Ny fomba hanampiana zaza iray hitombo amin’ny fahendren’Andriamanitra
OLONA misaina maro avy amin’ny fari-piainana sy firenena maromaro no miaiky fa mpampianatra sy mpanoro lalam-pitondrantena tsy nanam-paharoa Jesosy. Nandray anjara tamin’izany ve anefa ny fanabeazana noraisiny teo amin’ny fahatanorany? Fianarana inona no azon’ireo ray aman-dreny ankehitriny tsoahina avy amin’ny fiainam-pianakaviany sy ny fomba nanabeazana azy?
Filazalazana kely ihany no omen’ny Baiboly antsika ny amin’ny fahazazan’i Jesosy. Voafintina amin’ny andinin-teny roa ireo taona 12 voalohany niainany: “Ary rehefa vitany [Josefa sy Maria] ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ny Tompo [Jehovah, MN ], dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany. Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan’Andriamanitra no tao aminy.” (Lioka 2:39, 40). Mirakitra fianarana ho an’ny ray aman-dreny anefa ireo andinin-teny ireo.
Voalohany indrindra, ilay zazalahy kely “dia nitombo sy nihahery”. Izany àry dia noho ny nikarakaran’ireo ray aman-dreniny azy teo amin’ny lafiny ara-batana. Ambonin’izany, dia “feno fahendrenaa” izy. Nomena an’iza ny andraikitra hampianatra azy ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina izay hahaforona ny fototr’izany fahendrena izany?
Teo ambany lalàn’i Mosesy, izany adidy izany dia niandraiketan’ny ray aman-dreniny. Nandidy ny ray sy ny reny Isiraelita tsirairay avy ny Lalàna hoe: “Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha.” (Deoteronomia 6:6, 7). Ny naha-“feno fahendrena” an’i Jesosy hatrany sy ny ‘nitoeran’ny fankasitrahan’Andriamanitra taminy’ dia mampiseho fa nankatò io baiko io Josefa sy Maria.
Raha heverina amin’ny maha-lavorary an’i Jesosy, dia mihevitra angamba ny sasany fa tsy tena mahaforona ny ohatra araka ny tokony ho izy ho an’izay mitaiza ankizy ny fanabeazana azy. Tsy tanteraka anefa Josefa sy Maria. Na dia izany aza, dia miharihary fa nomen’izy ireo tsy tapaka ireo zavatra nilain’i Jesosy ara-batana sy ara-panahy, ary izany dia na dia teo aza ireo andraikitra nipetraka noho ny fahaterahan’ireo ankizy hafa (Matio 13:55, 56). Jesosy koa na dia tanteraka aza, dia tsy maintsy nandalo ny fahazazana kely ho amin’ny taonan’olon-dehibe izy, tamin’ny famakivakiana ny fahazazana sy ny fotoana naha-zatovo. Nanana asa fampiofanana lehibe hotanterahina, izay hita mazava fa niantsorohany tsara ny ray aman-dreniny.
Jesosy teo amin’ny faharoa ambin’ny folo taonany
“Ary ny ray aman-dreniny nankany [nanana fahazarana nandeha tany, MN ] Jerosalema isan-taona raha avy ny andro firavoravoana amin’ny Paska.” (Lioka 2:41). Araka ny lalàn’Andriamanitra, ny lehilahy rehetra dia tsy maintsy niseho tany Jerosalema nandritra ireo andro firavoravoana (Deoteronomia 16:16). Antitranterin’ny fitantarana anefa fa ‘nanana fahazarana nandeha [tany] ny ray aman-dreniny’. Noho io fisehoan-javatra mahafaly io, Josefa dia nitondra an’i Maria, ary azo inoana fa ny sisa amin’ny fianakaviany, ho any Jerosalema; maherin’ny 100 kilaometatra ny dia (Deoteronomia 16:6, 11). Fahazaran’izy ireo izany, ampahany iray tsy tapaka teo amin’ny fiainany. Ambonin’izany koa, izy ireo dia tsy nanao fisehoana anarany fotsiny tany Jerosalema; nitoetra tany izy nandritra ireo andro rehetra naharetan’ny fety. — Lioka 2:42, 43.
Izany ka manome fianarana mahasoa ho an’ireo ray aman-dreny amin’izao andro izao. Fotoam-pivoriambe nanetriketrika sady firavoravoana ireny fety isan-taona nankalazaina tany Jerosalema ireny (Levitikosy 23:4, 36). Nampiorina ara-panahy izy ireny ho an’i Josefa, Maria ary Jesosy kely. Amin’izao androntsika izao, ireo ray aman-dreny dia manao tsara raha mikatsaka ho an’ireo zanany fahafahana mitovy amin’izany hiainana fotoana mampientana sasany izay, sady mivoaka amin’ny mahazatra, no ho an’ny fampiorenana azy ireo ara-panahy. Mampihatra izany ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitondrana ny zanany any amin’ireo fivoriambe lehibe alamina amin’ny fomba mifanelanelana ara-dalàna ao anatin’ny taona. Amin’izany fomba izany, ny ankizy dia afaka manana fifaliana handeha sy hifangaro amin’ny mpiray finoana an-jatony maro na an’arivony maro mandritra ny andro vitsivitsy. Ny ray iray nitaiza zanaka folo tamim-pahombiazana dia mihevitra fa amin’ny ampahany lehibe, ny fahombiazany dia tamin’ny hoe, hatramin’ny 45 taona nahavita batisa azy, dia tsy mbola tapaka mihitsy na dia tamin’ny fotoam-pivoriambe iray monja aza izy. Ary namporisika ny fianakaviany izy mba tsy ho tapaka na dia tamin’ny anankiray tamin’izany aza.
Fanadinoana iray
Fony Jesosy mbola kely kokoa, dia tsy isalasalana mihitsy fa nitoetra teo akaikin’ny ray aman-dreniny izy nandritra ireny dia fanao isan-taona ho any amin’ny tanàna lehiben’i Jerosalema ireny. Mety ho nanome azy fahafahana bebe kokoa anefa ny ray aman-dreniny arakaraka ny nitomboany. Teo amin’ny faharoa ambin’ny folo taonany izy, dia nahatratra ny taona heverin’ny Jiosy ho toy ny dingana iray lehibe eo amin’ny lalana mankamin’ny toeran’olon-dehibe. Angamba noho io fiovana voajanahary io, no nanaovana fanadinoana rehefa tonga ny fotoana handaozan’ny fianakavian’i Josefa an’i Jerosalema ka hodiany tany aminy. Milaza toy izao ny fitantarana: “Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany; ary satria nataony fa niaraka tamin’ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha làlana indray andro izy vao nitady Azy tamin’ny havany sy ny olom-pantany.” — Lioka 2:43, 44.
Hahatsiaro ny tenany ny ray aman-dreny sy ny tanora avy amin’ny endriny sasantsasany amin’io fisehoan-javatra tsy nampoizina io. Misy fahasamihafana anefa amin’izy io: Tanteraka Jesosy. Koa satria izy nanaiky an’i Josefa sy Maria, dia tsy azo heverina ho tsy ampy fankatoavana ny fandaharana toy izao na toy izao noraisin’izy ireo ho azy izy. Tena azo inoana kokoa fa nisy tsy fahampian’ny fifampiresahana tao. Notombatombanan’ny ray sy ny renin’i Jesosy fa tao anatin’ny antokon’olona nisy ireo havany sy olom-pantany izy (Lioka 2:44). Mora ny misaintsaina fa, tamin’ny fiomankomanana teo am-piaingana tany Jerosalema, izy ireo dia nanara-maso talohan’ny zavatra rehetra ireo zanany kely kokoa ary nihevitra fa nanaraka azy Jesosy zanany lahimatoa.
Hita miharihary anefa fa noheverin’i Jesosy ho nahalala izay nisy azy ny ray aman-dreniny. Izany no fantatra amin’ny valin-teny nomeny azy ireo tatỳ aoriana: “Nahoana no nitady Ahy hianareo, tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko Aho?” Tsy hoe tsy nanaja ireo teny ireo; mampiseho tsotra fotsiny izy ireo fa gaga izy noho ny tsy nahafantaran’ny ray aman-dreniny izay hahitana azy. Fisehoan’ny karazana tsy fahazoan-dresaka azon’ny ray aman-dreny maro manan-janaka zatovo fantarina izany. — Lioka 2:49.
Hevero ny tebitebin’i Josefa sy Maria teo am-pifaranan’ny andro voalohany, rehefa tsikariny fa tsy teo Jesosy. Ary alao sary an-tsaina ny ahiahy nitombo nitambesatra taminy nandritra ireo andro roa namakivakiany an’i Jerosalema hitadiavana azy. Voaporofo anefa fa novalian-tsoa ny fanabeazana nataon’izy ireo tamin’io toe-java-nanahirana niseho io. Tsy niaraka tamin’ny naman-dratsy Jesosy. Tsy nanome henatra ny ray aman-dreniny izy. Rehefa nahita an’i Jesosy ireo, dia “teo an-kianjan’ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy. Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany”. — Lioka 2:46, 47.
Ny fomba nampiasany ny fotoanany sy ny fahiratan-tsainy niharihary ho tsara dia tsara teo amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Soratra masina dia milaza betsaka ny amin’izany ihany koa momba ny fanabeazana nomen’i Josefa sy Maria azy hatreo. Na dia izany aza, ny fihetsik’i Maria dia toa ohatra ny amin’ny reny iray be fanahiana. Voalohany indrindra aloha, dia nionona ny fony nahita ny zanany lahy tsy naninon-tsy naninona; avy eo izy dia nampiseho ny fanahiana sy ny fahasosorany tamin’ny fitenenana azy mafy hoe: “Anaka, nahoana no nanao toy izany taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!” (Lioka 2:48). Koa tsy mahagaga raha toa i Maria ka niteny talohan’i Josefa ny amin’ny fanahian’izy mivady. Zatovo maro, rehefa mamaky io fitantarana io, no tsy isalasalana fa hiteny hoe: “Ny reniko no milaza ny zavatra rehetra!”
Ireo fianarana
Fianarana inona no azo raisina avy amin’io fitantarana kely io? Manana fironana hanombatombana ny zatovo fa mahafantatra izay heveriny ireo ray aman-dreniny. Re matetika izy ireo miteny hoe: “Noheveriko ho fantatrao anie.” Raha toa ny zanakareo efa niteny izany taminareo rehefa nisy tsy fahazoan-dresaka nitranga, dia tsy ianareo akory no voalohany nahita io zava-manahirana io.
Rehefa manatona ny fotoana maha-zatovo ny ankizy, dia miha-tsy miankina kokoa amin’ny ray aman-dreniny. Ara-dalàna izany fiovana izany, ary tokony hanao fandaminan-javatra maro ny ray aman-dreny mba hamelana izany hitranga. Na dia amin’ny fanabeazana tsara indrindra aza anefa, dia hitranga ny tsy fahazoan-dresaka ary hanana ireo fanahiany maro ny ray aman-dreny. Kanefa, raha manaraka ny ohatra tsara dia tsara navelan’i Josefa sy Maria izy ireo, ny fanabeazana ho nomeny an’ireo zanany dia hanampy be dia be an’ireo ao anatin’ireo fotoan-tsarotra.
Toa nanohy nanabe an’i Jesosy ny ray aman-dreniny nandritra ny fotoana rehetra naha-zatovo azy. Taorian’ilay fitrangan-javatra novoaboasantsika, ny zanany dia “niara-nidina taminy”, tamim-pankatoavana, tany amin’ny tanàna nahabe azy ka “nanoa azy”. Inona no vokatr’izany? “Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona.” Tsara fiafara àry io tantara kely io (Lioka 2:51, 52). Ireo ray aman-dreny izay manahaka an’i Josefa sy Maria, manampy ireo zanany hitombo amin’ny fahendren’Andriamanitra, manao izay hahatsiarovan’izy ireny tena ho finaritra ao an-trano, ary mampanaiky azy ireny ny hery mitaona mahasoan’ny fiarahana amin’olona tia fivavahana, dia mampitombo ny mety ho fanampoizana hahita ireo taranany hanaraka ny dian’i Jesosy. Manana fanapoizana kokoa hanana fiainana sambatra ireny ankizy ireny rehefa ho tonga kristiana olon-dehibe mendri-pitokisana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny teny grika tany am-boalohany nadika hoe “feno fahendrena” dia mahafaoka hevitra ny amin’ny fandosoana mitohy.