FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/9 p. 27
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny hany fanafodiny
  • Fisehoan-javatra lehibe ho an’ny rehetra
  • “Ny tena zava-dratsy”
  • Ny fiadanana avy amin’Andriamanitra: rahoviana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Afaka miantoka fiadanana sy filaminana maharitra ve ny olombelona
    Ny Tena Fiadanana sy Filaminana—Avy Aiza no Hiaviany?
  • Ny fijerin’ny Baiboly ny fiadanana sy filaminana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Aoka isika hibanjina mihoatra noho ny “Fiadanana sy filaminana” aorin’olombelona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/9 p. 27

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Ny hany fanafodiny

Tamin’ny taona lasa, ny foibem-pitsaboana any Mt. Sinai, any New York, dia nandray mpandinika ny fisehoan’ny fahanterana maro avy hatraiza hatraiza mba handinika ireo raharaha momba ny biolojian’ny fahanterana. Zavatra iray fara fahakeliny no nahariharin’io fihaonana io: tsy miray hevitra ireo manam-pahaizana raha ny amin’ny antony mahatonga ny olona hihantitra sy ho faty. Araka ny filazan’ny Newsweek on Science & Technology, dia mihevitra ny sasany fa “sahala amin’ny fisehoan-javatra hafa mifamatotra amin’ny ambaratongam-piovaovana eo amin’ny fiainana, ny fahanterana dia ‘voalahatra’ ara-pandovan-toetra”. Manampy teny toy izao anefa io boky io: “Sarotra ny mihevitra fa nety ho nanao ‘gène’ momba ny fahanterana ny natiora.” Nanipy hevitra i Leonard Hayflick, mpandinika ny fisehoan’ny fahanterana, mpampianatra ao amin’ny oniversiten’i Floride, fa “nivoatra miandralana angamba ny ‘gènes’ sasany mba hamelana ny olombelona ho salama tsara hatrany sy hiasa amin’ny fomba feno mandra-pahafahany miteraka”. Notsoahiny avy amin’izany fa rehefa tonga eo amin’ny fahatelopolo taonany ny olona, dia manomboka tsy misy vokany intsony ireny ‘gènes’ momba ny halavan’ny andro iainana ireny. “Amin’izao andro izao”, ny antenaina fa ho halavan’ny andro iainana ireny. “Amin’izao andro izao”, ny antenaina fa ho halavan’ny andro iainan’ny “zazakely” amerikana iray dia zara raha mihoatra ny 74 taona, ary “na dia ny fahasitranan’ny aretina mahakasika ny olona be taona — toy ny homamiadana, ny aretin’ny tonontaolana na ny aretin’i Alzheimer aza — dia tsy hampihemotra be dia be ny fetran’ny taona marihina”.

Raha sarotra ho an’ny mpahay siansa mandinika ny amin’ny fahanterana ny mahita ny fanafodiny sy ny mahatonga azy, dia tsy mba toy izany amin’ny olona izay nianatra tamim-pitandremana ny Tenin’Andriamanitra. Ny antony mahatonga ny olona hihantitra sy ho faty tokoa dia velabelarina ao amin’ny Romana 5:12: “Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana.” Ny hany fanafodin’ny vokatry ny fahotana nolovana dia ilay homena noho ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. “Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany.” (1 Jaona 4:9). Eo ambany fiandrianan’i Kristy, dia “tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana.” — Apokalypsy 21:3, 4.

Fisehoan-javatra lehibe ho an’ny rehetra

Ny 8 desambra 1987, ireo filohan’ny fanjakana lehibe indrindra anankiroa eto amin’ny planeta dia nihaona mba hanao sonia fanekena momba ny fampihenana ny fitaovam-piadiana noklehera. Nolazaina fa “zava-dehibe tokoa” ho an’ny olombelona io fisehoan-javatra io. Fa nahoana? Satria, araka ny Daily News any New York, “hatramin’ny nanombohan’ny andro ataomika, dia vao voalohany izao no nifanaraka ireo ngeza, tsy hoe mba hamerana ny fitaovam-piadiana noklehera fotsiny, fa mba hanafoanana koa tapany manontolo amin’ny fandaharam-piarovan’izy ireo”. Raha niresaka ny amin’ny fampihenana fitaovam-piadiana mbamin’ilay fanekena mihitsy ilay gazety mivoaka isan’andro resahina, dia nanampy teny toy izao: “Raha azo itarina ny halehibeny sy ireo fotopoto-pitsipika ifotorany, dia angamba izany hanana ny toerany eo amin’ny Tantara ho toy ny fizarana voalohany amin’ny tantara mampangitakitaka lehibe dia lehibe iray hiseho eo amin’ny sehatra maneran-tany, dia tantara hanana ho foto-kevitra ny fiadanana sy filaminana maneran-tany.”

Marina fa manana ny halehibeny ireo fanoloran-kevitra ankehitriny ho fanohanana ny fiadanana sy ny filaminana. Tsy ho azo atao anefa ny hiresaka ny amin’ny fisehoan-javatra lehibe haneran-tany raha tsy rehefa hiantsoantso hoe fiadanana sy filaminana amin’ny fomba miavaka tsy mbola nisy toy izany mihitsy ireo filoha ara-politika eo amin’izao tontolo izao. Ny antsoantso hataony amin’izay tokoa dia ho hafa tanteraka noho izay re hatramin’izay. Nahoana no afaka matoky ny amin’izany isika? Satria ela be izay, dia nanambara ity faminaniana ity ny apostoly Paoly: “Rehefa hilaza izy ireo hoe: ‘Fiadanana sy filaminana!’, dia tsy maintsy ho avy tampoka aminy ny fandringanana (...); ary tsy ho afa-mandositra tanteraka izy ireo.” (1 Tesaloniana 5:3, MN ). Rehefa avy eo, eo ambany fiandrianana feno fahasoavan’i Kristy Jesosy, ilay “Andrian’ny fiadanana”, dia ho voaorina ny tena fiadanana sy filaminana rehefa ela ny ela. — Isaia 9:5, 6.

“Ny tena zava-dratsy”

Araka ny filazan’ny dokotera Merrick Thomas, manam-pahaizana momba ny toe-tenan’ny vehivavy sy ny fampivelomana any Denver, Etazonia, “ny SIDA dia tsy voina ahitan-doza na loza aman’antambo araka ny natiora tsy azo sorohina. Ny fielezany be dia be dia vokatry ny fitondrantenantsika tsy mety (...). Tsy afaka hanome tsiny afa-tsy ny tenantsika isika”. Raha nanazava izany fitsarana izany tao amin’ny gazety mivoaka isan’andro iray (ny Rocky Mountain News), io mpitsabo io dia nanao fanamarihana hoe: “Tsy aretin’ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy ny SIDA, fa an’ny fitondrantena tsy mendrika. (...) Ho voakasik’io karazan’aretina io mivantana àry izay rehetra manana fiainana maloto.” Koa araka ny filazan’i Merrick Thomas, dia “ny fitondrantenantsika no tena zava-dratsy”.

Raha niresaka ny amin’ny fitondrantena tsy azo alan-tsiny anan’ny olona izay mihambo ho mahalala an’Andriamanitra i Paoly dia nanonona teny izay mihatra tanteraka amin’izao androntsika izao. “Ary izany no nanoloran’Andriamanitra azy tamin’ny filan’ny fony ho amin’ny fahalotoana, (...) ho amin’ny filan-dratsy mahavoafady (...) nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.” (Romana 1:24-27). Ny fiainana madio, mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly dia matetika no fiarovana amin’ny ratsy mampahory ny olombelona amin’izao andro izao. — Salamo 19:7-11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara