“Zavatra izay mampiorina ny fanantenantsika”
NAFANA ny andro tamin’io alahady marainan’ny fahafolon’ny septambra io, rehefa tafavory tao amin’ny Efitrano tsara tarehy fanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah fivoriambe tany Jersey City, any New Jersey, ny olona 4155 mba hanatrika ny fanomezana diplaoma ny kilasy faha-87 amin’ny Sekoly ara-baibolin’i Gileada an’ny Fikambanana Watchtower. Nanatrika teo ireo mpianatra 24 sy ireo olona nasainy ary mpikambana sasany tamin’ny mpianakavin’ny Betelan’i Brooklyn sy ny Toeram-piompian’ny Fikambanana.
Nangataka ny fahanginan’ny mpanatrika, tamin’ny folo maraina, i Albert Schroeder izay voatendry ho prezidà tamin’io andro io. Taorian’ny hira fanokafana, dia nivavaka i John Barr. Samy anisan’ny Kolejy Foibe izy mirahalahy ireo. Nanome fanazavana fohy ny amin’ilay kilasy ny Rahalahy Schroeder ary nanamarika fa ireo nahazo diplaoma dia “vonona ny handray anjara amin’ny asa maneran-tany ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny tany 210 izao”. Avy eo izy dia nanolotra mpandahateny fito.
I Robert Wallen, izay miasa ao amin’ny Birao Mpanatanteraka ao amin’ny foibe any Brooklyn, dia naka ny 1 Petera 4:8, MN, ho fototry ny lohatenin’ny lahateniny hoe “Mifanehoa fitiavana lalina”. Nilaza izy fa mila ny hifanampy ireo misionera, ary satria manambady avokoa ireo mpianatra amin’io kilasy io, dia nataony nifanentana tamin’ny mpivady ny fanazavany. “Tsy maintsy tia ny vadiny ny vehivavy na dia mety ho haingana kokoa noho izy aza ny tenany amin’ny fianarana teny vahiny iray”, hoy ny torohevitra nomeny. “Tokony haneho fahatakarana ny fihevitry ny vadiny sy fangoraham-po aminy ny vehivavy. Tsy maintsy miezaka ny hahatakatra ny fiheviny koa izy rehefa anjarany ny mahandro sakafo ao anatin’ny herinandro!” (Amin’ny ankapobeny, ny misionera tsirairay avy dia nomena andro iray tsy miova isan-kerinandro mba hanomanana ny sakafo amin’io andro io ho an’ireo rehetra mipetraka ao amin’ilay trano misionera.) Avy eo izy dia nitantara ny nanjo ny lehilahy sasany sy ny fanandraman-javatra mahatsikaiky hitan’ireo rehefa nianatra nahandro sakafo, toy ny rehefa nampiasa karbonetra fa tsy lalivay, ohatra, ny rahalahy iray. Nanamarika koa ny Rahalahy Wallen fa tokony ho “mailaka hahatsikaritra izay ilain’ny vadiny” ny lehilahy manambady, satria mety haka fotoana be aminy ny fiantsorohana ireo andraikitra ao amin’ny kongregasiona. Izao kosa no nolazainy tamin’ireo lehilahy sy vehivavy miaraka: “Aoka ianareo hahay hamporisika hatrany; aza manao fanamarihana tsy manorina, na dia eo aminareo samy ianareo aza. Aza mitokana amin’ny hafa. Ary rehefa manao fahadisoana ianao, dia ekeo izany.”
Ny mpandaha-teny nanaraka, i Daniel Sydlik, anisan’ny Kolejy Foibe, dia nifidy ny lohateny hoe: “Tazòny ho velona hatrany ao anatinareo ny afon’ny Fanahin’Andriamanitra”, mifototra amin’ny 1 Tesaloniana 5:19. “Sady afaka manafana no mamono ny afo”, hoy izy. “Indraindray izy ireo mampitahotra. Nilaza toy izao ny lehilahy afrikana be taona iray: ‘Mahaiza mitsoka moramora’, toy ny rehefa mitsoka amin’ny vainafo kely tianao arehitra. Rehefa miresaka ny amin’ireo zavatra mety ho hitanao any amin’ny faritaninao ianao — toy ny lalan-driaka misokatra, ny lalitra, ny fifamoivoizana mitabataba, tany vaovao iray, fivavahana tsy mahazatra iray — dia ataovy amim-panajana izany. Mahazo lalitra betsaka kokoa amin’ny alalan’ny tantely ianao noho ny amin’ny alalan’ny vinaingitra. Mianara ‘mitsoka moramora’ ary tazòny ho velona hatrany ao anatinareo ny fanahin’Andriamanitra.”
Avy eo, ny lohateny hoe “Tanteraho amin-kafanam-po sy fitandremana ny asa nanendrena anao” dia novelabelarin’i Kenneth Flodin, mpiandraikitra ny Betela any amin’ny Toeram-piompian’ny Watchtower. Koa satria efa any amin’ny Toeram-piompian’ny Watchtower izao ny Sekolin’i Gileada, dia fantatr’ireo nahazo diplaoma tsara ny Rahalahy Flodin. Namelabelatra lafiny roa tokony hampisehoana fitandremana izy tao amin’ny lahateniny: 1) ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo ary 2) ny resaka sy ny hevitra tsy manorina. “Ialao ny fitiavan-tena ary aza mieritreritra ny tenanao foana”, izany no torohevitra nomeny. “Eritrereto ireo toe-piainana mampiadana sy mahafinaritra ho azonao ao amin’ny fandehan-javatra vaovao, fa aza mitady ny hikatsaka azy izao”, hoy izy. Mba hanampiana ireo mpianatra hiala amin’ny toe-tsaina tsy manorina, dia nanonona ny Nomery 13:28, 32 ny mpandahateny. “Indraindray”, hoy izy, “ny olona dia mahita zavatra mitovy ihany, ka ny sasany dia manana fisainana manorina, fa ny hafa kosa toe-tsaina tsy manorina. Toa an’i Kaleba tamin’ny andro fahizay, dia manàna fitokiana an’i Jehovah. Resaho amin’ny hafa ny eritreritra manorina anananao. Ary raha misy manao resaka tsy manorina, dia ovao ny foto-dresaka mba handosirana ny hevitra tsy manorina.”
I Lloyd Barry, anisan’ny Kolejy Foibe sady misionera koa taloha, dia nanome torohevitra azo ampiharina. “Ny fitiavana, ny fifaliana ary ny fiadanana dia samy toetra tsara ilain’ireo misionera vaovao”, hoy izy. “Ho hitanao ireo fahalemen’ny hafa ao amin’ny trano misionera, kanefa ny fahalemenao manokana no ifantohy.” Nahatsiaro ireo andro fahiny tany Japon izy fony nihinana trondro isan’andro ireo misionera, kanefa tatỳ aoriana, dia nisy misionera vaovao tonga izay tsy nahazaka trondro. Novana àry ny sakafo noho ny fitiavana ireo vaovao. Nananatra toy izao koa izy: “Tazòny ny fahaizanao mihomehy; aza avela ho tratry ny masoandro milentika mihitsy izay zava-manahirana hitanao. Tazony ny fihavanana ao amin’ny trano misionera, ka dia ho sambatra ianao amin’ny fiainanao amin’ny maha-misionera.” — Efesiana 4:26.
I Jack Redford, ny iray amin’ireo mpampianatra ao amin’ny Sekolin’i Gileada, dia niresaka ny amin’ny foto-kevitra hoe: “Jehovah no hahatanteraka ny fampiofanana anareo”, ary nampifototra ny fanazavany tamin’ny 1 Petera 5:10, MN. Izao no nolazainy: “Mampiofana anao i Jehovah amin’ny famelana ny fitrangan’ny toe-javatra izay sarotra setraina. Toy ny nampiofanany ireo apostoly hisetra ireo tsy fifanarahana noho ny fahasamihafan’ny toetra, dia hampiofana anao toy izany koa izy. Aza kivy rehefa misy tsy fifanarahan-kevitra. Aoka ianao ho vonona ny hampifanaraka ny toetranao amin’ny toe-javatra. Mahatonga izany ho sarotra ny avonavona, fa ny fanetren-tena kosa no mahamora izany. Mianara ho mahay milefitra. Hampiofanin’i Jehovah koa ianao mba hahay hifandray tsara amin’ny hafa. Fa izao fotsiny, ‘aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina’ momba anao.” (Mpitoriteny 7:21, 22). Mety ho fampiofanana koa ny fanenjehana. Sambatra ireo misionera izay niaritra fanenjehana ary tsy manenina mihitsy, fa faly kosa satria nahazo fampiofanana avy tamin’ireo fanenjehana.
I Ulysses Glass, mpampianatra iray hafa ao amin’ny sekoly, dia nanao ny lahateniny farany ho an’ireo nahazo diplaoma. Nifantoka tamin’ny Efesiana 4:1-3 izy, ka nidera ilay kilasy noho izy ireo naneho ireo toetra voalaza ao amin’ireo andininy ireo ary namporisika azy ireo mba hanohy toy izany, tamin’ny filazana hoe: “Toetra mampiray ny fiadanana, ary tena ilaina ho amin’ny firaisan-tsaina.” Notohizany tamin’ny fanononana ny Efesiana 4:4-6 ny lahateniny ary rehefa avy niresaka ny amin’ny toetra mahatalanjon’ny fanahin’Andriamanitra izy dia nampahatsiahy fa “Jehovah no Loharanon’ny hery rehetra. Tokony hatahotra azy isika; zavatra mahatahotra ny ho azon’ny tanany”. — Hebreo 10:31.
Fanantenana mahafaly
Avy eo ny rehetra dia nihaino tamim-pahalianana lehibe an’i Theodore Jaracz, anisan’ny Kolejy Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay niresaka momba ilay lahateny fototra hoe: “Zavatra izay mampiorina ny fanantenantsika”. Nanazava ny 1 Korintiana 2:9 izy ary nilaza hoe: “Tsy miresaka ny amin’ny zavatra ara-nofo io andinin-teny io, satria ny andininy manaraka, ny 1 Korintiana 2:10, dia miresaka ny amin’ny ‘saina lalina izay an’Andriamanitra’. Izany dia ny ‘fahendren’Andriamanitra’ mifandray amin’ilay ‘zava-miafina’, dia ny ‘fahendreny nafenina’ izay avy amin’ny toerana lavitra kokoa noho ny masoandrontsika sy ny karazany, eny, avy amin’ny tenan’Andriamanitra mihitsy.” (1 Korintiana 2:7). Avy eo ny mpanatrika dia nasainy handray ny Isaia 64:3, izay nampahatsiahy ny tokony ‘hiandrasana’ an’Andriamanitra sy ireo zavatra izay nomaniny.
Fanantenana mahafaly toy inona moa ny an’ny vahoakan’Andriamanitra! Nanamarika izao manaraka izao ny Rahalahy Jaracz: “Tamin’ny 1919 no nianjera i Babylona Lehibe; tamin’ny 1922, tonga ny famporisihana nampientana mba ‘hanambara ny Mpanjaka sy ny Fanjakana’, izany hoe hitory manerana ny tany ilay Fanjakana voaorina; tamin’ny 1935, nahatakatra ny dikan’ny ‘olona betsaka’ ao amin’ny Apokalypsy 7:9 ny vahoakan’Andriamanitra; tamin’ny 1943, nandefa ireo misionera voalohany tany amin’ny faran’ny tany ny Sekolin’i Gileada; ankehitriny, amin’ny 1989, ianareo vao nahazo diplaoma dia manana tombontsoa ny hilaza zavatra tsara amin’ny olona any amin’ny faritany nanendrena anareo izay maniry mafy ny handre izany.”
Rehefa avy nozaraina ireo diplaoma, dia namaky taratasy fampisehoana fankasitrahana nampihetsi-po avy tamin’ilay kilasy ny iray tamin’izy ireo.
Tamin’ny tolakandro, i Lon Schilling, mpampifandrindra ao amin’ny komitin’ny Toeram-piompian’ny Watchtower, dia nitarika fianarana Ny Tilikambo Fiambenana nohafohezina. Avy eo ireo mpianatra dia nampiseho fandaharana mozika nahafinaritra ary nampiseho an-tsehatra ny sasany tamin’ireo zavatra hitany teny am-pitoriana. Taorian’izay, dia nisy mpitory teo an-toerana nampiseho an-tsehatra ny tantara nifanentana tsara iray nitondra ny lohateny hoe: “Aoka isika haharesy ireo teti-dratsin’i Satana”. Ary farany, rehefa avy nihaino fanadinadinana ny enina tamin’ireo vao nahazo diplaoma ireo mpanatrika falifaly dia nanao hira famaranana ary faly nanaraka ny vavaka nataon’i Frederick Franz, prezidàn’ny Sekolin’i Gileada, izay efa 96 taona izao.
[Efajoro, pejy 23]
TAREHIMARIKA MOMBA ILAY KILASY
Isan’ny tany niaviany: 5
Isan’ny tany halehany: 10
Isan’ny mpivady: 12
Isan’ny mpianatra: 24
Antsalan’ny taonany: 30,9
Antsalan’ny isan’ny taona naha-tao anatin’ny fahamarinana: 13,4
Antsalan’ny isan’ny taona naha-tao amin’ny asa manontolo andro: 9,2
[Sary, pejy 23]
Kilasy faha-87n’i Gileada, Sekoly ara-baibolin’ny Fikambanana Watchtower
Eo amin’ny filaharan’anarana etsy ambany, ireo laharana dia nomena nomerao avy eo anoloana mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia mankany ankavanana:
1) E. Heindel; D. Andrews; D. Casavant; E. Montanez; P. Nale; S. Koukaras. 2) T. Mieil; M. Heithaus; T. Melton; N. Hagberg; M. Kettinen. 3) L. Kettinen; W. Andrews; E. Koukaras; S. McCollough; G. Melton; J. McCollough. 4) W. Heindel; G. Casavant; G. Miell; J. Montanez; M. Nale; I. Hagberg; K. Heithaus.