Tadidinao Ve?
Nankafy ny famakiana ireo nomerao farany tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ve ianao? Raha izany no izy, dia ho hitanao fa hahaliana ny mahatsiaro ireto manaraka ireto:
▫ Nahoana ireo mpisafo tany isiraelita no nifidy ny handeha tao an-tranon-dRahaba vehivavy janga?
Niaina nifanaraka tamin’ny Lalàn’Andriamanitra ireo mpisafo tany isiraelita, noho izany dia tsy noho ny antony ratsy no nandehanan’izy ireo tao an-tranon-dRahaba. Azo inoana fa nanjohy hevitra izy ireo hoe tsy hamelona ahiahy kokoa ny naha-tao an-tranon’ny vehivavy janga iray azy ireo. Ny naha-teo amin’ny mandan’ny tanàna ny tranony, dia nety ho nanamora kokoa ny fandosirana. Ambonin’ny zava-drehetra, i Jehovah dia nitarika azy ireo hankany amin’ny mpanota iray, izay nanana fo voatohina tsara aoka izany noho ireo tatitra momba ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ireo Isiraelita, ka nibebaka sy nanova ny fitondran-tenany. — 15/12, pejy faha-24-25.
▫ Inona no fiantraikan’ny fahatezerana eo amin’ny fahasalamantsika?
Milaza ny fandinihana maro fa ny fahatezerana dia mamoaka hormonina miteraka fihenjanana. Ireo fipoahan’ny fahatezerana matetika dia mety hahatonga tsy fifandanjan’ny karazana cholestérol mpiaro sy ny mampidi-doza, ka mahatonga antsika ho mety ho voan’ny aretim-po. — 15/12, pejy faha-32.
▫ Fanipazan-kevitra inona avy no hanampy antsika hampitombo ny fizarantsika ireo gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!?
Tsarovy foana Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!; tano ho tsotra ny fanolorana; mahaiza mampifanara-javatra amin’ny fanomanana fanolorana fohy vitsivitsy; mamera tanjona manokana. — 1/1, pejy faha-24-25.
▫ Nahoana i Mosesy no ohatra teokratika tsara dia tsara tokony harahintsika?
Nitady ny fitarihan’i Jehovah teo amin’ireo raharaha, i Mosesy. Tsy nanana faniriana fisondrotana manokana izy fa niahy ny amin’ny voninahitr’i Jehovah kosa. Nanam-pinoana natanjaka izy, ary tsy nanadino mihitsy fa i Jehovah no tena Mpanapaka ny firenen’Isiraely. — 15/1, pejy faha-11.
▫ Inona avy no fomba sasany andresen’ny fampianarana araka an’Andriamanitra?
Mandresy ny fampianarana araka an’Andriamanitra amin’ny fanomezana ho an’ny vahoakan’i Jehovah fahatakarana miandalana ny fahamarinana. Izy io dia mitondra ny olona ho ao amin’ny fahazavana ara-panahy, ary mampiseho amin’ireo malemy fanahy ny fomba anolorana fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:24). Ny fampianarana araka an’Andriamanitra dia mandresy koa ireo fisedrana sy izao tontolo izao ratsy. — 1/2, pejy faha-10-12.
▫ Inona no fanalahidin’ny fanoroana hevitra mahomby?
Ny fanalahidiny dia ny fanajana araka ny tokony ho izy an’ilay olon-kafa sy ny zony hoentina amin’ny fomba mendrika. Noho izany, ny mpanoro hevitra kristiana iray dia tokony ho tsara fanahy sy ho hentitra, kanefa tokony hampitafy fahamendrehana an’ilay omena torohevitra. — 1/2, pejy faha-28.
▫ Ahoana no nahatonga ny Eglizy Katolika hanjary hanaiky ny foto-pampianarana momba ny Assomption an’i Maria?
Tamin’ireo taonjato voalohandohany taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, ny hevitra ny amin’ny hoe Assomption an’i Maria ho any an-danitra dia tsy fantatra mihitsy teo amin’ny fisainan’ireo Kristiana. Kanefa, rehefa tonga foto-pampianarana ofisialin’ny eglizy ny fampianarana ny amin’ny Trinite, dia nomena anjara asa lehibe kokoa hatrany i Maria. Tsy nekena ho foto-pinoana ilay tsangan-kevitra momba ny Assomption mandra-pahatongan’ny 1 Novambra 1950, rehefa nanambara toy izao ny Papa Pie XII: “Faritanay fa foto-pinoana nambaran’Andriamanitra [izy io]”. — Munificentissimus Deus. — 15/2, pejy faha-26-28.
▫ Ao amin’ny Jeremia toko faha-24, inona no nasehon’ireo sobikin’aviavy roa, ireo aviavy tsara sy ireo aviavy ratsy?
Ireo aviavy tsara dia nampiseho ireo Jiosy babo tany Babylona tany am-boalohany, ka tamin’izy ireo dia nisy sisa niverina tany Joda. Ireo aviavy ratsy dia nampiseho an’i Zedekia Mpanjaka sy ireo niaraka taminy izay nikomy tamin’i Nebokadnezara Mpanjaka, na dia teo aza ny fianianany tamin’ny anaran’Andriamanitra. Mitovy amin’izany fa hitantsika amin’ny andro maoderina ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy izay namokatra vokatra tsara teo amin’ny fiainan’izy ireo, mifanohitra amin’ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, izay namokatra vokatra lo. — 1/3, pejy faha-14-16.
▫ Iza moa ireo Quartodécimans ary nahoana izy ireo no mahaliana ny Kristiana amin’izao andro izao?
Taorian’ny andron’ireo apostoly, dia nisy sasany nitandrina ny Sakafo Harivan’ny Tompo isan-taona ny 14 Nisana, nanaraka ny modelin’ny apostoly. Nanjary fantatra tamin’ny hoe “Mpitandrina ny fahefatra ambin’ny folo”, na Quartodécimans, izy ireo. Mahaliana izany amin’izao andro izao, satria asehony fa na dia taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly aza, dia nisy sasany nitana ny lalana mety, tamin’ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy indray mandeha isan-taona, ny 14 Nisana. — 15/3, pejy faha-4-5.
▫ Iza moa i William Whiston?
Izy dia manam-pahaizana manokana mahira-tsaina tamin’ny taonjato faha-18 tany Angletera, mpiara-miasa akaiky tamin’i Sir Isaac Newton. I Whiston dia nandika ny Soratra Grika Kristiana, nanohitra an-karihary ny fampianarana momba ny Trinite, ary izy dia mpampianatra astronomia sy matematika. Kanefa dia azo inoana fa tadidy indrindra i Whiston noho ny fandikany tamin’ny fiteny anglisy ireo asa soratra nataon’i Flavius Josephus, mpanoratra tantara jiosy. — 15/3, pejy faha-26-28.
▫ Ahoana no nanaovana ny olona ho tahaka ny endrik’Andriamanitra? (Genesisy 1:27)
Ny olona dia natao hanana fahaizana haneho ireo toetran’Andriamanitra miavaka toy ny fitiavana, ny rariny sy ny fahendrena ary ny hery — sy ny toetra hafa koa. — 1/4, pejy faha-25.