FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/4 p. 10-15
  • Ilay Herinandro Nanova Izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Herinandro Nanova Izao Tontolo Izao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny 8 Nisana
  • Ny 9 Nisana
  • Ny 10 Nisana
  • Ny 11 Nisana — Andro feno fanaovan-javatra
  • Rehefa nadiva hifarana ny 11 Nisana
  • Ny 12 Nisana
  • Ny 13 Nisana
  • “Efa Tonga ny Ora”!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Fiainana Indray Ireo Andro Farany Niainan’i Jesosy Teto An-tany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • A7-H Ny Zava-nisongadina Tamin’ny Fiainan’i Jesosy Teto An-tany—Fanompoana Farany Nataon’i Jesosy Tany Jerosalema (Fizarana 1)
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/4 p. 10-15

Ilay Herinandro Nanova Izao Tontolo Izao

“Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah!” — MATIO 21:9.

1. Antokon’olona roa iza avy no voakasik’ireo fisehoan-javatra tamin’ny volana Aogositra lasa teo?

“TELO ANDRO FARAN’IZAY NAMPAHORY NANOZONGOZONA IZAO TONTOLO IZAO”. Tamin’ny Aogositra 1991, ny lohateny lehibe tamin’ny filazam-baovao toy io dia nanantitrantitra ny zava-misy hoe: azo akorontana ambony ambany izao tontolo izao amin’ny raharaha mahakasika andro. Tsy azo lavina fa ireo andro namarana ny volana Aogositra dia nitrangan-javatra maro indrindra, tsy ho an’izao tontolo izao ihany, fa ho an’ny antokon’olona iray koa izay nanaovan’i Jesosy izao teny izao: “Tsy naman’izao tontolo izao [izy ireo]”. Fantatra amin’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah io antokon’olona io amin’izao andro izao. — Jaona 17:14.

2, 3. a) Tamin’ny ahoana ny fahafahana no nandefa fahazavana tao Zagreb na dia teo aza ny fandrahonan’ny ady? b) Ahoana no namalian-tsoa ny finoana matanjaka tany Odessa?

2 Ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah iraisam-pirenena voalohany, sambany mba nokasaina hatao ho an’i Yougoslavie, dia nalamina tamin’ny 16 ka hatramin’ny 18 Aogositra. Teo am-pifaranany, dia izy io koa no fivoriambe lehibe voalohany nataon’ny vahoakan’i Jehovah tao amin’ny firenena iray teo an-tokonan’ny ady an-trano. Ireo Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana, niaraka tamin’ny mpiasa an-tsitrapo avy tany amin’ny tany manodidina, dia niasa mafy nandritra ny roa volana mba hanomezana endriny vaovao tanteraka ny kianja filalaovam-baolina kitran’ny HAŠK Građanski any Zagreb. Nadio tsy nisy pentina ilay izy, toerana tonga lafatra ho an’ny fivoriambe “Ireo tia fahafahana araka an’Andriamanitra”. Nisy solontena iraisam-pirenena an’arivony maro nikasa hanatrika, anisan’izany ny 600 avy any Etazonia. Raha nandrahona ny lozan’ny ady an-trano, dia nandeha ny siosio hoe: “Tsy ho tonga mihitsy ireo Amerikana.” Tonga tokoa anefa izy ireo, niaraka tamin’ny solontena avy any amin’ny tany maro hafa. Novinavinaina ho 10 000 ny mpanatrika, kanefa dia nisy olona 14 684 teo amin’ilay kianja ny andro farany! Nandray fitahiana nanana amby ampy ny rehetra satria ‘tsy nahafoy ny fiarahany miangona’. — Hebreo 10:25.

3 Nandritra ireo telo andro nanaraka ny fivoriambe tany Zagreb, dia nisy fanonganam-panjakana nandamòka iray natao tany amin’ny Firaisana Sovietika. Tamin’izay fotoana izay, ireo tia fahafahana araka an’Andriamanitra dia teo am-panaovana ireo fanomanana farany ho amin’ny fivoriamben’izy ireo tany Odessa any Ukraine. Ho azo atao ve ilay fivoriambe? Tamim-pinoana natanjaka, ireo rahalahy dia namita ireo antsipiriany farany tamin’ny fanavaozana tanteraka ilay kianja, ary ireo solontena dia tonga hatrany ihany. Toy ny hoe nisy fahagagana fa nifarana ilay fanonganam-panjakana. Natao ny fivoriambe nahafaly iray tamin’ny 24 sy ny 25 Aogositra, nisy mpanatrika 12 115, ary 1 943 no natao batisa — 16 isan-jaton’ny tampon’isan’ny mpanatrika! Faly ireo Vavolombelona vaovao ireo sy ireo mpihazona tsy fivadihana hatramin’ny ela hafa satria tonga tamin’io fivoriambe io izy ireo tamim-patokiana tanteraka an’i Jehovah. — Ohabolana 3:5, 6.

4. Môdely inona navelan’i Jesosy no narahin’ireo Vavolombelona any Eoropa Atsinanana?

4 Nanaraka ny ohatra navelan’i Jesosy Kristy, ilay Môdelintsika, ireo Vavolombelona mahatoky ireo. Tsy mba nanao tsirambina mihitsy ny fanatrehana ireo andro firavoravoana nandidian’i Jehovah izy, na dia nitady hamono azy aza ireo Jiosy. Raha teo am-piakarana nankany Jerosalema izy tamin’ilay Paska farany natrehiny, dia nitangorona tao amin’ny tempoly ireo Jiosy ireo, nifanontany hoe: “Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin’ny andro firavoravoana va Izy?” (Jaona 11:56). Tonga tokoa anefa izy! Izany dia nanomana lalana ho an’ny herinandro iray izay nifarana tamin’ny famadihana ambony ambany ny fizotry ny tantaran’olombelona. Irintsika hojerena indray ve ny sasany amin’ireo fisehoan-javatra niavaka tamin’io herinandro io — ny 8 ka hatramin’ny 14 Nisana amin’ny fanisanandro jiosy?

Ny 8 Nisana

5. Efa nahafantatra ny amin’inona i Jesosy raha nankany Betania izy tamin’ny 8 Nisana taona 33 am.fan.ir.?

5 Tamin’io andro io, i Jesosy sy ireo mpianany dia tonga tany Betania. Handany alina enina ao i Jesosy, tao an-tranon’i Lazarosy sakaizany, izay natsangany tamin’ny maty vao haingana. Akaiky an’i Jerosalema i Betania. Efa nampitandrina mangingina ireo mpianany i Jesosy nanao hoe: “Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’olona hatolotra ho amin’ireo lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin’ny hazo fijaliana; ary amin’ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy”. (Matio 20:18, 19). Fantatr’i Jesosy tsara fa tsy maintsy hiatrika fitsapana nahafadiranovana mafy izy. Arakaraka ny nanatonan’io fotoam-pitsapana tampony io anefa, dia tsy nitsitsy fiezahana izy mba hanompoana tamim-pitiavana ireo rahalahiny. Enga anie isika hanana mandrakariva ‘io saina io izay tao amin’i Kristy Jesosy koa’. — Filipiana 2:1-5; 1 Jaona 3:16.

Ny 9 Nisana

6. Tamin’ny takarivan’ny 9 Nisana, inona no nataon’i Maria, ary inona no nambaran’i Jesosy tamin’i Jodasy?

6 Taorian’ny maty masoandro, raha nanomboka ny faha-9 Nisana, dia nisakafo tao an-tranon’i Simona, boka taloha, i Jesosy. Tao no nandrarahan’i Maria, anabavin’i Lazarosy, menaka manitra lafo vidy teo amin’ny loha sy ny tongotr’i Jesosy, ary namafany tamim-panetren-tena ny tongony tamin’ny volony. Rehefa nanohitra i Jodasy, dia hoy i Jesosy: “Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin’ny andro hanamboarany Ahy halevina io”. Rehefa ren’ireo lohan’ny mpisorona fa maro tamin’ny Jiosy no nankany Betania ary nino an’i Jesosy, dia niara-nisaina hamono azy sy i Lazarosy izy ireo. — Jaona 12:1-7.

7. Tamin’ny marainan’ny 9 Nisana, ahoana no nanomezana voninahitra ny anaran’i Jehovah, ary inona no nambaran’i Jesosy mialoha?

7 Vao maraina be, dia nanomboka ny dia ho any Jerosalema i Jesosy. Nisy vahoaka betsaka nivoaka mba hitsena azy, nanofahofa sampan-drofia ary niantsoantso hoe: “Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan’ny Isiraely, Ilay avy amin’ny anaran’i Jehovah”. Tamin’izay i Jesosy dia nanatanteraka ilay faminaniana ao amin’ny Zakaria 9:9, tamin’ny fiakarana tao an-tanàna nitaingina zana-boriky. Raha nanakaiky an’i Jerosalema i Jesosy, dia nitomany azy izy, tamin’ny fanambarana mialoha fa hohodidinin’ny Romana amin’ny tsato-kazo maranitra izy ary horavany tanteraka — faminaniana izay tanteraka tamin’ny fomba nanaitra 37 taona tatỳ aoriana. (Izany koa dia fambara loza ho an’ny fivavahana lazaina fa kristiana, izay nivadi-pinoana araka ny môdely navelan’i Jerosalema fahiny.) Tsy naniry hanana an’i Jesosy ho mpanjakany ireo mpanapaka jiosy. Nihiaka tamim-pahatezerana toy izao izy ireo: “Indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao”. — Jaona 12:13, 19.

Ny 10 Nisana

8. Tamin’ny 10 Nisana, ahoana no nanehoan’i Jesosy fanajana lalina ny trano fivavahana tamin’i Jehovah, inona no nitranga nanaraka izany?

8 Nitsidika ny tempoly indray i Jesosy. Ary fanindroany izao, dia nandroaka ireo mpivarotra sy mpanakalo vola tia kely izy. Ny fitadiavana tombony be loatra — “ny fitiavam-bola” — dia tsy tokony hanapaka ao amin’ny trano fivavahana amin’i Jehovah! (1 Timoty 6:9, 10). Ho faty tsy ho ela i Jesosy. Niresaka ny amin’ny fambolena voa iray izy mba hanazavana izany. Maty ilay voa voalohany, kanefa dia mitsimoka izy mba hamokatra taho izay hitondra voa maro be. Toy izany koa, ny fahafatesan’i Jesosy dia hitondra fiainana mandrakizay ho an’ny olona maro be izay maneho finoana azy. Velom-panahiana i Jesosy nieritreritra ny fanatonan’ny fahafatesany, ka nivavaka izy mba homem-boninahitra avy amin’izany ny anaran’ny Rainy. Ho valiny, dia nirohondrohona avy tany an-danitra ny feon’Andriamanitra mba ho ren’izay rehetra teo: “Efa nankalaza azy aho, sady hankalaza azy indray”. — Jaona 12:27, 28.

Ny 11 Nisana — Andro feno fanaovan-javatra

9. a) Vao maraina, ny 11 Nisana, ahoana no nanaovan’i Jesosy fanoharana nanamelohana ireo Jiosy mpivadi-pinoana? b) Nidify an’iza ny fahafahana lehibe iray, araka ny fanoharan’i Jesosy?

9 Nandao indray an’i Betania i Jesosy sy ny mpianany handany indray andro maninjitra amin’ny fanaovan-javatra maro be. Nanao fanoharana telo i Jesosy mba hampisehoana ny antony naha-voaheloka ny fitambaran’olona jiosy nivadi-pinoana. Nanozona aviavy tsy namoa iray izy, ary ny fahamainan’io hazo io dia milazalaza ilay firenena jiosy tsy nanam-pinoana sady tsy namokatra. Rehefa niditra tao amin’ny tempoly izy, dia nolazalazainy ny fomba namonoan’ireo mpamboly tanimboaloboka tsy mendrika ny zanaka sady mpandova ny tompon’ilay tanimboaloboka mihitsy. Izany dia sarin’ny fivadihan’ireo Jiosy tamin’i Jehovah, izay hiafara amin’ny famonoan’izy ireo ho faty an’i Jesosy. Nolazalazainy ny amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady nataon’ny mpanjaka iray — i Jehovah. Ireo nasaina (ireo Jiosy) dia nanala tsiny ny tenany tamim-pitiavan-tena mba tsy hanatrehana izany. Noho izany, ilay fanasana dia nalefa tany amin’ireo tany ivelany — ny Jentilisa — ary namaly tsara izany ny sasany tamin’ireo. Natsipy tany ivelany anefa ny lehilahy iray tratra tsy nanao akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady. Izy io dia mampiseho ireo kristiana sandoka ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Jiosy maro tamin’ny andron’i Jesosy no nasaina, ‘nefa vitsy no nofidina’ ho anisan’ireo 144 000 nasiana tombo-kase izay handova ny Fanjakana any an-danitra. — Matio 22:14; Apokalypsy 7:4.

10-12. a) Nahoana i Jesosy no nanome tsiny mafy ireo mpitondra fivavahana jiosy, ary fiampangana henjana inona no nasavovony teo amin’ireo mpihatsaravelatsihy ireo? b) Ahoana no nanatanterahana tamin’ny farany ilay didim-pitsarana teo amin’ny fitambaran’olona jiosy mpivadi-pinoana?

10 Nitady izay fahafahana hisambotra an’i Jesosy ireo mpitondra fivavahana jiosy mpihatsaravelatsihy, kanefa dia namaly ireo fanontaniana fandrika maromaro nataon’izy ireo izy ary nataony izay hahasanganehana azy ireo teo anatrehan’ny olona. Endre! ireto Jiosy mpivadika ara-pivavahana ireto! Nivantambantana toy inona ny fanomezan-tsiny mafy nataon’i Jesosy tamin’izy ireo! Naniry laza fatratra izy ireo, fitafiana niavaka, anaram-boninahitra nipoapoaka toy ny hoe “Raby” sy “Ray”, mitovy amin’ny mpitondra fivavahana maro amin’izao androntsika izao. Nilaza izao fitsipika izao i Jesosy: “Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra”. — Matio 23:12.

11 Niampanga tamin’ny fomba henjana ireo filoha ara-pivavahana ireo i Jesosy. Impito izy no nihiaka hoe: “Lozanareo”, niantso azy ireo hoe mpitarika jamba sy mpihatsaravelatsihy. Ary isaky ny nanao izany izy dia nanome antony mazava nahatonga ilay fanamelohana. Nosakanan’izy ireo ny fidirana ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Rehefa nahazo proselyta iray izy ireo, dia nanjary mendrika ny Gehena indroa izy io, azo inoana sahady fa mendrika ny fandringanana noho ny fahotana lehibe na firehetana tafahoatra ara-pivavahana taloha. “Ry adala sy jamba!” hoy i Jesosy, noho ireo Fariseo nifantoka tamin’ny volamenan’ny tempoly fa tsy tamin’ny fitanana fanompoam-pivavahana madio tao. Ninia tsy nahalala ny rariny sy ny famindram-po ary ny tsy fivadihana izy ireo rehefa nandoa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina notsiriritina, fa nodiany tsy fantatra izay zava-dehibe tamin’ny Lalàna. Ny fisasana ara-pomba dia tsy hanala na oviana na oviana ny fahalotoana tao anatin’izy ireo — ny fo madio amin’ny alalan’ny finoana ny soron’i Jesosy efa nanakaiky ihany no afaka nanatanteraka izany. Ny fihatsarambelatsihy sy ny tsy fankatoavan-dalàna tao anatin’izy ireo dia nampiseho fa sandoka izay mety ho ‘lalotra fotsy’ tetỳ ivelany. — Matio 23:13-29.

12 Eny, loza tokoa ho an’ireo Fariseo, tena “zanak’izay namono ny mpaminany” fahiny! Bibilava, taranaky ny menarana izy ireo, voaheloka ho amin’ny Gehena, noho izy ireo hamono ho faty an’i Jesosy, ary tsy izy ihany fa ireo nirahiny koa. Izany dia didim-pitsarana hotanterahina teo amin’io “taranaka” io. Ho fahatanterahan’izany, dia rava tanteraka i Jerosalema 37 taona tatỳ aoriana. — Matio 23:30-36.

13. Manome taratry ny toe-javatra inona amin’izao fotoana izao ny fanamarihana nataon’i Jesosy mikasika ireo fanomezana ho an’ny tempoly?

13 Talohan’ny nandaozan’i Jesosy ny tempoly, dia nanaovany teny fiderana ny mpitondratena sahirana ara-pivelomana iray izay nandatsaka farantsakely roa tao amin’ny fandatsahan-drakitra — “ny fivelomany rehetra izay nananany”. Izany dia fifanoheran-javatra tokoa tamin’ireo mpanankarena tia kely, izay nandatsaka fanomezana anarany fotsiny! Sahala amin’io mpitondratena sahirana ara-pivelomana io, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia vonona ny hanao sorona fotoana, hery, ary vola mba hanohanana sy hanitarana ny asan’ilay Fanjakana maneran-tany. Endrey ny tsy fitovian’izy ireo amin’ireo mpitoriteny amin’ny televiziona ratsy fitondrantena izay manambaka ny mpiangona ao aminy ary manorina empiran’ny harenany manokana! — Lioka 20:45–21:4.

Rehefa nadiva hifarana ny 11 Nisana

14. Alahelo inona no nasehon’i Jesosy, ary ahoana no namaliany ilay fanontaniana fanampiny nataon’ny mpianany?

14 Nitomany an’i Jerosalema sy ny olony i Jesosy ary nanambara hoe: “Tsy hahita Ahy tokoa hianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah”. (Matio 23:37-39). Tatỳ aoriana, rehefa nipetraka teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy ireo, dia nanontany ny amin’izany ireo mpianatr’i Jesosy akaiky. Ary ho valiny, dia nolazalazain’i Jesosy ny amin’ireo famantarana izay hanamarika ny fanatrehany ao amin’ny herin’ny Fanjakana sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra ratsin’i Satana. — Matio 24:1–25:46; Marka 13:1-37; Lioka 21:5-36.

15. Famantarana inona avy no nomen’i Jesosy mikasika ny fanatrehany mba hitsara, ary hatramin’ny oviana izy io no tanteraka?

15 Rehefa nanisy fitenenana ny amin’ny didim-pitsaran’i Jehovah hotanterahina tsy ho ela amin’ny tempoly i Jesosy, dia nilaza fa izy io dia tandindon’ny loza amin’antambo ho avy amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra iray manontolo. Io fotoan’ny fanatrehany io dia ho voamariky ny fipoahan’ny ady amin’ny ambaratonga mbola tsy nisy toy izany, ary koa mosary sy horohorontany, ary areti-mandringana, miaraka amin’ny tsy fisian’ny fitiavana sy ny tsy fankatoavan-dalàna. Marina tokoa izany ho an’ity taonjato faha-20 misy antsika ity nanomboka tamin’ny 1914!

16, 17. Fisehoan-javatra inona avy eo amin’izao tontolo izao no nolazalazain’i Jesosy, ary ahoana no tokony ho fihetsiky ny kristiana noho ilay faminaniana?

16 Ho tonga ny fiafarana lehibe iray amin’ny “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”. Koa satria izany dia handrava zavatra toy ny safodrano tamin’ny andron’i Noa, dia nampitandrina i Jesosy mba tsy ho variana amin’ny raharahan’izao tontolo izao. “Koa amin’izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo”. Toy inona moa ny hasambarana mety hananantsika noho ny nanendren’ny Tompo “mpanompo mahatoky sy malina” voahosotra mba hampanakoako ny fampitandremana ary hanome sakafo ara-panahy tondraka ho amin’izao andro fanatrehany izao! — Matio 24:21, 42, 45-47, MN.

17 Amin’izao taonjato faha-20 misy antsika izao, dia hitantsika “eto an-tany ny fahorian’ny firenena, very hevitra (...) raha mbola reraka noho ny tahotra ny olona noho ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany onenana”. Hoy anefa i Jesosy amintsika: “Rehefa manomboka tonga anefa ireo zavatra ireo, dia miandrandrà ianareo ary asandrato ny lohanareo, fa manakaiky ny fanavotana anareo”. Ary nampitandrina antsika toy izao izy: “Tandremo ny tenanareo mba tsy havesatra ny fonareo amin’ny fihinanana tafahoatra sy ny fisotroana tafahoatra ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka ho tonga tampoka aminareo avy hatrany io andro io, toy ny fandrika”. Amin’ny fitoerana ho mifoha hatrany no ahafahantsika mahazo sitraka eo anatrehan’i Jesosy, “ny Zanak’olona”, amin’ny fanatrehany. — Lioka 21:25-28, 34-36, MN.

18. Fampaherezana inona no azo sintonina avy amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy ny amin’ny virjiny folo sy ireo talenta?

18 Rehefa namarana ilay filazany mialoha tamim-pahakingana ireo fisehoan-javatra amin’izao androntsika izao i Jesosy, dia nanao fanoharana telo izy. Voalohany, tao amin’ilay fanoharana ny amin’ireo virjiny folo, dia nohantitranteriny indray ny ilàna ‘hiambina’ hatrany. Avy eo, tao amin’ilay fanoharana ny amin’ireo mpanompo sy ny talenta, dia nasehony ny fomba namalian-tsoa ny fahazotoana miasa amim-paharetana tamin’ny fanasana ‘hiditra amin’ny fifalian’ny Tompo’. Ireo kristiana voahosotra izay aseho amin’ny tandindona ao amin’ireo fanoharana ireo, ary koa ireo ondry hafa, dia afaka manovo fampaherezana avy amin’ireo filazalazana velombelona ireo. — Matio 25:1-30.

19, 20. Fifandraisana mahafinaritra inona amin’izao andro izao no asongadin’ilay fanoharana nataon’i Jesosy momba ny ondry sy ny osy?

19 Ilay fanoharana fahatelo dia manisy firesahana ny amin’ny fanatrehan’i Jesosy amin’ny herin’ny Fanjakana, aorian’ny fahatongavany mba hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra any an-danitra. Izany dia fotoana hitsarana ny firenena sy hampisarahana ny olona eto an-tany ho antokony roa: ny iray voaforon’ireo mpandefitra toy ny ondry, ary ilay hafa voaforon’ny olona mafy hatoka toy ny osy. Niezaka mafy ireo ondry mba hampiseho ny fanohanany ireo rahalahin’ny Mpanjaka — ny sisa voahosotra eto an-tany amin’izao fotoan’ny faran’ity tontolo ity izao. Homena ny fiainana ho valisoa ireo ondry, kanefa kosa ireo osy tsy nampiseho fankasitrahana dia niala ho any amin’ny fandringanana mandrakizay. — Matio 25:31-46.

20 Fifandraisana mahatalanjona toy inona moa no hitantsika eo amin’ny ondry hafa sy ireo rahalahin’ny Mpanjaka amin’izao fifaranan’ny fandehan-javatra izao! Na dia ireo sisa voahosotra aza no niantsoroka ny andraikitra tamin’ny asa teo amin’ny fiandohan’ny fanatrehan’ny Mpanjaka, dia ireo ondry hafa an-tapitrisany maro izao no mahaforona ny 99,8 isan-jaton’ireo mpanompon’Andriamanitra eto an-tany. (Jaona 10:16). Ireo koa dia niseho ho vonona ny hiaritra ‘hanoanana, hetaheta, fitanjahana, aretina, ary tranomaizina’ amin’ny maha-naman’ireo voahosotra tsy mivadika hatrany azy.a

Ny 12 Nisana

21. Inona no nandroso haingana tamin’ny 12 Nisana, ary tamin’ny fomba ahoana?

21 Nandroso ny tetika hamonoana an’i Jesosy ho faty. Nitsidika ireo lohan’ny mpisorona tany amin’ny tempoly i Jodasy, nanaiky ny hamadika an’i Jesosy tamin’ny sekely volafotsy 30. Efa nambaran’ny faminaniana na dia izany zavatra izany aza. — Zakaria 11:12.

Ny 13 Nisana

22. Fiomanana inona no natao ny 13 Nisana?

22 Nandefa ireo mpianany nankany Jerosalema i Jesosy mba hitady izay nisy ny ‘lehilahy’ iray izay, fa izy kosa nitoetra tany Betania, azo inoana fa mba hivavahana na hisaintsainana. Tao amin’ny tranon’io lehilahy io, tao amin’ny efitrano malalaka ambony rihana, dia nataon’izy ireo vonona ny Paska. (Matio 26:17-19). Raha teo am-pilentehana ny masoandro, ny 13 Nisana, dia namonjy azy ireo tao i Jesosy ho amin’ilay fankalazana lehibe indrindra teo amin’ny tantara iray manontolo. Inona izao no zavatra niandry tamin’ny 14 Nisana? Hilaza izany amintsika ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny lahatsoratra manaraka dia tokony hanampy antsika mba hankasitraka bebe kokoa ny fifandraisana manokana misy eo amin’ny ondry vitsy voahosotra sy ny ondry hafa.

Ahoana no Hamintinanao?

◻ Fandraisana sy fiarahabana nanao ahoana no nataon’ny sasany ho an’i Jesosy, nanomboka ny 8 Nisana ka hatramin’ny 10 Nisana?

◻ Ahoana no nampihanjahanjan’i Jesosy ireo mpitondra fivavahana mpihatsaravelatsihy tamin’ny 11 Nisana?

◻ Faminaniana lehibe inona no nomen’i Jesosy, ary ahoana no ahatanterahan’izany amin’izao andro izao?

◻ Tamin’ny fomba ahoana ireo zava-nitranga no nandroso nanatona fiafarana lehibe iray tamin’ny 12 sy ny 13 Nisana?

[Sary, pejy 12]

Noderain’i Jesosy ilay mpitondratena nahantra izay nanome farantsakely roa — izay rehetra nananany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara