Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Fanafahana Ara-panahy any Kolombia
NANOMBOKA tamin’ny andron’ireo conquistadores espaniola, ny finoana katolika dia fivavahana iray nanana hery lehibe mangeja tany Amerika Atsimo. Tany Kolombia, dia efa hatramin’ny ela izy io no fivavaham-panjakana ofisialy. Nandritra ireo 105 taona lasa, dia nanao fifanekena tamin’ny fitondram-panjakana kolombianina i Vatikana, ka izany dia niaro ny eglizy sy nanome azy io tombontsoa manokana teo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fanambadiana.
Tamin’ny Desambra 1990, ny vahoaka kolombianina dia nifidy vaomiera iray mba hanoritra lalàm-panorenana vaovao izay tomombana teo antenatenan’ny 1991. Nanova ny tarehin-javatra ara-pivavahana any Kolombia ilay lalàm-panorenana vaovao. Manana zo mitovy avokoa izao ny fivavahana rehetra eo anatrehan’ny lalàna, ary tsy azo anerena ireo ankizy any amin’ny sekolim-panjakana intsony ny fampianarana momba ny fivavahana. Ilay fifanekena tamin’i Vatikana dia nasiana ireo fanitsiana notakin’izany fanovana lalàm-panorenana izany.
Io fahafahana ara-pivavahana lehibe io dia hampihena ny hery fitaoman’ny Eglizy Katolika, amin’ny fanaovana izay hahamora kokoa ny fahazoan’ireo mahitsy fo fahalalana ara-baiboly ka hanatratrarany ny fahafahana ara-panahy.
Amin’ny fiandrandrana izany fanafahana ara-panahy izany, dia nanao fiomanana ireo Vavolombelon’i Jehovah 51 000 any amin’io tany io mba hikarakarana ireo tsy manan-kialofana ara-panahy. Efa ho vita izao ny fitambaran-tranon’ny sampana vaovaon’izy ireo misy trano fiasana nitarina, izay ahitana fanontam-pirinty offset iray misy ny loko rehetra sady haingam-pandeha. Nisy mpisava lalana manokana nalefa vonjimaika tany amin’ireo tanàna madinika mba hitady ireo ondrin’i Jehovah very ary nahatontosa asa fampianarana Baiboly mahatalanjona izy ireny tamin’izany. Any amin’ireo tanàna 63, misy mponina tokony ho 10 000 avy, dia nisy kongregasiona sy antokon’olona vaovao 47 naorina.
Koa satria mbola manosika hatrany ny olona mahitsy fo hanao zavatra ny fanahin’i Jehovah, dia misy koa tanora maro be mandray tsara. Ilay boky hoe Les Jeunes S’interrogent — Réponses Pratiques, dia niharihary ho fanampiana sarobidy na ho an’ny tanora toy izany na ho an’ireo ray aman-dreniny. Rehefa nandeha isam-baravarana ny Vavolombelona iray dia tojo lehilahy iray efa namaky tapany tamin’io boky io. Nisy mpifanila trano taminy mantsy nampindrana azy iray tamin’io. Tohina tokoa izy tamin’ny fahendrena azo ampiharina asehon’io boky io eo amin’ny firesahana ny amin’ireo zava-manahirana hitan’ny fianakaviana. Ny toko faha-4 manao hoe: “Nahoana i Dada sy i Neny no Nisaraka?” dia nanohina azy indrindra, noho izy sy ny vadiny efa saika nisaraka. Nilaza izy fa namonjy azy tamin’ny loza lehibe iray ilay boky. Izao izy sy ny fianakaviany dia mianatra ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ary manatrika ireo fivoriana rehetra ataon’ny kongregasiona. Tena velom-pankasitrahana tokoa izy ireo noho ny fahendrena azo ampiharina omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Baiboly sy ny fandaminany.
Io fitantarana zava-nitranga teny am-pitoriana io dia mampiseho ny fanafahana ara-panahy mitranga any Kolombia raha mbola manampy ireo noana ara-panahy hianatra momba ireo fikasana mahatalanjon’i Jehovah sy ny tontolony vaovao efa antomotra ankehitriny, ny Vavolombelon’i Jehovah. — 2 Petera 3:13.