Aoka isika hiahy ny amin’izay hahasoa ny olona be taona
“Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.” — FILIPIANA 2:4.
1, 2. a) Ahoana no nampisehoan’ny kolejy foibe tamin’ny taonjato I ny fiheverany izay nilain’ireo olona be taona? b) Inona no mampiseho amintsika fa tsy natao tsirambina ny asa fitoriana?
FOTOANA fohy taorian’ny Pentekosta taona 33, tao amin’ny kongregasiona kristiana, dia “nimonomonona tamin’ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin’ny fiantrana isan-andro ny mpitondratenany” rehefa nisy fizarana sakafo ho an’ny mahantra. Azo inoana fa be taona ny sasany tamin’ireny mpitondratena ireny ary tsy afaka namelon-tena. Nandray anjara foana ny tenan’ireo apostoly: “Koa amin’izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha [ilaina, MN ] izany.” — Asan’ny apostoly 6:1-3.
2 Araka izany, ireo kristiana voalohany dia nihevitra ny fanampiana ireo olona be taona ho “raharaha ilaina”. Taona maro tatỳ aoriana, Jakoba mpianatra dia hanoratra toy izao: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany.” (Jakoba 1:27). Milaza ve izany fa natao tsirambina ny asa fitoriana tena lehibe? Tsia, satria araka ny fitantarana voasoratra ao amin’ny Asan’ny apostoly, rehefa voalamina tsara ny fanampiana ireo mpitondratena, “dia nandroso ny tenin’Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema.” — Asan’ny apostoly 6:7.
3. Famporisihana inona no hita ao amin’ny Filipiana 2:4, ary nahoana izany no mety indrindra amin’izao andro izao?
3 Miaina amin’ny “andro mahory” isika ankehitriny. (II Timoty 3:1.) Ny adidintsika ara-pianakaviana na amin’ny asa dia mety tsy hamela ho antsika afa-tsy hery na faniriana kely hikarakarana olona be taona sy ireo zavatra ilainy. Mety àry ny fananarana omena antsika ao amin’ny Filipiana 2:4: “Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.” Ahoana no azo anarahana an’io torohevitra io amin’ny fanehoana fahaiza-mandanjalanja sy fahaiza-mampihatra?
Aoka isika hanaja ireo mpitondratena
4. a) Nahoana ary tamin’ny fomba ahoana moa no ‘nanomezan’ny kongregasiona tamin’ny taonjato I voninahitra ny mpitondratena’? b) Nilaina foana ve izany fandaharana izany?
4 Ao amin’ny I Timoty toko fahadimy, dia asehon’i Paoly ny fomba nikarakaran’ireo kristiana ny mpitondratena be taona tao anatin’ny kongregasiona. Izao no torohevitra nomeny an’i Timoty: “Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.” (1 Timoty 5 Andininy faha-3). Ireo mpitondratena be taona dia nomena voninahitra indrindra tamin’ny fandraisana fanampiana ara-bola tsy tapaka. Tsy nanam-pananana mihitsy ireny vehivavy ireny ary tsy afaka afa-tsy ny ‘nametraka ny fanantenany tamin’Andriamanitra ka naharitra tamin’ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman-alina’. (1 Timoty 5 Andininy faha-5.) Ahoana no hihainoana ny vavaka nataon’izy ireo? Tamin’ny alalan’ny kongregasiona. Koa satria voalamina toy izany ny zavatra, ireo mpitondratena mendrika izany dia nahazo izay nivelomany tamin’ny fomba tsotra. Mazava ho azy fa raha nanam-pananana na havana afaka niandraikitra azy ny mpitondratena iray, dia tsy nilaina izany fandaharana izany. — 1 Timoty 5 Andininy faha-4, 16.
5. a) Tamin’ny heviny ahoana moa ny mpitondratena sasany no nety ‘hanaram-po tamin’ny fahafinaretana’? b) Tokony hanohana ireny mpitondratena ireny ve ny kongregasiona?
5 “Fa izay vehivavy [mpitondratena] manaram-po amin’ny fahafinaretana dia maty [ara-panahy] fahavelony.” (1 Timoty 5 Andininy faha-6). Tsy nohazavain’i Paoly ny hoe tamin’ny heviny ahoana ny mpitondratena sasany, araka ny fitenenana ara-bakiteny ampiasaina ao amin’ny Fandikan-tenin’ilay Fanjakana eny anelanelan’ny andalan-tsoratra (anglisy), no ‘nitondra tena tamin’ny fanaovana izay mahafinaritra ny tena’. Angamba ny sasany tsy maintsy niady tamin’ny “fahamaimaizany ny amin’ny lahy sy ny vavy”. (1 Timoty 5 Andininy faha-11.) Kanefa, araka ny Diksionera nohafohezina grika anglisy nataon’i Liddell sy Scott, ny hoe ‘mitondra tena amin’ny fanaovana izay mahafinaritra ny tena’ dia nety hilaza koa ‘fiainana ao anatin’ny fahalemilemena, ao anatin’ny fanaovana izay hampiadana sy ho moramorainy loatra’. Ny sasany tamin’ireny mpitondratena ireny àry dia nety ho nitady hanao izay hampanan-karena ny tenany noho ny kongregasiona izay ho nanohana ara-bola ny fiainany tsy misy antony sy tsy mahalala onony. Na ahoana na ahoana, dia asehon’i Paoly fa ireny olona ireny dia tsy mendrika ny hahazo ny fanohanan’ny kongregasiona.
6, 7, sy fanamarihana. a) Ny amin’ny “lisitra” inona moa no resahina? b) Nahoana moa ny mpitondratena latsaka ny enimpolo taona no tsy afaka nahazo fanohanana? d) Ahoana moa no niarovan’i Paoly ny mpitondratena tanora tamin’ny “fahamelohana”?
6 Izao no nolazain’i Paoly nanaraka izany: “Aza soratana ho isan’ny mpitondratena [izay handray fanampiana ara-bola] izay latsaka noho ny enim-polo taona.” Tamin’ny andron’i Paoly dia toa noheverina ho tsy afaka ny hamelon-tena na hanam-bady indray ny vehivavy nihoatra ny enimpolo taonaa. “Fa mandava, hoy Paoly [ny hanoratra amin’ny lisitra] ny mpitondratena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan’i Kristy izy, dia ta-hanam-bady ka hahazo fahamelohana, satria nandà ny finoany voalohany.” — 1 Timoty 5 Andininy 9, 11, 12.
7 Raha toa ka azo nosoratana tao amin’ny lisitra” ny mpitondratena tanora, dia hanambara amim-pahamailahana ny fikasany hitoetra tsy hanam-bady angamba ny sasany. Kanefa, rehefa mandeha ny fotoana, dia ho sarotra aminy ny hifehy ny “fahamaimaizany ny amin’ny lahy sy ny vavy” ary haniry hanam-bady indray izy ka ‘hahazo fahamelohana, satria ho nanda ny finoany voalohany’tamin’ny nety ho nivoadiany hijanona tsy hanam-bady (jereo Mpitoriteny 5:2-6). Nisoroka izany zavatra nety hitranga izany i Paoly tamin’ny fanambarana hoe: “Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka.” — 1 Timoty 5 Andininy faha-14.
8. a) Ahoana moa no niarovan’ireo toromarik’i Paoly ny kongregasiona? b) Nokarakaraina koa ve ireo mpitondratena tanora sy lehilahy be taona sahirana?
8 Noferan’ilay apostoly koa ny lisitra ho amin’ireo mpitondratena izay fantatra hatramin’ny ela be noho ny asany kristiana tsara (1 Timoty 5 andininy faha-10). Araka izany, ny kongregasiona dia tsy “Fanjakana mpiahy” olona kamo na tia vola (II Tesaloniana 3:10, 11). Nandray fanampiana ve ny olona be taona sy ny mpitondratena tanora? Raha latsaka ao anatin’ny fahasahiranana izy ireny, dia tsy isalasalana mihitsy fa nikarakara azy ireny tamin’ny lafiny isam-batan’olona ny kongregasiona. — Jereo I Jaona 3:17, 18.
9. a) Nahoana moa ireo fandaharana natao mba hanampiana ny olona be taona amin’izao andro izao no mety ho hafa noho izay natao tamin’ny taonjato I? b) Ao amin’ny I Timoty toko fahadimy, mahatonga antsika hahatakatra inona moa ny tenin’i Paoly momba ny mpitondratena?
9 Azo inoana fa izany fandaharana izany dia nifanaraka tanteraka tamin’izay nilain’ireo kongregasiona tamin’ny taonjato voalohany. Kanefa, araka ny asain’ny Commentaire interprétatif de la Bible (anglisy) marihina, “amin’izao androntsika izao, noho ny fiantohana, ny fiarovana ara-tsosialy sy ny mety hananana asa, dia hafa tokoa ny tarehin-javatra”. Koa satria hafa ny toe-javatra ara-toe-karena sy ara-tsosialy, dia mahalana no ilaina amin’izao andro izao ny hanaovan’ireo kongregasiona lisitry ny olona be taona tokony hampiana. Na dia izany aza, ny tenin’i Paoly tamin’i Timoty dia mahatonga antsika ho afaka hahatakatra hevitra telo: 1) fa ny fiahiana ny olona be taona dia raharahan’ny kongregasiona manontolo, indrindra fa ny loholona; 2) fa tokony halamina tsara ny fanampiana ny olona be taona; 3) fa izany fanampiana izany dia voafetra ho an’ireo izay tena mila izany.
Ry loholona, miahia izay hahasoa azy ireo
10. Ahoana moa, amin’izao androntsika izao, no azon’ireo loholona anomezana ohatra raha ny amin’ny fiheverana ny olona be taona?
10 Ahoana, amin’izao androntsika izao, no anomezan’ireo loholona ohatra raha ny amin’ny fiheverana ny olona be taona? Amin’ny fandinihana indraindray izay ilain’ireny olona ireny amin’ny fivorian’izy ireo. Ary rehefa ilaina ny hanaovana fanampiana manokana, dia azon’ireo loholona atao ny mandray ireo fandaharana tokony hatao. Tsy ilaina ny hoe tsy maintsy ny tenan’izy ireo no hikarakara ilay olona, satria matetika ao anatin’ny kongregasiona iray dia misy kristiana maro — anisan’izany ny tanora — maniry hitondra fanampiana. Izay azon’izy ireny atao anefa dia ny manara-maso akaiky izay hatao, angamba amin’ny fanendrena rahalahy iray mba handahatra izany.
11. Ahoana no azon’ireo loholona amantarana izay ilain’ny olona be taona?
11 Nanome izao torohevitra izao i Solomona: “Fantaro tsara ny tarehin’ny ondry aman-osinao.” (Ohabolana 27:23). Azon’ireo mpiandraikitra atao àry ny mitsidika manokana ireo olona be taona mba hamantarana hoe inona no fomba tsara indrindra ‘fiantrana (...) araka izay ilainy’. (Romana 12:13.) Raha raisina indray ny tenin’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray, “ny olona be taona sasany dia tsy tia fiankinana aoka izany, ka tsy ampy ny manontany azy izay azo atao ho azy ireny. Ny tsara indrindra dia ny famantarana izay ilainy sy ny manao zavatra”. Nisy mpiandraikitra japone nahamarika fa ny anabavy iray 80 taona dia nila fikarakarana be. Mitantara toy izao izy ireo: “Ataonay izao izay hisian’ny olona handray vaovao ny aminy indroa isan’andro, maraina sy hariva, na amin’ny fitsidihana azy, na amin’ny fandefasana telefaonina aminy.” — Jereo Matio 25:36.
12. a) Ahoana no azon’ireo loholona anaovana izay andraisan’ny olona be taona soa amin’ireo fivoriana? b) Ahoana no azo ampiasana amin’ny fomba tsara ireo “cassettes” nataon’ny Fikambanana?
12 Ataon’ireo loholona koa izay handraisan’ireo olona be taona soa avy amin’ireo fivorian’ny kongregasiona (Hebreo 10:24, 25). Tsy manana fomba fitaterana ve izy ireny? Tsy afaka ‘mihaino ka mahafantatra’ ny voalaza amin’ireo fivoriana ve izy noho ny tsy fandrenesany tsara (Matio 15:10)? Hahasoa angamba ny hanamboarana fihainoana ho azy ireny. Mitovitovy amin’izany, ny kongregasiona sasany dia mampita ireo fivoriana an-telefaonina izao mba hahafahan’ny olona kilemaina mihaino izany any an-tranony. Misy kongregasiona hafa mandray feo amin’ireo fivoriana ho an’ny marary; tonga hatramin’ny fanomezana azy ireny fandraisam-peo mihitsy aza izy ireo. Ny amin’izany, dia nanamarika toy izao ny mpiandraikitra alemana iray: “Nitsidika olona be taona maromaro aho, ka izy ireny dia nipetraka tsotra izao teo anoloan’ny televizionany ary nijery fandaharana izay sarotra ny nilaza fa nampandroso teo amin’ny lafiny ara-panahy izany.” Nahoana no tsy amporisihina kosa ireny olona ireny hihaino hiran’ilay Fanjakana na famakiana ny Baiboly amin’ny alalan’ny “cassettes” ataon’ny Fikambanana?
13. Ahoana no azo anampiana ny kristiana be taona harisika hatrany amin’ny fitoriana ilay Fanjakana?
13 Ny mpikambana be taona sasany ao amin’ny kongregasiona dia mpitory tapatapaka na tsy miasa. Tsy hoe tsy maintsy hahasakana amin’ny fanambarana ny “vaovao tsaran’ny fanjakana” akory ny taona. (Matio 24:14, MN.) Raha asainao hiara-hitory aminao ireny kristiana be taona ireny, dia azo inoana fa hanaiky izy ireny. Ambonin’izany, amin’ny fitantarana amin’izy ireny, zavatra hita tamin’ny fitoriana, dia azonao atao ny mamelona indray ny fitiavany an’io asa io. Raha sarotra aminy ny miakatra tohatra, dia ataovy izay hitoriany any amin’ny trano avo misy “ascenseurs” na amin’ny trano tsy misy rihana. Ny mpitory sasany aza dia afaka mitondra olona be taona hiaraka amin’izy ireo any amin’ny fampianarana Baiboly na hanao an’io fampianarana io ao an-tranony.
14, sy ny faritra voafefy. a) Inona no azon’ireo loholona atao raha tonga ao anatin’ny fahasahiranana ara-bola lehibe ny anadahy na anabavy be taona iray? b) Ahoana moa no nanomezan’ny kongregasiona sasany izay nilain’ireo mpitory be taona?
14 “Fialokalofana ny vola” (Mpitoriteny 7:12). Indrisy! rahalahy sy anabavy be taona maro no manana fahasahiranana ara-bola be, ary tsy manan-kavana maniry hanampy azy ireny. Amin’ny toe-javatra toy izany, ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona dia faly manampy azy ireny rehefa mahafantatra izay ilainy (Jakoba 2:15-17). Azon’ireo loholona atao koa ny mitady fanazavana momba ireo sampan-draharaha ara-tsosialy samihafa, fiantohana, vola raisin’ny efa misotro ronono sy fanampiana hafa mety hisy. Any amin’ny tany sasany anefa dia sarotra ny mahazo izany fanampiana izany; amin’izay dia tsy misy fanafodiny hafa afa-tsy ny fanarahana ny ohatra navela ao amin’ny I Timoty toko faha-5 sy ny manao fandaharana mba hahafahan’ny kongregasiona amin’ny fitambarany mamonjy ireo mpikambana sahirana (jereo ilay boky hoe Organisés pour bien remplir notre ministère, pejy faha-122, 123).
Nisy mpitory nizeriana nanome zavatra tsy tapaka ny mpitory maharitra mandavantaona iray roa amby valopolo taona sy ny vadiny. Noho ny fitondram-panjakana tapa-kevitra ny handrodana ny trano nonenany, dia nasain’ny kongregasiona izy hipetraka tao amin’ny efitrano iray mifanolotra amin’ny Efitrano Fanjakana mandra-pahitany fonenana hafa.
Tany Brésil, ny kongregasiona iray dia nanakarama mpiandry marary mba hikarakara mpivady kristiana be taona. Afa-tsy izany koa, ny anabavy iray dia niandraikitra ny fanatontosana raharaha samihafa tao an-tokantrano, toy ny fanadiovan-trano sy fahandroan-tsakafo. Isam-bolana ny kongregasiona dia manokana vola ho an’ireo kristiana be taona ireo.
15. a) Misy fetra ve amin’ny fanampiana azon’ny kongregasiona entina? b) Amin’ny ahoana moa ny torohevitra ao amin’ny Lioka 11:34 no mety ho tsara raha manjary sarotsarotiny ny kristiana be taona sasany?
15 Toy ny tamin’ny taonjato I, izany fandaharana izany dia natokana ho an’ireo izay mendrika izany ka tena mila azy tokoa. Tsy voatery hanome fahafahampo amin’ny fitakiana mafy loatra ireo mpiandraikitra. Ny olona be taona koa dia tokony hanana ‘maso tsotra’ foana. — Lioka 11:34, MN.
Aoka isika rehetra hiahy ny amin’ny hahasoa azy ireny
16, 17. a) Nahoana moa no zava-dehibe ny hiheveran’ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona ireo olona be taona, ankoatra ny loholona? b) Ahoana moa no azon’ireo mpitory be zavatra atao ‘anararaotana ny andro’ mba hanokanana izany ho an’ireo olona be taona?
16 Tsy ela izay, ny anabavy be taona iray dia niditra hôpitaly; ny fandinihana natao dia nampiharihary fa voan’ny tsy fahampian-kanina izy. “Raha maro kokoa ny mpikambana tao amin’ny kongregasiona niahy manokana azy, hoy ny nosoratan’ny loholona iray, dia angamba tsy ho nitranga izany.” Tsy ireo loholona ihany tokoa no tokony hihevitra ireo olona be taona. Izao no nolazain’i Paoly: “Fa samy isan’ny momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika.” — Efesiana 4:25.
17 Ny sasany aminareo dia efa manana andraikitra mavesatra iantsorohana. Kanefa, “aza samy mihevitra ny azy ihany”. (Filipiana 2:4.) Noho ny fandaminana tsara, dia azo atao matetika ny “manararaotra ny andro’. (Efesiana 5:16.) Ohatra, ho azonao atao ve ny hitsidika olona be taona iray aorian’ny fitoriana? Ny sasany amin’izy ireny dia mahatsiaro mafy ho manirery, indrindra fa amin’ny andavanandro; afaka miaraka manao ireny fitsidihana ireny ny zatovo, ary manatanteraka asa sasany fikarakarana tokantrano. Izao no nolazain’ny anabavy iray nampian’ny zatovolahy iray toy izany, tao amin’ny vavaka nataony: “Misaotra, Jehovah, noho ny nanomezanao ahy an’i Jean. Tena tsara tokoa izy.”
18. a) Nahoana moa no mety ho sarotra indraindray ny miresaka amin’ny olona be taona iray? b) Ahoana no hatao mba hahatonga ny fitsidihana rahalahy be taona iray na ny resaka atao aminy hitondra fifampandrosoana?
18 Ao amin’ny Efitrano Fanjakana, moa ve ianao mianina amin’ny fiarahabana haingana ireo olona be taona? Marina fa tsy mora akory ny miresaka amin’olona tsy mandre tsara na sahirana amin’ny filazana hevitra. Afa-tsy izany koa, noho ny fahasalamany tsy dia tsara loatra, dia tsy miramirana endrika foana ny olona be taona. Na dia izany aza, dia “tsara ny mahari-po”. (Mpitoriteny 7:8.) Ny fiezahana kely dia hiteraka tena ‘fifamporisihana’. (Romana 1:12.) Manandrama mitantara zavatra hita tamin’ny fitoriana. Resaho izay novakinao tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, ny Réveillez-vous! na ny mbola tsaratsara kokoa ihany, mihainoa ny olona be taona (jereo Joba 32:7). Afaka mitondra zavatra be dia be ho antsika izy ireny raha omentsika fahafahana hanao izany. Nanambara toy izao ny loholona iray: “Nahasoa ahy tokoa ny fitsidihana an’io rahalahy be taona io.”
19. a) Mitatra amin’iza moa ny fiheverantsika ireo olona be taona? b) Amin’ny fomba ahoana no azontsika anampiana ireo fianakaviana mikarakara olona be taona?
19 Moa ve ny fiheveranao ny olona be taona tsy tokony hitatra amin’ireo fianakaviana mikarakara azy ireny? Araka ny tenin’ny mpivady iray mikarakara ray aman-dreny be taona, “dia tsy mampahery anay ny mpikambana sasany ao anatin’ny kongregasiona fa manjary be fanakianana aoka izany. Izao no nolazain’ny anabavy iray taminay: ‘Raha tapaka amin’ny fivoriana foana ianareo dia hihaosa eo amin’ny lafiny ara-panahy.’ Kanefa tsy nanao na inona na inona mba hanampiana anay hanatrika izany bebe kokoa izy”. Mahakivy koa ny fampanantenana manjavozavo toy ny hoe ‘Raha mila fanampiana ianao, dia ampahafantaro ahy’. Raha ny marina, dia matetika izany no toy ny filazana hoe: “Mamindroa, mivokisa.” (Jakoba 2:16). Moa ve tsy ho tsaratsara kokoa raha miseho amin’ny atao ny fiheveranao? Izao no nambaran’ny mpivady iray: “Mahafinaritra ireo rahalahy! Manohana anay izy ireo. Ny sasany mikarakara an’i Neny mandritra ny indray andro na roa, ka manamaivana anay kely izany; ny hafa mitondra azy hiaraka aminy any amin’ny fampianarany Baiboly; ny hafa koa manontany ny fahasalamany, ka tena mamporisika anay izany.”
20, 21. Inona moa no azon’ny olona be taona atao mba hanamorana ny asan’ireo izay mikarakara azy ireny?
20 Ireo olona be taona eo amintsika dia voakarakara tsara amin’ny ankapobeny. Kanefa, inona no azon’ny tenan’izy ireny atao mba hahatonga ny fiezahana atao ho azy hotanterahina amim-pifaliana fa tsy amim-pisentoana (jereo Hebreo 13:17)? Azon’izy ireny atao, ankoatra ny zavatra hafa, ny miara-miasa amin’ireo loholona amin’ireo fandaharana ataony ho azy ireny; maneho fisaorana sy fankasitrahana noho izay rehetra mety ho fanehoana hatsaram-po aminy, ary mitandrina mba tsy ho sarotsarotiny na be fanakianana; toy izany koa, na dia tena misy aza ny aretina sy ny fanaintainana vokatry ny fahalehibeazana, dia miezaka ny ho falifaly sy mijery ny lafitsaran-javatra. — Ohabolana 15:13.
21 Olona be taona maro be no re milaza hoe: ‘Mahafinaritra ireo rahalahy! Tsy fantatro izay hataoko raha tsy misy azy ireo.’ Kanefa, ny andraikitra hiahy ny olona be taona dia tokony ho ireo zanany no hiantsoroka izany voalohany indrindra. Mahafaoka inona izany andraikitra izany, ary ahoana no azo iantsorohana izany tsara araka izay azo atao?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Levitikosy 27:1-7 dia mamelabelatra ny amin’ny fanavotana olona ‘atolotra ao amin’ny tempoly ho mpanao raharaha (amin’ny alalan’ny voady). Niovaova arakaraka ny taona ny vidim-panavotana. Nihena be dia be io vidiny io teo amin’ny fahenimpolo taona, satria miharihary fa noheverina ho tsy afaka niasa tahaka ny olona tanora teo amin’io taona io. Milaza mazava toy izao ny amin’izany ny Encyclopédie judaïque (anglisy): “Araka ny Talmoda, ny fahanterana (...) dia nanomboka teo amin’ny fahenimpolo taona.”
Tadidinao ve?
◻ Tamin’ny taonjato I, inona avy no fandaharana natao ho an’ireo mpitondratena be taona?
◻ Ahoana no azon’ireo mpiandraikitra andaminana ny fanampiana ireo olona be taona eo anivon’ny kongregasiona?
◻ Ahoana no azon’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona iheverana ireo rahalahy sy anabavy be taona?
◻ Inona no azon’ny olona be taona atao mba hanamorana ny asan’ireo izay mikarakara azy?
[Efajoro, pejy 11]
Izay ataon’ny sasany mba hanampiana olona be taona
Ny kongregasiona breziliana iray dia nahita fomba azo ampiharina mba hanampiana rahalahy iray monina eo akaikin’ny Efitrano Fanjakana: ny fianarana boky tokony hanadio ny efitrano dia manadio ny tranony koa.
Ao amin’io tany io ihany, ny kongregasiona hafa iray dia nahita fomba tsotra mba hahafahan’ny rahalahy kilemaina iray handray anjara amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika. Rehefa tonga ny anjarany amin’ny fanaovana famelabelarana, dia tendrena ny rahalahy iray mba hitsidika azy miaraka amin’ny mpitory roa na telo. Manao fivoriana fohy izy ireo, ka izany dia atomboka amin’ny vavaka, ary mampiseho ny foto-dresany ilay rahalahy kilemaina; toroana hevitra izy rehefa avy eo. Mitondra fampaherezana ho an’ny tsirairay avy tokoa izany fitsidihana izany!
Manome ohatra tsara ireo mpiandraikitra mpitety faritany amin’io lafiny io. Ny rahalahy be taona iray izay tsy afa-nandeha afa-tsy tamin’ny seza mikorisa dia nanjary mora sosotra ka noho izany dia tsy nisy mpitsidika firy. Nanao fandaharana anefa ny mpiandraikitra mpitety faritany iray mba handefa ho azy manokana ny lahateniny tamin’ny alalan’ny “diapositives”. Nihetsi-po sy latsa-dranomaso ilay rahalahy be taona noho ireo sary ireo. Nanambara toy izao ilay mpiandraikitra mpitety faritany: “Novalian-tsoa aoka izany aho rehefa nahita fa mety hisy vokany toy izany ny fiheverana sy fitiavana kely.”
Rehefa nanao fitsidihan’ny mpiandry tany amin’ny rahalahy be taona iray ny mpiandraikitra nizeriana dia nahatsikaritra fa narary mafy izy io. Nentina haingana tany amin’ny hopitaly àry izy. Nila fikarakarana ara-pitsaboana maro tsy voaloany sarany io rahalahy io. Rehefa nampandrenesina ny amin’izany ny kongregasiona, dia nanome vola ampy handoavana ny lany ireo mpitory. Na dia naka tamin’ny fotoana fiasany aza izany, dia nifandimby ny loholona roa mba hitondra ilay rahalahy tany amin’ny hopitaly tamin’ny fiarakodia sy hanatitra azy indray tany an-tranony. Faly anefa izy ireo nahita azy sitrana sy nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy hatreo amin’ny fahafatesany izay nitranga efa-taona tatỳ aoriana.
Tany Philippines, ny anabavy be taona iray dia tsy nanam-pianakaviana. Nanao fandaharana ny kongregasiona mba hahazoany fikarakarana nandritra ny telo taona naharetan’ny aretiny. Nanome azy fonenana kely ireo rahalahy, nitondra sakafo ho azy isan’andro ary nanao izay hahadio azy foana.
[Sary, pejy 10]
Isika rehetra dia samy afaka manaja ireo olona be taona ao anatin’ny kongregasionantsika.