Mahomby na inona na inona vidiny ve?
IZAY tapa-kevitra ny hahomby dia tsy maintsy mametra zava-kendrena voafaritra tsara. Zava-kendrena inona no nomenao ho an’ny tenanao? Ho lasa hatraiza ianao mba hahatrarana izany? Inona no tokony ho voalohany amin’ny zava-kendrenao, dia izay hanome anao fahafahampo lalina sy hahatonga anao ho sambatra marina tokoa?
Ao amin’ny tany maro eo an-dalam-pandrosoana, ny fari-piainan’ny olona amin’ny ankapobeny dia tsy mahafapo velively. Ny fandinihana ny torohevitra feno fahendrena omen’ny Tenin’Andriamanitra mba handaminana io karazam-pahasahiranana io dia hanampy antsika handanjalanja na aiza na aiza toerana iainantsika.
Manosika olona maro hanokana ny fiainany indrindra ho amin’ny fahombiazany ara-bola ny fitaran’ny fahantrana. Afa-tsy izany, dia tsy miahotrahotra mampiasa fomba tsy marina ny sasany mba hahatongavana amin’izany. Kanefa, ireo izay tonga kristiana marina dia tsy maintsy nitondra fiovana hentitra mba hanarahana ireo fotopoto-pitsipika marina ao amin’ny Baiboly.
Kanefa, misy aza kristiana manaiky ho voafitaky ny zava-kendrena mampiseho fitiavana zavatra ara-nofo indray. Tonga hatramin’ny fananana fitondrantena tsy kristiana ny sasany, mba hanatrarana izany. Misy ray aman-dreny mamela ny fianakaviany. Ny hafa indray dia manao tsirambina ny fanompoana an’Andriamanitra. Heverinao ve fa afa-po kokoa amin’ny fiainana sy sambatra kokoa ireny olona ireny?
Mampitandrina antsika amin’ny vokatr’izany fihetsika izany ny Baiboly. Izao no vakintsika: “Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra (...). Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” — 1 Timoty 6:9, 10.
“Ny ratsy rehetra”. “Nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” Moa ve ireo teny ireo toa mampahatsiahy aminao ny fahafahampo sy ny fahasambarana? Nandritra ireo taonjato lasa ary hatramin’izao androntsika izao, ny fiainan’ny olona an-tapitrisany maro dia manamafy amin’ny fomba mazava ny fahamarinan’io fanambaran’ny Baiboly io. Inona àry no tokony ho zava-kendrena sy fomba fiainan’ny kristiana?
Voavily niala izy — Tamin’ny fomba ahoana?
Ahoana no mety hahatonga ny kristiana iray ho voavily hiala amin’ny finoana? Ny sasany tonga hatramin’ny fanilihana tanteraka ireo fotopoto-pitsipika sy zavatra inoana ao amin’ny Baiboly. Ny hafa miala amin’ny fitiavam-pivavahana ary mampiasa izany aza mba hampiharana fitaomana eo amin’ny olon-kafa. Toy izany no iresahan’ny Baiboly ny amin’ny “olona vetaveta saina sady efa nialan’ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ho fahazoan-javatra”. (1 Timoty 6:5.) Na dia tsy namela tanteraka ny kristianisma aza izy ireo, dia dikainy indraindray ireo fotopoto-pitsipika izay iorenan’ny finoana kristiana.
Nampianatra ny mpianany Jesosy mba tsy hanahaka ny olona eo amin’ireo firenena izay tia manapaka ny hafa. Hoy izy taminy: “Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo”. Lasa lavidavitra kokoa aza Jesosy rehefa nanameloka ireo filoha ara-pivavahana jiosy. Nasehony fa mitarika ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra ny hetahetam-boninahitra tsy mety afa-po (Matio 20:26; 23:6-9, 33). Tokony hitady izay hifanompoana ny kristiana fa tsy hampanjavona na hanapaka ny namany. Izay tia vola sy maniry hahomby na inona na inona vidiny dia mety hihataka mora foana amin’izany lalana izany.
Ary ianao? Mety hanohatra ny fahombiazanao manokana amin’ny lanjan’ny fahefanao ve ianao? Mampiasa na manolana ny fampianarana sy ny fotopoto-pitsipika kristiana ve ianao mba hahazoana fahefana na mba hampitoerana ny fitaomanao? Mihevitra ve ianao fa tokony hihoatra ny namanao, na inona na inona vidin’izany? Mahita fahafinaretana be ve ianao miresaka ny amin’ny fanananao sy ny zava-bitanao eo amin’ny asa? Raha izany no mitranga, dia zava-dehibe ny hanontanianao tena sao dia eo an-dalam-piviliana hiala amin’ny finoana ianao.
“Fahombiazana” mampanaintaina
Niteny koa Jesosy hoe: “Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany (...) Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao. (...) Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna [ny harena] hianareo.” (Matio 6:19-24). Moa ve ireo ray aman-dreny izay mamporisika ny zanany hanatratra zava-kendrena ara-nofo indrindra fotsiny sy hikatsaka asa tsy miankina amin’ny fivavahana manaraka io torohevitra io? Tokony hamporisihina marina tokoa ve ny ankizy hahita fahombiazana eo amin’ny lafiny ara-nofo raha miala amin’ny fahamarinana izy avy eo ka manaraka fomba fiaina tsy kristiana? Mety ve ny hamoizana, na, fara faharatsiny hanaovana izay hahatandindomin-doza ny fiainana ara-panahin’izy ireny noho ny “harena etỳ an-tany”? Tamin’ny fanaovana toy izany, dia nisy ray aman-dreny, noho izy nokikisan’ny fanahiana ny amin’ireo zanany, “nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be” ary tsy maintsy nalahelo mihitsy noho ny fahaverezana ara-panahy, ary indraindray aza ny fahafatesan’ireo zanany.
Tsy mety afa-po ny fitiavan-karena. Maka fotoana, hery, fahaizana manokana izany, ary tsy manome toerana mihitsy ho an’ny fitiavam-pivavahana. Manosika mandrakariva hitady harena bebe kokoa sy laza bebe kokoa io fitiavana io, ka mampanalavitra hatrany ihany amin’ny finoana an’ireo izay latsaka amin’izany. Ara-dalàna ny anambaran’ny Baiboly hoe: “Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena”. — Mpitoriteny 5:9.
Na dia lasa kristiana aza izy, ny lehilahy mpanao raharaham-barotra afrikana iray dia nanohy nanome ho an’ny fahombiazana ara-bola ny toerana voalohany. Navelany ireo asa fanaon’ny kongregasiona mba hifaneraserana amin’ireo mpiara-miasa aminy ary tsy nandroso mihitsy teo amin’ny lafiny ara-panahy izy na dia tao aza ny fanampian’ireo loholona tao amin’ny kongregasionany. Tao amin’ny fahasahiranana tsy nisy hihodivirana izy, tao amin’ny “no man’s land” (faritra tsy an’ny lehilahy) araka ny fanahy; tsy azo natao ny nilaza fa kristiana izy, na dia niriny aza ny hoheverina ho toy izany. Tsy sarotra ny maminany fa tsy afaka nanome azy na fahafahampo lalina, na fahasambarana maharitra, izany toe-piainana izany.
Mametraka ny tenany ho azon’ny zava-manahirana ara-panahy ireo izay ao anatin’ny tarehin-javatra mitovy amin’izany. Ny kristiana izay manana fifandraisana momba ny asa sy ara-pisakaizana amin’olona moramorainy loatra na maloto ara-pitondrantena dia mety hifindran’ny fitaomany manimba. Tsy maintsy miady àry izy sady amin’ireny fitaomana ireny no amin’ny fieritreretany izay mandrakariva mifanohitra aminy. Ny sasany amin’izy ireny dia miafara amin’ny fanaovan-javatra toy ny ataon’izay ifaneraserany ary miala tanteraka amin’ny finoana (1 Korintiana 15:33). Inona moa no vidin’ny fahombiazana ara-bola raha mitarika ho amin’ny loza ara-panahy sy ara-pitondrantena toy izany izy io? Araka ny nolazain’i Jesosy, “inona moa no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy [ny fanahiny]?” — Matio 16:26.
Fahombiazana tsaratsara kokoa
Ny fanandramana dia mampiseho fa tena feno tokoa izao torohevitry ny Baiboly izao: ‘Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao, fa fantaro ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.’ “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.” Tena fanehoana fahendrena marina tokoa ny tsy fanahafana an’izao tontolo izao na ny tsy fanembonana izay mety hatolony antsika. Tokony hikatsaka voalohany indrindra ny fankasitrahan’Andriamanitra isika, dia fankasitrahana izay tsy mety ho azo raha sady mikatsaka ny fananana eo amin’izao tontolo izao isika. — Romana 12:2; 1 Jaona 2:15, 16.
Mba hanazavana izany, Jesosy dia naka ny ohatry ny mpamboly iray izay nitoky tamin’ny hareny, nefa nilazan’Andriamanitra hoe: “Ry adala, anio alina ihany no alaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharinao?” Izao no fianarana notsoahin’i Jesosy avy amin’io fanoharana io: “Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’Andriamanitra.” Nasehon’i Jesosy fa “ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany”. — Lioka 12:15-21.
Naverin’i Jesosy io fampisehoana io ihany tamin’ny fakana ny ohatra tena nisy ny amin’ny mpanapaka tanora iray nanan-karena izay nahita fahombiazana teo amin’ny lafiny ara-nofo ary toa naniry hitoetra ho olona mahitsy. Kanefa dia tsy nasehon’i Jesosy velively ho ohatry ny fahombiazana io lehilahy io, fa nilaza izy fa ho sarotra amin’ny olona toy ireny ny “hiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra”. Ny ankamaroan’izy ireny tokoa mantsy dia tsy vonona hamoy ny tombontsoany manokana mba hanaovana ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny zava-kendrena lehibe indrindra eo amin’ny fiainany. — Lioka 18:18-30.
Nosoritan’i Jesosy ny hasarobidin’ny zavatra ara-panahy ka nanambara izy hoe: “Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” Tokony hanana fanombanana marina ny vidin-javatra àry isika, na dia momba ny zavatra ilaina aza. Tsy hahita ny tena fahombiazana isika, izany hoe ny fahasambarana sy fahafahampo marina, raha tsy mikarakara ny zavatra ara-panahy aloha. — Matio 6:31-33.
Aoka isika hanohy hitady ny fahombiazana ara-panahy
Mazava ho azy fa ny fikatsahana ny fahombiazana ara-panahy amin’ny fitadiavana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Fahamarinany no lalam-pahendrena. Ilaintsika amin’izany ny mianatra ny Baiboly mba ‘hamantarantsika ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina’. Ny sitrapony dia ny hametrahantsika ny fanompoana azy eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainantsika; ny handraisantsika anjara amim-paharisihana amin’ny fanompoana kristiana; ny tsy hahafoizantsika ireo fivoriana kristiana, sy ny hananantsika fiainana madio mifanaraka amin’ny Fahamarinany. Tsy tokony havelantsika hisalovana ireo asa ireo ny zava-kendrena mampiseho fitiavana ny zavatra ara-nofo. Izany no asehon’ny torohevitra nomen’i Jesosy ilay mpanapaka tanora nanan-karena hoe: “Amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an’ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia, manaraha Ahy.” — Romana 12:2; Lioka 18:22.
Amin’ny fanaovana toy izany, dia hanamafy orina ny fiainana ara-panahinao sy ny an’ny fianakavianao ianao. Hanalavitra ny fahatongavana ho miavonavona sy ny fanorenana ny fanantenanao amin’ny harena tsy azo antoka ianao, ary ho anisan’ireo izay ‘hanan-karena amin’ny asa tsara, ka hihary amin’izany ho anao, ho toy ny harena azo antoka, fanorenana tsara ho an’ny ho avy, mba hihazonanao mafy ny tena fiainana’. Eny, afaka manantena ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany izay ho tonga Paradisa indray ianao, satria “mandalo izao tontolo izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. Ny fanatrarana izany zava-kendrena izany dia azo antoka fa ho ny fahombiazanao tsara indrindra. — 1 Timoty 6:17-19; 1 Jaona 2:17.
[Sary, pejy 5]
Moa ve ny vola no fanalahidin’ny fahombiazana?
[Sary, pejy 7]
Moa ve ny ray aman-dreny tokony haniraka ireo zanany hanao fianarana ambony amin’ny fikendrena ny hahita fahombiazana?