Famantarana ny Fahalemena sy ny Haratsiam-panahy ary ny Fibebahana
ZAVATRA halan’ny Kristiana ny fahotana, izay tsy fahatratrarana ireo fari-pitsipika marina takin’i Jehovah. (Hebreo 1:9). Mampalahelo fa manota avokoa isika rehetra indraindray. Miady mafy amin’ny fahalemena sy ny tsy fahalavorariana raiki-tampisaka isika rehetra. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra anefa, raha miaiky ny fahotantsika amin’i Jehovah isika ary miezaka amim-pitandremana ny tsy hamerina izany, dia afaka manatona azy amin’ny fieritreretana madio isika. (Romana 7:21-24; 1 Jaona 1:8, 9; 2:1, 2). Misaotra an’i Jehovah isika fa, miorina amin’ny sorom-panavotana, dia manaiky ny fanompoantsika masina izy na dia eo aza ny fahalementsika.
Raha latsaka ao anatin’ny fahotana lehibe ny olona iray noho ny fahalemen’ny nofo, dia mila maika ny fitarihan’ny mpiandry mifanaraka amin’ilay fomba nosoritana ao amin’ny Jakoba 5:14-16 manao hoe: “Misy marary [ara-panahy] va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon’ny fiangonana; (...) raha nanota izy, dia havela ny helony. Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo.”
Koa amin’izany, rehefa manao fahotana lehibe iray ny Kristiana nanolo-tena iray, dia ilaina ny fanaovan-javatra mihoatra noho ny fieken’ny tena heloka amin’i Jehovah. Tsy maintsy manao dingana sasany ireo loholona, satria tandindomin-doza ny fahadiovana na ny fiadanan’ny kongregasiona. (Matio 18:15-17; 1 Korintiana 5:9-11; 6:9, 10). Mety ho voatery hamantatra an’izao ireo loholona: Mibebaka ve ilay olona? Inona no nitarika ho amin’ilay fahotana? Moa ve izany vokatry ny fotoan’ny fahalemena maningana? Fahazarana nanota ve izany? Tsy tsotra na misongadina foana akory izany famantarana izany ary mitaky fahaiza-manavaka lehibe.
Ahoana anefa raha toa ilay fahotana ka vokatry ny fanarahana ny lalan’ny fanaovan-dratsy sy ny fitondran-tena ratsy? Amin’izay, dia mazava ny andraikitr’ireo loholona. Rehefa nitarika ny fikarakarana raharaha lehibe iray tao amin’ny kongregasiona tany Korinto ny apostoly Paoly dia nilaza hoe: “Esory aminareo ilay mpanao ratsy.” (1 Korintiana 5:13). Tsy manan-toerana ao amin’ny kongregasiona kristiana ny olona ratsy fanahy.
Fanombanana ny fahalemena sy ny haratsiam-panahy ary ny fibebahana
Ahoana no ahafahan’ireo loholona mahafantatra raha mibebaka ny olona iray?a Tsy fanontaniana tsotra izany. Hevero, ohatra, ny amin’i Davida Mpanjaka. Nanitsakitsa-bady izy ary avy eo dia namono olona raha ny tena izy. Namela azy ho velona anefa i Jehovah. (2 Samoela 11:2-24; 12:1-14). Avy eo dia hevero ny amin’i Ananiasy sy i Safira. Niezaka ny hamitaka ireo apostoly tamin’ny fampiasana lainga izy ireo, tamin’ny fihamboana tamim-pihatsarambelatsihy ho nalala-tanana noho ny tena izy. Fahotana lehibe ve? Eny. Ratsy toy ny famonoana olona sy ny fanitsakitsaham-bady ve? Tsia dia tsia! Namoy ny ainy anefa i Ananiasy sy i Safira. — Asan’ny Apostoly 5:1-11.
Nahoana no samy hafa ireo didim-pitsarana? Latsaka tao anatin’ny fahotana lehibe i Davida noho ny fahalemen’ny nofo. Rehefa nampifanatrehina tamin’izay nataony izy, dia nibebaka, ary namela ny helony i Jehovah — na dia nofaizina mafy aza izy nifandray tamin’ireo zava-nanahirana tao an-tokantranony. Nanota i Ananiasy sy i Safira tamin’ny nandaingany tamim-pihatsarambelatsihy, niezaka ny hamitaka ny kongregasiona kristiana, ary araka izany, dia ‘handainga amin’ny fanahy masina sy Andriamanitra’. Hita ho porofon’ny fananana fo ratsy izany. Noho izany, dia notsaraina mafimafy kokoa izy ireo.
Tamin’ireo toe-javatra roa ireo, dia i Jehovah no nanao ilay fitsarana, ary marina ny fitsarany satria afaka mandinika ny fo izy. (Ohabolana 17:3, NW ). Tsy afaka manao izany ireo loholona olombelona. Koa ahoana no ahafahan’ireo loholona manavaka raha porofon’ny fahalemena fa tsy porofon’ny haratsiam-panahy ny fahotana lehibe iray?
Raha ny tena izy, dia ratsy ny fahotana rehetra, kanefa tsy ny mpanota rehetra no ratsy. Ny fahotana mitovy dia mety ho porofon’ny fahalemena eo amin’ny olona iray ary ho porofon’ny haratsiam-panahy eo amin’ny hafa. Eny tokoa, mazàna ny fahotana dia mahafaoka ampahany amin’ny fahalemena sy ny haratsiam-panahy avy amin’ilay nanota. Ny anton-javatra iray hamantarana izany dia ny fomba fiheveran’ilay nanota izay nataony sy izay kendreny hatao momba izany. Moa ve izy mampiseho toe-tsain’ny fibebahana? Mila fahaiza-manavaka ireo loholona mba hahatsapana izany. Ahoana no ahafahan’izy ireo mahazo izany fahaiza-manavaka izany? Nampanantena toy izao an’i Timoty ny apostoly Paoly: “Diniho izay lazaiko, fa homen’ny Tompo fahazavan-tsaina [“fahaiza-manavaka”, NW ] ny amin’ny zavatra rehetra hianao.” (2 Timoty 2:7). Raha ‘mandinika’ amim-panetren-tena ireo teny ara-tsindrimandry nosoratan’i Paoly sy ireo mpanoratra ny Baiboly hafa ireo loholona, dia hahazo ny fahaiza-manavaka ilaina mba hiheverana amin’ny fomba mety ireo izay nanota ao amin’ny kongregasiona. Amin’izay, ireo fanapahan-kevitr’izy ireo dia hanome taratry ny fiheveran’i Jehovah, fa tsy ny azy ireo. — Ohabolana 11:2; Matio 18:18.
Ahoana no anaovana izany? Ny fomba iray dia ny fandinihana ny fomba ilazalazan’ny Baiboly ireo olona ratsy fanahy sy ny fijerena raha mihatra amin’ilay olona ifampiraharahana ilay filazalazana.
Fandraisana andraikitra sy fibebahana
Ireo olombelona voalohany izay nifidy ny lalan’ny haratsiam-panahy dia i Adama sy i Eva. Na dia lavorary sy nanana fahalalana feno momba ny lalàn’i Jehovah aza izy ireo, dia nikomy tamin’ny fiandrianan’Andriamanitra. Rehefa nampifanatrehin’i Jehovah tamin’izay nataony izy ireo, dia mendrika ny homarihina ny fihetsik’izy ireo — nanome tsiny an’i Eva i Adama, ary nanome tsiny an’ilay menaraka i Eva! (Genesisy 3:12, 13). Ampitahao amin’ny fanetren-tena lalina nasehon’i Davida izany. Rehefa nampifanatrehina tamin’ireo fahotany lehibe izy dia nanaiky ny andraikiny ary nitalaho famelan-keloka, ka nanao hoe: “Efa nanota tamin’i Jehovah aho.” — 2 Samoela 12:13; Salamo 51:4, 9, 10.
Manao ny tsara ireo loholona amin’ny fandinihana ireo ohatra roa ireo rehefa mikarakara raharaha momba ny fahotana lehibe, indrindra ny amin’ny olon-dehibe iray. Moa ve ilay nanota — tahaka an’i Davida rehefa nampiekena ny amin’ny fahotany — manaiky avy hatrany ilay heloka ary mitodika any amin’i Jehovah amim-pibebahana mba hahazoana fanampiana sy famelan-keloka? Sa izy mitady ny hanamaivana izay nataony, angamba amin’ny fanomezan-tsiny olon-kafa? Marina fa mety haniry ny hanazava izay nitarika azy ho amin’ny zavatra nataony ilay olona izay nanota, ary mety hisy tarehin-javatra, na efa lasa na ankehitriny, izay mety hilain’ireo loholona hodinihina rehefa manapa-kevitra ny amin’ny fomba hanampiana azy. (Ampitahao amin’ny Hosea 4:14.) Kanefa tsy maintsy ekeny fa izy no ilay nanota ary fa izy no tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah. Tadidio izao: “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka i Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.” — Salamo 34:18.
Fahazarana manao ratsy
Ao amin’ny bokin’ny Salamo, dia misy firesahana maro ny amin’ireo olona ratsy fanahy. Afaka manampy bebe kokoa an’ireo loholona ireny andinin-teny ireny mba hanavahana raha ratsy fanahy na malemy amin’ny fotony ny olona iray. Ohatra, hevero izao vavaka ara-tsindrimandry nataon’i Davida Mpanjaka izao: “Aza atao indray manakipaka amin’ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin’ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.” (Salamo 28:3). Mariho fa resahina miaraka amin’ny “mpanao meloka” ny olona ratsy fanahy. Ny olona iray izay manota noho ny fahalemen’ny nofo dia azo inoana fa hitsahatra raha vao mahatsiaro tena izy. Raha toa anefa ny olona iray ka ‘zatra manao’ izay ratsy, hany ka tonga anisan’ny lafin-toetra mampiavaka azy izany, dia mety ho porofon’ny fananana fo ratsy izany.
Nanisy firesahana ny amin’ny toetra hafa mampiavaka ny haratsiam-panahy i Davida ao amin’io andininy io. Tahaka an’i Ananiasy sy i Safira, ny olona ratsy fanahy dia miteny zavatra tsara eo am-bavany kanefa manan-javatra ratsy ao am-pony. Mety ho mpihatsaravelatsihy izy — tahaka an’ireo Fariseo tamin’ny andron’i Jesosy izay ‘raha tamin’ny eo ivelany, dia niseho tamin’ny olona ho marina, nefa ny tao anatiny dia feno fihatsarambelatsihy sy tsy fankatoavan-dalàna’. (Matio 23:28; Lioka 11:39). Mankahala ny fihatsarambelatsihy i Jehovah. (Ohabolana 6:16-19). Raha miezaka amim-pihatsarambelatsihy ny handa ny fahotana lehibe nataony ny olona iray, na dia rehefa mifampiresaka amin’ny komitim-pitsarana aza, na manaiky tsy fidiny izay efa fantatry ny hafa ihany, ka mandà tsy hiaiky ny helony amin’ny fomba feno, dia mety ho porofon’ny fananana fo ratsy tokoa izany.
Tsy firaharahana amim-piavonavonana an’i Jehovah
Ireo zavatra hafa izay mampiavaka ny olona ratsy fanahy iray dia soritana ao amin’ny Salamo faha-10. Izao no vakintsika ao: “Noho ny fireharehan’ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo; (...) manamavo an’i Jehovah [izy].” (Salamo 10:2, 3). Ahoana no tokony hiheverantsika ny Kristiana nanolo-tena iray izay miavonavona sy tsy manaja an’i Jehovah? Azo antoka fa toe-tsaina ratsy izany. Ny olona iray izay manota noho ny fahalemena dia hibebaka, raha vao mahatsapa ny fahotany izy na nisarihana ny sainy izany, ary hiezaka mafy ny hanova ny lalany. (2 Korintiana 7:10, 11). Mifanohitra amin’izany, raha manota ny olona iray noho ny tsy fanajana an’i Jehovah lalim-paka, inona no hisakana azy tsy hiverina foana hatrany eo amin’ny lalan’ny ota narahiny? Raha miavonavona izy, na dia efa nomena torohevitra tamin’ny toe-tsain’ny fahalemem-panahy aza, ahoana no ahafahany manana ny fanetren-tena ilaina mba hibebahana marina sy amim-pahatsorana?
Diniho izao ireto tenin’i Davida aoriana kely ireto ao amin’io salamo io ihany: “Nahoana no mamingavinga an’Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy hanadina Hianao?” (Salamo 10:13). Ao amin’ny faritry ny kongregasiona kristiana, ilay olona ratsy fanahy dia mahalala ny fahasamihafan’ny zavatra marina sy ny zava-dratsy, kanefa tsy misalasala ny manao ratsy izy raha mihevitra fa afaka ny tsy ho voasazy. Raha mbola tsy misy ny tahotra ny halana sarona, dia mampanarana ireo fironany hanota izy. Tsy tahaka an’i Davida fa, raha aharihary ireo fahotany, dia hitetika ny handositra ny famaizana izy. Maneho tsy fanajana fatratra an’i Jehovah izany olona izany. “Tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra ao aminy. (...) Ny ratsy tsy mba laviny akory.” — Salamo 36:1, 4.
Fanimbana ny hafa
Mazàna dia mihoatra noho ny olona iray no iharan’ny vokatry ny fahotana iray. Ohatra, manota amin’Andriamanitra ny mpanitsakitsa-bady iray; mitondra fahavoazana ho an’ny vadiny sy ireo zanany izy; raha manambady ilay niara-nanota taminy, dia mitondra fahavoazana ho an’ny fianakavian’izy io izy; ary mandoto ny laza tsaran’ny kongregasiona izy. Ahoana no iheverany izany rehetra izany? Moa ve izy mampiseho alahelo avy amin’ny fo miaraka amin’ny fibebahana marina? Sa izy mampiseho ilay toe-tsaina voalazalaza ao amin’ny Salamo faha-94 hoe: “Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra. Ny olonao, Jehovah ô, torotoroiny, ary ny lovanao ampahoriny; ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, ary ny kamboty dia matiny. Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, ary tsy mandinika Andriamanitr’i Jakoba”? — Salamo 94:4-7.
Azo inoana fa ireo raharaha momba ny fahotana karakaraina ao amin’ny kongregasiona iray dia tsy hahafaoka famonoana olona ho faty. Kanefa ilay toe-tsaina aseho eto — ilay toe-tsaina vonona ny hitondra fahavoazana ho an’ny hafa mba ho tombontsoan’ny tena manokana — dia mety hihamiharihary arakaraka ny amotopotoran’ireo loholona ny fanaovan-dratsy. Hambo koa izany, marika mampiavaka ny olona ratsy fanahy iray. (Ohabolana 21:4, NW ). Izany dia ny mifanohitra tanteraka amin’ny toe-tsain’ny Kristiana marina iray, izay vonona ny hanao sorona ny tenany mihitsy ho an’ny rahalahiny. — Jaona 15:12, 13.
Fampiharana ireo fotopoto-pitsipika avy amin’Andriamanitra
Tsy kendrena mba hamerana fitsipika ireo toro lalana vitsy ireo. Izy ireo anefa dia tena manome hevitra ny amin’ny zavatra sasany izay heverin’i Jehovah ho tena ratsy tokoa. Misy ve ny fandavana tsy hanaiky ny andraikitra tamin’ilay ratsy natao? Tsy miraharaha amim-pahasahisahian-dratsy ny torohevitra nomena teo aloha momba io raharaha io mihitsy ve ilay nanota? Misy ve ny fahazarana voaorina mafy amin’ny fanaovan-dratsy lehibe? Moa ve ilay manao ratsy mampiseho tsy firaharahana miharihary ny lalàn’i Jehovah? Moa ve izy nanao ezaka maty paika mba hanafenana ilay zava-dratsy, angamba tamin’ny fanimbana ny hafa koa tamin’izay? (Joda 4). Moa ve ireny ezaka ireny mihamafy fotsiny rehefa miharihary ilay zava-dratsy? Moa ve ilay manao ratsy mampiseho tsy firaharahana tanteraka ny fahavoazana nentiny teo amin’ny hafa sy teo amin’ny anaran’i Jehovah? Ahoana ny amin’ny fihetsiny? Taorian’ny nanomezana tamin-katsaram-panahy torohevitra ao amin’ny Soratra Masina, miavonavona ve izy sa be hambo? Moa ve izy tsy manana faniriana avy amin’ny fo ny hanalavitra ny famerenana ilay zava-dratsy? Raha toa ireo loholona ka mahatsapa izany zavatra izany, izay mampiseho mafy tsy fisian’ny fibebahana, dia mety hanatsoaka hevitra izy ireo fa manaporofo haratsiam-panahy fa tsy fahalemen’ny nofo fotsiny ireo fahotana natao.
Na dia rehefa mifampiraharaha amin’ny olona iray izay toa manana fironan-dratsy aza ireo loholona, dia tsy mitsahatra ny mampirisika azy mba hanaraka ny fahamarinana. (Hebreo 3:12). Mety hibebaka ary hiova ireo olona ratsy fanahy. Raha tsy izany no izy, nahoana i Jehovah no nampirisika an’ireo Isiraelita hoe: “Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy”? (Isaia 55:7). Angamba, na dia mandritra ny fihainoana ara-pitsarana iray aza, ireo loholona dia hahatsapa fiovana azo marihina eo amin’ny toe-pony, izay hita taratra eo amin’ny fitondran-tena sy ny fihetsika mampiseho fibebahana.
Na dia eo amin’ny fotoana androahana olona iray aza, ireo loholona, amin’ny maha-mpiandry azy, dia hampirisika azy io hibebaka sy hiezaka ny hiverina ho amin’ny fahazoana sitraka amin’i Jehovah. Tadidio ny amin’ilay “mpanao ratsy” tany Korinto. Miharihary fa nanova ny lalany izy, ary nanoro hevitra ny amin’ny handraisana azy indray i Paoly tatỳ aoriana. (2 Korintiana 2:7, 8). Hevero koa ny amin’i Manase Mpanjaka. Tena ratsy fanahy tokoa izy, kanefa rehefa nibebaka izy tamin’ny farany, dia nanaiky ny fibebahany i Jehovah. — 2 Mpanjaka 21:10-16; 2 Tantara 33:9, 13, 19.
Marina fa misy fahotana izay tsy havela: ny fahotana amin’ny fanahy masina. (Hebreo 10:26, 27). I Jehovah irery no mamantatra hoe iza no nanao izany fahotana izany. Tsy manana fahefana hanao izany ny olombelona. Ny andraikitr’ireo loholona dia ny mihazona ny kongregasiona ho madio sy ny manampy amin’ny fanarenana ireo mpanota mibebaka. Raha manao izany amim-pahaiza-manavaka sy fanetren-tena izy ireo, ka mamela ny fanapahan-keviny hampiseho taratry ny fahendren’i Jehovah, dia hitahy io lafiny amin’ny asa fiandrasan’izy ireo io i Jehovah amin’izay.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana fanampiny, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Martsa 1982, pejy faha-23-26; Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy faha-1284-1286.
[Sary, pejy 29]
Nandainga tamin’ny fanahy masina tamim-pihatsarambelatsihy i Ananiasy sy i Safira, ka nampiseho haratsiam-po