FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 1/3 p. 8-13
  • Aoka Ianao Hiova Saina sy Hahazo Fahazavana ao Am-po

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka Ianao Hiova Saina sy Hahazo Fahazavana ao Am-po
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Ny fomba fandehan’ireo jentilisa’
  • Fahafoanana sy fahamaizinan’ny saina
  • Fo tsy mahalala na inona na inona sady mafy
  • “Tsy mahalala henatra intsony”
  • “Mandehana Hatrany toy ny Zanaky ny Mazava”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Halaviro ny Haizina dia Mijanòna ao Amin’ny Mazava
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Aza Mitsahatra Mandeha Amin’ny Lalan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Mampisava ny Haizina ny Fahazavana avy Amin’Andriamanitra!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 1/3 p. 8-13

Aoka Ianao Hiova Saina sy Hahazo Fahazavana ao Am-po

“Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ny jentilisa”. — EFESIANA 4:17.

1. Inona no ataon’ny fontsika sy ny saintsika ho antsika?

NY SAINA sy ny fo no fahaizana roa mahatalanjona indrindra ananan’ny olombelona. Na dia tsy tambo isaina aza ny fiasan’ireo zavatra roa ireo, dia manokana izy ireo ao amin’ny olona tsirairay avy. Ny fomba fiasan’ny saintsika sy ny fontsika dia misy fiantraikany lalina eo amin’ny maha-isika antsika, ny fitenintsika, ny fitondran-tenantsika, ny fihetseham-pontsika, ary ireo zavatra heverintsika ho sarobidy.

2, 3. a) Ahoana no ampiasan’ny Baiboly ny teny hoe “fo” sy ny hoe “saina”? b) Nahoana isika no tokony hiahy ny amin’ny fo sy ny saina?

2 Ao amin’ny Baiboly, ny “fo” dia mazàna manondro ny antony manosika sy ny fihetseham-po ary ireo fahatsapana anaty, fa ny “saina” kosa, dia manondro ny fahaizana misaina sy mieritreritra. Na dia izany aza, dia tsy samy mahavita tena akory izy ireo. Nampirisika toy izao ny Isiraelita, ohatra, i Mosesy: “Tsarovy ao am-ponao [fanamarihana ambany pejy, NW: “Tsarovy ao an-tsainao”], fa Jehovah no Andriamanitra”. (Deoteronomia 4:39). Hoy i Jesosy tamin’ireo mpanora-dalàna izay nitetika ny hamely azy: “Nahoana hianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?” — Matio 9:4; Marka 2:6, 7.

3 Milaza izany fa ny saina sy ny fo dia mifandray akaiky. Mifampiditra ny asan’izy ireo, indraindray dia mifanome hery ny andaniny avy mba hiasana toy ny tarika iray tafaray, kanefa matetika dia mifamely izy ireo noho ny fitadiavana mafy hanapaka. (Matio 22:37; ampitahao amin’ny Romana 7:23.) Noho izany antony izany, mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah, dia tsy vitan’ny hoe tsy maintsy mahazo antoka ny amin’ny toetran’ny saintsika sy ny fontsika fotsiny isika, fa tsy maintsy mampiofana azy ireo koa mba hiara-miasa amin’ny fomba mirindra, mba hanaraka zotra iray ihany. Tsy maintsy miova saina sy mahazo fahazavana ao am-po isika. — Salamo 119:34; Ohabolana 3:1.

‘Ny fomba fandehan’ireo jentilisa’

4. Ahoana no nananan’i Satana hery teo amin’ny saina sy ny fon’ny olona, ary inona no vokatr’izany?

4 Kingalahy amin’ny famitahana sy amin’ny fampiasana ny hafa araka izay tiany i Satana. Fantany fa mba hifehezana ny olona, dia tsy maintsy mikendry ny sain’izy ireo sy ny fony izy. Hatrany am-piandohan’ny tantaran’olombelona mihitsy, dia nampiasa izao karazana hafetsena rehetra izao izy mba hahatongavana amin’izany. Ho vokany, “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. (1 Jaona 5:19). Raha ny marina, i Satana dia nanan-kery tamim-pahombiazana aoka izany teo amin’ny fo sy ny sain’ny olona eo amin’izao tontolo izao, hany ka lazalazain’ny Baiboly ho “firenena meloka sy maditra” izy ireo. (Filipiana 2:15). Nilazalaza tamin’ny fomba velombelona erỳ ny toe-po sy ny toe-tsain’izany firenena meloka sy maditra izany ny apostoly Paoly, ary ny teniny dia natao ho fampitandremana antsika rehetra amin’izao andro izao. Mba vakio, ohatra, ny Efesiana 4:17-19, ary ampitahao amin’ny tenin’i Paoly ao amin’ny Romana 1:21-24 izany.

5. Nahoana i Paoly no nanoratra torohevitra mahery ho an’ny Efesiana?

5 Afaka mahatakatra tsara ny antony nanoratan’i Paoly teny mahery toy izany ho an’ireo Kristiana tany Efesosy isika rehefa mahatsiaro fa ilay tanàna dia nalaza ratsy noho ny fikororosiany ara-pitondran-tena sy noho ny fanompoam-pivavahana natolotra ho an’ny sampy. Na dia nanana ny olon-kendriny sy ny filozofany malaza aza ny Grika, ny fampianarana grika dia toa nanome, ho an’ny ankamaroan’ny olona, fahafahana lehibe kokoa hanao ratsy, ary ny kolontsainy dia tsy nanao afa-tsy ny nahabe aingitraingitra kokoa azy ireo teo amin’ny fahazaran-dratsiny. Nanahy mafy ny amin’ireo Kristiana namany izay niaina tao anatin’ny fiaraha-monina toy izany i Paoly. Fantany fa maro tamin’izy ireo no jentilisa taloha ary ‘nandeha araka ny fomban’izao tontolo izao’. Izao anefa izy ireo dia nanaiky ny fahamarinana. Niova ny sain’izy ireo, ary ny fony dia nahazo fahazavana. Ambonin’ny zavatra hafa rehetra, dia naniry azy ireo “handeha mendrika ny fiantsoana” i Paoly. — Efesiana 2:2; 4:1.

6. Nahoana isika no tokony ho liana ny amin’ireo tenin’i Paoly?

6 Mitovy amin’izany ny tarehin-javatra amin’izao andro izao. Isika koa dia miaina eo amin’ny tontolo iray manana izay heveriny fa sarobidy amin’ny fomba mivilana, manana fari-pitondran-tena simba tanteraka, ary fanao ara-pivavahana diso. Maro amintsika taloha no niaina araka ny fandehan-javatr’ity tontolo ity. Ny hafa amintsika dia voatery mifanerasera akaiky, isan’andro, amin’olona revo tanteraka amin’ny raharahan’izao tontolo izao. Ny sasany amintsika dia miaina eo anivon’ny ankohonana izay anjakan’ny toe-tsain’izao tontolo izao. Noho izany, dia tsy maintsy ilaina ny hahatakarantsika ny hevitry ny tenin’i Paoly, ary ny handraisantsika soa avy amin’ny torohevitra nomeny.

Fahafoanana sy fahamaizinan’ny saina

7. Inona no tian’i Paoly holazaina tamin’ilay fitenenana hoe “fahafoanan’ny sainy”?

7 Mba hanamafisana ny fampirisihany ny Kristiana ‘tsy handeha intsony tahaka ny fandehan’ny jentilisa’, dia notononin’i Paoly aloha ny “fahafoanan’ny sainy”. (Efesiana 4:17). Inona no dikan’izany? Ilay teny nadika hoe ‘fahafoanana’, araka ny The Anchor Bible, dia “milaza tsy mivantana zavatra poaka aty, tsy misy ilana azy, zava-poana, hadalana, zavatra tsy misy dikany, ary zavatra mahakivy”. Araka izany, i Paoly dia nanazava fa ny laza sy ny voninahitry ny tontolo grika sy romana dia nety ho toa nanaitra ny saina, kanefa ny fikatsahana azy ireny dia tena poaka aty sy hadalana ary zavatra tsy misy dikany marina tokoa. Izay naniry fatratra laza sy voninahitra dia tsy nahazo afa-tsy fahakiviana sy fahadisoam-panantenana tamin’ny farany. Marina io fotopoto-pitsipika io raha ny amin’izao tontolo izao ankehitriny.

8. Amin’ny fomba ahoana avy ireo fanaovan-javatra eo amin’izao tontolo izao no tsy andraisan-tsoa?

8 Izao tontolo izao dia manana ireo olony lalin-tsaina sy olo-mangany izay antenain’ny olona fa hamaly fanontaniana lalina toy ny amin’ny fiavian’ny olombelona, ny zava-kendren’ny fiainana, ary ny ho anjaran’ny taranak’olombelona. Fahatakaran-javatra inona sy fitarihana inona anefa no azon’izy ireo omena? Tsy finoana an’Andriamanitra, fisalasalana ny amin’ny fisian’Andriamanitra, fivoarana miandalana, ary hevitra sy tsangan-kevitra manahiran-tsaina sy mifanohitra maro be hafa. Ireo zavatra rehetra ireo dia tsy nanome fahazavana bebe kokoa noho ireo fombafomba sy finoanoam-poana tamin’ny lasa. Misy koa raharaha maro eo amin’izao tontolo izao toa manolotra fahafaham-po sy fahavitan-javatra. Miresaka ny amin’ny fahombiazana sy ny zava-bita teo amin’ny siansa, ny hairaha, ny mozika, ny fanatanjahan-tena, ny politika ary ny toy izany, ny olona. Mifaly amin’ireo fotoana mihelina ahazoany voninahitra izy ireo. Na dia izany aza, ireo bokin-tantara voalahatra sy ireo boky ankehitriny mirakitra ireo zava-bita lehibe tamin’ny lasa nataon’olona, dia feno filazana ny amin’ny olo-malaza tsy tsaroana intsony. Izany rehetra izany dia tsy inona fa zavatra poaka aty, tsy misy ilana azy, zava-poana, hadalana, zavatra tsy misy dikany, ary zavatra mahakivy.

9. Any amin’ny raharaha tsy andraisan-tsoa inona avy no itodihan’ny maro?

9 Misy olona maro miaiky fa tsy andraisan-tsoa ny fanaovan-javatra toy izany, ary dia mitodika any amin’ny raharaha mifantoka amin’ny fahazoana zavatra ara-nofo — manangona vola be sy mahazo izay zavatra azon’ny vola vidina — ary manao izany raharaha izany ho ny zava-kendreny eo amin’ny fiainana. Mino mafy izy ireo fa ny fahasambarana dia avy amin’ny harena sy fananana ary ny fikatsahana fahafinaretana. Tsy vitan’ny hoe mampifantoka ny sainy amin’izany fotsiny izy ireny, fa vonona mihitsy izy ireo hanao sorona ny zava-drehetra — fahasalamana, fianakaviana, ary na dia ny feon’ny fieritreretana aza. Inona no vokatr’izany? Tsy mahatsiaro tena ho afa-po izy ireo fa “nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be”. (1 Timoty 6:10). Tsy mahagaga raha nampirisika ny Kristiana namany mba hitsahatra tsy handeha toy ireo jentilisa i Paoly, noho ny fahafoanan’izany fomba fisaina izany.

10. Amin’ny ahoana ny olona eo amin’izao tontolo izao no “tonga maizin-tsaina”?

10 Mba hampisehoana fa izao tontolo izao dia tsy manana na inona na inona mendrika ny hotsiriritina sy hotahafina, dia nolazain’i Paoly nanaraka izany fa “efa tonga maizin-tsaina” izy ireo. (Efesiana 4:18). Marina aloha fa, saiky eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fanaovan-javatra, dia manana olona kinga saina sy manam-pahalalana izao tontolo izao. Na dia izany aza, dia nilaza i Paoly fa maizin-tsaina izy ireo. Nahoana? Ny fanamarihana nataony akory tsy nahakasika ny fahakingany sy ny fahaizany ara-tsaina. Ny teny hoe ‘saina’ dia mety hanondro koa ny foibe itoeran’ny fahatsapan-javatra eo amin’ny olombelona, dia ilay toeran’ny fahatakaran-javatra, ilay olona anaty. Ao anatin’ny haizina izy ireo satria tsy manana fahazavana mitarika, na fahafantarana ny lalana tokony haleha eo amin’ny zavatra ataony. Hita izany eo amin’ny fahatakarany misafotofoto ny amin’izay tsara sy ratsy. Misy olona mety hieritreritra fa mahazo fahazavana ny toe-tsaina manjaka amin’izao andro izao, dia ilay toe-tsaina manalavitra ny fitsarana ny hafa sy milaza fa azo ekena avokoa izay atao sy lazain’ny olona. Raha ny marina anefa, dia toe-tsaina maizina izany, araka ny voalazan’i Paoly. Ara-panahy, dia mitsapatsapa ao anatin’ny haizina tanteraka izy ireo. — Joba 12:25; 17:12; Isaia 5:20; 59:6-10; 60:2; ampitahao amin’ny Efesiana 1:17, 18.

11. Inona no mahatonga ny fahamaizinan-tsaina eo amin’izao tontolo izao?

11 Nahoana no misy olona afaka ny ho kinga saina sy harani-tsaina mihitsy aza amin-javatra maro, ary anefa dia ao anatin’ny haizina ara-panahy? Manome antsika ny valiny i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 4:4: “Nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao (...) ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra”. Fitahiana sarobidy toy inona moa fa, manjary miova saina sy mahazo fahazavana ao am-po ireo izay manaiky ny vaovao tsara be voninahitra!

Fo tsy mahalala na inona na inona sady mafy

12. Amin’ny fomba ahoana izao tontolo izao no “tafasaraka amin’ny fiainan’Andriamanitra”?

12 Mba hanampiana bebe kokoa antsika hahita ny antony tsy maintsy hiovantsika saina sy hahazoantsika fahazavana ao am-po, dia nanintona ny saintsika ho amin’izao zava-misy izao i Paoly: ny lalan’izao tontolo izao dia “[tafasaraka, “NW”] amin’ny fiainan’Andriamanitra”. (Efesiana 4:18). Tsy hoe tsy mino an’Andriamanitra intsony akory ny olona, na hoe nanjary tsy tia an’Andriamanitra tanteraka izy ireo. Nilaza izany toy izao ny mpanoratra an-gazety iray: “Ho solon’ny hoe tsy tia an’Andriamanitra, dia andeha isika hamorona fitenenana vaovao iray: mino an’Andriamanitra saingy tsy mamela izany hanan-kery eo amin’ny fiainana. Ny olona mino an’Andriamanitra saingy tsy mamela izany hanan-kery eo amin’ny fiainany, dia maniry ny hoderaina sy hekena noho izy ireo mino an’Andriamanitra. Kanefa amin’izay fotoana izay ihany izy ireo dia mitana Azy ao anaty vata, tsy mamela Azy hivoaka afa-tsy ny alahady maraina ihany, ary tsy mamela Azy mihitsy hanan-kery eo amin’ny fomba fiheverany an’izao tontolo izao ara-politika, na eo amin’ny fiainany manokana mandritra ny herinandro ankoatra ny alahady. Mino an’Andriamanitra amin’ny fomba antonontonony [izy ireo] kanefa dia tsy mihevitra fa manan-javatra maro holazaina Izy mikasika ny fitambaran’olona maoderina”. Nilaza izany toy izao tamin’ireo Romana i Paoly: “Na dia nahalala an’Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay mendrika ho an’Andriamanitra, na nisaotra Azy”. (Romana 1:21). Isan’andro isika dia mahita olona izay mamakivaky ny fiainana tsy misy fieritreretana an’Andriamanitra na amin’inona na amin’inona. Azo antoka fa tsy manome voninahitra na misaotra azy izy ireo.

13. Inona ilay “fiainan’Andriamanitra”?

13 Misy heviny lehibe ilay fitenenana hoe “fiainan’Andriamanitra”. Izy io dia mampiseho bebe kokoa hoe hatraiza ny haizina ara-tsaina sy ara-panahy no mampisafotofoto ny fahaizan’ny olona manavaka izay heverina ho sarobidy. Ny teny grika nadika hoe ‘fiainana’ eto dia tsy hoe biʹos (izay avy aminy no niavian’ny teny toy ny hoe “biolojia” na “biografia”), izay midika hoe fomba fiainana, na fomba fiaina. Izy io kosa dia hoe zo·eʹ (izay avy aminy no niavian’ny teny toy ny hoe “zoo”, “zoologie”). Izy io dia midika hoe “fiainana amin’ny maha-fotopoto-pitsipika azy, fiainana amin’ny heviny feno, fiainana toy ny ananan’Andriamanitra azy. (...) Avy amin’io fiainana io ny olombelona no nanjary tafasaraka ho vokatry ny Fahalavoan’i [Adama tao amin’ny ota]”, araka ny Vine’s Expository Dictionary of Old and New Testament Words. Araka izany, dia nilaza tamintsika i Paoly fa io haizina ara-tsaina sy ara-panahy io dia tsy nitarika ny olona eo amin’izao tontolo izao ho amin’ny fahasimbana eo amin’ny nofo fotsiny, fa nampisaraka azy ireo koa tamin’ilay fanantenana fiainana mandrakizay izay atolotr’Andriamanitra. (Galatiana 6:8). Nahoana no toy izany? Nanohy nilaza amintsika ny antony i Paoly.

14. Inona no antony iray mahatonga izao tontolo izao ho tafasaraka amin’ny fiainan’Andriamanitra?

14 Voalohany indrindra, dia nilaza izy fa izany dia “noho ny tsi-fahalalana [ao, “NW”] anatiny”. (Efesiana 4:18). Ilay fitenenana hoe “ao anatiny” dia manantitrantitra fa ilay tsy fahalalana dia tsy noho ny tsy fisian’ny fahafahana, fa noho ny fandavana an-kitsirano ny fahalalana an’Andriamanitra. Toy izao ny fandikana hafa an’io fitenenana io: “ny fandavana tsy hahafantatra an’Andriamanitra raikitra ao aminy” (The Anchor Bible); “tsy manam-pahalalana noho izy ireo nanakatona ny fony tamin’izany” (Jerusalem Bible). Noho izy ireo mandà, na manilikilika an-tsitrapo ny fahalalana marina an’Andriamanitra, dia tsy misy fototra hahazoany ilay karazam-piainana izay atolotr’Andriamanitra an’ireo maneho finoana ny Zanany. Hoy io Zanany io: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” — Jaona 17:3; 1 Timoty 6:19.

15. Inona no mandray anjara amin’ny fampisarahana an’ity tontolo ity amin’ny fiainan’Andriamanitra?

15 Ny antony hafa iray mahatonga izao tontolo izao amin’ny ankapobeny ho tafasaraka amin’ny fiainan’Andriamanitra, araka ny voalazan’i Paoly, dia “ny hamafin’ny fony”. (Efesiana 4:18). Amin’ny fotony, ny hoe ‘hamafy’ eto dia midika hoe zavatra mihamafy, toy ny hoe rakotry ny kitro. Fantatsika rehetra ny fomba fanirin’ny kitro. Mety halemilemy sy ho mora andairan-javatra aloha ilay hoditra, kanefa raha iharan’ny fanerena na ny fikasokasohana miverimberina izy io, dia mihamafy sy mihamatevina, mahaforona kitro iray. Tsy mandre ilay fangirifiriana intsony izy io. Toy izany koa, ny olona dia tsy teraka manana fo mafy na donto, ka hoe tsy mahatsapa na inona na inona momba an’Andriamanitra avy hatrany izy. Kanefa noho isika miaina eo amin’izao tontolo izao sy misetra ny toe-tsain’io tontolo io, dia tsy ela ny fo dia manjary donto na mafy raha tsy voaro. Izany no nahatonga an’i Paoly hampitandrina hoe: “Tandremo (...) fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota”. (Hebreo 3:7-13; Salamo 95:8-10). Noho izany, dia mahadodona toy inona moa ny hiovantsika saina sy hahazoantsika fahazavana ao am-po hatrany!

“Tsy mahalala henatra intsony”

16. Inona no vokatry ny fahamaizinana ara-tsain’izao tontolo izao sy ny fisarahany tamin’ny fiainan’Andriamanitra?

16 Nofintinin’i Paoly tamin’izao teny fanampiny izao ny vokatr’izany haizina sy fisarahana izany: “Olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana”. (Efesiana 4:19). Ilay fitenenana hoe “tsy mahalala henatra intsony” dia midika ara-bakiteny hoe “tsy mandre fanaintainana intsony”, izany hoe fanaintainana ara-tsaina. Amin’izany fomba izany no mahatonga ny fo iray ho donto. Rehefa tsy mandre fanaintainan’ny feon’ny fieritreretana sy fahatsapana ho tsy maintsy hampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra intsony izy io, dia tsy misy fanakantsakanana intsony. Noho izany, dia nilaza i Paoly fa “nanolo-tena” ho amin’ny fijejojejoana sy ny fahalotoana izy ireo. Izany dia dingana niniana natao sy an-tsitrapo. Ny “fijejojejoana”, araka ny ampiasana azy ao amin’ny Baiboly, dia milaza fihetsika sahisahy ratsy sy tsy misy henatra, tsy mankato an-karihary ny lalàna sy ny fahefana. Toy izany koa, fa ny “fahalotoana rehetra” dia tsy mahatafiditra ny fampiasana amin’ny fomba ratsy ny maha-lahy sy maha-vavy fotsiny, fa mahafaoka ireo faharatsiana rehetra atao amin’ny anaran’ny fivavahana koa, toy ireo fombafomba momba ny fahavokarana natao tao amin’ny tempolin’i Artemisy tany Efesosy, izay fantatr’ireo mpamaky ny taratasin’i Paoly tsara. — Asan’ny Apostoly 19:27, 35.

17. Nahoana i Paoly no nilaza fa ny olona izay tsy mahalala henatra intsony dia manota “amin’ny fieremana”?

17 Toy ny hoe tsy ampy ny faharatsian’ny fanaranam-po tamin’ny fijejojejoana sy ny fahalotoana rehetra, fa mbola nanampy teny i Paoly hoe ny olona toy izany dia manao zavatra “amin’ny fieremana”. Rehefa manota ny olona izay mbola manana fahatsaran-toetra sasany ihany, dia mety hahatsapa nenina izy fara faharatsiny, ary hiezaka mafy mba tsy hamerina izany. Fa ireo izay “tsy mahalala henatra intsony” kosa dia manota “amin’ny fieremana” (“ary mbola mangataka bebe kokoa ihany aza”, The Anchor Bible). Maimay ny hiditra ao amin’ny fivarinana mihafaingana hatrany izy ireo mandra-pilentehany hatrany amin’ny fara fahalalin’ny faharatsiana — ary mihevitra izany ho ara-dalàna izy ireo. Endre izany filazalazana marina ny amin’ny “fanaon’ny jentilisa”! — 1 Petera 4:3, 4.

18. Ho famintinana, karazana sary manao ahoana no omen’i Paoly momba ny toe-piainana ara-tsaina sy ara-panahin’izao tontolo izao?

18 Tao anatin’ny andinin-teny telo monja, ny Efesiana 4:17-19, i Paoly dia nanala sarona ny toe-piainana ara-pitondran-tena sy ara-panahin’izao tontolo izao. Nohazavainy fa ireo hevitra sy tsangan-kevitra notohanan’ireo olon-kendry eo amin’izao tontolo izao sy ny fikatsahana harena tsy hay tohaina ary ny fahafinaretana dia tsy andraisan-tsoa mihitsy. Nohazavainy tsara fa noho ny fahamaizinana ara-tsaina sy ara-panahy, izao tontolo izao dia ao anatin’ny honahona ara-pitondran-tena, mihamilentika ambany kokoa hatrany ihany. Farany, noho ny finiavana tsy hahalala sy noho ny hamafin’ny fony, izao tontolo izao dia nanjary tafasaraka amin’ny fiainan’Andriamanitra amin’ny fomba tsy misy fanafany. Azo antoka fa manana antony tsara maro tsy handehanana toy ny fandehan’ireo jentilisa koa isika!

19. Fanontaniana tsy azo avela inona avy no mbola tsy maintsy hodinihina?

19 Koa satria ny fahamaizinana ao an-tsaina sy ao am-po no mahatonga an’izao tontolo izao hanjary ho tafasaraka amin’i Jehovah Andriamanitra, ahoana no ahafahantsika manafoana ny fahamaizinana rehetra ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika? Eny, inona no tokony hataontsika mba hahafahantsika handeha hatrany toy ny zanaky ny mazava sy hitana ny fankasitrahan’Andriamanitra? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

Azonao Hazavaina Ve?

◻ Inona no nanosika an’i Paoly hanome torohevitra mahery ao amin’ny Efesiana 4:17-19?

◻ Nahoana ireo fomban’izao tontolo izao no tsy andraisan-tsoa sy ao anatin’ny fahamaizinana?

◻ Inona no tiana holazaina amin’ilay fitenenana hoe “tafasaraka amin’ny fiainan’Andriamanitra”?

◻ Inona avy no vokatry ny fahamaizinan-tsaina sy ny hamafin’ny fo?

[Sary, pejy 9]

Nalaza ratsy noho ny fikororosiany ara-pitondran-tena sy noho ny fanompoam-pivavahana natolony ho an’ny sampy i Efesosy

1. Gladiatera (mpiady teo amin’ny kianja filalaovana) romana tany Efesosy

2. Sisa tsy rava amin’ny tempolin’i Artemisy

3. Kianja fanaovana teatira any Efesosy

4. I Artemisy efesiana, andriamanibavin’ny fahavokarana

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Fahatakaran-javatra inona no azon’ireo olo-manga eo amin’izao tontolo izao atolotra?

I Néron

[Sary nahazoan-dalana]

Musei Capitolini, Roma

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara