FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/9 p. 30-31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Fanomezan’Andriamanitra ny Fanambadiana
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Fifidianana Vady Araka ny Tari-dalan’AndriamanitraFifidianana Vady Araka ny Tari-dalan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Ahoana no Hananana Tokantrano Sambatra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/9 p. 30-31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Fahendrena ve raha tsy manambady indray ny kristiana maty vady iray noho ny fanantenana ny ho tafakambana indray amin’ilay vadiny maty indray andro any?

Tsara ny hitiavan’ny kristiana iray ny vadiny na dia aorian’ny nahafatesany aza! Ny sasany tsy nanambady fanindroany, tsy hoe satria izy ireny afa-po tamin’ny toerany, fa noho ny fanantenana ny handray indray ny fiainany ara-panambadiana amin’ny fananganana ny maty. Na dia tsy hoe tsy mihontsina amin’ny fihetseham-pon’olombelona mahatonga hanana izany fanantenana izany aza izahay, dia mamporisika ireny olona ireny handinika hevitra vitsivitsy araka ny Baiboly.

Ity, ohatra, misy fanambarana nataon’ny apostoly Paoly mahakasika an’io raharaha io: “Ny vavy voafehin’ny lalàna, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka hanam-bady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany. Nefa (...) sambatra kokoa izy raha mitoetra toy izao ihany.” (I Korintiana 7:39, 40). Ireo andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina ireo dia mampiseho fa manapaka ny fatoram-panambadiana ny fahafatesan’ny anankiray amin’ny mpivady. Nanana hatsaram-po Andriamanitra nampahafantatra izany ny kristiana; araka izany, ny lehilahy sy ny vehivavy maty vady dia afaka mandanjalanja izay ilainy ara-piraiketam-po sy ny zavatra hafa koa alohan’ny hanaovana fanapahan-kevitra hanambady indray na tsia. Tsy voafatotra amin’ilay maty izy. — I Korintiana 7:8, 9.

Inona no lazain’ny Baiboly? Moa ve ireo hatsangana amin’ny maty ho afaka hanambady na handray indray ny fiainany ara-panambadiana ho notapahin’ny fahafatesana? Toa mifandray amin’io foto-kevitra io ny fitantarana iray ao amin’ireo filazantsara. Indray andro, ireo Sadoseo, izay tsy nino ny fananganana ny maty akory aza, dia tonga nanatona an’i Jesosy mba hamandrika azy. Mba hanaovana izany, dia nasiany fitenenana ny raharaha ny amin’ny fitondrana loloha: “Nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba. Ary ny faharoa sy ny fahatelo koa nampakatra azya. Ary tahaka izany avokoa no nataon’izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy. Ary farany dia maty koa ravehivay. Koa amin’ny fitsanganan’ny maty ho vadin’iza moa ravehivavy?” — Lioka 20:27-33; Matio 22:23-28.

Tsy eo ambanin’ny Lalàna ny kristiana, kanefa mety ho tojo fahasahiranana sahala amin’izany izy. Ohatra, mpivady ny rahalahy sy ny anabavy X ary niteraka roa. Maty ilay rahalahy. Tia azy ny anabavy X, ary tsaroany aoka izany ny fahabangana noho ny tsy maha-eo azy intsony, kanefa nahatsiaro ho nila namana izy, nila mpanohana ara-bola, nila ny hahita fahafahampo teo amin’ny lafiny momba ny lahy sy ny vavy sy ny hampiana eo amin’ny fanabeazana ireo zanany. Nanambady ny rahalahy Y àry izy, ka araka ny Soratra Masina sahala amin’ny voalohany ny fanambadian’izy ireo. Tatỳ aoriana, dia narary io rahalahy io ary maty. Raha mitsangana amin’ny maty ireo vady taloha ireo, ka azo atao ny fanambadiana, iza no ho azon’ilay anabavy vadina?

Jereo ny valiny nomen’i Jesosy an’ireo Sadoseo: “Ny zanak’izao fiainana [fandehan-javatra, MN ] izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina; fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana [fandehan-javatra, MN ] izany sy ny fitsanganana amin’ny maty kosa dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina; ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin’ny anjely sady zanak’Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin’ny maty. Ary Mosesy aza nanambara (...) fa hatsangana ny maty, raha nilaza an’i Jehovah hoe ‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’. Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ny velona; fa velona ho an’Andriamanitra avokoa izy rehetra.” — Lioka 20:34-38; Matio 22:29-32.

Ny sasany nihevitra fa eo i Jesosy dia niresaka ny amin’ny fananganana ho any an-danitra. Misy antony tokony hinoana anefa fa ny valin-teniny dia nahakasika ny fananganana ho eto an-tany ao anatin’ny “fandehan-javatra” ho avy. Ireo izay nanontany an’i Jesosy tokoa dia tsy nino azy na tsy nahalala ny amin’ny fitsanganana ho any an-danitra. Ny fanontanian’izy ireo dia nahakasika fianakaviana jiosy iray niaina teo ambanin’ny Lalàna. Namaly izany i Jesosy tamin’ny fanasiana fitenenana ny amin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, olona nanana fanantenana ny hiaina indray eto an-tany (Genesisy 42:38; Joba 14:13-15; jereo Hebreo 11:19). Ireo patriarika ireo mbamin’ny olona hafa an-tapitrisany maro izay hiverina ho amin’ny fiainana eto an-tany ka hiseho ho tsy hivadika dia ‘hitovy amin’ny anjely’. Na dia mety maty aza izy ireny, rehefa ho nanambara azy fa marina ho amin’ny fiainana mandrakizay Andriamanitra, dia tsy ho faty intsony izy ireny.

Tsy mora amintsika angamba ny manaiky izany fanatsoahan-kevitra izany amin’izao andro izao noho ny fihetseham-pon’olombelona ananantsika. Aoka homarihintsika anefa fa tsy misy mihitsy ao amin’ny Baiboly filazana fa ny fananganana olona nahatoky dia mahafaoka fiverenana ho amin’ny fiainana ara-panambadiana. Noho izany antony izany dia tsy misy mihitsy olona mino fa raha nahazo ny fiainana any an-danitra Akoila sy Prisila, dia mbola tafaray amin’ny alalan’ny fanambadiana foana izy ireo (Asan’ny apostoly 18:2). Josefa sy Maria kosa dia miharihary tokoa fa hiaina any amin’ny faritra tsy mitovy: Josefa ho eto an-tany, Maria ho any an-danitra (Jaona 19:26; Asan’ny apostoly 1:13, 14). Koa satria tsy misy amintsika mihitsy efa niaina tany an-danitra, dia tsy mety ho fantatsika izay tsapan’i Akoila sy Prisila ary Maria; azontsika antoka anefa fa tsy manan-java-mahory izy ireo eo amin’ny asany any an-danitra.

Toy izany koa, mbola tsy olombelona tanteraka mihitsy isika. Noho izany, dia tsy afaka mahafantatra marina izay hoeritreretintsika ny amin’ny fifandraisantsika amin’izao andro izao isika, raha mahazo ny fiainan’olombelona tanteraka ao anatin’ny paradisa iray. Tsara ny mahatsiaro fa olombelona tanteraka Jesosy fony izy nanonona ireo teny voatonona eo ambony ireo; tsara toerana kokoa noho isika àry izy mba hahatakatra ny fihetseham-pon’ireo izay “heverina fa mendrika ny hahazo izany fandehan-javatra izany”. Afaka matoky koa isika: Jesosy dia mahay ‘miara-mitondra ny fahalementsika ankehitriny’. (Hebreo 4:15.) Raha sarotra amin’ny kristiana iray àry ny manaiky ny hoe tsy hanambady ireo hatsangana amin’ny maty, dia afaka matoky izy ireo fa mahatakatra ny fiheviny Andriamanitra sy Kristy. Hampahafantatra bebe kokoa amintsika ny amin’io raharaha io ny ho avy.

Tsy ilaina anefa ny hiheverana ho zava-dehibe loatra an’io raharaha io. Izao no nosoratan’ny mpanao salamo: “Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika [fa tsy isika ihany, MN ], dia olony sy ondry fiandriny (...). Misaora Azy, mankalazà ny anarany, fa tsara Jehovah.” (Salamo 100:3-5). Mahazo matoky isika fa ny Andriamanitsika, noho ny hatsaram-pony, dia hanome be dia be izay tena ilaintsika raha “heverina fa mendrika ny hahazo izany fandehan-javatra izany” isika. — Joba 34:10-12; Salamo 104:28; 107:9.

Nampahafantatra antsika Andriamanitra fa ny fahafatesan’ny anankiray amin’ireo mpivady dia manapaka ny fanambadiana; miseho koa ny hatsaram-pony amin’izany (Romana 7:2). Araka izany, ny olona maty vady rehetra dia mahalala fa afaka manambady indray izy raha mila na maniry izany. Izany no nataon’ny sasany mba hahazoana fahafahampo amin’izay ilain’ny tenany sy ny ankohonany (I Korintiana 7:36-38; Efesiana 6:1-4). Noho izany, ny kristiana iray ao anatin’izany tarehin-javatra izany dia tsy tokony hahatsiaro ho voatery hipetraka irery noho ny fanantenana fa ho afaka handray indray ny fiainany ara-panambadiana ireo olona hatsangana ho eto an-tany ao anatin’ny fandehan-javatra ho avy.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Raha maty talohan’ny niterahan’ny vadiny zazalahy afaka handova azy ny Isiraelita iray, ny rahalahin’io lehilahy io dia tokony hanambady ilay mpitondratena mba hahazoana zanakalahy avy aminy. — Deoteronomia 25:5-10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara