Ny fanarahana ny dian’i Kristy: Mitaky fiezahana
“Fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo, mba hanarahanareo ny diany.” — 1 PETERA 2:21.
1, 2. a) Inona moa no mety ho tsy mora tokoa, ary nahoana no mahaliana ny kristiana io raharaha io? b) Fanontaniana inona avy no mipetraka?
RAHA efa nandeha tao anaty orampanala mangatsiaka ianao na teny amin’ny tora-pasika madinika, moa ve tsy efa mba nahita dian-tongotra navelan’ny mpitsangatsangana sasany talohanao ianao? Angamba aza ianao teo anoloan’ny lalana maromaro, dia nanandrana nanaraka ny anankiray taminy sady nampifanaraka ny famindranao araka izay azo atao tamin’ny marika nataon’ilay nialoha anao. Izany ve no niseho? Fantatrao àry fa tsy mora akory ny raharaha. Eny, amin’ny heviny ara-bakiteny sy an’ohatra dia tena tsy mora ny manaraka ny dian’ny olona iray. Kanefa tamin’ny nitafiantsika ny anarana hoe kristiana, dia nampahafantatra ny faniriantsika hanaraka akaiky ny dian’i Kristy isika.
2 Vonona hanao ny fiezahana ilaina ve ianao ho fanatanterahana izany zavatra tsy mora izany, ary izany dia na inona na inona hitranga? Raha izany no izy, ny fahalalana tsara ny zava-tsarotra hitan’izay maniry hanaraka ny dian-tongotra eny amin’ny fasika na any anaty orampanala, dia hanampy anao hanaraka tsaratsara kokoa ny dian’i Kristy amin’ny heviny ara-panahy.
Aoka isika hianatra hampifanara-javatra
3. Nahoana no tsy tonga amintsika ho azy ny fomba fanarahana ny dian’olona iray?
3 Samy hafa avokoa ny famindrantsika izay, ohatra, miavaka amin’ny halehiben’ny dingana ataontsika; tahaka izany koa fa mety hanaraka tsipika mahitsy ny tongotsika, na miditra anatiny na ivelany izany, ka ny zoro voaforona noho izany, dia mety hiharihary kokoa arakaraka ny hoe tongotra ankavanana na ankavia izy io. Hitanao ve ny maha-sarotra izany? Noho izany, mba hanarahana ny dian’ny olona iray, dia ilaintsika ny mampifanaraka amin’ny azy ny halehiben’ny dingantsika sy ny toeran’ny tongotsika. Tsy ho tonga amintsika mora foana akory izany, nefa tokony hanaiky io fomba fanao io isika, satria tokana ihany izany.
4. Nahoana no sarotra kokoa ny manara-dia an’i Kristy?
4 Ara-panoharana dia tokana ny fomba fandehan’i Jesosy, satria izy irery ihany no lehilahy lavorary tamin’ireo niara-belona taminy; eny, olombelona iray “izay tsy nahalala ota”. (2 Korintiana 5:21.) Koa satria amin’ny toe-tenany ny olombelona dia tsy tanteraka sady andevozin’ny ota, dia tsy voajanahary aminy ny manara-dia an’i Jesosy; izany no nampahatsiahivin’i Paoly an’ireo kristiana tao Korinto: “Fa mbola araka ny nofo ihany hianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va hianareo ka mandeha araka ny fanaon’ny olona?” Ny fironana ho amin’ny fialonana sy ny fifandirana ary ho amin’ny “asan’ny nofo”, dia ara-dalàna eo amin’ny olona tsy lavorary; Jesosy kosa dia nanaraka ny lalan’ny fitiavana, ary “ny fitiavana tsy mialona, (...) tsy mora sosotra”. Araka izany dia sarotra kokoa ho antsika ny mandeha manara-dia an’i Kristy noho ny manaraka ny dian’ny olombelona iray tsy tanteraka. — 1 Korintiana 3:3; 13:4, 5; Galatiana 5:19, 20; jereo Efesiana 5:2, 8.
5, 6. a) Nahoana no maro ny olona tsy manara-dia an’i Kristy? Noho izany antony izany, torohevitra inona no nomen’i Paoly? b) Famporisihana inona avy no raisin’ny olombelona ankehitriny mba hanarahany ny dian’i Kristy, ary inona avy no vokatr’izany ho azy?
5 Ankoatra ny tsy fahatanterahana, ny tsy fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra dia mety hanakana ny olona iray tsy hanaraka ny dian’i Kristy. Noho izany i Paoly dia nanome ho an’ny kristiana tao Efesosy izao famporisihana manaraka izao: “Ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ny jentilisa amin’ny fahafoanan’ny sainy; fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ao anatiny, noho ny hamafin’ny fony.” — Efesiana 4:17, 18.
6 Noho ny fitoriana ny Fanjakana, ny olombelona ankehitriny dia asaina tsy handeha intsony, tahaka ny ataony, ao amin’ny fahamaizinana ara-tsaina, asehon’ny tsy fahalalana ireo fikasan’Andriamanitra ary mba tsy hotarihin’ny hamafin’ny fony intsony ka hikatsaka zava-kendrena tsy mamokatra. Mifanohitra amin’izany, dia amporisihina izy ireo hanaraka ny ohatra tanteraka navelan’i Kristy sy ‘handeha ao aminy’ ka amin’izany dia ‘hamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy’. (Kolosiana 2:6, 7; 2 Korintiana 10:5.) Ny olona vonona hiatrika izany zavatra tsy mora izany dia hahita fijoroana ao amin’ny finoany, ary noho ny fahazarana, dia ho mora kokoa aminy ny hanara-dia an’i Kristy.
7. Na dia tsy mora aza ny manara-dia an’i Kristy, inona no manome antoka ho antsika fa azo atao izany?
7 Tsy hoe mora foana akory ny manaraka ny dian’i Kristy, satria lehibe ny elanelana eo amin’ny zavaboary iray tanteraka sy ny zavaboary iray tsy tanteraka; ny olombelona tsy lavorary àry dia tokony hanao fiovana lehibe raha maniry hanaraka ohatra iray lavorary. Angamba noho ny fandovan-toetra na noho ny toe-javatra manodidina misy azy, dia sarotra kokoa ho an’ny sasany ny manaraka ny fomba fiaina kristiana noho ny ho an’ny hafa. Kanefa manome toky antsika Jehovah fa na iza na iza vonona tokoa hanao ireo fiezahana ilaina, dia mety hahatratra izany. “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mampahery ahy”, hoy ny apostoly Paoly (Filipiana 4:13; jereo 2 Korintiana 4:7; 12:9). Toy izany no izy ho an’ny kristiana rehetra.
Aoka isika hampiseho fitandremana
8, 9. a) Nahoana isika no tokony haneho fitandremana lehibe indrindra, rehefa manaraka dian’olona? b) Torohevitra inona ao amin’ny Baiboly moa no tokony harahintsika mba tsy hihatahantsika amin’ny dian’i Jesosy?
8 Rehefa manaraka dian-tongotra eny amin’ny fasika isika, dia zava-dehibe ny mijery izay andehanantsika; raha tsy izany, raha toa miriorio ny masontsika ka variana amin’izay miseho manodidina antsika isika na amin’ny zavatra hafa ihany koa, dia tsy maintsy hibolisatra isika na ho ela na ho haingana. Raha tsy maneho fitandremana lehibe amin’izay ataontsika isika, dia hihataka amin’ny dia arahintsika. Araka izany, dia mila mitandrina foana isika, indrindra rehefa mety hitranga ny tabataba tampoka na fisehoan-javatra mety hampivily ny fitandremantsika amin’ny asa tokony hotanterahintsika. — Jereo Joba 18:10, 11.
9 Mihatra koa io fitsipika io amin’ny heviny ara-panoharana ho an’ny olombelona izay manara-dia an’i Jesosy. Kristy dia namporisika ny mpianany mba hitandrin-tena, sao “hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao” ny fony. (Lioka 21:34.) Mampiasa ireny fotopoto-javatra amin’ny fiainana andavanandro ireny Satana mba hampanadino antsika ny dian’i Jesosy. Hararaotiny haingana ireo fotoana mampihena ny fiarovantsika tena, toy ny rehefa tratran’ny fanenjehana sy ny aretina na ny fahavoazana ara-bola isika. “Fandrao hindaosina hiala aminy isika”, dia tokony “hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika”; raha lazaina amin’ny teny hafa dia tokony mbola hihoatra hatrany ny fibanjinantsika ny ohatr’i Kristy. — Hebreo 2:1; jereo 1 Jaona 2:15-17.
Aoka isika tsy hivily
10. a) Loza inona no mety ho hita rehefa mifangaro ny dian-tongotra maromaro? b) Amin’ny fampiharana ara-panahy, nahoana no mampidi-doza ny vokatry ny fanarahana lalan-diso?
10 Raha toa izao ka mandeha eny amin’ny tora-pasika be olona isika, dia nety ho nitahiry dian-tongotra maro be ny fasika mando, ary olona maro no nety ho nandeha teo amin’ny toerana iray ihany, ka ny dia sasany dia mitovy, fara faharatsiny araka ny fahitana azy. Ilaina indrindra àry amin’izay fotoana izay ny ahazoantsika antoka fa manaraka ny soritra tsara isika, raha tsy izany, dia angamba ho voatarika any amin’ny lalan-diso isika, ka, amin’ny fampiharana amin’ny heviny ara-panahy izany dia mety hisy vokany ratsy dia ratsy. Amin’ny fanarahana dia izay toa tsara, kanefa tsy izany tsinona, no ampidirana ho an’ny tena, loza izay ampitandreman’ity ohabolana ity antsika: “Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.” — Ohabolana 16:25.
11. Fampitandremana inona no nomen’i Paoly ny kongregasiona tany am-boalohany, ary tonga ohatra ho an’iza moa i Paoly amin’izao andro izao?
11 Misy tokoa ny loza. Noho izany, tao amin’ny kongregasiona kristiana tany am-boalohany, dia voatosika hilaza toy izao tamin’ireo rahalahiny Paoly: “Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao hianareo hiala amin’izay efa niantso anareo tamin’ny fahasoavan’i Kristy ho amin’ny filazantsara hafa. (...) fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran’i Kristy. (...) raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy!” (Galatiana 1:6-9). Tahaka an’i Paoly, ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia mampitandrina antsika amin’ireo mpivadi-pinoana sy ireo rahalahy sandoka, izay azo lazaina hoe mety hitarika antsika ho amin’ny lalan-diso. Ny kristiana marina dia tsy maniry hiala amin’ny lalana nosoritan’i Kristy ho azy ireo, teo ambany fitarihan’Andriamanitra. — Salamo 44:18.
12. a) Ahoana no anampian’ny 2 Timoty 1:13 antsika mba tsy ho voafitaky ny lalan-diso? b) Inona no mampiavaka karazana vaovao tsara hafa?
12 Raha tsy tiantsika ny ho voafitaka, dia tokony haneho fitandremana lehibe an’ireo marika amantarana ny dian-tongotr’i Kristy isika, ary ny fahalalana marina an’i Jesosy sy ny fampianarany ary ny fomba fiasan’ny kongregasiona kristiana dia manampy antsika hahafantatra “ny teny tsy misy kilema” izay miaro antsika amin’ireo izay “ta-hamadika ny filazantsaran’i Kristy.” (2 Timoty 1:13.) Misy vaovao tsara hafa karazana izay mitarika antsika amin’ny lalan-diso, satria tsy mifanaraka amin’ny modelin’ny fahamarinana; mifanohitra amin’izany kosa, fa mamadika ny fahamarinana izy ireny, mampifangaro ny lalana. Tsy mampiseho amin’ny fomba mazava ireo fahamarinana sy fotopoto-pitsipika lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly izy ireny, fa manohitra izany kosa. Tsy mamporisika antsika harisika kokoa amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy ireny, fa milaza kosa hoe tokony hampihena ny fiezahantsika isika. Tsy manentana mihitsy ny hafatra entiny sady tsy manome voninahitra na ny anarana na ny fandaminan’i Jehovah; tsy manorina velively izany fa mianina amin’ny fanakianana. Tsy izany tokoa ny dia tiantsika harahina.
Aoka isika hitana fomba famindra tsara
13. Manao ahoana no tokony ho fomba famindrantsika rehefa manara-dia olona iray isika?
13 Ny halehiben’ny diantsika dia miankina indrindra amin’ny fomba famindrantsika. Amin’ny ankapobeny, arakaraka ny andehanantsika mafy no maha-lehibe ny dingantsika. Noho izany, ho mora kokoa amintsika ny manara-dia olona iray raha mitovy famindra aminy isika. Toy izany koa, amin’ny lafiny ara-panoharana, mba hanarahana ny dian’i Jesosy Kristy Mpitarika antsika, dia tokony hitovy famindra aminy isika.
14. a) Inona no mety ho hevitry ny hoe tsy mitana fomba famindra tahaka an’i Kristy? b) Nahoana no hadalana ny faniriana handeha haingana kokoa noho ny “mpanompo mahatoky sy malina”?
14 Raha tsy manana famindra tahaka ny an’ny Kristy isika dia zavatra roa no mety ho antony: na manandrana mandeha haingana kokoa noho izy isika, amin’ny fanaovan-javatra mialoha ny “mpanompo mahatoky sy malina” izay ampiasainy hanatanteraka ny fikasan’i Jehovah; na mitaredretra isika, fa tsy manaraka akaiky ny fitarihan’io “mpanompo” io. (Matio 24:45-47, MN.) Ohatra iray ny amin’iry toe-javatra voalohany, dia hita amin’ny kristiana sasany izay taloha dia tsy nahandry tamin’ny faniriany hahita fiovana teo amin’ny lafin’ny foto-pampianarana sy fandaminana. Nihevitra izy ireo fa nilaina ireo fanovana ireo sady tokony ho natao hatramin’ny ela. Diso fanantenana izy fa tsy nandeha haingana ny zavatra, ka niala tamin’ny fandaminan’i Jehovah izy. Fitondrantena adala re izany! ary tsy nampiseho fahiratan-tsaina firy ireny kristiana ireny! Matetika tokoa ireo hevitra tsy nekeny no novana tsy ela tatỳ aoriana, tamin’ny fotoana niheveran’i Jehovah azy. — Ohabolana 19:2; Mpitoriteny 7:8, 9.
15. Ohatra tsara inona no navelan’i Davida mpanjaka sy Jesosy raha ny amin’ny fananana fomba famindra tsara?
15 Toy izay hitady handidy an’i Jehovah ny amin’izay tokony hatao, amin’ny fanoroana azy ny tokony ho fandehan’ny zavatra, ny fahendrena dia ny fiandrasana azy hanao zavatra. Davida mpanjaka dia namela ohatra tsara ho antsika amin’izany lafiny izany, satria nanda ny fiokoana hanisy ratsy an’i Saoly mpanjaka izy, mba hahazoana ny fiandrianana; niandry kosa ny fotoana noferan’i Jehovah hanomezana izany aza izy (1 Samoela 24:1-15). Tahaka izany koa, Jesosy, ilay “Zanak’i Davida” dia nahatakatra fa nilainy ny niandry, alohan’ny handraisany anjara tanteraka amin’ny fiandrianana any an-danitra. Fantany izao fanambarana ara-paminaniana, izay nihatra taminy izao: “Mipetraha eo an-tànako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.” Noho izany, rehefa nitady “haka azy an-keriny hataony mpanjaka” ny antokon’ny Jiosy iray dia niala haingana izy (Matio 21:9; Salamo 110:1; Jaona 6:15). Hebreo 10:12, 13 dia milaza amintsika fa efa ho 30 taona tatỳ aoriana, Jesosy dia mbola niandry foana ny fiandrianana; raha ny marina, niandry efa ho taonjato 19 izy vao nanjaka, ka izany dia nitranga tamin’ny 1914, rehefa nahazo fahefana ny Fanjakan’Andriamanitra.
16. a) Inona no hevitry ny hoe mandeha mora kokoa noho ny tokony handehanantsika? b) Inona no zava-kendren’ny faharipon’i Jehovah, ary inona no azontsika atao mba tsy hanararaotana loatra an’izany?
16 Ny tsy fananana fomba famindra tsara koa dia mety hidika hoe mampiadana ny famindra, mitaredretra. Noho izany, rehefa mampiseho amintsika ny Tenin’Andriamanitra fa tokony hanao fiovana eo amin’ny fiainantsika isika, moa ve isika manao zavatra haingana? sa milaza isika fa satria mahari-po Jehovah, dia afaka mitondra ireny fanovana ireny any aoriana kokoa isika, sady manantena fa amin’izay dia ho mora kokoa ny manao azy? Marina fa mahari-po Jehovah, nefa tsy amin’ny fikendrena ny hanaovantsika tsirambina, fa ny hitondrantsika kosa ireo fanovana ilaina eo amin’ny fiainantsika. ‘Matoa mahari-po amintsika izy, dia satria tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra’. (2 Petera 3:9, 15.) Noho izany dia tsara kokoa ny manahaka ny mpanao salamo izay afaka nilaza hoe: “Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra amin’ny fitandremana ny didinao.” — Salamo 119:60.
17. Inona no hevitry ny hoe manana fomba famindra tsara eo amin’ny lafin’ny fitoriana ny Fanjakana? Fanontaniana inona no azontsika apetraka amin’ny tenantsika amin’izany lafiny izany?
17 Mety hitaredretra koa isika amin’ny lafin’ny fitoriana ny Fanjakana. Araka ny Matio toko faha-25, isika dia miaina amin’ny fotoana itsaran’i Jesosy ny olombelona, ka ampisarahany ny “ondry” amin’ny “osy”. Io fitsarana io dia tanterahina amin’ny tapany lehibe amin’ny alalan’ny fitoriana ny “filazantsaran’ny [vaovao tsara, MN ] fanjakana”. (Matio 24:14; 25:31-33; Apokalypsy 14:6, 7.) Ny fotoana nomena hanatanterahana an’io asa fampisarahana io dia voafetra noho ny tarehin-javatra (Matio 24:34). Koa satria efa hifarana izany fotoana izany, dia ara-dalàna raha manafaingana ny asa Jesosy; amin’izany izy dia manao ny anjara asany amin’ny maha-fitaovana ampiasain’Andriamanitra izay, raha miresaka ny amin’io asa fanangonana io, dia manome izao fampanantenana manaraka izao: “Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” (Isaia 60:22). Isika izay mpiara-miasa amin’Andriamanitra ka manaraka akaiky ny dian’ny Zanany, moa ve isika manafaingana ny fomba famindrantsika araka izay amelan’ny fahasalamantsika sy ireo andraikitsika araka ny Baiboly antsika? Ireo filazana momba ny fitoriana dia mampiseho fa izany no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany maro.
Aoka isika handositra ny fieboeboana aoka hiadiantsika ny fahakiviana
18. Ahoana no mety hahatonga hatoky tena loatra, ary ahoana no ampitandreman’ny Baiboly antsika amin’izany loza izany?
18 Arakaraka ny faharetantsika manaraka ny dian’ny olona iray, no ifankazarantsika tsara kokoa amin’ny fomba famindrany. Kanefa, raha toa isika manjary mieboebo, dia hibolisatra na ho ela na ho haingana. Noho izany, raha manara-dia an’i Jesosy isika dia tokony hiaiky fa mampidi-doza ny matoky tena loatra, ka tsy miantehitra afa-tsy amin’ny hery sy ny fahaizan’ny tena, sady mihevitra fa nahavita ny nandeha marina tokoa tamin’ny lalan’i Kristy tanteraka. Izay nitranga tamin’i Petera fahiny (Lioka 22:54-62) dia mahaforona fampitandremana sarobidy ho antsika, ary mampisongadina ny vidin’ny torohevitra voalaza ao amin’ny 1 Korintiana 10:12 manao hoe: “Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina fandrao ho lavo.”
19. a) Inona no mitranga indraindray amin’ny kristiana rehetra (Jakoba 3:2)? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ny tenin’i Paoly voasoratra ao amin’ny Romana 7:19, 24?
19 Noho ny tsy fahatanterahany dia manao fahadisoana avokoa ny kristiana indraindray. Mety ho kely ny fihatahana ka tsy misy olona mahatsikaritra izany; na koa, miharihary fa tsy tratra ny zava-kendrena ary dia hitan’ny rehetra izany. Amin’ireo toe-javatra roa ireo, dia mampahery ny mitadidy ireto teny nataon’i Paoly tamim-pahamarinana ireto: “Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko, fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. Indrisy! olo-mahantra aho!” (Romana 7:19, 24). Marina fa tsy tokony horaisintsika ho fialan-tsiny hanaovana ratsy ireo teny ireo. Ho fampaherezana kosa ho an’ny kristiana be fandavan-tena mikely aina mba handresy ny tsy fahatanterahany izany; manampy azy ireo haharitra amin’ny fiezahana ataony ho fanatanterahana izao zavatra tsy mora izao izany: manaraka ny dia lavorarin’i Jesosy.
20. a) Amin’ny ahoana no manampy antsika amin’ny hazakazaka ho amin’ny fiainana ny Ohabolana 24:16? b) Tokony ho tapa-kevitra ny amin’inona moa isika?
20 “Fa potraka impito ny marina, nefa tafarina ihany”, hoy ny Ohabolana 24:16. Eo amin’ny fihazakazahany ho amin’ny fiainana, dia tsy tokony hisy amintsika hihevitra fa tsy misy fanafodiny hafa, afa-tsy ny mijanona. Tahaka ny hazakazaka “marathon” (42,195 km an-tongotra) ny ataontsika, hazakazaka mitaky fiaretana izany, fa tsy amin’ny zato metatra. Ny mpihazakazaka amin’ny hafainganam-pandeha izay mibolisatra na dia kely monja aza dia tsy manana fahafahana mihitsy hahazo ny fandresena; ny mpihazakazaka amin’ny “marathon” kosa, na dia tafintohina aza, dia mbola manam-potoana hanarinan-tena ka hamitana ny hazakazaka. Raha toa àry isika sendra manao fahadisoana, izay mahatonga antsika hihiaka hoe: “Indrisy! olo-mahantra aho!”, dia aoka hotadidiantsika fa mbola manam-potoana hanitsiana ny tenantsika isika. Mbola afaka manitsy ny famindrantsika isika mba hifanarahany amin’ny dian’ilay Mpitarika, dia Jesosy Kristy. Tsy manana antony tokony hampamoifo isika na hijanonana. Aoka isika ho tapa-kevitra hanatanteraka ny zavatra tsy mora, dia ny ‘mba hanarahantsika ny dian’i Jesosy’ omban’ny fanampian’i Jehovah. — 1 Petera 2:21.
Nahoana ny kristiana no tokony:
◻ Hianatra ny hampifanara-javatra?
◻ Haneho fitandremana lehibe?
◻ Tsy hanadino ny modelin’ny fahamarinana?
◻ Hihazona fomba famindra tsara?
◻ Handositra ny fieboeboana?
◻ Hiady amin’ny fahakiviana?
[Sary, pejy 15]
Raha mibanjina foana ny zava-kendrena ny marina, dia ho tafarina tokoa.