Zava-kendrena tsara dia tsara ho an’ny tanora
“Ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa. Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra.” — I TIMOTY 4:8, 9.
1, 2. a) Inona moa no fahatsinjovan-javatra manintona indrindra ho an’ny tanora maro? Inona avy no fanontaniana mipetraka noho izany? b) Nahoana moa ny tanora amin’izao andro izao no tojo fanerena manokana?
INONA no zavatra tsara indrindra azon’ny fiainana atolotra anao? Araka ny famotopotorana natao vao haingana tamin’ny antokon-tanora tsy nitovy aoka izany, ny zava-kendren’izy ireny lehibe indrindra dia ny “hahazoana asa mahaliana azy” ka “hanana eo amin’ny lafiny ara-nofo”. Mihamaro hatrany ny tanora maniry hanana asa ary, any amin’ny toerana sasany, ny isan’ireo izay maniry hiditra any amin’ny oniversite mba hahazoana asa tsara karama dia maro be tsy misy toy izany. Be dia be no mahita amin’izany fahafahana hahita tsy fananana ahiahy, hery sy fahafahampo eo amin’ny fiainana. Ahoana no fiheveranareo izany, ry tanora? Ary ianareo olon-dehibe, indrindra fa raha manana zanaka ianareo, ahoana no tena fiheveranareo ireny fahafahana isan-karazany ireny? Moa ve eo imasonareo izany dia ny fomba hahitana “fiainana tsaratsara kokoa”?
2 Raha misy fotoana ilàn’ny tanora hatanjaka sy hahita fahafahampo, dia tena ankehitriny atỳ “am-parany”, amin’ny andro “mahory”. (II Timoty 3:1-5.) Ankehitriny ny tanora dia iharam-panerena ho noheverina fa tsy azo saintsainina, tao anatin’ny taranaka teo aloha fotsiny. Ireo fiovana haingana nanimba ny fitambaran’olona, toy ny fisaratsarahan’ny faritry ny fianakaviana sy ny fikororosian’ny toe-pitondrantena, dia fototry ny fikorontanana ara-pihetseham-po ratsy dia ratsy.
Ilaina ny hatanjaka sy hahita fahafahampo
3, 4. Inona no mampiseho fa tanora maro no tsy ampy tanjaka anaty, ary nahoana no azo atao ny milaza fa tsy mitondra izany tanjaka izany ny fanambinana ara-nofo?
3 Mihamaro ny tanora mahatsapa fa tsy manana ny tanjaka anaty ilaina mba hahatoherana ireo fanerena eo amin’ny fiainana izy ireny (jereo Efesiana 3:16). Ny fitantarana vao haingana avy amin’ny Fikambanana ara-pirenena momba ny fahasalaman-tsaina any Etazonia dia mampiseho fa tanora iray amin’ny dimy no ketraka mafya. Ao amin’io tany io, ny isan’ny famonoan-tena eo amin’ny tanora dia avy roa heny mahery teo anelanelan’ny 1961 sy 1975. Isan-taona, dia efa ho 8 000 ny tanora mamono tena; fa raha ny amin’ny isan’ny fanandramana mamono tena, dia avy 50 heny izany. Ny fahefana sasany dia milaza an’io zava-manahirana io ho “areti-mandringana”. Ny fitantarana hafa dia mampiharihary fa mahagaga ny isan’ny tanora miditra any amin’ireo hopitaly fitsaboan-tsaina.b
4 Marina fa tsy manana toe-piainana ara-nofo tsara akory ny tanora rehetra. Rehefa heverina anefa fa mahakasika tany lehibe mandroso iray ny tatitra voatonona eo ambony, dia mazava fa ny harena dia tsy afaka manampy irery ny tanora ‘hanaisotra ao am-pony ny alahelo, ary hamily ny ratsy tsy hikasika ny nofony’. (Mpitoriteny 11:9, 10.) Ny tombontsoa amin’ny lafiny ara-nofo dia tsy manome afa-tsy tanjaka kely ho an’izay tsy matoky tena, izay ampahorin’ny fahakiviana, ny fanahiana na ny fahatsapana fa meloka. Manao izao fanamarihana izao ny Baiboly: “Raha reraka amin’ny andro fahoriana hianao, dia kely ny herinao.” — Ohabolana 24:10.
5, 6. Moa ve ny fikatsahana fananana ara-nofo mahatonga antsika ho afaka hanana “fiainana tsaratsara kokoa”? Manomeza ohatra iray.
5 Kanefa, moa ve ny fikatsahana fananana ara-nofo amin’ny farany afaka mitondra fahafahampo, “fiainana tsaratsara kokoa”? Niaiky toy izao i Solomona mpanjaka izay nanan-karena tokoa: “Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ny tànako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.” (Mpitoriteny 2:3-11). Nitondra fahafinaretana sasany ho azy ny asany, kanefa tsapany fa zava-poana izany rehetra izany.
6 Amin’izao andro izao, dia maro ireo manizingizina mafy dia mafy fa ny fianarana ambony no anankiray amin’ireo fomba mahatonga ho afaka hahita “fiainana tsaratsara kokoa”. Tany Etazonia aza ny governora taloha iray dia niresaka ny amin’ny fampiofanana any amin’ny oniversite ho “zavatra ilaina mba hahatanjaka, mba hahombiazana sy mba hitohizan’ny fahavelomana”. Izany tokoa ve no izy? Mpianatra taloha 846 tao amin’ny oniversite malaza iray no nanoratra “fitantarana” ny amin’ny fiainany rehefa afaka folo taona no nivoahany avy tao amin’ny oniversite. “Na dia misy lafiny falifaly sy mahafinaritra etsy sy eroa aza amin’ilay fitantarana, hoy ny nomarihin’ny mpianatra taloha tafaraka taminy, dia voamarika ao ambadika ny fahitana lafiratsin-javatra, ny alahelo sy ny famoizam-po mihitsy aza.” Ny mpianatra taloha hafa iray koa izay, rehefa afaka 25 taona taorian’ny nivoahany avy tany amin’ny oniversite, dia nahatratra “zava-kendrena ara-bola sasany” dia niaiky toy izao ihany: “Nahery aoka izany noho ny fahombiazako ny tsy fahombiazako teo amin’ny fiainako manokana, hany ka soa ihany fa samy tsy hotononina ao amin’ny fitantarana daholo izany.” Moa ve izany no zavatra tsara indrindra azon’ny fiainana atolotra?
Ny tsara indrindra azon’ny fiainana atolotra
7. Nety ho nandray fampiofanana tamin’ny karazana asa inona avy moa Timoty, nefa inona no nanoroan’i Paoly hevitra azy?
7 Ao amin’ireo taratasy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra nosoratany ho an’i Timoty, mpianatra kristiana iray, ny apostoly Paoly dia nanolotra zavatra tsaratsara kokoa. Timoty tanora dia nirahina ho any Efesosy, anankiray tamin’ireo foibe ara-barotra lehibe fahizay, izay tsy maintsy nahitany olona maro nanao izao karazana asa rehetra izao. Ny tenany koa aza nety ho nanandrana ny ho tonga mpivarotra manan-karena na hitady laza tao amin’ny fampianaran’i Tyrano na tao amin’ny teatira teo an-toerana (I Timoty 1:3; Asan’ny apostoly 19:1, 9, 29). Tsy isalasalana fa ho afaka ny hahazo fampiofanana ho namela azy hanana asa eo amin’izao tontolo izao sy hahazo vola izy. Nanoro hevitra azy toy izao anefa i Paoly: “Mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.” Marina tokoa fa mahasoa “amin’ny zavatra rehetra” ny fitiavam-pivavahana. Tsy fiheverana fotsiny akory izany, satria izao no teny nanampin’i Paoly: “Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra.” Fantany noho ny fanandraman-javatra manokana izay afaka nampahita azy ny fiainana ampoky ny soa indrindra. — I Timoty 4:7-9; II Korintiana 6:10.
8, 9. a) Inona moa no atao hoe fitiavam-pivavahana? b) Fahatsinjovan-javatra mahafinaritra inona no atolotra anao, ary nahoana no ilaina ny hanaovana fiezahana?
8 Fa inona no atao hoe toe-panahy araka an’Andriamanitra na fitiavam-pivavahana? Izany dia fifikirana mafana amin’Andriamanitra avy amin’ny fo amporisihin’ny fankasitrahana lalina aterak’ireo toetran’Andriamanitra manintona. Raha tahotra miharo fanajana indrindra ny “fanajana” (Hebreo 12:28), tahotra ny hanao zavatra tsy ankasitrahan’Andriamanitra, ny “toe-panahy araka an’Andriamanitra” na fitiavam-pivavahana kosa dia fahatsiarovana avy amin’ny fo izay manosika ilay olona hiaina amin’ny fomba ankasitrahan’Andriamanitra satria tia Azy izyc. Io toetry ny fo io dia mitarika ho amin’ny “fisakaizan’Andriamanitra [fifankazarana amin’Andriamanitra, MN ]”; izany dia mahatonga ho afaka hitana fifandraisana manokana aminy izay mahatonga ny tena hino mafy fa mandray soa amin’ny fankasitrahany sy ny fanampiany (Joba 29:4). Ny fahafahana hamatotra fisakaizana manokana amin’Andriamanitra atolotra anao dia sarobidy lavitra noho izay rehetra mety hatolotra anao. — Jereo Jeremia 9:23, 24.
9 Ampy ve ny fananana ray aman-dreny tia fivavahana na ny nahazoana ny batisa kristiana mba handraisan-tsoa avy hatrany amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra toy izany? Tsia. Tena ilaina ny hambolena toetra tsara kristiana sasany, indrindra fa ny fahatsoram-po (II Petera 1:5-8). Ilaina ny hahatongavana ho olona ‘ampahazotoin’ny fony’ mba hanatanteraka “asam-pitiavam-pivavahana”. (Jereo Eksodosy 36:2; II Petera 3:11, MN; Kolosiana 3:22.) Na dia notezaina hatramin’ny fahazazany tao amin’ny lalan’ny fahamarinana aza i Timoty dia tsy maintsy namboly fitiavam-pivavahana. Amin’izao androntsika izao koa dia ilaina ny hanaovana fiezahana lehibe mba hahatonga ny fitiavam-pivavahana hitondra “tombony lehibe tokoa” ho antsika. (I Timoty 6:6.) Ahoana izany?
Fiainana ambony ara-pitondrantena
10, 11. Ahoana no namelan’ny fitiavam-pivavahana an’i Timoty hisandratra?
10 Tany Efesosy i Timoty dia nanana fiainana feno fitiavam-pivavahana teo afovoan’ny olona izay ‘nandeha tamin’ny fahafoanan’ny sainy’. (Efesiana 4:17.) Izay nameloman’izy ireo ny sainy dia tsy tena nahasoa azy ireo mihitsy; zava-poana fotsiny izany. Raha nivaofy ny Efesiana 4:17 i R. Lenski, mpandinika Baiboly iray, dia nanoratra toy izao: “Tarehin-javatra re izany! Olona mahay mieritreritra sy maila-tsaina, zavaboary nomena fahendrena mamakivaky ny fiainana amin’ny fanarahana ny didin’ny fanahy iray izay, isaky ny dingana toy ny eo amin’ny faran’ny fiainan’izy ireo, dia tsy mitarika azy na ho amin’inona na ho amin’inona, na ny marimarina kokoa, mitarika azy ho amin’ny tsy fahombiazana lehibe sy mampangitakitaka.”
11 Afaka nahatsapa i Timoty fa zava-poana sy nampietry ny fiainan’ny Efesiana. Be dia be no nivavaka tamin’ny andriamanibavy Artemisy, kanefa raha ny marina, ny fanompoam-pivavahany nirehitra tsy amin’ny antony dia natao ho an’ny tsangambato tsy manana aina. Anisan’izany fanompoam-pivavahana izany ny fanaranam-po ratsy sy ny fijangajangana nohamasinina (Asan’ny apostoly 19:23-34). Timoty kosa anefa dia nanana fiainana tsara lavitra noho ny an’ireo olona teo amin’ireo firenena izay ‘olon-ko azy tamin’ny fiainan’Andriamanitra (...) tsy nahalala henatra intsony’. (Efesiana 2:6; 4:18, 19.) Noho ny fitiavam-pivavahana nasehony tamin’ny fananana “fiainan’Andriamanitra”, dia nanao ny tenany ho sakaizan’ilay Olona lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao izy. Ny fahafahana hampifamatotra fifandraisana manokana amin’ilay Andriamanitra velona noho ny fitiavam-pivavahana no tena fahatsinjovan-javatra sarobidy indrindra. Hanararaotra izany fahafahana izany ve ianao?
12. Inona no nolazain’ny zazavavy kristiana iray ny amin’ny “tombony lehibe” mety hoentin’ny fitiavam-pivavahana? Manao ahoana ny fihetseham-ponao?
12 Olona maro be amin’izao andro izao no manindrahindra ny amin’ny lahy sy ny vavy, ny fahafinaretana, ny harena na ny fianarana ambony tahaka ny nankalazan’ny Efesiana taloha an’i Artemisy (Matio 6:24; Efesiana 5:3-5; Filipiana 3:19). Ny olona mikatsaka fitiavam-pivavahana kosa anefa dia manana fiainana tsara lavitra. Nanao izao fanazavana izao ny zazavavy kristiana iray 24 taona: “Ny antsasaky ny tanora niarahako tamim-pahazarana talohan’ny nianarako ny Baiboly dia any an-tranomaizina, ary mampiasa zavatra mahadomelina ny ankamaroany. Zazavavy maro no niteraka tsy nanambady. Tena misafotofoto ny fiainan’izy ireny. Maty aza ny sasany. Velom-pankasitrahana lalina aho afaka mihevitra ny fiainako sy mirehareha ny amin’izany.” Mihevitra toy izany amin’ny fo rehetra ny tanora kristiana hafa.
13. Nahoana moa no manisy heviny ny fiainana ny tena amin’ny fanarahana ny baiko voasoratra ao amin’ny II Timoty 4:5?
13 Ireo izay manana fiainana feno fitiavam-pivavahana dia manana harena, ny fanompoana kristiana (II Korintiana 4:1, 7; II Timoty 4:5), ka izany dia manome heviny ny fiainany. Manan-java-tsarotra tsy maintsy resena izy ireny. Tsy mikatsaka fahataitairana sandoka entin’ny zavatra foronin’ny saina fotsiny ao amin’ny sarimihetsika kely na lehibe ny kristiana izay mandray anjara amin’ny fanompoana fa mitsidika any an-tranony olona tena velona mba hanampy azy ireny. Mandamina zava-manahirana tena misy koa izy ireny. Toy inona moa ny fifaliany rehefa mahita olona nanana fiainana naloto sy feno herisetra na famoizampo manaiky ny fampianaran’ny Baiboly, miala amin’ny fahazaran-dratsiny taloha, mamboly fanajan-tena sy manompo an’i Jehovah! Tsy misy raharaha mampitombo fahalalana sy mitondra soa maharitra kokoa noho izany.
Ny fahafahampo sy fieritreretana madio
14, 15. Ahoana no mahatonga ny fianinana eo amin’ny lafiny ara-bola hanatsara kokoa ny fiainantsika?
14 “Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianianana (...). Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany. Ary izay ta-hanan-karena dia (...) nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” (I Timoty 6:6-10). Tamin’ny 1981, ny famotopotorana nataon’ny revio Psychology Today dia nampiharihary fa ny tanora dia mihevitra “be lavitra” ny vola noho ny olon-kafa rehetra avy amin’ny sokajin-taona hafa. Kanefa, ny antsasaky ny olona nanontaniana izay mihevitra be dia be ny vola (na manan-karena izy na mahantra) dia nitaraina ho “be ahiahy sy fanahiana foana”.
15 Afaka nivoaka avy tamin’ny fahantrana sy tonga nanan-karena ny zazavavy Japone iray, kanefa simba ny fahasalamany. Taty aoriana, noho ny fianarana Baiboly, dia namboly fitiavam-pivavahana izy. “Rehefa eritreretiko indray ny fiainana nananako fony ny harena no zava-nokendreko lehibe indrindra, hoy ny famaranan-teniny, dia tsy azoko atao ny mampitaha izany amin’ny fiainana sambatra lavitra hitako hatramin’ny niovan’ny zava-kendreko. Tena tsy misy azo ampitovina amin’ny fahafahampo azo rehefa ampiasaina anompoana ny Mpamorona antsika lehibe ny fiainan’ny tenad.” — Ohabolana 10:22; Mpitoriteny 5:10-12.
16. Inona no tsapa ny amin’ireo izay tsy mitana fieritreretana tsara?
16 Namporisika an’i Timoty koa i Paoly mba ‘hitana fieritreretana tsara’. Ahoana izany? Amin’ny fitondrana indrindra ny vehivavy “amin’ny fahadiovana rehetra”. (I Timoty 1:19; 5:2.) Tanora maro be manjary manana fieritreretana tsy mihontsina no tsy miahy firy ny amin’ny fahadiovana (I Timoty 4:2). Ny fiainan’izy ireny tsy madio anefa dia tsy mitondra ho azy na fiadanana anaty na fahafahampo. Tamin’ny famotopotorana iray natao tamin’ny zatovo eo amin’ny an-jatony maro momba ny ataon’izy ireny momba ny lahy sy ny vavy, dia nilaza toy izao ny fitantarana ny amin’ireo tanora naloto fitondrantena: “Mahatsiaro ho velona tsy tena manana zava-kendrena sy tsy mahita tena fahafahampo mihitsy izy ireo.” Efa ho antsasaky ny tanora nanontaniana no nilaza izao fihetseham-po izao: “Amin’ny fiainana toy izany, dia handanilany foana ny tapany lehibe amin’ny fahaizako aho.”
17. Ahoana no anampian’ny ‘fitiavana avy amin’ny fieritreretana tsara antsika’ hahita fiainana tsaratsara kokoa?
17 Rehefa mandeha ny fotoana, ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray manambady izay manome voninahitra ny fanambadiany dia mitondra soa satria mifaneho “fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara”. (I Timoty 1:5.) Tamin’ny 1984, ny boky iray momba ny fianakaviana (The Journal of Marriage and the Family) dia nilaza fa araka ny famotopotorana natao tamin’ny mpivady vao 309, dia ny firaisan’ny lahy sy ny vavy talohan’ny fanambadiana no anisan’ny tompon’andraikitra amin’ny “fahakelezan’ny fahafahampo tsapan’ny mpivady eo amin’ny lafiny ara-panambadiana”. Endrey ny tsy fitovian’izany amin’ny olona madio! Toy inona moa ny fahasambarana afaka mandini-tena amin’ny fahafantarana fa madio ny tena”, hoy ny nambaran’ny zazavavy kristiana iray izay sambatra aoka izany tao amin’ny tokantrano hatramin’ny fito taona. Fieritreretana madio, izany no valisoan’ireo tanora ‘tonga fianarana amin’ny fahadiovana’. — I Timoty 4:12.
Hery anaty
18, 19. a) Karazam-panerena inona avy no tsy maintsy notoherin’i Timoty? b) Ahoana no nanampian’Andriamanitra azy?
18 Tsy isalasalana mihitsy fa tany Efesosy Timoty dia tsy maintsy ho nanohitra fitaomana maro avy any ivelany, toy ny fakam-panahy nety ho natolotry ny tanàna iray nanan-karena sy naloto fitondrantena izay nanandratra ‘ny fahafinaretana sy ny lalao’. Tsy maintsy ho niharan’ny fanerena avy ao anatiny koa izy noho ny toa tsy fahatokiany tena sy ny ‘fahosaosany matetika’. (I Timoty 5:23.) Nampahatsiahy azy toy izao anefa i Paoly: “Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.” — II Timoty 1:7.
19 Tanora maro mitovy taona aminao no haniry hanana tanjaka toy izany. Nanambara toy izao ny vehivavy tanora iray nahomby tamin’ny fanafahan-tena tamin’ny fivarotan-tena sy ny zavatra mahadomelina: “Tsy nety ho vita izany raha tsy noho ny fanampian’i Jehovah. Misy fotoana ahatsapako indray ny fahataitairana taloha, amin’izay anefa dia manomboka mivavaka avy hatrany aho. Izany fahafahana handresy an’ireny fahasahiranana ireny izany dia mampientana kokoa noho izay rehetra hafa azoko natao tao anatin’ny fiainako.” Tsy azo iadian-kevitra fa Andriamanitra dia afaka ‘mameno hery’ anao sy manome anao ny tanjaka anaty ilaina mba handresena ny fanerena rehetra sy mba hanaovana fanapahan-kevitra tsara. — II Timoty 4:17.
20, 21. a) Inona moa no sasantsasany amin’ny soa entin’ny fitiavam-pivavahana? b) Inona no fanontaniana hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
20 Araka izany àry, dia mitondra soa be dia be ny fitiavam-pivavahana. Ny “fomba fiainanao” dia misy zava-kendrena mihoatra lavitra noho ny zava-kendrena rehetra ananan’ireo izay tsy maniry fatratra afa-tsy ny hahomby eo amin’ny lafiny ara-nofo (II Timoty 3:10). Ny tanora kristiana iray niala tamin’ny fianarana any amin’ny oniversite mba hahatongavana ho mpitory ny filazantsara manontolo andro dia nihiaka toy izao: “Manao ny raharaha tsara indrindra mety hirina aho, dia ny fampianarana ny vaovao tsara sy ny fanampiana olon-kafa hahalala ny Raintsika tia. Fa raha ny amin’ny ‘valim-pitia’, indrindra fa ny toetra tsara kokoa, izany dia ambony noho izay rehetra nety ho natolotra ahy. Anampio izany ny valisoa: ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny Paradisa, ho afaka amin’ny fahasahiranana rehetra. Koa mety hisy fiainana tsaratsara kokoa noho izany hirina ve?”
21 “Nefa ahoana no azoko ambolena izany karazam-pitiavam-pivavahana izany, hoy angamba ianao?” Hanampy anao hamaly an’io fanontaniana io ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’ilay boky hoe Ny fomba fitsaboana ny fahaketrahan’ny zatovo (anglisy), dia nanoratra toy izao i Kathleen McCoy: “Ny sasany amin’ireo manam-pahaizana manokana momba ny fitomboana sy ny fitondrantenan’ny zatovo dia mahita fa ny fahaketrahana no antony lehibe mahatonga zava-manahirana lehibe ho an’ny zatovo, toy ny fahatapatapahana sy ny fahasorisorenana any an-tsekoly, ny fampiasana zavatra mahadomelina sy alikaola, ny faharatsiam-pitondrantena momba ny lahy sy ny vavy, ny fananana anaka, ny fandosirana sy ny famonoan-tena.”
b Raha nihena ny isan’ny fandraisana any amin’ireo hopitaly fitsaboana aretin-tsaina any Etazonia ao amin’ny sokajin-taona hafa rehetra tao anatin’ny vanim-potoana nisy 13 taona, dia nitombo 19 isan-jato io isa io tao amin’ny sokajin’ny 15 ka hatramin’ny 24 taona, ary 158 isan-jato teo amin’ny zatovo latsaka ny 15 taona.
c Araka ny Diksionera nohafohezina (anglisy) nataon’i Edward Robinson, ny teny grika hoe eusébéïa dia “ny fahatsapana avy hatrany avy amin’ny fo [izay manosika hanatona an’Andriamanitra]”. Ao amin’ny Fanamarihana momba ireo teny mitovy heviny ao amin’ny Testamenta Vaovao (anglisy), dia izao no nolazain’i Tittmann: “[Ny fitiavam-pivavahana] dia manondro ny fankamasinana ny Andriamanitra, fankamasinana miseho amin’ny atao, (...) fa [ny fanajana] kosa dia ny toe-tsaina manosika hatahotra sy hanalavitra ny fanaovana izay rehetra mifanohitra amin’ny fahitsiana.”
d Azonao atao ny mamaky, ao amin’ny La Tour de Garde tamin’ny 1 jona 1978, ny fitantarana ny fiainan’i Shozo Mima eo ambanin’ny lohateny hoe “Nahita zavatra tsaratsara kokoa noho ny harena aho”.
Tadidinao ve?
◻ Nahoana ny zava-kendrena ara-nofo fotsiny no tsy misy vidiny afa-tsy voafetra ihany?
◻ Inona no fahatsinjovan-javatra kanto indrindra atolotra anao?
◻ Inona no entin’ny fitiavam-pivavahana ho anao ka mety hanampy anao hahita fiainana tsaratsara kokoa?
[Sary, pejy 12]
Inona no tena hahatonga anao ho sambatra?
[Sary, pejy 14]
Nampianarina tamin’ny fikendrena ny fitiavam-pivavahana Timoty. Tamin’izany ny fiainany dia tsara lavitra noho ny an’ireo Efesiana tsy nadio.