“Mifampivavaha”
JEHOVAH dia “Mpandre vavaka”. (Salamo 65:2, MN). Mandre foana ny vavak’ireo izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo izy, ary afaka matoky isika fa mihaino izy rehefa mifampivavaka izy ireo.
Nefa nahoana isika no tokony hifampivavaka? Tokony hahakasika ny inona ny vavaka atolotsika? Ary toetra tsara ankasitrahan’Andriamanitra inona avy no misongadina tsara rehefa mifampivavaka isika?
Nahoana isika no tokony hifampivavaka?
Ny Soratra masina dia mampirisika ny vahoakan’i Jehovah hifampivavaka. Anisan’ireo zavatra nangatahin’i Paoly tamin’Andriamanitra ny vavaka ho an’ny hafa. (Kolosiana 1:3; 2 Tesaloniana 1:11). Ankoatra izany, dia nanoratra toy izao i Jakoba mpianatra: “Mifampivavaha.” — Jakoba 5:16.
Misy vokany ny vavaka atao ho an’ny mpanompon’i Jehovah hafa. Izany no aseho ao amin’ny Jakoba 5:13-18, izay ampirisihana ny kristiana marary ara-panahy iray hamela ireo loholon’ny kongregasiona “hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo [Jehovah, MN] (...) sady hivavaka eo aminy.” Ny fandrenesana ny vavak’izy ireny dia mety hanatanjaka ilay olona kivy, ary hampiaiky azy fa hamaly ny vavaka ataony manokana koa Andriamanitra. (Salamo 23:5; 34:18). Ankoatra ny fiarahana mivavaka amin’ilay olona, ireo loholona dia miezaka mba hamerina ny fahasalamany ara-panahy amin’ny fanononana hevitra avy ao amin’ny Soratra masina izay tahaka ny diloilo mampitony.
Manampy toy izao i Jakoba: “Ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo [Jehovah, MN] hanangana azy.” Eny, azo inoana fa hampian’ny “vavaky ny finoana” ataon’ireo loholona ilay olona marary ara-panahy. Ankoatra izany, Andriamanitra dia “hanangana azy” ho amin’ny fahasalamana ara-panahy raha toa izy ka manaiky hampian’ny Soratra masina. Nefa ahoana raha toa ilay faharariana ara-panahy ka avy amin’ny fanaovana fahotana lehibe? Raha mibebaka ilay olona dia hamela ny helony i Jehovah.
“Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha”, hoy i Jakoba, “mba ho sitrana hianareo. Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. Elia (...) nivavaka mba tsy hilatsahan’ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin’ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana. Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.” (1 Mpanjaka 17:1-7; 18:1, 42-45). Misy heriny ny vavaky ny olona marina iray mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. — 1 Jaona 5:14, 15.
Ny amin’inona no hivavahantsika?
Ny lafin-javatra rehetra dia azo atao foto-kevitry ny vavaka ataontsika ho an’ny mpiray finoana amintsika. Ohatra, i Paoly dia nangataka ny hafa hivavaka mba hahafahany manana fahaizana miresaka ny amin’ny vaovao tsara. (Efesiana 6:17-20). Ahoana raha fantatsika fa alaim-panahy ny olona iray? Azontsika atao ny mivavaka mba ‘tsy hanaovany izay ratsy’ ary mba tsy hamelan’Andriamanitra azy halaim-panahy fa mba hanafahany azy amin’ilay ratsy, dia i Satana Devoly. (2 Korintiana 13:7; Matio 6:13). Ary raha marary ara-batana ny olona iray, dia afaka mangataka amin’i Jehovah isika mba hanome azy ny herim-po ilaina mba hiaretana ny faharariany. — Salamo 41:1-3.
Mety foana ny hivavahana ho an’ireo mpiara-manompo an’i Jehovah amintsika izay enjehina. Niharan’ny fanenjehana mafy i Paoly sy ny namany, ary nilaza toy izao tamin’ny kristiana tany Korinto izy: “Hianareo koa miara-miasa ho anay amin’ny fivavahanareo mba hisaoran’ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin’ny nataon’ny maro.” (2 Korintiana 1:8-11; 11:23-27). Na dia ampidirina an-tranomaizina aza isika, dia afaka mivavaka ho an’ireo rahalahintsika hafa enjehina, amin’ny fitadidiana foana fa mandre ny “fivavaky ny marina” i Jehovah. — Ohabolana 15:29.
Tokony hivavaka indrindra isika ho an’ireo rahalahintsika izay miantsoroka andraikitra lehibe ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah. Anisan’izany ireo izay mitondra ny fandaminana sy manomana ny sakafo ara-panahy zarain’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. (Matio 24:45-47). Ireo mpikambana ao amin’ny Kolejy Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, dia mendrika ny fivavahantsika, ary azontsika atao ny mivavaka mba hanomezan’Andriamanitra azy ireo “ny fanahin’ny fahendrena”. — Efesiana 1:16, 17.
Ireo toetra tsara kristiana misongadina rehefa mivavaka isika
Amin’ny fivavahana ho an’ireo mpiray finoana amintsika dia miseho ho be fiahiana, tsy tia tena, ary be fitiavana, isika. Mifanaraka amin’ny fanazavana nomen’i Paoly hoe ny fitiavana dia “tsy mitady ny azy” ny tsy fitiavan-tena sy ny fiahiana amim-pitiavana ireo rahalahintsika sy anabavintsika ara-panahy. (1 Korintiana 13:4, 5). Ny fivavahana ho an’ny hafa dia fomba iray ‘tsy hiheverana ny an’ny tena ihany, fa ny an’ny namana koa’. (Filipiana 2:4). Rehefa manao ho antom-bavaka ny fahasalamana ara-panahin’ny hafa isika, dia mahatsapa ny tenantsika koa ho akaiky kokoa azy ireo ao anatin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy izay amantarana ny mpianatr’i Jesosy. — Jaona 13:34, 35.
Mitombo ny fahaizantsika mahatakatra ny toeran’ireo izay anaovantsika vavaka. (1 Petera 3:8, MN). Mangoraka azy ireo isika, miara-paly sy miara-kory aminy. Ao amin’ny tenan’ny olombelona, raha maratra ny tanana iray, dia miahy izany ny tanana ilany ary miezaka mampitony ny fanaintainana aterak’ilay ratra. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 12:12, 26.) Mitovy amin’izany, ny fivavahana ho an’ireo rahalahintsika sy anabavintsika mijaly dia mampitombo ny fangorahantsika azy ireny ary manampy antsika hisaintsaina azy ireny foana. Fatiantoka ho antsika raha manadino ireo kristiana mpiara-manompo mahatoky ao amin’ny vavaka ataontsika isika, satria Andriamanitra sy Kristy dia tsy mandao azy ireny. — 1 Petera 5:6, 7.
Misy toetra tsara ankasitrahan’Andriamanitra isan-karazany misongadina rehefa mivavaka ho an’ny hafa isika. Manjary mahataka-javatra kokoa sy manana faharetana kokoa isika manoloana azy ireo. Foana izay mety ho lolompo ka hanome toerana ho an’ireo fiheverana manorina izay hahatonga antsika ho be fitiavana sy ho falifaly. Mampandroso ny fiadanana sy ny firaisan-tsaina eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah koa ny fivavahana ho an’ny hafa. — 2 Korintiana 9:13, 14.
Aza mitsahatra mifampivavaka
Toa an’i Paoly, dia azontsika atao ny mangataka ny hafa hivavaka ho antsika. Ankoatra ny fiarahana mivavaka amintsika, dia mety hivavaka manokana amin’Andriamanitra ho antsika ireo namantsika, hanonona ny anarantsika, hiresaka ny amin’ny zava-manahirana antsika, ary hangataka mba hanampiany antsika. Ary ho tonga ny fanampiana, satria “fantatry ny Tompo [Jehovah, MN] izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fakam-panahy”. — 2 Petera 2:9.
Ireo Vavolombelon’i Jehovah miresaka antsika ao amin’ny vavaka ataony koa dia iharam-pisedrana izay mety hampahory kokoa noho izay mahazo antsika. Na dia izany aza, dia mitondra ireo fanahiantsika eo anatrehan’ilay Mpanjaka Mandrakizay izy ireny, angamba mandatsa-dranomaso ho antsika mihitsy aza. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 2:4; 2 Timoty 1:3, 4.) Toy inona moa ny fankasitrahana tokony hasetrintsika izany! Noho ny fankasitrahana sy noho ny antony hafa vao avy noresahina teo àry, dia aoka isika hifampivavaka.