FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w94 15/4 p. 3-4
  • Tsy Nahomby ve ny Fitarihan’olombelona?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Nahomby ve ny Fitarihan’olombelona?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Voagadran’ny Fahantrana
    Mifohaza!—1998
  • Aiza no Ahafahanao Mahita Fitarihana Mendri-pitokiana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Ezaka Natao Hanafoanana ny Fahantrana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
w94 15/4 p. 3-4

Tsy Nahomby ve ny Fitarihan’olombelona?

IZA no namorona izao rehetra izao? Raha mamaly hoe “Andriamanitra” ianao, dia miray hevitra amin’olona an-tapitrisany maro izay mino an’ilay Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, dia ilay Mpamorona.

Sarotra amin’olona maro mino an’Andriamanitra anefa ny manaiky fa manao zavatra ho fandaminana ireo zava-manahirana mahazo ny olombelona izy. Fijeren-javatra araka ny tena izy ve ny fiheverana fa Andriamanitra dia manana fandaharam-panaovan-javatra efa an-dalana, izay hitondra fanamaivanana ho an’ny taranak’olombelona? Maro ny tsy mahita porofo azon’ny saina ekena fa izany no izy.

Hatramin’ny an’arivony taona maro, ny olombelona dia nanandrana fomba fanampian-tena tsy tambo isaina teo amin’ny fitadiavana ala olana, tsy nampiditra mihitsy an’Andriamanitra tamin’izany. Nahita ireo ala olana ve anefa ny olombelona? Sa miharatsy kokoa sy mihasarotra alamina kokoa hatrany ireo zava-manahirana? Ahoana no ikarakaran’ny olona ireo zava-manahirana mahadodona eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?

Nilaza izany toy izao ny manam-pahaizana manokana iray: “Hatramin’ny Revaolisiona Ara-taozava-baventy, ireo tany mandroso dia nampiasa tamin’ny fomba tafahoatra ireo loharanon-karena voajanaharin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny modelim-pamokarana sy fanjifana tsy azo tohanana, izay niteraka fanimbana ny tontolo iainana maneran-tany, ho fahavoazan’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana.”

Manohy manimba ny tany ny olona. Nanazava toy izao ilay gazety arzantinina atao hoe Clarín: “Tamin’ny tapany faharoa amin’itỳ taonjato itỳ, ny toe-karena feno fitsiriritana sy ny tsy fisian’ny fitandremana ary ny fanaovana an-tandrevaka dia tompon’andraikitra tamin’ireo loza lehibe, izay tsy vitan’ny hoe namoizana ain’olona fotsiny, fa nanimba ny tontolo iainana koa, matetika tamin’ny fetrany tsy hay tombanana.”

Toa zava-misy mahazatra efa raikitra eo amin’ny tany ama-monina maoderina ny fahantrana faraidiny. Na dia ireo lazaina fa tany manankarena eo amin’izao tontolo izao aza, dia milefitra eo ambanin’ny havesatry ny fahantrana efa izaitsizy. Araka ny voalazan’ny The Globe and Mail any Toronto, Kanada, dia tombanana fa “ny ampahatelon’ny Kanadiana rehetra dia hahita fahantrana amin’ny fotoana sasany eo amin’ny fiainany am-perinasa”. Nanampy teny ilay gazety fa “iray amin’ireo antony lehibe mahatonga fahantrana ny firodanan’ny fianakaviana, ary nitombo haingana ilay fironana tao anatin’ireo taona faramparany”.

Famantarana hafa iray momba ny fahasimban’ny fitambaran’olona ny fidorohana amin’ny zava-mahadomelina. Inona no azon’ny taranak’olombelona atao amin’izany? Miharihary fa kely dia kely amin’ny ankapobeny. Olona an-tapitrisany maro no manohy mahita fahasimbana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pitondran-tena, izay vokatra mivantana avy amin’ny fidorohan’izy ireo amin’ny zava-mahadomelina. Ary miely haingana dia haingana ilay zava-manahirana.

Toa resy ireo mpahay siansa amin’ny ady ankapobeny atao amin’ny aretina. Marina fa nandresy tamin’ny ady madinidinika maro ny haitao maoderina. Kanefa dia misy fomba fiasa ara-tsiansa sasany mihitsy mandray anjara amin’ny fipoiran’ny karazana otrikaretina vaovao tsy laitram-panafody.

Ireo fitondran’olombelona dia tsy afaka mampitsahatra ny fihanahan’ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona. Ohatra, na dia eo aza ireo fanekena sy lalàna maro navoaka mba hisorohana ny fanandevozana, dia tombanana fa maneran-tany, dia misy olona maherin’ny zato tapitrisa terena hiasa ao anatin’ny toe-javatra izay mitovy amin’ny fanandevozana faran’izay tsy misy antenaina.

Fa nahoana ny fitarihan’olombelona no tsy nahomby? Diniho ireto anton-javatra ireto. Ny fitarihan’olombelona dia avy amin’ny olona — dia olona izay manana fahafahana voafetra dia voafetra. Ny fanandraman-javatra hitany eo amin’ny fiainana dia azo lazaina hoe fohy ihany ary mazàna voafetran’ny kolontsaina na tontolo iainana sasany. Voafetra koa ny fahalalany. Izay mety ho fitarihana omeny dia mampiseho taratr’ireny fetra ireny. Araka ny voalazan’ny apostoly Paoly, dia “samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. — Romana 3:23.

Raha ny marina, ny ankamaroan’ireo zava-manahirana sy fahasahiranana izay hitan’ny ampahany betsaka indrindra amin’ny taranak’olombelona dia vokatra mivantana na tsy mivantana avy amin’ny tsy firaharahana ny fitarihan’Andriamanitra. Aiza anefa no mety hahitana izany fitarihana izany? Ahoana no anomezan’Andriamanitra antsika fitarihana amin’izao andro izao? Handinika ny valin’izany ilay lahatsoratra manaraka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara