Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Inona no azo atao mandritra ny sabata?
INDRAY andro sabata hafa koa, dia niditra tao amin’ny synagoga iray i Jesosy, tany akaikin’ny ranomasin’i Galilia. Nisy lehilahy iray maty tanana havanana tao. Nitily an’i Jesosy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo mba hahitana raha hanasitrana an’io lehilahy io izy. Tamin’ny farany, dia nanontany azy toy izao izy ireo: “Mety va ny mahasitrana amin’ny Sabata?”
Nihevitra ireo filoha ara-pivavahana jiosy fa zo ny hanasitrana olona marary mandritra ny sabata raha tandindomin-doza ihany ny fiainan’ny tena. Ampianarin’izy ireo, ohatra, fa mandritra ny sabata dia rarana ny mamerina taolana amin’ny toerany na mamehy folaka. Koa matoa nanontany an’i Jesosy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo, dia mba hahafahana miampanga azy.
Fantatr’i Jesosy anefa ny hevitr’izy ireo. Tsapany koa fa nanaraka fiheverana nihoapampana sy nifanohitra tamin’ny Soratra Masina izy ireo raha ny amin’izay mahaforona fandikan-dalàna mandrara ny asa rehetra mandritra ny sabata. Koa nihantsy fifanatrehana tamin’ireny filoha ara-pivavahana ireny sy ny tenany i Jesosy tamin’ny fandidiana an’ilay lehilahy maty tanana: “Mitsangàna etsy afovoany.”
Nitodika tany amin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo i Jesosy ka nilaza tamin’izy ireo hoe: “Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin’ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy?” Koa satria fampitomboam-bola ny ondry iray, dia tsy havelan’izy ireo ao an-davaka hatramin’ny ampitso, satria mety hanimba azy sy hampanary azy ny vidiny. Afa-tsy izany koa, dia izao no ambaran’ny Soratra Masina: “Ny marina mitsimbina ny ain’ny bibiny.”
Nanao fampitahana i Jesosy ka nanohy ny teniny toy izao: “Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin’izany dia mety ny manao soa amin’ny Sabata.” Tsy afaka nanda ny fanjohin-kevitra nifandrindra toy izany izay mampiseho fangoraham-po aoka izany ireo filoha ara-pivavahana ka nangina.
Sady tezitra no nalahelo i Jesosy noho ny hamafian-katok’izy ireo tamin-kadalana ka nijerijery azy ireo. Dia hoy izy tamin’ilay lehilahy narary: “Ahinjiro ny tànanao.” Dia nahinjiny izany ka sitrana ny tanany.
Tsy nifaly noho izany fanasitranana izany ireo Fariseo fa nitady hamono an’i Jesosy, nivoaka ary avy hatrany dia niara-nioko tamin’ireo mpiandany tamin’i Heroda. Ireo dia nahaforona antoko ara-politika izay toa nahitana Sadoseo koa. Mandrakariva ny Herodiana dia milaza an-karihary fa manohitra ny Fariseo, kanefa tamin’io indray mandeha io izy ireo dia tafaray mafy taminy mba hanohitra an’i Jesosy. Matio 12:9-14; Marka 3:1-6; Lioka 6:6-11; Ohabolana 12:10; Eksodosy 20:8-10.
◆ Tarehin-javatra inona no niteraka fifanatrehana teo amin’i Jesosy sy ireo filoha ara-pivavahana jiosy?
◆ Ahoana no niheveran’ny Jiosy ny fanasitranana natao nandritra ny sabata?
◆ Fanoharana inona no nampiasain’i Jesosy mba hanoherana ny fiheveran-dratsin’izy ireo?