Karazana Filaminana Inona no Irinao Fatratra?
MANANA hevitra samy hafa momba ny atao hoe filaminana ny olona samy hafa. Ny sasany mihevitra azy io ho ny fifandanjana eo amin’ny hery ara-tafika mifanohitra. Ohatra, ireo hery manapaka eo amin’ny sehatr’izao tontolo izao, miaraka amin’ireo Eoropeana mpiray dina aminy, dia nifanaiky tamin’ny lafiny maro fa hampihena ny loza mety hitarin’ireo fitrangan-javatra madinidinika ho ady noklehera haneran-tany. Ny diarin’ny Fikambanana momba ny Fikatsahana Fandriampahalemana Iraisam-pirenena any Stockholm, 1990 (anglisy), dia mampiseho fahagagana manoloana ny tsy fanomezan’ireo firenena “any amin’ny faritra hafa amin’ny tany” lanja ny fepetra noraisina toy izany.
Kanefa, ho an’ny olona an-tapitrisany maro miaina any amin’ny tany mahantra, ny “filaminana” dia midika ho sakafo sy fikarakarana ara-pahasalamana. “Raha ny amin’ny fiheverana momba ny ‘fandriampahalemana sy ny filaminana’, hoy ny fanazavan’ilay mpahay siansa politika atao hoe Yash Tandon, “dia ny hevitra ankapobeny voaray momba ny kolontsaina tandrefana manan-kery indrindra no mahazo vahana. (...) Ny ‘filaminana’ dia heverina ho raharaha momba ny fitaovam-piadiana sy ny fanafoanana ny fitaovam-piadiana, sarahina amin’ny fiheverana ny filaminana mikasika ireo tsy manan-kohanina sy fialofana mahaforona ny androatokon’ny mponina maneran-tany.”
Raha ny amin’ny Baiboly kosa, dia mampanantena izy io fa eo ambanin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, dia tsy hisy ady intsony. “Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy ary mandoro ny sariety amin’ny afo.” (Salamo 46:9; Isaia 2:4). Ho zavatra efa lasa ny aretina ara-batana. “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.” — Isaia 33:24.
Eo ambanin’io Fanjakana io, dia tsy hisy horahonan’ny tsy filaminana ara-toekarena intsony. “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa.” — Isaia 65:21, 22.
Mbola zava-dehibe kokoa ihany anefa, fa hamongotra ny antony fototra mahatonga ny tsy fisian’ny fandriampahalemana sy ny filaminana ilay Fanjakana. Iza no tao ambadiky ny tantaran’ny olombelona naharitra momba ireo fitondram-panjakana tsy mahomby sady mpampahory? Na dia namela ny hisian’ireny, noho ny antony tsara, aza Andriamanitra, ilay tsy maintsy tompon’andraikitra kosa dia i Satana, satria milaza ny Baiboly fa ‘izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa’. — 1 Jaona 5:19.
Ho toy inona àry moa ny fanamaivanana rehefa, eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ka tanteraka amin’ny farany ireto tenin’i Paoly ho an’ny Romana ireto: “Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo”! (Romana 16:20). Ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra irery ihany, izay eo ambany fanapahan’i Jesosy Kristy Mpanjaka, no afaka hanatanteraka zavatra toy izany. Noho izany, dia eo ambanin’io Fanjakana io ihany vao hiova ho paradisa ny tany. — Genesisy 1:28; Lioka 23:43, MN.
Eny, ny filaminana ampanantenaina ao amin’ny Baiboly, dia ambony lavitra sady mbola sarotra tratrarina lavitra noho ny zavatra rehetra mety hovolavolain’ny olombelona. Vakintsika fa “tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”! (Apokalypsy 21:4). Afaka matoky ny fampanantenana toy izany ve isika? Eny, satria izany dia avy amin’ilay Mpamorona tsitoha, dia i Jehovah Andriamanitra, izay manambara toy izao koa: “Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.” (Isaia 55:11). Misy fahombiazana miavaka tsara manamarika ireo fanaovan-javatra avy amin’i Jehovah dieny izao mba hitondrana ho an’ny taranak’olombelona fandriampahalemana sy filaminana ary fanambinana maharitra sady mahasambatra, ho fanamarinana ny Fiandrianany maharitra mandrakizay.