FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 1/8 p. 21-26
  • Manompo Miaraka Amin’ilay Fandaminana Mandroso Indrindra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manompo Miaraka Amin’ilay Fandaminana Mandroso Indrindra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny andro taloha
  • Fiainana vaovao tany amin’ny Betela
  • Fiarahana tamin’ny Rahalahy Rutherford
  • Fotoan-tsarotra ara-bola
  • Niasa tamin’ny radio
  • Ny grafofona
  • Asa nahafaly teo amin’ny fanompoana
  • Fitarihan’Andriamanitra
  • Ny fiainako tao anatin’ny fandaminana tarihin’ny fanahin’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Manankarena Amin’ny Fanompoana an’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Inona avy no Efa Nataontsika mba Hitoriana?
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
  • Ambarao Ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany! (1919-1941)
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 1/8 p. 21-26

Manompo Miaraka Amin’ilay Fandaminana Mandroso Indrindra

NOTANTARAIN’I ROBERT HATZFELD

Amin’izao andro izao dia olona sesehena no mandefa ny televiziona miloko amin’ny fampiasana ny télé-commande mba hijerena ny vaovao amin’ny hariva, ka tsy mihevitra izany mihitsy ho zava-mahagaga. Kanefa, toy ny vao omaly no naha-zazalahy 12 taona ahy, nitolagaga nijery teo amin’ny écran ny sarin’ny lehilahy iray nitovy habe tamin’ny tena izy sady niteny!

TSY dia tena zava-baovao lehibe izany, hoy angamba ianao. Kanefa tamin’ny 1915 izany dia tahaka ny fahagagana maoderina iray ho ahy marina tokoa, teo am-piandohan’ny sarimihetsika mainty sy fotsy tsy misy feo. Nipoitra teo amin’ny écran ny sarin’ny lehilahy iray nanana volombava sady ranjanana ary nilaza hoe: “Atolotry ny Fikambanan’ny Mpianatra Baiboly Iraisam-pirenena, I.B.S.A., ny Photo-drame de la création.” Nandritra ny adiny roa nanaraka izay, dia niseho tsikelikely teo anoloan’ny masonay ny tantaran’ny Baiboly. Nazava sy namelombelona ny hafatra araka ny Soratra Masina tao anatiny. Kanefa, ny tena nanintona ny saiko dia ilay horonan-tsarimihetsika voaravaka sary miloko sady nisy feo niara-nivoaka taminy.

Mbola tsy tsapako tamin’izay, fa ny hafanam-poko tamin’ny naha-tanora ho an’izany dingana nanan-tantara teo amin’ny haitao izany dia santatra ho an’ny asa nataoko ho antom-piainana niaraka tamin’ilay fandaminana mandroso indrindra eto an-tany.

Ny andro taloha

Tamin’ny 1891, ny raiko dia tonga avy tany Dillenburg, any Alemaina, tao amin’ny fitambaran’olona alemanina tao Allegheny, any Pennsylvania, Etazonia. Nifanena tamin’ny tovovavy iray avy tamin’ny fianakaviana alemanina iray tao izy tatỳ aoriana, ary nivady izy ireo. Teraka tamin’ny 7 Jolay 1903 aho ary nobeazina niteny alemanina sy anglisy. Taloha kelin’ny nanombohan’ny Ady Lehibe Voalohany tamin’ny 1914, dia nisy areti-mifindran’ny raboka nipaoka ny ray aman-dreniko tany amin’ny fahafatesana ary namela ahy ho kamboty. Maty tapaka lalan-dra ny raibeko sahabo ho tamin’izany fotoana izany koa.

Nandray ahy tamin-katsaram-panahy ho anisan’ny fianakaviany i Minna Boemer nenitoako. “Dimy ny zanako”, hoy izy. “Azoko atao koa ny manana iray fanampiny.” Na dia nanembona ny ray aman-dreniko aza aho, dia nanome ahy tokantrano mendrika i Nenitoa Minna.

Mpikambana efa hatramin’ny ela tao amin’ny Kongregasionan’ny Mpianatra ny Baiboly (niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany) tao Allegheny ny nenitoako. Talohan’ny 1909, dia tao amin’izany kongregasiona izany koa ny Rahalahy C. T. Russell, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany fotoana izany. Nitondra ahy tany amin’ireo fivoriana i Nenitoa Minna. Na dia tsy nanao ezaka niaraka aza ny fianakavianay mba hianarana na hitoriana tamin’izany fotoana izany, dia nozarainay tamin’ireo olona fantatray tamin’ny fomba tsy ara-potoana izay rehetra renay tany amin’ireo fivoriana.

Tao anatin’izany fe-potoana izany no nampitolagaga ahy tamin’ny “Photo-drame”. Koa satria voasintona tamin’ny fanaovan-javatra amin’ny milina aho, dia variana tanteraka tamin’ireo teknika vaovao momba ny sary sy ny fiarahan’ny feo sy ny sary mivoaka, ary koa ny fanafainganana ny fisehoan’ny sary. Nampientam-po erỳ ny nijery ny fivelatry ny bokom-boninkazo nohafainganina!

Tamin’ny 1916 dia nampalahelovina noho ny nahafatesan’ny Rahalahy Russell izahay. Koa satria tao Allegheny mihitsy no nonenanay, dia nanatrika ny nandevenana azy tao Carnegie Hall izahay. Tao no niadian’ny Rahalahy Russell hevitra tamin’i E. L. Eaton tamin’ny 1903. Reko ny momba an’io mpitondra fivavahana metodista episkopaliana io, izay nihaika an’i C. T. Russell tamin’ny ady hevitra naharitra enina andro, ka nanantena ny hampihem-bidy ny fahaizan’ny Rahalahy Russell ny Baiboly. Tsy izany no niseho, fa voalaza kosa fa ‘notondrahan’i Russell tamin’ny rano ny afobe’. Nahafantatra manokana an-dry Russell mivady i Sara Kaelin, izay colporteur fantatra tsara tao Pittsburgh. Nahita an’i Maria Russell nametraka voninkazo tao anatin’ny vatam-paty niaraka tamin’izao teny izao izy: “Ho An’ny Vady Malalako” tamin’ny fandevenana azy. Na dia efa nisaraka tamin’i Russell taona vitsivitsy talohan’izay aza i Maria, dia mbola nanaiky an’i Russell ho vadiny ihany.

Rehefa nandalo ny taona dia nanana fahafahana maro hahazo fahaizana ara-teknika ilaina ho amin’ny asa hataoko ho antom-piainana atỳ aoriana aho. Mpiantoka fanorenana trano ilay dadatoako, izay mpiantoka ahy teo anatrehan’ny lalàna. Nandritra ny fotoam-pialan-tsasatry ny sekoly, dia navelany hiara-miasa tamin’ireo elektrisiana niaraka taminy aho, rehefa nametraka fanazavana mandeha amin’ny elektrisite ho solon’ireo fanazavana mandeha amin’ny gaza tao amin’ireo trano lehibe tranainy izy ireo. Tamin’ny 1918, noho ny fitiavana azy io, dia namorona fitaovana telegrafy tsy nisy tariby ireo mpianatra tao an-tsekolinay. Ny takariva izahay no nihaona mba handinika sy hanao ireo andrana teny ivelany tamin’ny alalan’ny elektrisite sy ny herin’andriamby. Tamin’ny 1926, dia nanapa-kevitra izahay sy ny namako iray fa hanatratra ny nofy iray tamin’ny fahazazana — hiasa eny ambony sambo ka hanao dia haneran-tany. Niditra tao amin’ny sekoly notohanan’ny Radio Corporation of America ho an’ireo mpampandefa milina telegrafy tsy misy tariby izahay.

Fiainana vaovao tany amin’ny Betela

Tao New York City no nisy ilay sekoly fianarana radio nandehananay, koa nita ny ony fotsiny aho mba hanatrehana ireo fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly tao Brooklyn; tao amin’ny efitrano nohofana tao amin’ny Tempolin’ireo francs-maçons taloha no nanaovana ireo fivoriana. Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy afa-tsy kongregasiona iray ho an’ny faritra an-tanàn-dehibe manontolon’i New York. Rehefa fantatr’ireo rahalahy avy tao amin’ny Betela (tranon’ny fianakaviana miasa ao amin’ny foiben’ny Mpianatra ny Baiboly) fa teo am-pianarana mba hahazoana ny fahazoan-dalana hanao radio ara-barotra aho, dia hoy izy ireo tamiko: “Nahoana no handeha any ampita? Manana foibem-pampielezam-peo mihitsy isika eto ary mila olona hampandeha izany”. Nanasa ahy izy ireo hidina tao amin’ny birao mba hoadinadinina. Tsy nahafantatra na inona na inona momba ny Betela aho, afa-tsy ny hoe foiben’ny Mpianatra ny Baiboly izy io.

Nanadinadina ahy ireo rahalahy ary nanoro hevitra mba hamitako ny fianarako sy hahazoako ny fahazoan-dalana ary avy eo dia hiverina tao amin’ny Betela. Taorian’ny nahazoako diplaoma dia tsy niondrana an-tsambo mba hankany ampovoan-dranomasina aho, fa nanangona ireo akanjoko vitsy kosa ary niakatra tao anaty métro (masinina mandeha any ambanin’ny tany) mba hankany amin’ny Betela. Na dia nanolo-tena ho an’i Jehovah aza aho sy nandray anjara tamin’ny asa fitoriana nandritra ny taona maro dia mbola tsy natao batisa raha tsy tamin’ny Desambra 1926, tapa-bolana taorian’ny nahatongavako tao amin’ny Betela. Tsy hoe nahalana izany tamin’izany.

Feno be ny Betela satria mpikambana 150 no tao tamin’izany fotoana izany. Nisy rahalahy efatra tao amin’ny efitrano tsirairay. Tsy ela aho dia nanjary nahafantatra ny ankamaroan’izy ireo, satria niara-nisakafo sy niara-niasa ary niara-natory tao amin’ny fitambaran-trano lehibe iray ihany izahay rehetra, ary, mazava ho azy, fa samy nanatrika fivoriana tao amin’ilay kongregasiona tokana tao New York City. Tamin’ny 1927 no vita ny Tranon’ny Betela vaovao tao amin’ny 124 Columbia Heights ary afaka nipetraka tsiroaroa isaky ny efitrano izahay.

Nisokatra tamin’ny 1927 koa ny trano fanontam-pirinty tao amin’ny 117 Adams Street. Nanampy tamin’ny famindrana ny fitaovana avy tao amin’ny trano fanontam-pirinty taloha tao 55 Concord Street aho. Ho fanampin’ny fitaovana amin’ny radio, dia nisy ascenseurs, milina fanontam-pirinty, fitaovana ho amin’ny fanasan-damba, chaudières mandeha amin’ny mazout tao — ary raha nisy tariby elektrika tao dia niasa tamin’izany aho.

Mihoatra noho ny trano fanontam-pirinty fotsiny anefa ny Betela. Mpanompo maro be nanetry tena sy niasa mafy no nandray anjara tamin’ny famoahana ireo boky sy taratasy mivalona ary gazety rehetra. Tsy ny hahazo fankasitrahana sy laza eo amin’izao tontolo izao no tanjony. Tsia, ny hany faniriany dia ny hahavitana ny asan’ny Tompo — ary be dia be ny zavatra tokony hatao!

Fiarahana tamin’ny Rahalahy Rutherford

Nandray soa be dia be aho tamin’ny tombontsoa nananako niara-niasa tamin’i Joseph F. Rutherford, prezidà faharoan’ny Fikambanana. Lehilahy vaventy izy, mirefy maherin’ny 1,83 metatra, tsy matavy fa nofosana. Maro tamin’ireo rahalahy tanora tao amin’ny Betela no natahotahotra azy ihany mandra-pahafantatr’izy ireo azy tsara. Izy dia nianatra sy nanomana mandrakariva ireo zavatra voasoratra.

Nahay nanao sy nandray vazivazy ny Rahalahy Rutherford. Tao amin’ny fianakavian’ny Betela dia nisy anabavy roa be taona sady mpitovo izay tao efa hatramin’ny andron’ny Rahalahy Russell. Maotina be foana ny endrik’izy ireo ary nino fa tsy nety ny fihomehezana mafy na dia nisy zavatra nahatsikaiky aza. Indraindray, nandritra ny sakafo hariva, dia nanao tantara kely izay nampihomehy ny olona rehetra ny Rahalahy Rutherford, ka izany dia nampahasosotra ireto anabavy roa ireto. Kanefa matetika koa izy dia nitarika resaka maotina ara-baiboly teo am-pisakafoana.

Nahay nahandro ny Rahalahy Rutherford ary tiany ny nanomana sakafo ho an’ny namana. Indray mandeha dia novakin’ireo mpahandro tao amin’ny Betela nisilatsilaka ny taolan’akoho sasany rehefa nitetika akoho izy ireo. Nanao dingan-dava niditra tao an-dakozia izy ary nasehony tamin’izy ireo ny fomba nety fitetehana akoho. Tsy tiany ny silatsilaka taolan’akoho tao anaty sakafony!

Niaraka tamin’ny Rahalahy Rutherford matetika tamin’ny toerana mahazatra aho, toy ny rehefa tany amin’ny WBBR, toerana fampielezam-peonay, na tao amin’ny efitrano fianarany tany Staten Island. Lehilahy tena tsara fanahy izay nampihatra izay notoriny izy. Tsy nanantena zavatra tamin’ny hafa izay tsy ho nataon’ny tenany izy. Tsy tahaka ireo olona tompon’andraikitra ao amin’ireo fandaminana ara-pivavahana hafa ny Rahalahy Rutherford fa nanana toetra ara-panahy sy ara-pitondran-tena faran’izay ambony kosa. Niaina tanteraka ho an’ny Fanjakan’i Jehovah izy.

Fotoan-tsarotra ara-bola

Taona vitsivitsy taorian’ny nahatongavako teto amin’ny Betela, dia niditra tamin’ny Fitambotsorana Ara-toe-karena Lehibe izao tontolo izao. Nirodana ireo tsenam-bola, toy ny vidin’ireo zavatra nilaina. Tsy fahita firy ny asa, ary voafetra ny tahirim-bola azo nampiasaina. Niasa tamin’ny tahirim-bola voangona ny Betela, ary nataon’i Jehovah foana izay hahazoana antoka fa nisy vola ampy ho fikarakarana ny asa. Tsy diso tamin’ny sakafo mihitsy izahay, na dia nety ho tsy izay nirinay tsirairay aza izany. Niaina tamim-pitsitsiana araka izay azo natao izahay, ary nampian’ireo rahalahy tany ivelan’ny Betela araka ny fahafahany.

Tamin’ny 1932, dia nody mandry ny Rahalahy Robert Martin, ilay mpiandraikitra nahatoky tao amin’ny fanontam-pirintinay. Voatendry ho eo amin’ny toerany i Nathan Knorr, izay vao 27 taona. Lehilahy tanora tena nahay izy. Tsy mahatsiaro aho hoe nisy nahita fahasahiranana nanaiky azy tamin’ny naha-mpiandraikitra ny fanontam-pirinty. Nisy rahalahy nahatoky hafa, anisan’ireny ry John Kurzen, George Kelly, Doug Galbraith, Ralph Leffler, sy i Ed Becker — izy rehetra ireo samy mpiara-miasa sarobidy tamiko — nanokana an-tsitrapo ny fahaizany taozavatra tamin’ny fanompoana ilay Fanjakana. — Ampitahao amin’ny Eksodosy 35:34, 35.

Niasa tamin’ny radio

Hatrany amin’ny fotony mihitsy dia voatokana tanteraka ho fampielezana ny vaovao tsara amin’ny alalan’ny fomba rehetra azo ampiasaina ny fandaminanay. Nila ny nahafantatra momba ilay Fanjakana izao tontolo izao manontolo, kanefa an’arivony vitsivitsy monja izahay. Taorian’ny Ady Lehibe Voalohany dia mbola teo amin’ny fahazazany ny haitao mifandray amin’ny radio. Nahatsapa anefa ireo rahalahy nahay nanavaka fa io fomba fampitana hevitra io no nomen’i Jehovah tamin’izany fotoana izany. Koa tamin’ny 1923, izy ireo dia nanomboka nanorina ny toeram-pampielezam-peon’ny WBBR tany Staten Island, iray tamin’ireo fizaran-tanàna dimy tao New York City.

Indraindray dia izaho irery no mpampandefa milina tao amin’ny fampielezam-peonay. Nipetraka tany Staten Island aho nefa nanao dia adiny telo tamin’ny sambo fitana sy métro mba hankanesana tany amin’ny fanontam-pirinty tany Brooklyn, hanao ny asa nifandray tamin’ny elektrisite na ny milina. Nametraka ary nanomana maotera diesel mamokatra herin’aratra izahay mba hahatonga ny fampielezam-peonay ho tena mahaleo tena. Nanana ny fantsakanay manokana koa izahay tao Staten Island sy saha izay namatsy sakafo ireo mpiasa vitsivitsy tao, ary koa ny fianakavian’ny Betela tany Brooklyn.

Mandra-pahatongan’ny fanampiana hafa tatỳ aoriana, dia nametra betsaka ny fanatrehako fivoriana sy ny fandraisako anjara tamin’ny asa fanompoana, ireo andraikitra momba ny asa tamin’ny radio. Tsy nisy fotoana hafa mihitsy ho an’ny fiaraha-mikorana na fitsangantsanganana amin’ny faran’ny herinandro afa-tsy tamin’ny fialan-tsasatra isan-taona. Nisy olona nanontany ahy indray mandeha hoe: “Amin’izany fandaharam-potoana mitaky be izany, tsy efa mba nihevitra ny hiala tao amin’ny Betela ve ianao?” Tamim-pahatsorana dia azoko nolazaina hoe: “Tsia.” Tombontsoa sy fifaliana ny niara-niaina sy niara-niasa tamin’ireo rahalahy sy anabavy maro, be fandavan-tena aoka izany. Ary nisy foana asa tokony hatao, tetik’asa vaovao tokony hotanterahina.

Namokatra sy nandefa tantara nampihetsi-po tamin’ny radio izahay. Koa satria tsy nanana diska fandraisana feo izahay, dia tsy maintsy namoron-kevitra manokana mba hatao fomba fiasa. Nanamboatra milina izay afaka namerina ny feon’ny tsio-drivotra malefaka iray na ny tafio-drivotra mifofofofo mafy izahay. Ny feon’ny antsasak’akorana kôkô nakapokapoka tamin’ny hazo fisaka nofonosin-damba, dia nanjary ny fikatrokatroky ny kitron-tsoavaly tamin’ny lalam-bato. Raharaha goavana ny fanaovana ny tantara tsirairay. Ary nihaino ny olona. Tamin’izany fotoana izay tsy nisian’ny fialam-boly firy izany, dia olona maro no nipetraka mba hanongilan-tsofina tamin’ny radio.

Tao anatin’ireo taona 1920 sy ny fiandohan’ireo taona 1930, ny Fikambanana dia nanao zavatra nanan-tantara teo amin’ny sehatry ny fifandraisana tamin’ny alalan’ny radio, tamin’ny fampifandraisana imbetsaka tamin’ny radio sy ny telefaonina ny foibem-pampielezam-peo faran’izay betsaka, izay nampita fandaharana iray monja. Araka izany, dia nahatratra olona an-tapitrisany maro naneran-tany ny vaovao momba ilay Fanjakana.

Ny grafofona

Namolavola sy nanamboatra diska sy grafofona ary fitaovana hafa manome feo izahay teo antenatenan’ireo taona 1930 sy ny fiandohan’ireo taona 1940. Tamin’ny fampiasana fitaovana manokana dia nandidy diska lasitra nisy feo avy tamin’ireo diska savoka malamalama izahay. Avy eo, dia nodinihinay tamim-pitandremana fatratra tamin’ny mikraoskaopy ny diska lasitra tsirairay mba hahazoana antoka fa tsy nisy tsininy izy io. Tsy maintsy naverina indray ny fandraisana ny feo raha sendra nisy tsininy ary nisy hafa indray notapahina tamin’ilay fitaovana manokana. Taorian’izany vao nalefanay tany amin’ny kompania mpandray feo ny diska lasitra amin’ny savoka mba hanaovany kopia ny diska amin’ny grafofona sy ireo diska misy feo.

Ny fisehoan-javatra iray nampientam-po tadidiko tsara dia ny lahatenin’ny Rahalahy Rutherford tamin’ny 1933, nitondra ny lohateny hoe “Ireo Vokatra Entin’ny Taona Masina eo Amin’ny Fiadanana sy ny Fanambinana”. Nanambara io taona io ho “taona masina” ny papa ary izahay kosa dia nanala sarona azy io sady nampiseho tamin’ny alalan’ny radio sy ny grafofona fa tsy hisy na inona na inona masina hivoaka avy tamin’izany. Araka ny hita tokoa tamin’ny farany, dia nandray fahefana i Hitler tamin’io taona io, nomban’ny fanohanan’ny Eglizy Katolika, hany ka nanjavona izay nety ho fanantenam-piadanana rehetra.

Tany Etazonia dia noforonina ny action catholique, fikambanana izay nanatanteraka izay zavatra notadiavin’ny eglizy. Notendreny tany amin’ireo vaomiera miadidy ny famoahana lahatsoratra tao amin’ireo gazety lehibe sy ireo mpampanonta boky lehibe, ireo mpiangona tao aminy. Nitsabaka tamin’ny raharaha politika izy ireo ary nandrahona ny handrara izay fampielezam-peo rehetra mandefa ireo lahateny ara-baiboly nataonay. Norotahin’ireo antokon’ny action catholique ny Vavolombelona maro, indrindra ny tao New Jersey. Fotoana nampihotakotaka tokoa tamin’izany!

Asa nahafaly teo amin’ny fanompoana

Tany antenatenan’ireo taona 1950, dia nahatratra olona maro kokoa teny an-tokonam-baravarany ny laharan’ireo mpitory ilay Fanjakana izay nihanitombo. Hita ho nandaitra lavitra kokoa noho ny radio izany, teo amin’ny fanampiana ny isam-batan’olona hahazo ny hevitry ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Koa tamin’ny 1957 dia tapaka fa hamidy ny WBBR ary hotantanana mba hanitarana ny asa misionera any an-tany hafa, ny volanay.

Tamin’ny 1955 aho dia notendrena tao amin’ny Kongregasionan’i Bedford, ao Brooklyn, izay nitarihako tsy tapaka ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Nandefa ahy tany ivelany tamin’ny naha-mpanao lahateny nitety faritany koa ny Fikambanana, hatrany avaratr’i New York, tany Pennsylvania, tany Connecticut, sy tao New Jersey. Rehefa notendrena ho ao amin’ny Kongregasionan’i Bedford aho dia nanao anakampo hoe: ‘Maherin’ny 50 taona aho izao. Tsara kokoa ho ahy dieny izao ny mandray anjara betsaka araka izay azoko atao amin’ny asa fanompoana. Any aoriana any aho dia mety ho azon’ny aretim-balahana ka tsy afaka hanao izany firy intsony.’

Taorian’ireo taona rehetra niasana tamin’ny sampana teknika tamin’ny fampielezana ny voan’ilay Fanjakana tamin’ny alalan’ny radio ireo, dia hitako ho tena fahafinaretana ho ahy ny namboly sy nanondraka nivantana ireo voan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tao amin’ny isam-batan’olona. Tena nankafiziko ny niara-niasa tamin’ny kongregasiona. Nandray ahy ho anisan’ny fianakaviany ireo rahalahy maro samy hafa, ka nanao izay hahatsapako fahasambarana tamin’ny fiarahako taminy. Ny sasany tamin’ireo ankizy kely, izay efa lehibe izao, dia mbola miantso ahy hoe dadabe. Nandritra ny 30 taona izahay dia nandany fotoana tsara dia tsara niarahana teny amin’ny asa fanompoana, hatramin’ny fotoana tsy namelan’ny ranjoko sy ny tongotro ahy hiakatra tohatra na handeha tamin’ny métro intsony. Tamin’ny 1985 aho dia nifindra tao amin’ny Kongregasionan’i Brooklyn Heights, izay mivory ao amin’ny Betela mihitsy.

Koa satria niitatra be ny fandaminan’i Jehovah dia nanana tombontsoa manokana nahita ny fitahiany tany amin’ny toeran-kafa aho, rehefa nanatrika ireo fivoriambe lehiben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ireo tany lavitra. Afaka nanao dia naneran-tany ihany aho na dia izany aza! Nanomboka tamin’ireo taona 1950, dia afaka nahita izany atao hoe Londres, Paris, Rome, Nuremberg sy Copenhague izany ny sasany taminay Betelita. Nandeha tamin’ny fiaramanidina mpandatsaka baomba novana sy tamin’ny sambo ary tamin’ny masinina izahay. Nahitana toerana taza-maso kanto ny dia natao, mazava ho azy, nefa ny fahitana ireo rahalahy sesehena feno hafanam-po, faly nandray anay no tena nampientam-po indrindra. Am-polony taona tatỳ aoriana dia nisy dia natao tany Orient, Eoropa Andrefana indray ary vao haingana kokoa tany Eoropa Atsinanana. Ireo fivoriambe nahatalanjona tany Polonina, Alemaina sy Tchécoslovaquie dia nitondra fitahiana tondraka. Nitombo tokoa ny fianakaviana teokratika hatramin’ny nahatongavako ho mpikambana tao tamin’ny voalohany!

Fitarihan’Andriamanitra

Izay toa tahaka ny dingana kely nataon’ny fandaminana dia hita tatỳ aoriana fa fandrosoana goavana. Rehefa niasa tamin’ireo tetik’asa nampidirana fitaovana vaovao izahay, fitaovana mba hanampy fotsiny tamin’ny asa fanambarana, iza no ho afaka nahita nialoha izao fitomboana lehibe sy mahatalanjona izao? Nandroso tamim-pinoana isika tamin’ny fanekena ny fitarihan’i Jehovah.

Tsy natahotra ny hampiasa ny haitao farany indrindra teo am-pelatanana itỳ fandaminana mandroso itỳ na koa nanamboatra ny azy manokana mba hikarakarana ny asa fanompoana maneran-tany. Amin’ireo fomba fiasa nampiasaina mba hampandrosoana ny fanambarana ilay Fanjakana, dia ao ny fitoriana isan-trano, ny fampiasana ny fampielezam-peo, ny fanambarana tamin’ny alalan’ny grafofona, sy ny fitarihana fampianarana Baiboly any an-tokantranon’ny olona. Tsy zava-bita kely mihitsy ny nanorenana ny fomba fanontam-pirintintsika manokana taloha ary ny fampiasana ny photocomposition informatisée sy ny impression offset amin’ny fiteny maro ankehitriny. Ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika sy ireo fivoriambe tsy tapaka, ireo rehetra ireo dia nandray anjara tamin’ny fitondrana voninahitra ho an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany. Nanana tombontsoa nandinika sy nandray anjara manokana tamin’ireny fisehoan-javatra rehetra ireny aho.

Mazava amiko fa ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany tarihin’ny fanahiny dia mahazo fitarihana ny amin’izay tokony hatao sy ny fomba hanaovana izany. Ny fandaminany manontolo eo amin’izao rehetra izao, ny hita sy ny tsy hita maso, dia miara-miasa.

Tsy nanenenako velively ny namoizako ny fikasako tamin’ny naha-tovolahy, hiondrana an-tsambo handeha hamakivaky ireo ranomasina. Ato anatin’ny fandaminan’i Jehovah mantsy no miseho ny fitrangan-javatra manaitra sy misy heviny indrindra maneran-tany! Koa ny diako amin’ny lalana mankany amin’ny ‘antso ho any ambony’ dia voamariky ny fifaliana sy ny fitahiana sesehena ary ny tsy fisian’ny nenina mihitsy. — Filipiana 3:13, 14.

Milaza amin’ireo tanora foana aho mba hitadidy ny 1914 — izany hoe, ny Salamo 19:14 izay manao toy izao: “Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.” Tiantsika ny hahafaly an’i Jehovah amin’ny zava-drehetra ka mivavaka tahaka ny nataon’i Davida toy izao isika: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.” (Salamo 25:4, 5). Mifono hevi-dehibe ireo teny ireo. Afaka manampy antsika hitoetra sy handeha amin’ny lala-mahitsy ny fitadidiana azy ireo, eo am-piaraha-mandeha amin’ny fandaminana mandroson’i Jehovah.

[Sary, pejy 23]

Tian’ny Rahalahy Rutherford ny manomana sakafo ho an’ny namana

[Sary, pejy 25]

I Robert Hatzfeld eo am-pitantanana ny fampielezam-peon’ny WBBR

[Sary, pejy 26]

Sarin’ny Rahalahy Hatzfeld vao haingana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara