Fanekena Araka An’Andriamanitra — Nahoana ary Asehon’iza?
“Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” — JEREMIA 10:23.
1. Endriky ny fahaleovan-tena inona avy no ankamamina hatraiza hatraiza?
ANISAN’IREO tahirin-kevitr’olombelona miavaka indrindra ilay Fanambarana Fahaleovan-tena, izay nanambaran’ny zanatany anglisy 13 tany Amerika Avaratra tamin’ny taonjato faha-18, ny fahaleovan-tenany na tsy fiankinany tamin’ilay tany nanjanaka azy ireo, dia i Grande-Bretagne. Naniry fahafahana izy ireo, ary ny fahaleovan-tena amin’ny fifehezan’ny tany vahiny sy ny fahafahana dia nifandray akaiky. Afaka mitondra tombony lehibe ny fahaleovan-tena na tsy fiankinan-doha ara-politika sy ara-toe-karena. Tsy ela izay, dia nisy tany sasany any Eoropa Atsinanana niroso ho amin’ny politikan’ny fahaleovan-tena na ny tsy fiankinan-doha. Kanefa dia tsy maintsy miaiky isika fa, any amin’ireny tany ireny, ny fahaleovan-tena na ny tsy fiankinan-doha dia nitondra zava-manahirana lehibe maro niaraka taminy.
2, 3. a) Endriky ny fahaleovan-tena inona no tsy faniry? b) Ahoana no nanazavana tamin-kery izany zava-misy izany tany am-boalohany?
2 Na dia mety ho faniry aza ny endri-pahaleovan-tena isan-karazany, dia misy endri-pahaleovan-tena iray tsy faniry. Inona izany? Ny tsy fiankinana amin’ilay Mpanao ny olombelona, i Jehovah Andriamanitra. Tsy fitahiana akory izany fa ozona. Nahoana? Satria ny olombelona dia tsy natao hiasa tsy hiankina amin’ny Mpanao azy, araka ny aseho amin’ny fomba mety indrindra ao amin’ny tenin’i Jeremia mpaminany voatonona etsy ambony. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny olombelona dia natao hanaiky ny Mpanao azy. Ny hoe manaiky ny Mpamorona antsika dia midika hoe mankatò azy.
3 Izany zava-misy izany dia nohazavaina tamin-kery tamin’ny olombelona mpivady voalohany tamin’ilay didin’i Jehovah ho azy ireo, voarakitra ao amin’ny Genesisy 2:16, 17 manao hoe: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” Ny fandavana tsy hanaiky ny Mpanao azy dia nitondra ota sy fahoriana ary fahafatesana ho an’i Adama sy ny taranany rehetra. — Genesisy 3:19; Romana 5:12.
4, 5. a) Inona no vokatry ny tsy fetezan’ny olombelona hanaiky an’Andriamanitra? b) Lalàna ara-pitondran-tena inona no tsy azo idifiana?
4 Ny tsy fetezan’ny olombelona hanaiky an’Andriamanitra dia tsy fanehoam-pahendrena sady ratsy ara-pitondran-tena koa. Teo amin’izao tontolo izao, izany dia nahatonga fielezan’ny tsy fankatoavan-dalàna, ny heloka bevava sy ny herisetra ary ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy miaraka amin’ireo areti-mifindra amin’ny firaisana. Ankoatra izany, moa ve ny loza noho ny heloka bevava ataon’ny tanora amin’izao andro izao tsy vokatry ny fandavan’ny tanora tsy hanaiky an’i Jehovah ary koa ny ray aman-dreniny sy ny lalàna eo amin’ilay tany? Io toe-tsaina tsy tia miankina io dia hita eo amin’ny fomba fiakanjo hafahafa sy tsi-zarizary ataon’ny olona maro sy eo amin’ny teny ratsy ampiasainy.
5 Kanefa dia tsy misy afa-mandositra ilay lalàna ara-pitondran-tena tsy azo ihodivirana nataon’ny Mpamorona hoe: “Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany. Fa izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo”. — Galatiana 6:7, 8.
6, 7. Inona no antony fototra mahatonga ny fandavana tsy hanaiky, araka ny hita amin’ny ohatra inona avy?
6 Inona no antony fototr’izao fandavana tsy hanaiky rehetra izao? Raha tsorina, izany dia ny fitiavan-tena sy ny avonavona. Izany no nahatonga an’i Eva, ilay vehivavy voalohany, hamela ny tenany ho voafitaky ny menarana ka hihinana tamin’ilay voankazo voarara. Raha nihevi-tena araka ny tena izy sy nanetry tena izy, dia tsy ho nanintona azy akory ilay fakam-panahy hitovy amin’Andriamanitra — hanapaka samy irery izay tsara sy ratsy ho an’ny tenany. Ary raha tsy tia tena izy, dia tsy ho naniry zavatra izay efa nandraran’ilay Mpanao azy, Jehovah Andriamanitra, mazava tsara. — Genesisy 2:16, 17.
7 Tsy ela taorian’ny fahalavoan’i Adama sy i Eva, ny avonavona sy ny fitiavan-tena dia nahatonga an’i Kaina hamono an’i Abela rahalahiny. Ny fitiavan-tena ihany koa dia nahatonga anjely sasany hanao zavatra tsy tamim-piankinana, ka hamela ny toerany tany am-boalohany ary haka vatan’olombelona mba hifaliana amin’ny fahafinaretan’ny nofo. Ny avonavona sy ny fitiavan-tena dia nanome antony nanosika an’i Nimroda, sady nampiavaka ny ankamaroan’ireo mpanapaka teo amin’izao tontolo izao hatramin’ny androny. — Genesisy 3:6, 7; 4:6-8; 1 Jaona 3:12; Joda 6.
Ny antony mahatonga antsika hanana adidy hanaiky an’i Jehovah Andriamanitra
8-11. Inona avy ireo antony mahery efatra mahatonga antsika haneho fanekena araka an’Andriamanitra?
8 Nahoana isika no manana adidy hanaiky an’i Jehovah Andriamanitra, Mpanao antsika? Voalohany indrindra, dia satria izy no Tompom-piandrianana eo Amin’Izao Rehetra Izao. Mitoetra ara-dalàna ao aminy ny fahefana rehetra. Izy no Mpitsara antsika, Mpanome lalàna antsika, ary Mpanjakantsika. (Isaia 33:22). Toy izao no voasoratra tsara momba azy: “Ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika [“ilay hampamoaka antsika”, NW ]”. — Hebreo 4:13.
9 Ambonin’izany, satria tsy toha ilay Mpanao antsika, dia tsy misy afaka manohitra azy amim-pahombiazana; tsy misy afaka minia tsy hahalala ny adidiny hanaiky Azy. Na ho ela na ho haingana, ireo izay mandà dia ho voaringana sahala amin’i Farao fahiny, sy ho sahala amin’ny handringanana an’i Satana Devoly amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra. — Salamo 136:1, 11-15; Apokalypsy 11:17; 20:10, 14.
10 Adidy ho an’ny zavaboary manan-tsaina rehetra ny fanekena satria, matoa misy izy ireo, dia mba hanompo ny Mpanao azy. Manambara toy izao ny Apokalypsy 4:11: “Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” Izy no ilay Mpanefy Tanimanga Lehibe, ary nanao vilany olombelona izy mba hanao ny sitrapony. — Isaia 29:16; 64:7.
11 Tsy tokony hodiantsika tsy hita ny maha-hendry indrindra an’ilay Mpanao antsika, koa fantany izay tsara indrindra ho antsika. (Romana 11:33). Natao ‘hahitantsika soa’ ny lalàny. (Deoteronomia 10:12, 13). Ambonin’izany rehetra izany, “Andriamanitra dia fitiavana”, koa tsy maniry afa-tsy izay tsara indrindra ho antsika izy. Firifiry moa ireo antony manery antsika hanaiky an’i Jehovah Andriamanitra, Mpanao antsika! — 1 Jaona 4:8.
I Jesosy Kristy, ilay ohatra lavorary momba ny fanekena araka an’Andriamanitra
12, 13. a) Ahoana no nanehoan’i Jesosy Kristy fanekena araka an’Andriamanitra? b) Tenin’i Jesosy inona avy no mampiseho ny fihetsiny feno fanekena?
12 Azo antoka fa i Jesosy Kristy, ilay Zanak’i Jehovah lahitokana, dia nanome antsika ny ohatra lavorary momba ny fanekena araka an’Andriamanitra. Nanazava izany toy izao ny apostoly Paoly ao amin’ny Filipiana 2:6-8: “[I Jesosy], na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia [mbola] nanetry tena [ihany] ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana.” Fony izy tetỳ an-tany, dia nilaza imbetsaka i Jesosy fa tsy nanao na inona na inona tamin’ny nahim-pony manokana izy; tsy nanao zavatra tamin’ny tsy fiankinana izy, fa nanaiky foana hatrany ny Rainy any an-danitra.
13 Izao no vakintsika ao amin’ny Jaona 5:19, 30: “Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka. Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” Toy izany koa, fa nivavaka imbetsaka toy izao izy tamin’ny alina namadihana azy: “Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao”. — Matio 26:39, 42, 44; jereo koa Jaona 7:28; 8:28, 42.
Ohatra fahiny ny amin’ny fanekena araka an’Andriamanitra
14. Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Noa fanekena araka an’Andriamanitra?
14 I Noa dia anisan’ireo olombelona voalohany izay ohatra tsara teo amin’ny fanekena araka an’Andriamanitra. Naneho ny fanekeny tamin’ny fomba telo izy. Voalohany, tamin’ny fahatongavana ho lehilahy marina, tsy nanan-tsiny teo amin’ireo mpiara-belona taminy, tamin’ny fiarahany nandeha tamin’ilay Andriamanitra marina. (Genesisy 6:9). Faharoa, dia tamin’ny fanorenana ilay sambo fiara. “Araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony”. (Genesisy 6:22). Fahatelo, dia tamin’ny fampanakoakoana ny fampitandremana momba ny Safodrano ho avy, tamin’ny naha-“mpitory ny fahamarinana” azy. — 2 Petera 2:5.
15, 16. a) Ohatra tsara dia tsara inona no navelan’i Abrahama momba ny fanekena araka an’Andriamanitra? b) Ahoana no nanehoan’i Saraha fanekena?
15 Ohatra niavaka hafa iray momba ny fanekena araka an’Andriamanitra i Abrahama. Naneho ny fanekeny izy, tamin’ny fankatoavana ilay didin’Andriamanitra hoe: “Mandehana miala amin’ny taninao”. (Genesisy 12:1). Izany dia nidika ho fandaozana ny toe-piainana tsy nampananosarotra tao Ora (izay tsy tanàn-dehibe tsy dia manao ahoana akory, araka ny asehon’ireo zavatra nofongarina tany ambanin’ny tany) mba hivezivezy toy ny naha-mpifindrafindra fonenana tany an-tanin’olona nandritra ny zato taona. Naneho fanekena araka an’Andriamanitra indrindra i Abrahama fony izy nisetra ilay fitsapana lehibe nahavononany hanolotra an’i Isaka zanany ho fanatitra. — Genesisy 22:1-12.
16 Manome antsika ohatra tsara dia tsara hafa iray ny amin’ny fanekena araka an’Andriamanitra i Saraha, vadin’i Abrahama. Azo antoka fa ny fivezivezena tany an-tanin’olona dia nitondra fanorisorenana maro, kanefa na aiza na aiza isika dia tsy mamaky hoe nitaraina izy. Namela ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fanekena araka an’Andriamanitra izy tamin’ny fisehoan-javatra roa, fony Abrahama nampahafantatra azy ho toy ny anabaviny teo anatrehana mpanapaka mpanompo sampy. Tamin’ireo fotoana roa ireo, dia niara-niasa tamin’ny vadiny izy, na dia saika nahatonga azy ho anisan’ireo vady maro be nananan’ireny mpanapaka ireny aza izany ho vokany. Ny fomba fiantsoany an’i Abrahama vadiny hoe “tompoko” dia nanaporofo ny fanekeny an’Andriamanitra, ka nampiseho fa izany dia tena toe-pony marina tokoa. — Genesisy 12:11-20; 18:12; 20:2-18; 1 Petera 3:6.
17. Nahoana no azo lazaina fa naneho fanekena araka an’Andriamanitra i Isaka?
17 Aoka isika izao handinika akaiky ny oha-panekena araka an’Andriamanitra nomen’i Isaka zanak’i Abrahama. Lazain’ny lovantsofina jiosy fa 25 taona teo ho eo i Isaka fony i Jehovah nandidy an’i Abrahama rainy, hanolotra azy ho sorona. Raha naniry izany i Isaka, dia ho afaka nanohitra mora foana ny rainy izay zokiny zato taona. Tsy nanao izany anefa izy. Na dia nanontany ny amin’ny tsy fisian’ny biby hatao sorona aza i Isaka, dia nanaiky tamim-pahalemem-panahy ny fametrahan-drainy azy teo ambonin’ilay alitara sy ny famatorany ny tongony aman-tanany mba hisakanana na hifehezana izay mety ho fihetsika tsy nahy nety ho nitranga raha toa ka nampiasaina ilay antsy famonoana. — Genesisy 22:7-9.
18. Ahoana no nanehoan’i Mosesy fanekena araka an’Andriamanitra fakan-tahaka?
18 Taona maro tatỳ aoriana, dia namela ohatra tsara ho antsika momba ny fanekena araka an’Andriamanitra i Mosesy. Azo antoka fa izany dia nasehon’ilay filazalazana azy ho “lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany”. (Nomery 12:3). Ny fanatanterahany tamim-pankatoavana ny didin’i Jehovah nandritra ny 40 taona tany an’efitra, na dia tsy maintsy nanara-maso vahoaka mpikomy niisa ho roa na telo tapitrisa aza izy, dia manaporofo bebe kokoa ny fanekeny an’Andriamanitra. Araka izany, dia milaza ny fitantarana fa “araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah azy no nataony”. — Eksodosy 40:16.
19. Tamin’ny fitenenana ahoana no nanehoan’i Joba ny fanekeny an’i Jehovah?
19 Olona miavaka hafa iray i Joba izay namela ohatra tena tsara ho antsika momba ny fanekena araka an’Andriamanitra. Taorian’ny namelan’i Jehovah an’i Satana hanafongana ny fananan’i Joba rehetra sy hamono ny zanany ary avy eo dia hamely azy amin’ny ‘vay ratsy hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany’, dia niteny tamin’i Joba ny vadiny hoe: “Mbola mitana ny fahamarinanao [“ny tsy fivadihanao”, NW ] ihany va hianao? Mahafoiza an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty”. Na dia izany aza, dia nampiseho fanekena araka an’Andriamanitra izy tamin’ny filazana taminy hoe: “Tahaka ny tenin’ny anankiray amin’ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa?” (Joba 2:7-10). Nifono heviny mitovy amin’izany ireo teniny voarakitra ao amin’ny Joba 13:15: “Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho”. Na dia niahy indrindra ny amin’ny fanamarinana ny tenany aza i Joba raha ny marina, dia tsy tokony hodiantsika tsy hita fa tamin’ny farany, i Jehovah dia nilaza tamin’ireo noheverina fa mpampionona an’i Joba hoe: “Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako, satria tsy mba marina tahaka ny filàzan’i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy”. Tsy isalasalana fa nanome antsika ohatra tsara dia tsara momba ny fanekena araka an’Andriamanitra i Joba. — Joba 42:7.
20. Tamin’ny fomba ahoana avy no nampisehoan’i Davida ny fanekeny an’Andriamanitra?
20 Mba hanononana ohatra iray fanampiny avy ao amin’ny Soratra Hebreo, dia eo koa i Davida. Fony nihaza azy toy ny biby i Saoly Mpanjaka, dia nanana fahafahana indroa hamarana ny fahoriany i Davida tamin’ny famonoana an’i Saoly. Na dia izany aza, dia nanakana azy tsy hanao izany ny fanekeny an’Andriamanitra. Ny teniny dia voarakitra toy izao ao amin’ny 1 Samoela 24:7: “Sanatria amiko eo anatrehan’i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin’ny tompoko izay voahosotr’i Jehovah ka haninjitra ny tànako aminy, fa voahosotr’i Jehovah izy”. (Jereo koa ny 1 Samoela 26:9-11.) Toy izany koa fa naneho ny fanekeny araka an’Andriamanitra izy tamin’ny tsy fandavany fanomezan-tsiny fony izy nanao fahadisoana na nanota. — 2 Samoela 12:13; 24:17; 1 Tantara 15:13.
Oha-panekena navelan’i Paoly
21-23. Tamin’ny fisehoan-javatra isan-karazany inona avy no nanehoan’ny apostoly Paoly fanekena araka an’Andriamanitra?
21 Ao amin’ny Soratra Grika Kristiana, dia manana ohatra miavaka momba ny fanekena araka an’Andriamanitra isika, dia ny apostoly Paoly. Nanahaka an’i Jesosy Kristy Mpampianatra azy izy tamin’izany, toy ny nataony tao amin’ireo lafiny hafa rehetra amin’ny fanompoany tamin’ny naha-apostoly. (1 Korintiana 11:1). Na dia nampiasa azy bebe kokoa noho ireo apostoly hafa rehetra aza i Jehovah Andriamanitra, dia tsy nanao zavatra tamin’ny tsy fiankinana mihitsy i Paoly. Milaza amintsika i Lioka fa rehefa nahatonga ady hevitra ilay fanontaniana hoe: ilaina hoforana sa tsia ny Jentilisa niova ho Kristiana, dia “nifanarahana [ireo rahalahy tany Antiokia] ny hiakaran’izy roa lahy [i Paoly sy i Barnabasy] sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin’ny Apostoly sy ny loholona hanadina izany teny niadian-kevitra izany”. — Asan’ny Apostoly 15:2.
22 Mikasika ny asa misionera nataon’i Paoly, dia izao no lazaina amintsika ao amin’ny Galatiana 2:9: “Ary nony fantatr’i Jakoba sy Kefasy ary Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia notolorany ny tànana ankavanan’ny fihavanana izaho sy Barnabasy, mba hankany amin’ny jentilisa izahay, fa izy kosa ho any amin’ny voafora.” Tsy nanao zavatra tamin’ny tsy fiankinana i Paoly, fa nitady fitarihana.
23 Toy izany koa, tamin’ny fotoana farany naha-tao Jerosalema an’i Paoly, dia nekeny ny torohevitra nomen’ny loholona tao. Izany dia nahakasika ny fandehanana tany amin’ny tempoly sy ny fanarahana ilay fombafomban’ny Lalàna mba ho hitan’ny rehetra fa tsy mpivadi-pinoana akory izy raha ny amin’ny Lalàn’i Mosesy. Koa satria ny fanaovany izany dia toa niafara tamin’ny loza noho ny vahoaka nitabataba izay nampirisihina hanohitra azy, moa ve fahadisoana ny nanekeny an’ireo loholona? Tsy izany velively, araka ny miharihary amin’izay vakintsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 23:11: “Ary ny Tompo nitsangana teo anilany tamin’iny alina iny ka nanao hoe: Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa.”
24. Endriky ny fanekena fanampiny inona avy no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
24 Marina tokoa fa ny Soratra Masina dia manome antsika antony mahery maro mba hanekentsika, ary manome ohatra manaitra maro ny amin’ireo izay naneho fanekena toy izany. Ao amin’ny lahatsoratra manaraka, dia hodinihintsika ireo faritra isan-karazany ahafahantsika manaiky an’i Jehovah Andriamanitra, sy ireo fanampiana mba hanaovantsika izany, ary ny valisoa ho vokany.
Ahoana no Havalinao?
◻ Endriky ny fahaleovan-tena inona no tsy faniry?
◻ Inona no antony fototra mahatonga ny tsy fetezana hanaiky?
◻ Noho ny antony inona avy no mahatonga antsika hanana adidy hanaiky an’i Jehovah?
◻ Ohatra tsara dia tsara inona avy no omen’ny Soratra Masina ny amin’ny fanekena araka an’Andriamanitra?
[Sary, pejy 10]
Nimroda, ilay mpanapaka voalohany nikomy tamin’ny fanekena araka an’Andriamanitra taorian’ny Safodrano
[Sary, pejy 13]
Noa, ohatra tsy nanan-tsiny ny amin’ny fanekena araka an’Andriamanitra. — Genesisy 6:14, 22