“Mahereza sy matanjaha tsara”
“Aza matahotra azy hianareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no hiady ho anareo.” — DEOTERONOMIA 3:22.
1. a) Inona moa no tarehin-javatra nisy teo amin’ny Isiraely teo am-piafaran’ny firenireneny tany an’efitra? b) Famporisihana inona moa no nomen’i Mosesy tamin’izay?
TEO am-piatrehana sasany tamin’ireo fisehoan-javatra lehibe indrindra teo amin’ny tantarany ny Isiraely. Ilay firenena masin’Andriamanitra tokoa dia teo am-piomanana hiditra ao amin’ny Tany nampanantenaina. Nandritra ny 40 taona no nitarihan’i Mosesy ny Isiraelita namakivaky ny efitra iray midadasika sy mahatahotra. Raha tao amin’ny faritanin’i Jordana, tany amin’ny tany Moaba izy ireo, dia niteny farany tamin’ny vahoakan’Andriamanitra i Mosesy. Na dia 120 taona aza izy dia “tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny”. Ary tsy mbola nihena koa ny hamafin’ny feony. Josoa, izay handeha handimby azy, ary ny Isiraelita rehetra koa, dia tsy maintsy ho nihetsi-po nandre an’i Mosesy namelabelatra tamin’ny fiteny henjana ireo lalàn’i Jehovah sy nananatra azy ireo tamin-kery mba hiseho ho be herim-po rehefa hiditra ao amin’ilay tany ho lovany izy ireo. — Deoteronomia 1:1-5, 19, 21, 29, 30; 3:22; 31:6, 7, 23; 34:7.
2. Ahoana no ahafantarantsika fa ny fitantarana ny amin’ireo fitrangan-javatra ireo dia ho fianarana ho antsika?
2 Nefa moa ve ireo fisehoan-javatra tena tranainy ireo tsy manana afa-tsy vidiny ara-tantara fotsiny? Tsy izany mihitsy. Milaza amintsika toy izao ny apostoly Paoly: “Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.” (Romana 15:4). Io fitantarana io dia manana ny mifanitsy aminy amin’izao andro izao. Afaka manatanjaka antsika izy io ho amin’ny ady ara-panahy ataontsika ankehitriny. Izany koa dia milaza fampitandremana ho antsika ‘izay niharan’ny faran’izao tontolo izao”, sady manampy antsika mba hanalavitra ireo fandrika velarin’i Satana. — I Korintiana 10:11; I Petera 4:7.
Ny herin’i Josoa: inona no loharanony?
3, 4. a) Nahoana no tokony hamboly herim-po isika? b) Ahoana no hetezan’izany?
3 Tsy ho ela intsony izao ny vahoakan’Andriamanitra dia hiditra ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nomanin’i Jehovah. Noho ireo fisehoan-javatra eo am-piomanana maneran-tany dia mila mamboly herim-po isika. Amin’ny fomba ahoana no hetezan’izany? Raha teo am-pidirana tao amin’ny Tany nampanantenaina Josoa, dia nomen’Andriamanitra ireto toromarika ireto: “Koa mahereza sy matanjaha tsara hianao, hitandremanao hanao araka ny lalàna rehetra izay nandidian’i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, mba hambinina hianao amin’izay rehetra alehanao. Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman-alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady hambinina.” — Josoa 1:7, 8.
4 Toy izao àry ilay tsiambaratelo: mamaky ny Baiboly isan’andro. Mirakitra ny lalàn’Andriamanitra ho antsika izy io. Saintsaino izany; hevero ny fampitandremany. Aza mety ho voatarik’izao tontolo izao tia zavatra ara-nofo sy maloto manodidina anao ianao. Na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra, mitondrà tena amim-pahendrena. Ampiharo ny fahalalana marina sy ny fahatakaran-javatra ara-panahy azonao tamin’ny fianaranao ny Tenin’Andriamanitra. Resaho amin’ny hafa izany. Raha manao toy izany ianao sady miantehitra amin’i Jehovah, dia afaka ny ‘hahery sy hatanjaka tsara ary hahalavorary ny làlanao’ marina tokoa. — Jereo Salamo 1:1-3; 93:5; 119:165-168.
5. a) Amin’ny fomba ahoana, no mety hahazoan’ny zatovo minisitra kristiana, hery sahala amin’ny an’i Josoa? b) Inona no zava-kendrena tsara azon’ny Vavolombelona tanora tratrarina?
5 Josoa dia “nanompo an’i Mosesy hatry ny fony tanora”. (Nomery 11:28.) Tsy isalasalana fa io fifaneraserana akaiky io dia nanampy azy ho tonga matanjaka ara-panahy. Toy izany koa, fa ny zatovo minisitra kristiana amin’izao andro izao, dia afaka mahazo hery amin’ny fiarahany miasa amin’ny ray aman-dreniny nanolo-tena ho an’Andriamanitra, amin’ireo mpitory maharitra, amin’ireo Vavolombelona tranainy sy amin’ireo mpanompon’i Jehovah mahatoky hafa. Ny fandraisana anjara amin’ny asa fanambarana isan-trano isan-trano miaraka amin’ny kristiana be zotom-po toy ireny dia hilaza fifaliana ho an’ny tanora, ary hanampy azy ireo hitombo ho amin’ny fahamasahana sy hamboly faniriana handroso eo amin’ny fanompoana. (Asan’ny apostoly 20:20, 21; Isaia 40:28-31). Mety hisy ve zava-kendrena tsara kokoa noho ny fidirana hanao ny fanompoana manontolo andro ho an’ny Fanjakan’i Jehovah ho an’ny Vavolombelona tanora? — Salamo 35:18; 145:10-12.
6. Ohatra inona no navelan’i Josoa ho antsika tamin’ny fanafihany an’i Amaleka?
6 Rehefa nirahin’i Mosesy hiady tamin’ny Amalekita Josoa dia “nanao araka izay efa nolazain’i Mosesy”. Olona mpankatò izy. Nahazo fandresena àry izy. Isika koa dia hanana anjara amin’ny fanamarinana an’i Jehovah raha mitandrina tsara ireo toromarika azontsika amin’ny alalan’ny fandaminany ho amin’ny ady ara-panahy ataontsika. Jehovah dia nandidy an’i Mosesy mba hitahiry ny fahatsiarovana ny Fandreseny an’i Amaleka tamin’ny firaketana izany ao anaty boky iray sy tamin’ny fanambarana izany tamin’i Josoa. Azo antoka, taty aoriana kosa, fa Josoa dia nanandratra ny fandresen’i Jehovah, tamin’ny firesahana izany tamin’ny hafa. Tahaka izany koa, isika amin’izao andro izao dia afaka mampahafantatra ny asa lehiben’i Jehovah, ilay Tompom-piandrianana sy manambara ny fahatongavan’ny “andro famaliany” ny ratsy fanahy tsy ho ela. — Eksodosy 17:10, 13, 14; Isaia 61:1, 2; Salamo 145:1-4.
7, 8. a) Toky nanao ahoana no nasehon’i Josoa sy Kaleba tamin’ny fiverenany avy tany Kanana? b) Fampitandremana sy fampaherezana inona moa no hitantsika tamin’ny fomba fanaon’i Jehovah tamin’izay?
7 Josoa dia anisan’ireo filoha 12 nirahin’i Mosesy hisafo ny Tany nampanantenaina. Rehefa niverina izy ireo, ny folo taminy dia naneho fahatahorana lehibe ny Kananita nonina tao amin’ilay tany ary nampiaiky ny vahoaka mba hangataka ny fiverenana any Egypta. Josoa sy Kaleba kosa dia nanao izao fanambarana tamim-pahasahiana izao: “Raha sitrak’i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin’izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely. Fa aza miodina amin’i Jehovah hianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy hianareo.” — Nomery 13:1 ka hatramin’ny 14:38.
8 Nanohy nimonomonona anefa ny fiangonan’ny Isiraely, hany ka niditra an-tsehatra i Jehovah mba hanameloka ireo Isiraelita natahotra ireo, hirenireny nandritra ny 40 taona tany an’efitra. Ny lehilahy rehetra tokony hiantafika dia maty tsy nahita ny Tany nampanantenaina, afa-tsy i Josoa sy Kaleba. Fampitandremana toy inona moa izany ho antsika! Aoka isika tsy himonomonona mihitsy amin’ireo fandaharana raisin’i Jehovah. Na dia tokony hanao fanambarana any amin’ny faritany sarotra aza isika, dia aoka ho be herim-po sy hatanjaka ka hitsidika ny olona any an-tranony mba hitondra ho azy ireny ny hafatra iankinan’ny aina momba ilay Fanjakana. Aza manahaka na oviana na oviana ireo mpivadi-pinoana amin’izao androntsika izao izay tsy manao fanambarana ampahibemaso fa manendrikendrika kosa ny rahalahiny ka miverina any amin’ny lalan’izao tontolo izao, dia ilay Egypta ara-panoharana. — Nomery 14:1-4, 26-30; Lioka 12:45, 46; jereo Asan’ny apostoly 5:27-29, 41, 42.
Asandratra ny anaran’i Jehovah
9. Tamin’ny fomba ahoana no nitondran’i Josoa tena nifanaraka tamin’ny anarany vaovao?
9 Raha nanome ny lisitr’ireo mpisafo tany 12 ny Baiboly dia miresaka an’i Josoa amin’ny anarana hoe Hosea, izay ny heviny dia hoe “Famonjena”. Nefa manampy toy izao ilay andinin-teny: “Ary Hosea, zanak’i Nona dia nataon’i Mosesy hoe Jehoschua [na Josoa, izay ny dikany dia hoe “Jehovah no famonjena”].” Nahoana no nahariharin’i Mosesy toy izany ny anaran’i Jehovah? Satria alohan’ny zavatra rehetra, Josoa dia nampiasaina ho amin’ny fanamarinana an’io anarana io. Izy dia tonga ohatra velona ny amin’ny fanekena ny didy izay hotononin’i Mosesy amin-kery ho an’Isiraely atỳ aoriana, hoe: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.” Tamin’izany fomba izany no nahazoan’i Josoa tombontsoa naneho fa “Jehovah no famonjena”. — Nomery 13:8, 16; Deoteronomia 6:5.
10. a) Milaza inona ho anao ny anaran’i Jehovah? b) Inona ny hery azontsika tovozina avy amin’ireo teny notononin’i Jehovah avy eo tamin’i Josoa?
10 Moa ve ny tenantsika koa tsy tonga ao amin’ny fahitana ao amin’i Jehovah anarana faran’izay sarobidy sady mendrika ny fiderantsika rehetra? Io anarana malaza io dia midika hoe “Mahatonga izy”, heviny izay misy ifandraisany amin’ny fahatanterahan’ireo fampanantenan’Andriamanitra. Fampaherezana toy inona moa no azo noho ireo fampanantenany momba ilay Fanjakana! Amin’ny fananana zotom-po sahala amin’ny an’i Josoa, isika dia haniry hankalaza ny anarana sy ny fikasan’i Jehovah eo anoloan’ireo rehetra mbola afaka manaiky ny fanantenana asehon’ny fandaharan-javatra vaovao madio sy marina nampanantenain’Andriamanitra. Amin’izao andro sarotra diavintsika izao, dia afaka manovo hery isika amin’ireto teny ireto, nambaran’i Jehovah avy eo tamin’i Josoa hoe: “Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy mahatanjaha, aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao.” — Josoa 1:9a.
11. a) Ahoana no nampiharihariana ny hevitry ny anaran’i Jesosy tamin’ny fidirany tao Jerosalema? b) Ahoana moa no niheveran’i Jesosy ny anaran’i Jehovah, ary inona no manaporofo izany?
11 Amin’ny fiteny grika, ny mifanitsy amin’ny anarana hoe Josoa na Jehoshoa dia Jesosy, izay ny heviny koa dia hoe “Jehovah no famonjena”. Amin’ny alalan’i Jesosy Kristy no anomezan’i Jehovah ho an’ny olombelona ny famonjena. Rehefa niditra tao Jerosalema nitaingina zana-boriky iray Jesosy tamin’ny taona 33, ny vahoaka dia tsy nitsahatra niantso hoe: “Hosana, [Mamonje re, MN ]! Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah!” (Marka 11:9; Zakaria 9:9). Josoa dia nampiseho marina an’i Jesosy, izay ‘namela fianarana ho antsika, mba hanarahantsika ny diany’. (I Petera 2:21.) Sahala amin’i Josoa, Jesosy dia nihevitra ny anaran’i Jehovah ho zava-tsarobidy tokoa ka nankalaza azy. Tao amin’ny vavaka farany notononiny niaraka tamin’ny mpianany, dia nasandrany indroa ny anaran’Andriamanitra tamin’ny filazana hoe: “Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’izao tontolo izao ny anaranao. (...) Nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho eo aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.” (Jaona 17:6, 26). Tombontsoa toy inona moa ny mampahafantatra an’io anarana io amin’ny mpiara-belona amintsika!
12. Inona ireo asa lehibe andrasantsika ankehitriny ny fahatanterahany, ary nahoana?
12 Rehefa mamaky ny fitantaran’ny Baiboly momba ny tsy fivadihan’i Josoa teo amin’ny anjara asany amin’ny maha-mpitarika ny Isiraely azy isika, dia aoka hoheverintsika fa i Jesosy Kristy, ilay Josoa lehibe, no mpitarika ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao. Ny “andron’i Jehovah”, ny andro fanamarinana azy, izao dia efa antomotra. Tsy andrintsika àry ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra hanorina fandehan-javatra vaovao iray marina aorian’io andro io (II Petera 3:10-13, 17, 18). Azontsika antoka fa Jehovah dia hanao asa lehibe hafa, mbola ho lehibe kokoa noho izay nataony tamin’ny alalan’i Josoa.
Fahagagana iray nataon’i Jehovah teo Jordana
13. a) Tao anatin’ny tarehin-javatra toa tsy azo ivoahana inona moa no nisy ny Isiraely rehefa teo amin’ny morony atsinanan’i Jordana izy? b) Tamin’ny fomba ahoana no namalian-tsoa ny fankatoavan’ny Isiraelita?
13 Tamin’io taona 1473 alohan’ny fanisan-taona iraisana io, dia tonga ny fotoan’ny fararano sady tondraka Jordana. Amin’ny fomba ahoana àry izao no hiampitan’ireto olona an-tapitrisany maromaro izay misy tanora sy antitra, lehilahy sy zaza amam-behivavy ity renirano mahery? Kanefa Jehovah dia nandidy an’i Josoa toy izao: Mitsangàna, mità ity Jordana ity hianao sy ireo olona rehetra ireo.” Tetsy an-kilany koa ny vahoaka dia nilaza tamin’i Josoa toy izao: “Izay rehetra andidianao anay dia hataonay.” Nanorona ny lainy àry Isiraely. Ny mpisorona no nialoha lalana, nitondra ny fiaran’ny fanekena voasarona tsara, izay nampiseho ny fanatrehan’i Jehovah teo amin’ny Isiraelita. ‘Nanao fahagagana teo aminy Jehovah’. “[Ary raha vao] tonga teo Jordana izay mitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny fiara tamin’ny sisin-drano ny tongony, (...) dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony”. Ny rano nidina dia “tapaka” ka nikoriana ho any amin’ny Ranomasina Maty, “ary ny olona dia nita”. (Josoa 1:2, 16; 3:5-16.) Tena fahagagana nahatalanjona marina tokoa izany!
14. Inona no mifanandrify amin’izany amin’izao androntsika izao, ary inona no vokatry ny fanambarana nomena?
14 Ny Jordana tondraka dia azo ampitahaina ankehitriny amin’ny olombelona izay, toy ny renirano be, dia mihazakazaka ho any amin’ny fandringanana azy ao Haramagedona (jereo Isaia 57:20; Apokalypsy 17:15). Raha eo amoron’ny fianjerany farany ny olombelona, Jehovah dia mampiorina ny mpanompony izay miisa ho 3 000 000 mahery ankehitriny, dia isa azo ampitahaina amin’ny an’ireo Isiraelita nandeha teo ambany fitarihan’i Josoa. — Jereo Habakoka 2:3.
15. a) Inona no azo ampitahaina, amin’ny andro ankehitriny, amin’ny asa mampiseho herim-po nataon’ireo mpisorona tamin’ny andron’i Josoa? b) Ahoana ny fomba ampisehoana ny “olona betsaka” ao amin’io sary io?
15 Rehefa niampita ny ony maina ireo Isiraelita an-tapitrisany vitsivitsy, “ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ny faneken’i Jehovah dia nijoro tsara tamin’ny tany maina teo afovoan’i Jordana”, ka nampiseho tamin’izany fa Jehovah Andriamanitra mihitsy no nampitsahatra ny fikorianan’ilay renirano (Josoa 3:17). Tamin’ny 1919 no nijoro tamin-kerim-po teo anoloan’ny “rano” mampiseho ny olombelona, ny Vavolombelona voahosotry ny fanahy, izay antokon’olom-bitsy monja tamin’izany fotoana izany. Tamin’ny 1922, izy ireo dia namaly tamin-kasahiana ny antso manasa azy ‘hanambara, hanambara, hanambara ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany’, tamin’ny filazana sahalahala amin’izao: “Inty aho, iraho aho.” Jehovah dia nanome antoka azy ireo toy izao: “Raha mita ny rano hianao, dia homba anao Aho; ary raha mita ny ony hianao, dia tsy hanafotra anao izy.” Tamin’ny 1931 dia nomeny voninahitra lehibe izy ireo tamin’ny famelana azy hitondra ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah (Isaia 6:8; 43:2, 12). Anisan’ireo izay nita an’i Jordana, dia tao ireo Isiraelita rehetra tsy ao amin’ny fokon’i Levy ary koa ny taranak’ireo “olona maro samy hafa firenena”, tsy Isiraelita, izay nandao an’i Egypta niaraka tamin’i Mosesy. Torak’izany koa, ireo anisan’ny “olona betsaka” dia mandray anjara koa amin’ny fiampitana izay hitondra azy ireo ho ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra, raha mbola “miorina tsara, tsy miova”, ny anisan’ny kilasin’ny mpisorona ara-panahy mbola velona amin’ny andro ankehitriny, ka mampiseho finoana faka tahaka. — Eksodosy 12:38; Apokalypsy 7:9; I Korintiana 15:58.
Fahatsiarovana an’ilay fahagagana
16. a) Inona no natao mba ho fahatsiarovana ny fahagagana nataon’i Jehovah tao Jordana? b) Mampahafantatra inona izany raha ny amin’ny asa lehibe ataon’i Jehovah amin’izao androntsika izao?
16 Mba ho voatahiry ny fahatsiarovana ilay fahagagana nataony teo Jordana, dia nodidian’i Jehovah ny hakan’ny lehilahy 12, izay solontenan’ny fokon’ny Isiraely tsirairay avy, vato 12 teo amin’ny ony maina ka hametraka izany eny amin’ny morony andrefana, ao Gilgala. Ireny vato ireny dia hajanona eo ary ho fahatsiarovana foana ny anarana sy ny asa lehibe nataon’i Jehovah. Ary holazaina amin’ny taranak’Isiraely atỳ aoriana fa io tsangambato fahatsiarovana io dia najoro mba “ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa mahery ny tànan’i Jehovah, ary mba hatahorany an’i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay.” (Josoa 4:1-8, 20-24.) Amin’izao androntsika izao, ny asa mampitolagaga nataon’i Jehovah mba hamonjena ny vahoakany tamin’ny fanafihana ratsin’ireo filoha ara-politika sy ara-pivavahana dia mahaforona fahatsiarovana iray fa momba ny vahoakany izy. Tsy isalasalana fa ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao dia hotsahivina foana ny fahatsiarovana ny asa mahatalanjona nataon’i Jehovah tamin’izao androntsika izao ho fanamarinana ny anarany. — Apokalypsy 12:15, 16; Salamo 135:6, 13.
17. a) Inona moa ny zavatra hafa nataon’i Josoa mba ho fahatsiarovana? b) Fanambarana manao ahoana karazan’izany moa no tsy azon’ny olombelona idifiana?
17 Jehovah dia nandidy ny hampijoroana fahatsiarovana hafa iray koa. “Ary vato roa ambin’ny folo no natsangan’i Josoa teo Jordana, teo amin’ilay nijoroan’ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.” Ary rehefa niakatra niala ny ony ny mpisorona ka nalefan’i Jehovah ny rano nohazonina hatreo, dia niboiboika nanodidina ireo vato 12 fanambarana izany (Josoa 4:9). Tsy afa-niala ny fisian’ireo vato ireo àry ny rano. Toy izany koa fa ny olombelona ankehitriny dia mihazakazaka haingana tsy misy toy izany mihitsy ho any amin’ny “Ranomasina Maty”, dia Haramagedona izany. Kanefa izy dia tsy afa-mandositra ny fanambarana miavosa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany izay ‘maharitra amin’ny fanahy iray ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny filazantsara’. (Filipiana 1:27, 28.) Ny filazana eo am-pelatanana dia manondro fa nandritra ireo 67 taona lasa, anisan’izany ny 1986, ny Vavolombelona dia nametraka tao amin’ny tokantrano maneran-tany boky 570 000 000 mahery ary gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! mihoatra ny 6 400 000 000, tsy ao anatin’izany ireo famandrihana an-tapitrisany maro tamin’ireo gazety ireo, izay azony. Izany rehetra izany dia amin’ny fiteny mihoatra ny 200. Tena fanambarana goavana tokoa izany.
18. a) Inona ireo toetra nasehon’ny kilasin’ny mpisorona amin’izao andro izao? b) Fampaherezana inona moa no azon’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra avy amin’izany?
18 Afaka mifaly isika raha nitohy hatramin’izao 1987 izao izany fanambarana izany. Tsy mora foana akory ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, kanefa tsy mora tamin’ireo lehilahy roa ambin’ny folo koa akory ny fitondrana ny vato fahatsiarovany tsirairay avy nankany Gilgala. Nisy fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra mahafinaritra anefa nampiray ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao androntsika izao ka namporisika azy ireo hatrany mba ‘hahery sy hatanjaka tsara’. — Salamo 27:14; 31:24; Zefania 3:9.
19. Raha mandinika ny fitrangan-javatra hafa niseho tamin’ny andron’i Josoa isika, inona moa no toky ananantsika?
19 Ny fisehoan-javatra hafa nitranga tamin’ny andron’i Josoa dia tokony hamporisika antsika handroso hatrany, sady hatoky fa Jehovah dia hanao fahagagana hafa koa ho an’ny vahoakany. Ny lahatsoratra manaraka dia handinika ny sasantsasany amin’ireny fisehoan-javatra ireny.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Asher Goldenberg dia nanoratra (ao amin’ny Metre and Its Significance in the Bible [hebreo]) fa nandritra ny vanim-potoana nisian’ny tempoly voalohany, dia nahazatra ny fanomezana endriny lava kokoa an’ireo anarana manokana, tamin’ny fampidirana tao anatiny, tapany iray tamin’ny Tetragrama. Izany dia fanehoana tsy fivadihana amin’i Jehovah. Nilaza izy fa tao anatin’ny “Pentateuque” i Mosesy dia nanova ny anaran’i Hôshé ben-Num tamin’ny hoe ‘Jéhoschua’ rehefa naniraka azy hisafo ny tany; noheveriny mialoha tamin’izany fa tsy hamadika [an’i Jehovah] izy [Josoa].
Hevitra sasantsasany azo eritreretina momba ireo fisehoan-javatra niseho tamin’ny andron’i Josoa
◻ Nahoana no tokony hekena fa tsy filazana ara-tantara tsotra fotsiny ihany izany?
◻ Amin’ny fomba ahoana no azontsika ambolena herim-po sy tanjaka ara-panahy?
◻ Ohatra tsara dia tsara inona moa no navelan’i Josoa ho antsika?
◻ Teo amin’ny lafiny inona avy moa no nampisehoan’i Josoa an’i Jesosy?
◻ Fisehoan-javatra inona amin’izao andro izao moa no azo ampitahaina amin’izay niseho teo Jordana?