Nahoana ianao no tokony hanatrika ny fivoriamben’ny distrika “Ny fitiavam-pivavahana”
Andro telo mampandroso amin’ny fahalalana ny Baiboly no miandry anao amin’ny fivoriamben’ny distrika “Ny fitiavam-pivavahana” izay alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah manomboka amin’ity volana ity. Hisy torohevitra avy ao amin’ny Baiboly tena lehibe homena ao amin’ny alalan’ny lahateny, fanadinadinana ary fampisehoana tantara hahitam-pianarana. Aoka ianao ho tonga dieny amin’ny 10 ora sy 20 minitra ny zoma maraina, ora hanombohan’ny fivoriambe amin’ny fandefasana mozika.
Tafiditra ao amin’ny fandaharana ny zoma maraina ny lahateny hoe “Aoka isika hanalavitra ny molotra tia manaratsy” ary koa fanazavana ny amin’ny niandohan’ny fampianarana ny amin’ny Trinite. Ny tolakandro dia hanarina ireo ray aman-dreny mba handray ny andraikiny ara-panahy: fanomezana lova ara-panahy an’ireo zanany. Avy eo, dia hamporisihina ireo tanora hanao an’i Kristy ho fianarany ary handray ny fahamarinana. Ny fotoam-pivoriana amin’io andro io dia hifarana amin’ny fampisehoana fitaovana sarobidy iray natokana indrindra mba hanampiana ny tanora.
Ho andro fianarana feno tsara hafa iray koa ny asabotsy. Hatao ny maraina ny lahateny momba ny batisa, ary ny tolakandro dia hisy lahateny miavaka maro mikasika ny Kolejy foibe kristiana sy ny fomba azontsika iarahana miasa aminy amin’izao androntsika izao. Hifarana ny fotoam-pivoriana ny asabotsy tolakandro amin’ilay lahateny lehibe manao hoe “Ny Baiboly: Tenin’Andriamanitra sa an’olombelona?”.
Ny alahady maraina, dia hisy lahateny ho tonga amin’ny ilàna azy, hampitandrina antsika ny amin’ny “ilay lehilahin’ota” sy ny mety hahatonga fialana noho ny fihinanana, ny fisotroana, ny fitafiana ary ny fialam-boly (2 Tesaloniana 2:3). Hanaraka izany ny fampisehoana tantara araka ny toetr’andro iray hampisongadina ny maha-zava-dehibe ny hanekena an’Andriamanitra. Avy eo, dia tsy hirintsika ny tsy handre ny lahateny ampahibemaso hitondra ny lohateny hoe “Akaiky ny fanafahana ho an’ireo olona tia fivavahana”.
Amin’ny volana septambra dia hisy fivoriambe telo nomanina amin’ny fiteny malagasy. Hisy iray amin’izany ao amin’ny faritra misy anao. Manatòna ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny toerana misy anao mba hahalalanao ny andro sy ny toerana hanaovana ny akaiky anao indrindra.
[Sary, pejy 32]
Fivoriamben’ny distrika natao tany Vérone (Italia)