FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/9 p. 19
  • Fihaonana indray nahafaly tany Brésil

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fihaonana indray nahafaly tany Brésil
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • Nankasitraka ny Lalàn’i Jehovah Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Miteraka Fitomboana Eran-tany ny Misionera
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Ireo Nahazo Diplaoman’i Gileada — “Tena Misionera!”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Ny Sekolin’i Gileada — 50 Taona Sady Mbola Miroborobo Ihany!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/9 p. 19

Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana

Fihaonana indray nahafaly tany Brésil

AMIN’IZAO FOTOANA IZAO, dia misionera 67 niofana avy ao Gileada no manao ny asany any Brésil. Io sary io dia fahatsiarovana mahafinaritra ho an’ny 63 amin’izy ireo, izay afaka ny ho tonga tao amin’ny sampana tao amin’io tany io tamin’ny 18 novambra 1986, ho amin’ny fihaonambe nahafaly noho ny fitsidihan’ny rahalahy A. Schroeder, anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, tonga avy any Brooklyn (Etazonia).

41 taona teo ho eo izay no tonga tany Brésil, tamin’ny 17 novambra 1945, ny olona roa nahazo diplaoma avy tao amin’ny kilasin’i Gileada voalohany, dia tao amin’ny Sekoly fianarana ny Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower. Ho an’ny anankiray tamin’izy ireo, Charles Leathco (ery amin’ny laharana farany) dia andro manokana tokoa io, satria izy niara-nianatra tamin’i Charlotte Schroeder tao Gileada ary ny rahalahy Schroeder no anankiray tamin’ireo mpampianatra azy ireo.

Nanomboka tamin’io kilasy voalohany io, dia misionera 258 no efa nipetraka tany Brésil, ka teratany ny 16. Ny anankiray amin’izy ireny, Augusto Machado (eo anoloana ankavia), dia tamin’ny alalan’ny anankiray tamin’ireo misionera voalohany no nahalalany ny fahamarinana. Rehefa avy eo izy dia nankany Gileada, avy eo dia niverina tany Brésil, izay iasany ao amin’ny sampana hatramin’ny 30 taona, amin’izao andro izao amin’ny maha-mpandaha-draharahan’ny Komitin’ny sampana. Na dia nahita ny maro tamin’ireo misionerany lasa aza io faritany io, dia mitoetra ny vokatry ny asa tsaran’izy ireo. Tamin’ny 1945, dia 344 monja ny mpitory tao amin’ilay tany; efa tratra anefa izao ny fetra 200 000, satria ny filazana asa tamin’ny volana febroary 1987 dia milaza mpitory 201 226.

Toy inona moa ny fifalian’ireo misionera breziliana, tanora sy efa be taona kokoa, nahatsiahy tamin’ireny fihaonana indray nahafaly ireny, ireo fotoana nahafinaritra nanamarika ireo 41 taona farany!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara