Tsy fananana ahiahy maneran-tany eo ambany Fanapahan’ny “Andrian’ny fiadanana”
“Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.” — ISAIA 9:6.
1, 2. a) Ahoana no tokony handraisana ny fahaterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary oviana no nitranga izany? b) Inona no andraikitra ankinin’ny Lalàm-pitondran’ny Firenena mikambana amin’ireo mpikambana ao aminy, nefa andraikitra inona no nankinin’ny fanekena ho amin’ny Fanjakana amin’i Jesosy Kristy? d) Ahoana no ahafantarantsika fa Jehovah dia hifikitra mafy hatrany amin’io fanekena io?
SAHALA, amin’ny fahaterahan’i Jesosy, io zazalahy tanteraka io, tena fitrangan-javatra nahafaly tamin’ny fomba nahatalanjona, dia torak’izany koa fa ny fahaterahan’ny Fanjakany nampanantenaina hatry ny ela be dia ho iray amin’ny fisehoan-javatra mahafaly indrindra (Salamo 96:10-12). Ny tantara amin’ny andro ankehitriny dia mampiharihary fa io fitondram-panjakana io dia napetraka eo an-tsorok’i Jesosy nomem-boninahitra tamin’ny 1914. Tsy mandiso izany zava-misy izany akory ny fisian’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana amin’izao andro izao. Tsy misy na dia iray aza amin’ireo mpitondra ao amin’ny tany 159 mpikambana ao amin’ny O.N.U., anisan’ny ankohonan’i Davida. Kanefa, dia amin’izy ireo, no anankinan’ny Lalàm-pitondran’io fandaminana io, tena firaisan-teti-dratsy maneran-tany, ny andraikitra hitondra ny fiadanana sy ny tsy fananana ahiahy ho an’ny olombelona.
2 Kanefa, tsy nofoanana na oviana na oviana ny fanekena ho amin’ny Fanjakana, avy amin’i Jehovah. Ao amin’ny Isaia 9:6 [9:7, MN ], ny teny hoe “eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida” dia manamafy ny fanekena nifanaovan’Andriamanitra tamin’i Davida ho amin’ny fanjakana mandrakizay. Ankoatr’izany, Jehovah dia nianiana fa hahita fahombiazana feno io fanekena io, ary mampiseho amintsika mazava ny Salamo 89:3, 4, 35, 36 fa hifikitra hatrany amin’ny fanekeny izy: “ ‘nanao fanekena tamin’ny voafidiko Aho; eny, efa nianiana tamin’i Davida mpanompoko Aho hoe: Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin’ny taranaka fara mandimby’. Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin’ny fahamasinako, tsy handainga amin’i Davida mihitsy Aho. Ny taranany haharitra mandrakizay, ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako”. Araka ny asehon’ny anarana hoe “Andrian’ny fiadanana”, io fanekena io dia manankina amin’i Jesosy Kristy ny andraikitra hitondra ny tsy fananana ahiahy maneran-tany.
3. Nahoana moa ny fotoana hanombohan’ny “Andrian’ny fiadanana” manjaka no tsy ho taom-piadanana, na ho an’ny lanitra na ho an’ny tany?
3 Kanefa, ny fotoana hametrahan’i Jehovah Andriamanitra ny fitondram-panjakana eo an-tsoroky ny Andrianany mpandova akory tsy ho taom-piadanana, na ho an’ny lanitra na ho an’ny tany. Araka ny Apokalypsy toko faharoa ambin’ny folo, ny fahaterahan’ny Fanjakany dia tokony harahin’ny ady tany an-danitra. Satana Devoly sy ireo demoniany tokoa dia niady tamin’ilay fitondram-panjakana vao naorina, ary ny Mpanjaka vao nahazo fiandrianana sy ireo anjeliny masina dia niady nanohitra ireny miaramila demonia ireny. Vokatr’izany, Satana sy ireo demoniany dia nazera avy any an-danitra ho atỳ amin’ny manodidina ny tany. Tamin’izay no nisy feo mahery, nilaza hoe: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” (Apokalypsy 12:12). Mampalahelo, fa hatramin’ny nampidinana ny Devoly, ny tany dia tonga sehatry ny asan-kerisetra sy ady tsy mbola nisy toy izany taloha. Eny, ny olombelona dia tena mila tokoa ny Fanapahan’ny “Andrian’ny fiadanana”, satria io no hitondra ny tsy fananana ahiahy maneran-tany.
4. Nahoana no tsy tokony hafangaro ny anaram-boninahitra hoe “Andriamanitra Mahery” sy ny hoe Andriamanitra Tsitoha?
4 Araka ny Isaia 9:5 [9:6, MN ], dia misy anaram-boninahitra hafa noho ny hoe “Andrian’ny fiadanana” mbola hanampy ny anarana be voninahitr’i Jesosy Kristy. Ny iray amin’ireny dia ny hoe “Andriamanitra Mahery”. Tsy tokony hantsoina hoe Andriamanitra tsitoha Jesosy, toy ny hoe mpikambana ao amin’ny trinite iray voaforon’ny andriamanitra telo mitovy izy. Na dia tamin’ny andro nananganana azy tamin’ny maty aza, dia nampahafantariny fa mbola ambany noho Jehovah foana izy. Niseho tamin’i Maria Magdalena izy ary naniraka azy hilaza tamin’ny mpianany velom-panahiana fa hiverina any amin’ny Rain’izy ireo sy Rainy izy, ary any amin’Andriamanitr’izy ireo sy Andriamaniny (Jaona 20:17). Tsy nitsahatra izy, hatramin’izao andro izao, ny nitarika ny zavatra noforonina rehetra ho ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay “Andriamanitry ny andriamanitra”, Jehovah (Daniela 11:36). Araka izany àry, Jesosy Kristy koa dia nanana Andriamanitra, ary io Andriamanitra io dia tsy ny tenan’i Jesosy ihany akory, fa ny Ray any an-danitra, Jehovah. Ny “Andrian’ny fiadanana” dia tena Mpanambara fiadanana sy tsy fananana ahiahy maneran-tany maharitra.
5. Nahoana Jesosy Kristy no tena ny afaka indrindra hitarika ny zavaboary manan-tsaina rehetra ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitra velona sady marina, Jehovah?
5 Ho mandrakizay ny Zanak’Andriamanitra, nomem-boninahitra izao, no tokony hitarika ny zavaboary manan-tsaina rehetra ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay hany Andriamanitra velona sady marina, Jehovah. Tena afaka hanatanteraka tsara tokoa izany andraikitra izany ny Zanak’Andriamanitra. Eny tokoa, fa amin’ny zavaboary rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia izy no tena mahafantatra an’i Jehovah akaiky indrindra sy hatramin’ny ela indrindra. Ao amin’ny I Korintiana 2:11, ny apostoly Paoly dia manambara toy izao: “Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon’ny olona, afa-tsy ny fanahin’ny (esprit) olona izay ao anatiny ihany?” Torak’izany koa ny amin’i Kristy. Na dia nampiasain’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny famoronana ny olombelona aza izy, dia tena zavatra hafa ho azy ny fahatongavana ho olombelona, hahafantatra izay rehetra mahaforona ny fiainana eto an-tany sy hahatsapa ao amin’ny tenany ny fihetseham-pon’olombelona. Koa izany no nanoratana toy izao: “Dia nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza” tamin’ny naha-olombelona teto an-tany (Hebreo 5:8). Tena niseho ho mendrika ny hanankinana ‘ny fahefana rehetra any an-danitra sy eto an-tany’ izy ary hitondra ny anaram-boninahitra hoe “Andriamanitra Mahery”. — Matio 28:18; jereo Filipiana 2:5-11.
“Mpanolo-tsaina mahagaga” sy “Rain’ny mandrakizay”
6. Ahoana no nanatanterahan’i Jesosy Kristy ny andraikiny amin’ny maha-“Mpanolo-tsaina mahagaga”, ary inona no soa noraisin’ny “olona betsaka” avy amin’ny tolo-tsainy mahagaga?
6 Noho ireo antony mahery rehetra ireo, ilay Andrian’Andriamanitra any an-danitra dia ampy fahaizana tokoa hanatontosa ho an’ny olona, ny andraikitry ny “Mpanolo-tsaina mahagaga”. (Isaia 9:5.) Ireo toroheviny dia mampiseho fahendrena mandrakariva, tanteraka sy tsy mety diso. Amin’ny maha-Mpanalalana azy amin’i Jehovah Andriamanitra sy ireo izay noraisina ho ao amin’ny fanekena vaovao, dia tena niharihary marina tokoa ho Mpanolo-tsaina mahagaga izy nandritra ireo taonjato sivy ambin’ny folo lasa. Ary hatramin’ny 1935, ny “olona betsaka” amin’ny ‘ondry hafa’ dia niditra tao amin’ny tolo-tsainy mahagaga sy nandray soa amin’ny fampianarana tsara indrindra sy ny fitarihana tsara indrindra misy (Apokalypsy 7:9-17; Jaona 10:16). Amin’izao fotoan’ny “fifanaranan’ny fandehan-javatra” izao, Jesosy dia nanainga ny fitaovana ampiasainy hanatanterahana ny andraikiny amin’ny maha-Mpanolo-tsaina; izany dia ny kilasy nampanantenain’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”, izay notendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra eto an-tany na tombontsoam-panjakana (Matio 24:3, 45-47; Lioka 12:42-44). Ny “olona betsaka” ankehitriny dia mandray amin’ny lafiny ara-panahy torohevitra mahagaga marina tokoa sy mendri-pitokisana, satria miorina amin’ny Teny nambaran’Andriamanitra ireny.
7. Nahoana Satana Devoly no tsy andriamanitra mahery intsony ho an’ny vahoakan’i Jehovah?
7 Ary satria isika mampifanaraka ny fiainantsika amin’ireny torohevitra ireny, Satana Devoly, ny “andriamanitr’izao fandehan-javatra izao”, dia tsy andriamanitra mahery intsony ho antsika izay mahaforona ny vahoakan’i Jehovah (II Korintiana 4:4). Isika tokoa dia nanaiky ilay baiko hentitra hivoaka avy ao amin’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, ary tsy mandray anjara amin’ny fahotany maharikoriko intsony isika. Niandany amin’ny fomba hentitra tamin’ilay eo an-tsorony no nametrahan’Andriamanitra ny fitondram-panjakany isika.
8. a) Nahoana ny anaram-boninahitra hoe “Ray mandrakizay” no tena sarobidy amin’ny “olona betsaka”? b) Inona no hitranga amin’izay manaiky an’i Satana ho ray ara-panahy?
8 Ny anaram-boninahitra hoe “Rain’ny [Ray, MN ] mandrakizay” dia mahaliana. Tena sarobidy ho an’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” izany. Tsy nanintona ireo “ondry” ireo ny hanana ho ray an’i Satana Devoly. Mihoron-koditra izy ireo rehefa mieritreritra ny filoha ara-pivavahana jiosy izay nanohitra an’i Jesosy sy nilazany hoe: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy mitoetra tamin’ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.” (Jaona 8:44). Ny “olona betsaka” dia nanapa-patorana tamin’ireo zanaka ara-panahin’i Satana Devoly, izay tsy ho mandrakizay ny fahefan-dray ampihariny amin’ny olombelona naetry. Ny olona manaiky azy ho ray ara-panahy dia hiara-levona aminy. Ny fandringanana tanteraka, asehon’ny “afo maharitra mandrakizay” ao amin’ny Matio 25:41, izany no miandry ny Devoly sy ny olombelona rehetra tsy miala amin’ny fanapahany. — Matio 25:41-46.
9. Amin’ny heviny ahoana ny “olona betsaka” no manandrana sahady ny fahefan-drain’ny “Ray mandrakizay”?
9 Mifanohitra amin’izany kosa, ny “olona betsaka” dia manandrana mialoha amin’ny fahefan-drain’ny “Ray mandrakizay”a. Ahoana izany? Amin’ny fihainoana ny feony, amin’ny fahatongavana ho ‘ondriny hafa’ ary amin’ny fikambanana amin’ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy. Izany fifandraisam-pianakaviana mafana izany dia manambara ny fiadanana. Raha nanoratra teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra ny apostoly Paoly dia niresaka an’i Jehovah, ao amin’ny Romana 16:20, ho “Andriamanitry ny fiadanana”. Koa tsy ara-drariny àry ve raha toa ny Zanany lahitokana ka antsoina hoe “Andrian’ny fiadanana”? Amin’ny fanorenana indray ny fiadanana eo amin’izao rehetra izao manontolo, ny “Andrian’ny fiadanana” dia hahatoky amin’izay rehetra ambaran’izany anaram-boninahitra maneho fahalehibeazana izany.
Ny fitondram-panjakan’ny “Andrian’ny fiadanana”
10, 11. Inona no nambaran’Isaia taorian’ny naminaniana ny amin’ny nalaza indrindra tamin’ny fahaterahana tamin’ny fotoana rehetra, ary inona no dikan’ny teniny?
10 Rehefa avy nanambara ny lehibe indrindra tamin’ny fahaterahana tamin’ny fotoana rehetra, ny an’ny Zanak’Andriamanitra nomena ny anaram-boninahitra hoe “Andrian’ny fiadanana”, ny mpaminany Isaia dia mbola nilaza toy izao teo ambany fanosehan’ny fanahin’i Jehovah: “Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana (...). Ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.” — Isaia 9:6.
11 Tamin’ny hoe “ny handrosoan’ny fanapahana”, ilay faminaniana dia manipika fa ny faritanin’ny Andrian’ny fiadanana” dia haharakotra ny tany manontolo. Tsy hisy fefy hamaritra ny taniny izay hivelatra hanerana ny planeta. Ambonin’izany, ao amin’ny Paradisa an-tany ho avy, ny fiadanana dia tsy hisy farany. Tsy hisy fikorontanana intsony mihitsy na aiza na aiza. Hanerana ny gilaoby manontolo ny fiadanana ary ho be dia be foana izany (Salamo 72:7). Milaza be kokoa noho ny tsy fisian’ny herisetra sy ny ady izany fiadanana izany. Hampiarahina aminy ny rariny sy ny hitsiny. Moa ve Isaia tsy nilaza tokoa fa ilay fanapahana dia hotohanana “amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay”? Hotahina amin’ny fomba feno ny olombelona, ary ny zotom-pon’i Jehovah Andriamanitra tsy mety sasatra no hahatanteraka izany amin’izao androntsika izao.
12. Solontena iza no ananan’ny fitondram-panjakana mipetraka eo an-tsoroky ny “Andrian’ny fiadanana” manerana ny tany?
12 Io fitondram-panjakana io, izay mipetraka eo an-tsoroky ny “Andrian’ny fiadanana”, dia efa manana sahady ny solontenany maneran-tany. Ny fahefan’ny fitondram-panjakan’io Andriana io any an-danitra dia mihafantatra kokoa ihany. Ny sisa amin’ny mpianatr’i Kristy nateraky ny fanahy dia efa voangona daholo avy amin’ireo firenena. Ary ny “olona betsaka” dia mirohotra, avy amin’ny tany maherin’ny 200. 3 229 022 ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny ary tsy mbola mifarana ny asa fanangonana mahafaly. Izany “olona betsaka” izany dia mihoby ilay fitondram-panjakana mipetraka eo an-tsoroky ny “Andrian’ny fiadanana”. Amim-pankasitrahana no aneken’ireo mpikambana ao aminy an’io fitondram-panjakana io sy anekeny ho irany eo amin’ny mponina amin’ny tany manontolo, tafaray amin’ireo “iraka solon’i Kristy”, mahaforona ny sisa voahosotra. — II Korintiana 5:20.
Notorotoroina ny teti-dratsy amin’ny andro ankehitriny
13. a) Inona no iezahan’ireo irak’ilay Fanjakana hatao amin’izy samy izy? b) Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny Firenena mikambana?
13 Ireny irak’ilay Fanjakana ireny dia miahy koa ny hihavana amin’izy samy izy. “Mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana” izy ireo. (Efesiana 4:3.) Miezaka amin’izany izy ireo na dia eo aza ny korontana manozongozona ny tany manontolo. Ireo firenena na mpikambana na tsia ao amin’ny O.N.U., dia niangona marina tokoa hanohitra ny fitondram-panjakan’ny “Andrian’ny fiadanana”. Raha ny marina, ary izany no hevitr’Andriamanitra, ny Firenena mikambana dia mahaforona teti-dratsy maneran-tany goavana iray. Io fandaminana io tokoa dia mihambo ho manana andraikitra hahatanteraka ny asa nanirahana izay ny “Andrian’ny fiadanana” ihany no nampiandraiketin’i Jehovah azy. Manasa ny mponina amin’ny tany manontolo izy mba hanampy azy hanorina ny tsy fananana ahiahy maneran-tany amin’ny alalan’ny fiezahan’olombelona. Nanambara mihitsy ny taona 1986 ho “Taona iraisam-pirenena ho an’ny fiadanana” izy. Tamin’izany no niharihariany ho firaisan-teti-dratsy manohitra ny “Andrian’ny fiadanana” sy manohitra ny fanekena nifanaovan’i Jehovah taminy ho amin’ny fanjakana mandrakizay.
14. Amin’ny teny manao ahoana no ampitandreman’Isaia izay rehetra manohitra an’i Jehovah sy ny fanekeny ho amin’ny Fanjakana?
14 Noho izany antony izany ihany no nampitandreman’Isaia fahiny an’i Ahaza mpanjaka sy ny vahoakany; ireo tokoa dia nitady ny fiadanana sy ny tsy fananana ahiahy tamin’ny alalan’ny fanekena hifanaovana amin’ny Herim-panjakana maneran-tany asyriana. Ny fampitandreman’ilay mpaminany dia voarakitra ao amin’ny Isaia 8:9, 10. Jereo hoe amim-pirehetana manao ahoana no itenenany amin’izay rehetra manohitra an’i Jehovah sy ny fanekeny ho amin’ny Fanjakana: “Misafoaha ihany hianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy hianareo; ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany hianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy. Makà saina ihany hianareo, nefa mbola hofoanana izany; milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; fa aminay Andriamanitra.”
15. Raha tsaraina tamin’izay nitranga tamin’ny andron’i Ahaza mpanjaka, hanao ahoana amin’izao androntsika izao ny teti-dratsy anoherana ny fanekena ho amin’ny Fanjakana?
15 Aoka hiray teti-dratsy hanohitra ny fanekena momba ny Fanjakana sy ny Mpandovany sady Filoha andriana ireo firenena manaiky ny andrian’izao tontolo izao, Satana Devoly, raha izany no iriny! Ny teti-dratsin’izy ireo dia ho foana mihitsy, sahala amin’izay nokotrehina tamin’ny andron’i Ahaza mpanjaka. Rezina mpanjakan’i Syria sy Peka mpanjakan’ny Isiraely dia tsy natahotra an’i Jehovah, Tompon’ny maro, fa niray tetika hanohitra ny fanekeny ho amin’ny Fanjakana. Nosakanana ny firaisan-tetik’izy ireo. Torak’izany koa, Ahaza mpanjakan’ny Joda dia tsy mba natahotra an’i Jehovah, fa niray tetika tamin’ny herim-panjakana maneran-tany asyriana. Tsy nitondra ho azy fiadanana sy tsy fananana ahiahy velively izany fanekena izany fa nahatonga fahoriana sy fanompoana kosa aza. Zavatra mbola lehibe kokoa aza, fa izany dia nampanary azy ny fankasitrahan’i Jehovah.
16. Ahoana no nanapahan’i Jehovah ny teti-dratsy asyriana nanoherana ny fanekena momba ilay Fanjakana, ary inona no ambaran’izany ho an’ny androntsika?
16 Taorian’ny nahafatesan’i Ahaza sy teo ambany fanapahan’i Hezekia zanany, Jehovah, Tompon’ny maro, dia nanapaka ny teti-dratsy asyriana nanoherana ny fanekena momba ilay Fanjakana. Voatery niala tany amin’ny tanin’ny Joda ny mpanjaka asyriana taorian’ny nandringanan’ny anjelin’i Jehovah 185 000 tamin’ny miaramilany. Tsy afaka nandefa na dia zana-tsipika iray monja aza ny fahavalo hanoherana ny tanànan’i Jerosalema (Isaia 37:33-36). Tsy fahombiazana mitovy amin’izany no azo antoka fa voatokana ho an’ny teti-dratsy maneran-tany kotrehina amin’izao androntsika izao hanoherana ny fanekena momba ny Fanjakan’i Jehovah sy ny “Andrian’ny fiadanana”, satria Andriamanitra momba ny Andrianany, Imanoela, sy ireo rehetra mihoby azy.
Aoka isika hiandany amin-kerimpo amin’ny fiandrianana maneran-tanin’i Jehovah
17. a) Asa inona no hataon’ireo mpitondra ara-politika maneran-tany tsy ho ela hanoherana an’i Babylona Lehibe? Inona no hilain’ny vahoakan’i Jehovah, ka ho azony? b) Inona moa no hataon’ireo mpitondra tsy mino an’Andriamanitra rehefa avy nandevona an’i Babylona Lehibe izy ireo? Hahatonga fihetsika inona avy amin’i Jehovah izany?
17 Tsy ho ela ireo mpitondra ara-politika dia hiodina, tsy amin’ny fivavahana milaza ho kristiana fotsiny, fa amin’ny fitambaran’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, koa. Amin’izay fotoana fanapahan-javatra izay, ny vahoakan’i Jehovah dia hila maika dia maika ny harovan’Andriamanitra. Hatosiky ny fandresena amin’ny ra mandriaka azony tamin’i Babylona Lehibe, ireo mpitondra tsy mino an’Andriamanitra dia hamely amin-kerisetra izay nifidy ny fitondram-panjakan’Andriamanitra sy Kristy. Amin’izay, amin’ny alalan’ny “Andrian’ny fiadanana”, Jehovah dia hiady ao amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. (Apokalypsy 16:15.) Hiharihary ho Mpiady tsy mety resy Jesosy Kristy izay manana fitondram-panjakana tsy hihaosa velively na ahoana na ahoana. Hoporofoiny fa izy no “Andriamanitra Mahery” manaiky ny fahefan’Andriamanitra Tsitoha, Jehovah, izay hamirapiratra ny fandreseny. Ny fandresena ao Haramagedona dia hamita ny asa mamirapiratr’io “Andriamanitra Mahery” io, ary ny akon’izany fandresena izany dia hiverimberina tsy hanam-pahataperana. Ny rehetra dia handray izany ho toy ny fitrangan-javatra tsy manan-taloha.
18. Manoloana ny teti-dratsy kotrehina ankehitriny hanoherana ny fanekena ho amin’ny Fanjakana, tapa-kevitra ny hanao inona moa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary inona no ho vokatr’izany?
18 Araka izany àry, ry Vavolombelon’i Jehovah, aoka ny lazantsika hanohy hitombo manerana izao tontolo izao! Aoka isika hitoky tanteraka amin’Andriamanitra sy amin’ny Mpanjakany manjaka, ny “Andrian’ny fiadanana”. Aza matahotra velively manoloana ny teti-dratsin’izao tontolo izao ankehitriny. Aoka isika hanambara amin’ny toerana rehetra ny hafatr’ilay Fanjakana sy ny fandreseny tsy ho ela ny mpanao teti-dratsy ao Haramagedona; amin’izany no hiasantsika ho famantarana sy fahagagana ho voninahitr’i Jehovah. Rehefa hampiodina ireo mpitondra amin’izao tontolo izao hanohitra antsika ny Devoly, dia aoka hotsaroantsika fa ny fandresena dia ho an’ireo mahatoky izay ho niandany tanteraka tamin’ilay Fanjakan’i Imanoela, ny “Andrian’ny fiadanana”, satria “Amintsika Andriamanitra”. (Matio 1:23; jereo Isaia 8:10.) Aoka ny anjely any an-danitra rehetra sy ny olona tsy mivadika rehetra ambonin’ny tany hilaza hoe “Amena” amin’ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’ny zavaboary rehetra na any an-danitra na eto an-tany, ary tsy hanam-pahataperana anie ny tsy fananana ahiahy!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana antsipiriany misimisy kokoa momba ny andraikitry ny “Ray mandrakizay” tanan’i Jesosy Kristy, dia jereo ny toko faha-20 amin’ny boky Sécurité universelle sous le Règne du “Prince de paix”, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
Ho famintinana
◻ Nahoana moa Jesosy Kristy no azo antsoina hoe “Andriamanitra Mahery?
◻ Ahoana no nahafenoan’i Jesosy ny andraikiny amin’ny maha-“Mpanolo-tsaina mahagaga”?
◻ Ny fahefan-dray an’iza no tokony hotadiavintsika? Ny an’iza kosa no tokony holavintsika?
◻ Inona moa ny Firenena mikambana raha ny marina?
◻ Hanao ahoana no hiafaran’ny teti-dratsy kotrehina ankehitriny hanoherana ny fanekena ho amin’ny Fanjakana sy ny Mpandova izany, ny “Andrian’ny fiadanana”?
[Sary, pejy 16, 17]
Izao rehetra izao manontolo dia ho tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana feno fiadanana amin’ilay Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao.