Fivavahana sy nazisma
“Hitler (...) dia nanana mpitantan-draharaha lefitra katolika iray, Franz von Papen. Raha vao amin’ny andro voalohan’ny fitondrana, na fotoana fohy taorian’izany, dia notarihin’i von Papen ireo fironana samihafa tamin’ny katolisisma hanohana ny Empira alemanina vaovao. Tao amin’ny faritany manontolo, dia ho re izy hamporisika ny mpino hankato an-jamba an’i Adolf Hitler.”
“Teo am-piandohan’ny 1933, ny Asa katolika any Alemaina, izay nandraisan’i [Franz] von Papen anjara asa faran’izay lehibe teo anivony, dia nanao izao fanambarana ofisialy izao: ‘Izahay katolika alemanina, dia hanohana amin’ny fanahinay rehetra sy amin’ny herin’ny finoanay rehetra an’i Adolf Hitler sy ny fitondram-panjakany. Derainay ny fitiavany ny tanindrazana, ny faharisihany ary ny fahendreny amin’ny maha-mpanao raharaham-panjakana. (...) Ny katolika alemanina (...) dia tokony handray anjara amim-paharisihana amin’ny fampiorenana ny Empira Fahatelo.’ ”
Franz von Papen dia nandamina fifanekena tamin’ny fitondram-panjakana nazia, izay izy no nikarakara ny tombontsoany tany Alemaina, sy ny Vatican. Nosoniavina tamin’ny 20 jolay 1933 io fifanekena io. Nisy teny nampitondraina manokana nanambara izao: “Tamin’io andro io, Pacelli, kardinaly sady sekreteram-panjakana [izay tonga ny papa Pie XII tatỳ aoriana] dia nanome an’i von Papen, mpitantan-draharaha lefitra, ny mari-boninahitra “grand-croix de l’Ordre de Pie IX. (...) Ny mpitantan-draharaha lefitra, von Papen, dia nanome ho an’ny kardinaly sekreteram-panjakana, sarin’i Maria Virijina vita amin’ny bakoly fotsy avy any Meissen, tamin’ny anaran’ny fitondram-panjakanan’ny Empira alemanina. (...) Nitondra izao soratra izao ny fanomezana rehetra: ‘Fahatsiarovana ny fifanekena nosoniavin’ny Empira alemanina (1933).’ ”—Teny nalaina avy amin’ilay boky hoe Franz von Papen — Ny fiainany sy ny androny (anglisy), nosoratan’i H. Blood-Ryan.