Aiza moa ireo olon-tsy fointsika efa maty?
“AIZA izao iny zazakely iny?” hoy ny fanontanian’ilay reny nitebiteby (resahina ao amin’ny lahatsoratra eo aloha) rehefa mieritreritra ny zanany kely vao maty izy. Any an-danitra ve izy sa any an-toeran-kafa?
Tsy ela dia nahazo valiny ny renin’i André. Rehefa nahafantatra ilay loza ny lahimatoany, katolika koa, dia nilaza taminy hoe: “Any amin’ny limby i André.” Marina ve izany?
Inona moa no atao hoe limby ary aiza izany?
Ny Littré, rakibolan’ny teny frantsay, dia milazalaza ny limby ho “ny toerana niandrasan’ny fanahin’ny marina voalazan’ny Testamenta Taloha ny fahatongavan’i Jesoa Kristy hanao ny misiterin’ny fanavotana; (...) karazana afobe malefaka, ary ara-bakiteny, sisin’ny afobe alehan’ny ankizy kely maty tsy vita batemy. (...) Toerana mitokana”. Mbola momba ny limby ihany, dia manambara toy izao ny Firaketana katolika vaovao (anglisy): “Amin’izao andro izao ireo teolojiana dia mampiasa io teny io momba ny fivahinian’ireo fanahy izay tsy mendrika ny afobe na ny fampijaliana mandrakizay ao, kanefa tsy afaka niditra tany an-danitra talohan’ny Fanavotana (ny limbin’ireo Patriarka), na tsy mahazo miditra any mandrakizay noho ny fahotana tamin’ny fototra fotsiny (ny limbin’ny zaza).”
Manampy teny toy izao anefa io boky io ihany: “Raharaha faran’izay sarotra ny amin’ny fiafaran’ny ankizy maty tsy vita batemy. (...) Anisan’ireo raharaha momba ny teolojia mbola tsy ahitana vahaolana foana ny zava-manahirana ny amin’ny limby. Tsy nanamafy ara-dalàna ny fisian’ny limby mihitsy ny Eglizy.” Manamarina izany amin’izao teny izao koa ny Firaketana britanika vaovao (anglizy): “Koa satria ny Eglizy katolika tsy nanamafy mihitsy ny fisian’ny toe-piainana na toerana antsoina hoe limby, dia mbola tsy nahazoana valiny foana ny fanontaniana ny amin’ny fisiany.”
Na ahoana na ahoana, dia katolika mafana fo maro no mino ny limby. Aoka anefa hieritreritra isika: hisy fifandrindran-kevitra ve amin’izany hoe fanamelohana zazakely hitoetra mandrakizay ao amin’ny toerana mifono zava-miafina sy tsy voafaritra tsara, noho izy ireny maty tsy vita batemy fotsiny?
Miresaka ny amin’ny limby ve ny Baiboly? Tsia, tsy hita mihitsy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra io teny io. Mahatonga fanontaniana lehibe izany: Mankaiza moa ireo maty, na olon-dehibe izy na zazakely?
Mankaiza moa ireo maty?
Mihevitra ireo anisan’ny Fiangonana ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ny ankapobeny fa mankany an-danitra ny maty, na mankany amin’ny afobe. Fa inona no ampianarin’ny Baiboly ny amin’izany? Izao: “Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5). Araka izany, dia tsy mahalala na inona na inona ny maty. Tsy velona na aiza na aiza izy ireny, fa maty fotsiny izao.
Manamarina izany ireto tapany avy amin’ny bokin’ny Salamo ireto: “Ny maty tsy mba hidera an’i Jehovah, na izay midina any amin’ny mangingina.” (Salamo 115:17). “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” — Salamo 146:3, 4.
Ary ny fanahy? Tsy mety maty ve izy io? Mifanohitra amin’izay inoan’ny ankamaroan’olona, dia tsy izany no izy. Izany no asehon’ny Baiboly izay manambara mazava toy izao: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4, 20). Ahitana porofon’izany amboniny ao amin’ny Asan’ny apostoly 3:23, izay amakiantsika toy izao: “Ary izay [fanahy, MN ] rehetra tsy hihaino izany mpaminany [Jesosy] izany dia haringana tsy ho eo amin’ny olona.”
Mifarana eo amin’ny fahafatesana ve ny zavatra rehetra?
Tsy hoe tsy maintsy ho faran’ny zavatra rehetra akory ny fahafatesana. Hoy Jesosy: “Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana [am-pasana fahatsiarovana, MN ] ny feony; dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana.” (Jaona 5:28, 29). Ambonin’izany, tamin’ny fanompoany teto an-tany, dia tena nanangana olona sasany tamin’ny maty tokoa i Jesosy. Ny niavaka indrindra tamin’ny fananganana nataony dia ny an’i Lazarosy, anankiray tamin’ireo namany maty hatramin’ny efatra andro. Rehefa niantsoantso i Jesosy hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!” dia nitsangana ilay maty, avy eo dia nivoaka avy tao am-pasana. Talanjona ny vahoaka izay nandinika ny fisehoan-javatra. Ary toy inona moa ny hafalian’i Maria sy Marta, anabavin’ilay maty! — Jaona 11:38-45.
Taiza moa Lazarosy nandritra ireo efatra andro ireo? Tany an-danitra ve? Tany amin’ny limby? Tsy milaza na mampahafantatra izany ny Baiboly. Raha nahatsiaro tena tany ho any i Lazarosy, dia azo antoka fa ho niresaka izany nanodidina azy izy. Manantitrantitra toy izao anefa ny Baiboly: “Ny maty (...) tsy mba mahalala na inona na inona.” — Mpitoriteny 9:5.
Nitranga tany Naina ny fisehoan-javatra mampahery hafa iray. Rehefa nanatona ny vavahadin’io tanàna io i Jesosy, dia nifanehatra tamin’ny laharan’olona handevina. “Zanakalahy tokan’ny” mpitondratena iray no maty. Nampihetsi-po an’i Jesosy izay feno hatsaram-po sy fitiavana ny ranomason’io reny io. Nanatona i Jesosy ary nampiato ny laharana ka niteny hoe: “Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.” Dia niarina ny maty! Azo alaina sary an-tsaina mora foana ny faharavoravoan’ilay reniny sy ny fahagagan’ireo izay nanatrika ilay fisehoan-javatra. — Lioka 7:11-17.
Niresaka ny amin’ny fivahiniany tany an-danitra na tany amin’ny limby ve io zazalahy io? Tsia. Ahoana rahateo koa no nahafahany ho nanao izany? “Ny maty (...) tsy mba mahalala na inona na inona.” Ampitahain’ny Baiboly amin’ny torimaso lalina koa ny fahafatesana. Nilaza Davida hoe: “Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô; ampahazavao ny masoko, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho.” (Salamo 13:3). Afa-tsy izany koa, taloha kelin’ny hanangana an’i Lazarosy, dia nampitaha ny fahafatesana tamin’ny torimaso i Jesosy. — Jaona 11:11-14.
Rehefa fantatra izany, dia izao koa no fanontaniana:
Mankany an-danitra ve ny tsara fanahy sasany?
Izany tokoa, mankany an-danitra ny olona tsara fanahy sasany. Tsy fantatry ny ankamaroan’ny mpivavaka fa ny tsara fanahy, na kristiana marina, dia mahaforona antokony roa miavaka, raha ny marina. Ny vitsy aminy dia mankany an-danitra mba hanjaka eo anilan’i Jesosy Kristy, fa ny ankamaroany kosa hiaina mandrakizay eto an-tany. Mety hahagaga izany. Aoka àry hodinihintsika izay ampahafantarin’ny Baiboly antsika momba an’io raharaha mahaliana io.
Inona moa tamin’ny voalohany no fikasan’Andriamanitra ny amin’ny olombelona? Moa ve izy namorona an’i Adama sy Eva mba ho velona fotoana kelikely tao amin’ny saha Edena, avy eo dia ho faty ka hankany an-danitra? Tsia. Nanankina taminy asa manokana mahakasika ny tany Andriamanitra. Hoy izy tamin’ireo: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” (Genesisy 1:28). Tsy manova na inona na inona amin’ny fikasany voambara Jehovah. Manantitrantitra toy izao izy ao amin’ny Salamo 89:34: “Ny fanekeko tsy hotsoahako, ary ny nolazain’ny molotro tsy hovako.” Noho izany, dia haverina indray ny Paradisa toy ny tany Edena ka honenan’ny mpanompo mahatokin’i Jehovah, izay mahaforona ny antokony maro an’isa indrindra voatonona etsy ambony.
Ireo anisan’ny antokony vitsy kokoa dia anankinana tombontsoa manokana tokoa, dia ny hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hiara-hanapaka ny olona izay hiaina eto an-tany izy ireny, hiaraka amin’i Jesosy. Ho amin’io Fanapahana, na Fanjakana io no ivavahan’ny kristiana ao amin’ny Rainay Izay any an-danitra. Afa-tsy izany koa, ao amin’io vavaka io, dia mangataka toy izao amin’Andriamanitra isika: “Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:9, 10.
Ambaran’ny Baiboly ve ny hoe olona firy no hanana tombontsoa lehibe hanjaka any an-danitra eo anilan’i Kristy? Izany tokoa. Milaza mazava toy izao ny Apokalypsy toko faha-14, andininy 1: “Ary hitako fa, indro, ny Zanak’ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Azy, samy manana ny anarany sy ny anaran’ny Rainy voasoratra eo amin’ny handriny. Aoka tsy hohadinointsika fa, araka ny voalazan’ny andininy voalohany indrindra amin’ny Apokalypsy (MN ), io boky io dia mampiasa marika, na “famantarana” maro. Mampiseho an’i Jesosy Kristy “ny Zanak’ondry” (jereo Jaona 1:29). Fa raha ny amin’i Ziona, izany dia manondro, tsy ny renivohitry ny fanjakan’Isiraely, fa “Jerosalema any an-danitra”. — Hebreo 12:22.
Mitondra fanazavana ny amin’ireo antokony roa ireo ny toko faha-7 amin’ny Apokalypsy, ny antokony iray ho eto an-tany, ary ny faharoa, ho any an-danitra, araka ny efa noresahinay. Ny andininy faha-4 ka hatramin’ny faha-8 dia manisy fitenenana ny amin’ny olona 144 000 “voaisy tombo-kase avy tamin’ny firenen’ny Zanak’Isiraely rehetra”. Io famantarana hafa io dia mampiseho ny Isiraely ara-panahy, na “Isiraelin’Andriamanitra”. (Galatiana 6:16.) Izao no vakintsika ao amin’ny Romana 2:29: “Fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin’ny fo, amin’ny fanahy.” Mampiseho ny antokony ho eto an-tany amin’izao teny izao ny Apokalypsy 7:9 rehefa avy eo: “Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny.”
Hiaina eto an-tany koa ny tsara fanahy
Olona tsara fanahy an-davitrisany maro no hiaina eo amin’ny tany izay ho tonga paradisa (Lioka 23:43, MN ). Ho tianao ve ny ho anisan’izy ireny? Tsy isalasalana mihitsy fa izany no ho izy. Ho toy inona moa ny fahasambarana hiaina eo amin’ny tany voadio, afaka amin’ny fandotoana, ny mosary, ny heloka bevava, ny fanaintainana sy ny tahotra ady noklehera hahatsiravina! Manambara fiovana toy izany ve ny Baiboly? Eny, izao no ambarany: “Fa ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany. (...) Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana. Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” — Salamo 37:9, 11, 29; jereo Matio 5:5.
Ary ireo zazakely maty? Hanana ny toerany eo amin’ny tany tonga paradisa ve izy ireny? Tsy ao amin’ny limby izy ireny, satria tsy misy io toerana io. Ny ankizy madinika tadidian’Andriamanitra kosa anefa dia ho velona indray amin’ny alalan’ny fananganana ny maty, anankiray amin’ireo fampanantenana mahatalanjona omen’ny Tenin’Andriamanitra vao avy noresahintsika (Jaona 5:28, 29; Asa. 24:15). Angamba namoy olo-malala ianao ka matetika no manontany tena hoe aiza izy izay. Asehon’ny Soratra masina mazava fa matory ny olona mandra-panangana azy amin’ny maty. Ho tianao ve ny hahafantatra bebe kokoa ny amin’io fanantenana kanto io, dia ny hiaina eo amin’ny tany paradisa? Raha izany no izy, nahoana raha miara-midinika ny amin’izany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitsidihany manaraka?
[Teny notsongaina, pejy 6]
Mankany an-danitra ny olona tsara fanahy sasany. Iza moa izany?
[Sary, pejy 5]
Taiza moa i Lazarosy talohan’ny nananganan’i Jesosy azy tamin’ny maty?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]
Sary nalaina tao amin’ny sahan-javamaniry any Brooklyn