ny ho Vavolombelon’i Jehovah ireo izay manohy mampirafy. — Matio 19:4-6; Titosy 1:5, 6.

8 Tamin’ny 1973, dia naseho tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany fa izy rehetra dia tsy maintsy manalavitra tanteraka ireo fanao tsy azo lavina fa mandoto, toy ny fifohana sigara na fihinanana paraky, na aiza na aiza mety hisy azy ireo — tsy any amin’ny Efitrano Fanjakana ihany na eny amin’ny asa fanompoana, fa any amin’ny asa fivelomana na any amin’ny faritra miafina tsy hitan’ny besinimaro koa. (2 Korintiana 7:1). Tamin’ny 1987, tamin’ny fivoriamben’ny distrika nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, ireo tanora kristiana dia nanarina mafy fa mba hitanana toerana madio eo anatrehan’Andriamanitra, dia tsy maintsy mitandrin-tena amin’ny fananana fiainana roa sosona izy ireo. (Salamo 26:1, 4). Imbetsaka Ny Tilikambo Fiambenana no namerimberina nampitandrina ny amin’ireo lafiny maro samihafa amin’ny toe-tsain’izao tontolo izao satria ny “fivavahana madio sy tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray” dia mahatafiditra ny fitanana ny tena “tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao”. — Jakoba 1:27.

9. Iza, raha ny tena izy, no hitsangana hahazo sitraka eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, aorian’ny fahoriana lehibe?

9 Ireo izay manana finoana manosika azy hiaina amin’izany fomba izany mba hitoerana ho madio ara-panahy sy ara-pitondran-tena no mbola ‘hitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana’ amin’ny maha-mpanompo ankasitrahan’Andriamanitra azy, aorian’ilay fahoriana lehibe ho avy. Ireo dia olona izay tsy vitan’ny hoe nanomboka fomba fiaina kristiana fotsiny, fa maharitra tsy mivadika amin’izany koa. — Efesiana 4:24.

“Sampan-drofia teny an-tanany”

10. Inona no hevitry ny sampan-drofia izay hitan’i Jaona teny an-tanan’ny olona betsaka?

10 Teo amin’ireo endriny miavaka ananan’ny olona betsaka, araka ny voamariky ny apostoly Jaona, dia “nitana sampan-drofia teny an-tanany” izy ireo. Inona no hevitr’izany? Tsy isalasalana fa ny sampan-drofia dia nampahatsiaro an’i Jaona ny andro firavoravoana jiosy ny amin’ny tabernakely, dia ilay andro firavoravoana nahafaly indrindra teo amin’ny kalandrie hebreo, natao nanaraka ny fijinjana tamin’ny fahavaratra. Nifanaraka tamin’ny Lalàna, dia nampiasaina ny ravin-drofia niaraka tamin’ny sampan-kazo hafa mba hanamboarana trano rantsankazo izay nitoerana nandritra ny andro firavoravoana. (Levitikosy 23:39-40; Nehemia 8:14-18). Izy ireny koa dia nahofahofan’ireo mpivavaka tao amin’ny tempoly nandritra ny fihirana ny Hallel. (Salamo 113-118). Ny fanofahofana sampan-drofia nataon’ny olona betsaka dia azo inoana fa nampahatsiaro an’i Jaona koa an’ilay fotoan-dehibe niakaran’i Jesosy nankao Jerosalema raha nisy vahoaka mpivavaka nanofahofa sampan-drofia tamim-pifaliana sady niantsoantso hoe: “Isaorana anie ny Mpanjakan’ny Isiraely, Ilay avy amin’ny anaran’i Jehovah.” (Jaona 12:13). Koa ny fanofahofana sampan-drofia àry, dia milaza fa ny olona betsaka dia mihoby amim-pifaliana ny Fanjakan’i Jehovah sy ilay Mpanjaka voahosony.

11. Nahoana ny mpanompon’Andriamanitra no tena mahita fifaliana marina eo am-panompoana an’i Jehovah?

11 Toe-tsaina falifaly toy izany no asehon’ny olona betsaka na dia ankehitriny aza, eo am-panompoany an’i Jehovah. Izany akory tsy midika hoe tsy miatrika zava-tsarotra na tsy mahita alahelo na fanaintainana izy ireo. Ny fahafaham-po azo avy amin’ny fanompoana sy ny fampifaliana an’i Jehovah kosa anefa dia manampy mba hanonerana izany zavatra izany. Araka izany, ny misionera iray izay nanompo niaraka tamin’ny vadiny nandritra ny 45 taona tany Goatemalà, dia niresaka ny amin’ny toe-piainana tsizarizary izay nanodidina azy ireo, ny asa mafy sy ny fanaovana dia lavitra nampidi-doza izay anisan’ny fiainana rehefa niezaka nanatratra ireo vohitra kely indianina tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana izy ireo. Namarana ny teniny toy izao izy: “Izany no fotoana faran’izay nahasambatra anay indrindra teo amin’ny fiainanay.” Na dia nahatsapa ny vokatry ny fahanterana sy ny aretina aza izy, dia anisan’ireo fanamarihana farany tao amin’ny diariny ny teny hoe: “Tsara izany raha fiainana, nahafa-po aoka izany.” Maneran-tany, dia mitovy fihetseham-po amin’izany momba ny fanompoany ny Vavolombelon’i Jehovah.

‘Fanompoana masina andro aman’alina’

12. Na mandritra ny andro na amin’ny alina, inona no voamarik’i Jehovah etỳ an-tany?

12 Ireo mpivavaka falifaly ireo dia manao ‘fanompoana masina andro aman’alina ao amin’ny tempoliny’. (Apokalypsy 7:15, NW ). Manerana ny bolan-tany, dia olona an-tapitrisany maro no mandray anjara amin’io fanompoana masina io. Rehefa alina ny any amin’ny tany sasany ka matory ny olona any, dia efa miposaka kosa ny masoandro any amin’ny tany hafa, ary revo amin’ny fanaovana fanambarana ny Vavolombelon’i Jehovah. Arakaraka ny ihodinan’ny bolan-tany tsy an-kijanona, andro aman’alina, dia mihira fiderana an’i Jehovah izy ireo. (Salamo 86:9). Ilay fanompoana andro aman’alina resahina ao amin’ny Apokalypsy 7:15 anefa, dia mbola mahakasika kokoa ny tena manokana.

13. Ahoana no ilazan’ny Soratra Masina izay tiana holazaina amin’ny hoe manompo “andro aman’alina”?

13 Ireo isam-batan’olona izay mahaforona ny olona betsaka dia manao fanompoana masina andro aman’alina. Midika ve izany fa izay rehetra ataon’izy ireo dia heverina ho fanompoana masina? Marina fa na inona na inona ataon’izy ireo, dia mianatra manao izany amin’ny fomba manome voninahitra an’i Jehovah izy ireo. (1 Korintiana 10:31; Kolosiana 3:23). Ny “fanompoana masina” anefa dia tsy mihatra afa-tsy amin’izay mahatafiditra mivantana ny fanompoam-pivavahana ataon’ny tena amin’Andriamanitra. Ny fidirana amin’ny asa iray “andro aman’alina” dia toa milaza tsy fanapatapahana sy tsy fiovaovana ary koa ezaka amim-pahatsorana. — Ampitahao amin’ny Josoa 1:8; Lioka 2:37; Asan’ny Apostoly 20:31; 2 Tesaloniana 3:8.

14. Inona no mahatonga ny asa fanompoantsika manokana hifanentana amin’ilay filazalazana ny amin’ny fanompoana “andro aman’alina”?

14 Eo am-panompoan’izy ireo eo amin’ny kianja eto an-tany amin’ilay tempolin’i Jehovah ara-panahy lehibe, ireo izay mahaforona ny olona betsaka dia miezaka mafy mba handray anjara tsy tapaka sy tsy miovaova eo amin’ny asa fanompoana. Maro no nanao ho tanjona ny handray anjara eo amin’ny asa fanompoana isan-kerinandro. Ny hafa mikely aina amin’ny maha-mpisava lalana maharitra na mpanampy. Matetika izy ireo dia revo amin’ny fanaovana fanambarana eny amin’ny arabe sy eny amin’ny mpivarotra vao maraina be. Mba hanomezana izay ilain’ireo olona liana, dia misy Vavolombelona sasany mitarika fampianarana ny Baiboly amin’ny alina be. Manao fanambarana izy ireo rehefa miantsena, rehefa manao dia lavitra, mandritra ny fotoam-pisakafoana amin’ny antoandro sy amin’ny alalan’ny telefaonina.

15. Ankoatra ny asa fanompoana, inona koa no tafiditra ao amin’ny fanompoana masina ataontsika?

15 Anisan’ny fanompoana masina ataontsika koa ny fandraisana anjara amin’ireo fivorian’ny kongregasiona; toy izany koa ilay asa mahatafiditra ny fanorenana sy ny fikarakarana ireo toerana anaovana fivoriambe kristiana. Tafiditra amin’izany ireo ezaka atao mba hampaherezana sy hanampiana ara-panahy sy ara-nofo ireo rahalahy sy anabavy kristiana, mba hitanana azy ho velona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Izany dia mahatafiditra ny asan’ireo Komitintsika Mifandray Amin’ny Hopitaly. Ny fanompoana amin’ny endriny maro samihafa ao amin’ny Betela, ary koa ny asa an-tsitrapo any amin’ireo fivoriambentsika dia samy fanompoana masina avokoa. Marina tokoa fa rehefa mihodinkodina eo amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny fiainantsika, dia feno amin’ny fanompoana masina izy io. Araka ny ilazan’ilay andinin-teny azy, ny vahoakan’i Jehovah dia manao ‘fanompoana masina andro aman’alina’, ary mahita fifaliana lehibe izy ireo amin’ny fanaovana izany. — Asan’ny Apostoly 20:35; 1 Timoty 1:11.

‘Avy amin’ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena, ny olona sy ny samy hafa fiteny’

16. Amin’ny ahoana no hita fa marina ny hoe “avy amin’ny firenena rehetra” ny olona betsaka?

16 Avy amin’ny firenena rehetra no iavian’io olona betsaka io. Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, ary ilay fandaharam-panavotana natao tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy dia ampy mba handraisan’izy rehetra soa. Fony nampahafantarina voalohany araka ny Soratra Masina ny olona betsaka tamin’ny 1935, dia niasa tany amin’ny tany 115 ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ireo taona 1990, ny fikarohana ireo olona toy ny ondry dia niitatra hatrany amin’ny tany maherin’ny avo roa heny noho izany. — Marka 13:10.

17. Inona no atao mba hanampiana ny ‘fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny’ rehetra ho tafiditra ao anatin’ny olona betsaka?

17 Tamin’ny fitadiavana ny toerana misy ireo azo inoana fa ho tonga anisan’ny olona betsaka, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanisy fiheverana, tsy ireo antokom-pirenena fotsiny, fa ireo foko sy olona ary antokom-piteny ao anatin’ireny firenena ireny koa. Mba hanatratrarana ireny olona ireny, dia mamoaka zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly amin’ny fiteny maherin’ny 300 ny Vavolombelona. Izany dia mahatafiditra fampiofanana sy fikarakarana antokona mpandika teny ampy fahaizana, fanomezana kojakojam-pitaovana amin’ny ordinatera afaka manoratra ireny fitenenana rehetra ireny, ary koa ilay fanaovana pirinty mihitsy. Nandritra ireo dimy taona farany monja, dia fiteny 36 izay itenenan’ny olona eo amin’ny 98 000 000 eo ho eo, no nanampy ny lisitra. Fanampin’izany, ireo Vavolombelona dia miezaka mitsidika manokana ireny olona ireny mba hanampiana azy ireny hahazo ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra. — Matio 28:19, 20.

‘Avy amin’ny fahoriana lehibe’

18. a) Rehefa hipoaka ny fahoriana lehibe, iza no ho voaro? b) Fanambarana falifaly inona avy no hatao amin’izay?

18 Rehefa hamaha ireo rivotry ny fandringanana resahina ao amin’ny Apokalypsy 7:1 ireo anjely, dia tsy ireo voahosotra “mpanompon’Andriamanitsika” ihany no hahita ny fiarovan’i Jehovah amim-pitiavana, fa ny olona betsaka izay niaraka tamin’izy ireo teo amin’ny fanompoam-pivavahana marina koa. Araka ny nolazaina tamin’ny apostoly Jaona, ireo anisan’ny olona betsaka dia ho ‘avy amin’ny fahoriana lehibe’, ho tafita velona. Ho antsoantsom-pankasitrahana sy fiderana toy inona moa no hataon’izy ireo amin’izay, rehefa hanambara izy ireo hoe: “Ny famonjena [dia avy amin’, NW ]Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy [avy amin’ny, NW ] Zanak’ondry”! Ary dia hiray feo amin’izy ireo ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky rehetra any an-danitra, amin’ny fanambarana hoe: “Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie ho an’Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena.” — Apokalypsy 7:10-14.

19. Ho dodona ny handray anjara amin’ny fanaovan-javatra mahafaly inona ireo ho tafita velona?

19 Ho fotoana hahasambatra toy inona moa izany! Izay rehetra velona dia samy ho mpanompon’ilay hany Andriamanitra marina avokoa! Ny fifaliana lehibe indrindra ho azy ireo dia ny fanompoana an’i Jehovah. Hisy asa betsaka tokony hatao — dia asa mahafaly! Ny tany hovana ho Paradisa. Olona maty an’arivo tapitrisany maro no hatsangana ary avy eo dia hampianarina ireo lalan’i Jehovah. Ho tombontsoa hahafaly toy inona moa ny handray anjara amin’izany!

Ahoana no Fanazavanao?

◻ Inona no vokatr’ireo zava-nitranga tamin’ny 1935 teo amin’ny asa fanompoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

◻ Milaza inona ny fitsanganan’ny olona betsaka ‘eo anoloan’ny seza fiandrianana’?

◻ Ahoana no tokony ho fiantraikan’ny fankasitrahana ny ran’ny Zanak’ondry eo amin’ny fomba fiainantsika?

◻ Inona no dikan’ny fanofahofan’izy ireo sampan-drofia?

◻ Ahoana no anaovan’ny olona betsaka fanompoana masina andro aman’alina?

[Sary, pejy 16, 17]

Ny fanompoana masina ataon’izy ireo dia mampiseho taratry ny tsy fanapatapahana sy ny fitandremana ary ny fiezahana amim-pahatsorana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara