Nahoana no Tia ny Mpiara-belona Aminao?
MIANKINA amin’ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona ny fiainana mandrakizay. Nohazavaina io hevitra io nandritra ny resadresaka iray nitranga efa ho 2 000 taona lasa izay.
Nanontany toy izao an’i Jesosy Kristy ny lehilahy jiosy iray nahay ny Lalàn’i Mosesy: “Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” Namaly toy izao i Jesosy: “Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?” Nanonona ny Lalàna ilay lehilahy ka nilaza hoe: “ ‘Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra’; ary ‘Tiava ny namanao [“mpiara-belona aminao”, NW ] tahaka ny tenanao’.” “Marina ny navalinao”, hoy i Jesosy. “Ataovy izany, dia ho velona hianao.” — Lioka 10:25-28.
Tamin’izay dia nanontany toy izao ilay nanadinadina an’i Jesosy: “Iza ary no namako [“mpiara-belona amiko”, NW ]?” Tsy namaly nivantana i Jesosy fa nilaza tantara fanoharana iray nahakasika lehilahy jiosy iray nisy nanendaka sy nikapoka ary efa saiky maty. Nisy Jiosy roa nandalo — mpisorona iray aloha, ary avy eo dia Levita iray. Samy nahita izay nanjo an’ilay Jiosy namany ny izy roa lahy, kanefa tsy nanao na inona na inona mba hanampiana azy. Nandalo ny Samaritana iray nanaraka izany. Netsehin’ny fangorahana izy ka namono lamba ny ferin’ilay Jiosy naratra, nitondra azy tany amin’ny tranom-bahiny, ary nanome izay nilaina ho an’ny fikarakarana azy fanampiny.
Nanontany ilay nanadinadina azy i Jesosy nanao hoe: “Iza moa amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay [mpiara-belona amin’ilay, NW ] azon’ny jiolahy?” Nazava fa izany dia ilay Samaritana be fiantrana. Nasehon’i Jesosy, araka izany fa ny tena fitiavana ny mpiara-belona dia mandresy ny fefy ara-pirazanana. — Lioka 10:29-37.
Tsy fisian’ny fitiavana ny mpiara-belona
Amin’izao andro izao dia misy fifankahalana mitombo hatrany eo amin’ny olona samy hafa antokom-pirazanana. Tsy ela izay tany Alemaina, ohatra, dia nisy mpanohana ny Nazia nandavo lehilahy iray tamin’ny tany ary nanitsakitsaka azy io tamin’ny baotin’izy ireo navesa-be, nanapatapaka saiky ny taolan-tehezany rehetra. Avy eo izy ireo dia nandraraka zava-pisotro misy alkaola mahery be teo aminy, ary nandrehitra azy. Ilay lehilahy izay navela ho faty dia notafihina satria noheverina fa Jiosy. Tamin’ny fisehoan-javatra iray tsy nifandray tamin’izany, dia notsipazana baomba mahatonga hain-trano ny fonenana iray tany akaikin’i Hambourg, nandoro nahafaty olona telo nanam-piaviana tiorka — zazavavy kely folo taona ny iray tamin’izy ireo.
Naka ain’olona an’arivony maro ny ady ara-pirazanana any amin’ireo tany balkanika sy ny any atsinanana kokoa. Ny hafa dia maty noho ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny olona samy hafa fiaviana any Bangladesh sy India ary Pakistan. Ary atsy Afrika, dia mbola naka ain’olona maro hafa ireo fifanoherana ara-poko sy ara-pirazanana.
Tsiravina amin’ny herisetra toy izany ny ankamaroan’ny olona, ary tsy hanao na inona na inona mihitsy izy ireo mba hahavoa ny mpiara-belona aminy. Raha ny marina dia fihetsiketsehana lehibe maro natao tany Alemaina no nanameloka ny herisetra ara-pirazanana any. Milaza toy izao anefa ny The New Encyclopædia Britannica: “Ireo mpikambana ao amin’ny saiky ny kolontsaina rehetra eo amin’izao tontolo izao dia mihevitra ny fomba fiainany ho ambony kokoa noho ny an’ny mpiara-belona aminy, na dia ny an’ireo havany akaiky aza.” Manakana ny fitiavana ny mpiara-belona ny fiheverana toy izany. Tsy misy zavatra azo atao mikasika izany ve, indrindra fa satria nilaza i Jesosy hoe miankina amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona ny fiainana?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]
Fonony: Jules Pelcog/Die Heilige Schrift
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Ilay Samaritana Tsara Fanahy/The Doré Bible Illustrations /Dover Publications, Inc.