Tafaray amin’ilay Mpamorona ny fandaminana eo amin’izao rehetra izao
“Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina.” — SALAMO 133:1.
1, 2. a) Iza moa ilay mpamporisika hikorontana niseho, 6 000 taona teo ho eo izay? b) Inona moa no anarana omen’ny Baiboly an’io mpivadika io? Tamin’ny ahoana izy io no nanandrana nanao izay hitoviana tamin’ny Avo Indrindra?
ILAY MPAMORONA ny fandaminana eo amin’izao rehetra izao dia maniry ny asany ho madio sy marina ary tafaray hatrany. Fotoana fohy taorian’ny namoronana ireo olona voalohany anefa, tokony ho 6 000 taona eo ho eo izay, dia niseho teo amin’izao rehetra izao ny mpamporisika hikorontana iray. Niendaka tamin’ny fandaminan’ny Mpamorona ny mpanohitra mahery noho ny olombelona iray mba hanorina ny fandaminan’ny tenany mahaleotena.
2 Koa satria nanohitra ny Mpamorona azy io mpivadika io, ny Baiboly dia manome azy ny anarana hoe Satana, izay “mpanohitra” no dikany. Io olona io dia tena ny fahavalo ratsy indrindran’ilay hany Tompom-piandrianana ara-dalàna eo amin’izao rehetra izao, dia Jehovah (Joba 1:6, 7). Mba hanomezana fahafahampo ny faniriany ho tonga sahala amin’ny Avo Indrindra amin’ny fananana sahala aminy fandaminana iray, dia tsy nisalasala izy nanangan-tena ho andriamanitra sy ho mpandamina rafy. Mba hanaovana izany, dia hainy ny nitafy endrika ivelany manintona. Ho hita ny taratry ny fihetsiny ao amin’ny taranaka maherin’ny “mpanjakan’i Babylona”, nomena ara-drariny ny anaram-boninahitra hoe “Losifera”, izay ny dikany dia hoe “ilay mamirapiratra”. (Isaia 14:4, 12-14, Fillion; Glaire.) Hatramin’izao andro izao, dia navelan’i Jehovah Satana handray ny anjara asan’ny “andriamanitr’izao fandehan-javatra izao”. — II Korintiana 4:4, MN.
3. a) Ny tapany inona amin’ny fandaminan’Andriamanitra moa no nasian’io fahavalo io voalohany indrindra? b) Ahoana no nahatongavan’ny Devoly ho filohan’ireo demonia?
3 Tsy isalasalana fa mba hanimbana ny fandaminan’i Jehovah, dia namely azy teo amin’ny fotony aloha i Satana tamin’ny fampiraisana hevitra tamin’ny an’i Adama, filohan’ny fianakavian’olombelona (Genesisy 3:1-24; Salamo 8:3-5; Romana 5:12). Taty aoriana, dia anjely maro no tsy nankatò an’Andriamanitra tamin’ny fandaozana ny “toerany tamin’ny voalohany”, dia ny fonenana any an-danitra nomena azy, sy tamin’ny fitafiana tena nofo mba hahafahana manambady sy miara-monina amin’ny vehivavy, zavaboary nahasodoka na dia tao aza ny tsy fahatanterahan’izy ireo (Joda 6). Ny olona goavana metisy naterak’izany firaisana izany — olona ranjanana sy nanan-kery nahagaga — dia nantsoina hoe Nefilima, ka ny dikany dia toa hoe “mpanjera”. Tena nety ny nitondrany ny anarany, satria miharihary fa nanjera olona be dia be izy tamin’ny fampisehoany herisetra. Tamin’ny fotoan’ny safodrano, dia nanary ny nofo notafiny ireo anjely tsy nankatò mba hiverenana any amin’ny toeran’ireo fanahy (esprits) (Genesisy 6:1 ka hatramin’ny 7:23). Rehefa nisaraka tamin’ny fandaminan’i Jehovah izy ireny dia nanao ny tenany ho demonia, ka tonga filohany Satana Devoly. — Deoteronomia 32:17; Salamo 106:37; Matio 12:24; Lioka 11:15-19.
4. Inona no nataon’ireo nieren-doza tamin’ny safodrano? Inona no zava-kendrena niezahan’i Satana notratrarina? Ahoana no nanaovany izany?
4 Tamin’izany no nanorenan’i Satana ny tapany tsy hita maso, mahery noho ny olombelona sy ara-panahy amin’ny fandaminany. Taorian’ny safodrano, Noa sy ny fianakaviany dia tafaray hatrany tamin’ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra sy tsy hita maso (Genesisy 6:9; 8:18-21). Niezaka hanapaka ny firaisan’ireo taranany nahatoky anefa Satana. Inona no zava-nokendreny? Hanome tapany hita maso ho an’ny fandaminany mpanao ratsy.
5. Ahoana no nampahafantaran’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny janoary 1922 fa nanana fandaminana Satana?
5 Ela ihany ireo Mpianatra ny Baiboly vao nahatakatra fa nanana fandaminana i Satana. Izao anefa no azo novakina tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny janoary 1922: “Tsy nianina tamin’izay efa nataony i Satana fa namitaka ireny anisan’ny tafika any an-danitra ireny, nanao izay hitaomany hanao ratsy ny olombelona sy hamenoana ny tany amin’ny herisetra. Nandamina fandaharan-javatra tsy hitan’ny mason’olombelona izy ary niaraka tamin’izany koa ny anankiray hafa, hita maso, ary notadiaviny izay hangalaran-tahaka amin’ny antsipiriany rehetra ny planina nahariharin’Andriamanitra.”
6. Inona no nolazain’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny desambra 1922 (anglisy) ny amin’ny fikasan’i Satana?
6 Ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny desambra 1922 (anglisy) dia nahitana fizarana nitondra ny lohateny hoe “Ny fikasan’i Satana”, izay nahitana izao fanambarana hentitra dia hentitra izao: “Miaina amin’ny andron’ny faharatsiana isika. Ny ady atao amin’izao fotoana izao dia mampifanohitra ny fandaminan’i Satana sy ny an’Andriamanitra. Ady mavaivay izany. Manandrana mampanary toky ny fandaminan’ny Tompo Satana ary, raha azo atao, dia handrava ny tokantranon’ny zanaka. Ampiasainy ny fomba azo saintsainina rehetra mba hahatongavana amin’ny zava-kendreny.”
7, 8. a) Tamin’ny ahoana no nahasoa ny nanavahana ireo fandaminana roa nisy? b) Araka Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny jona 1925, iza no nanohitra ny “zazalahy”?
7 Nanomboka tamin’ny fotoana nanavahana mazava ireo fandaminana roa mifanatrika, dia nanjary mora kokoa ny nahatakatra fampianarana sy faminaniana ao amin’ny Baiboly. Ohatra, nisy filazana diso ny hevitry ny toko faha-12 amin’ny Apokalypsy nomena, mandra-pisehon’ilay lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe “Ny fahaterahan’ilay firenena” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny jona 1925. Toy izao no amakiana ny teny ao amin’ny Baiboly nanome ny foto-kevitr’io fianarana io (Apokalypsy 12:5) ao amin’ny fandikan-tenin’i Crampon (1905): “Ary niteraka zazalahy izy, izay tokony hanapaka ny firenena rehetra amin’ny tehim-by; ary nalaina ho eo akaikin’Andriamanitra sy ho eo akaikin’ny seza fiandrianany ny zanany.”
8 Izao no voasoratra ao amin’ny pejy 119 sy 120:
“Inona no toetra miavaka tamin’ny planin’Andriamanitra nandritra ny taona rehetra? (...) Ny fanorenana ilay fanjakana nampianarin’i Jesosy antsika mba hangatahana amin’ny vavaka. Izany dia milaza fahaterahan’ny firenena vaovao izay hanapaka sy hitahy ny fianakaviana rehetra amin’ny tany (...). Inona no hery fanoherana nitana izao tontolo izao tao anatin’ny tsy fahalalana izany firenena vaovao be voninahitra izany sy ireo fitahiana hoentiny ho azy? (...) Satana devoly sy ny fandaminany. (...) Ny tena ady dia Andriamanitra manohitra an’i Satana, ny fanjakan’ny rariny mandrodana ny an’ny ratsy sy ny maizina ka manorina ho solony ny fanjakan’ny fahamarinana (...). Taorian’ny 1918, ny fandaminan’ilay mpanapaka izao tontolo izao, ara-bola, ara-politika sy ara-pitondram-pivavahana, indrindra fa io farany io, dia nanda ankarihary ny Tompo sy ny fanjakany. Tamin’izay ny fahatezeran’Andriamanitra no nanomboka niseho hanoherana ireo firenena. Hatramin’izay dia nitohy teto an-tany ny ady. Talohan’izay dia natao tany an-danitra ny ady.”
9. Tamin’ny 1925, fantatra ho inona moa ilay “vehivavy” voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 12?
9 Tamin’izany fotoana izany, dia noeritreretina tamin’ny fomba diso fa nanambara fahaterahan’ny “zazalahy” iray ihany ny Isaia 66:7 sy Apokalypsy 12:5. (Crampon 1905.) Noho izany antony izany no nanampian’ny Ny Tilikambo Fiambenana teny toy izao:
“Ny ‘vehivavy’ dia toa mampiseho mazava io tapany amin’i Ziona io, dia ny fandaminan’Andriamanitra izay miteraka ny fitondram-panjakana na firenena vaovao izay hanapaka ireo firenena sy fokom-pirenena amin’ny tany amin’ny tehim-by sy araka ny rariny (...) (Galatiana 4:26). Raha lazaina amin’ny teny hafa, Ziona na Jerosalema, ny fandaminan’Andriamanitra, dia ny reny izay miteraka ilay firenena vaovao na ireo anton-javatra manapaka. Ireo voahosotra eto an-tany dia anisan’ny ‘vehivavy’ ary azo antoka fa mampiseho azy. Ny vehivavy ‘mitafy masoandro’ dia mampiseho an’i Ziona any an-danitra sy ireo ankasitrahana ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra eto an-tany amin’ny fotoana ahatongavan’ny Tompo ao amin’ny tempoliny (...). Rehefa ao amin’ny tempoliny izy izao, manodidina ny kilasin’ny tempoly na manafy azy amin’ny fitafian’ny rariny, ny fandaminany, antsoina matetika hoe Ziona sy mamirapiratra tahaka ny masoandro, dia miteraka ny firenena vaovao.”
10. Inona no nitranga tamin’ny tapany ara-panahy amin’ny fandaminan’i Satana? Miady amin’iza izy io ankehitriny?
10 Ny “dragona”, izay fantatsika ankehitriny ho Satana, ny Devoly mihitsy, dia tsy afaka nandrapaka ilay “zazalahy”, dia ny Fanjakana mesianika izay teraka tany an-danitra tamin’ny 1914, tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa (Lioka 21:24, Crampon 1905). Tamin’ny fahavitan’ny ady tany an-danitra nanaraka izany, ny tapany ara-panahy tamin’ny fandaminan’i Satana dia nailika ho ety amin’ny manodidina ny tany. Tsy tokony hiditra any an-danitra intsony mihitsy izy mba hamafy fisaratsarahana any. Hatramin’izao io fandaminana nietry io dia hanohitra ny tapany hita maso amin’ny fandaminan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao amin’ny tsy fitsaharana ‘miady amin’ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesosy”. — Apokalypsy 12:17.
Tafaray mba hanompo
11. a) Mihatra amin’iza moa amin’izao andro izao ny tenin’i Paoly momba ny “Jerosalema any ambony”? b) Inona no nolazain’i Davida momba ilay Jerosalema teto an-tany nitsanganan’ny trano natokana hanaovana fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah?
11 Ny Soratra masina dia manondro ny ‘vadin’Andriamanitra’ ara-panoharana ho Jerosalema, ilay tanàna voafidy antsoiny ara-poezia hoe Ziona. Amin’izany, ny tenin’i Paoly momba ilay “Jerosalema any ambony” izay afaka izao dia azo ampiharina amin’ny “zanany sisa”, dia “sisa” mbola ‘iadian’i’ Satana foana. (Galatiana 4:26.) Ilay Jerosalema teto an-tany dia niorina mafy sy tafaray aoka izany tamin’ny andron’i Davida izay nilaza toy izao: “Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’i Jehovah. Ny tongotray efa mijoro eo anatin’ny vavahadinao, ry Jerosalema ô, dia hianao, ry Jerosalema, izay efa vita tahaka ny tanàna efa voalamina tsara; any no iakaran’ny firenena, dia ireo firenen’i Jehovah (Lalàna amin’ny Isiraely izany), mba hisaotra ny anaran’i Jehovah.” — Salamo 122:1-4.
12. a) Milazalaza firaisan-tsaina inona moa ny teny voasoratra ao amin’ny Salamo 122:1-4? b) Inona no vokatry ny naha-tao Jerosalema ny taberinakely teo amin’ireo fokon’ny Isiraely?
12 Izany dia sary miavaka ny amin’ny firaisan-tsaina mampiavaka ny fandaminan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao. Niharihary indrindra izany firaisan-tsaina izany tamin’ireo andro firavoravoam-pirenena nankalazain’ny foko 12 teo amin’ny Isiraely niaraka tao amin’ny tabernakeliny masina tany Jerosalema. Ary matoa ireo foko tafaray foana teo ambany fanjakan’ilay mpanjaka sady mpiandry ondry, Davida, dia tsy noho ny fatoram-pihavanany fotsiny, fa noho izy ireo voalamina indrindra mba hankalaza ny Andriamaniny. Jerosalema tokoa no voatendrin’Andriamanitra ho foiben’ny fanompoam-pivavahana tafaray sy voalamina teo ambanin’ny fisoronana iray ihany, dia ilay an’ny fokon’i Levy sy ny fianakavian’i Arona, mpisoronabe voalohany teo amin’ny Isiraely sady rahalahin’i Mosesy. Afa-tsy izany koa, ireo foko 12 dia voaray tao anatin’ny faneken’ny Lalàna izay nampiavaka azy ireo tamin’ireo firenena nanaraka ny fanompoam-pivavahana tamin’ny demonia.
13. Inona no nolazain’i Davida ny amin’ny firaisan-tsain’ny Isiraelita fahizay?
13 Izany anton-javatra rehetra izany dia niantoka ny tsy fisaratsarahan’ny fandaminam-pirenen’ireo mpanompon’Andriamanitra, mba hahasoa sy hampilamina ny tsirairay. Izany no tian’i Davida hasongadina fony nanoratra toy izao izy: “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina. Tahaka ny diloilo tsara amin’ny loha, izay mitsororoka amin’ny somotra, dia ny somotr’i Arona, izay mitsororoka amin’ny moron-tongotr’akanjony; tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin’ny tendrombohitra Ziona; fa voadidin’i Jehovah ho eo ny fitahiana, dia fiainana ho mandrakizay.” — Salamo 133:1-3.
14. Hita eo amin’iza indray moa ny firaisan-tsain’ny firenen’Isiraely amin’izao androntsika izao? b) Araka ny fahitana iray, nitsangana taiza moa ireo Isiraelita ara-panahy? Inona no nohirainy rodobe?
14 Ny firaisam-pirenena lazalazain’i Davida amim-pihetseham-po aoka izany dia hita indray amin’izao andro izao ao amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra”, izay voaforon’ny Isiraelita ara-panahy porofoin’i Paoly ny fiaviany ara-panahy amin’ny filazana hoe: “Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.” (Galatiana 6:16; 4:26). Io vehivavy io dia tsy nanao ny zanany nateraky ny fanahy ho eo ambany fanapahan’ny lalàn’i Mosesy. Na dia voaforon’ny foko 12 aza araka ny filazalazana ara-panoharana ny “Isiraelin’Andriamanitra”, ireo kristiana 144 000 anisany dia samy voaisy tombo-kase amin’ny “fanombohan-kasen’Andriamanitra velona”. Izy rehetra ireo dia samy mitsangana eo “an-tendrombohitra Ziona” any an-danitra iray ihany (Apokalypsy 7:1-8; 14:1-4). Manao rodobe izy ireo, “mihira ny fihiran’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra, sy ny fihiran’ny Zanak’ondry”, Jesosy Kristy (Apokalypsy 15:3, 4; Jaona 1:29, 36). Ny tenin’Andriamanitra koa aza dia mahita fahafinaretana amin’izany hiram-pandresena izany.
15. a) Voalamina ho amin’inona moa ny 144 000? b) Nahoana moa ny teny hoe “fandaminana” mihitsy no milaza firaisan-tsaina sasany?
15 Matoa voalamina ny 144 000 sy ny “Zanak’ondry” filohan’ny rodobeny, dia tsy hoe mba hamenoana ny lanitra amin’ny hiran’izy ireo fotsiny. Ny fandaminany tokoa dia voantso hanjaka 1 000 taona mba hanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao sy mba hizarana soa ho an’ny olona mankasitraka rehetra (Apokalypsy 20:4-6). Koa satria ny teny hoe “fandaminana” mifanohitra amin’ny hoe “tsy filaminana”, izany dia milaza fandaharana ahitana ny tsirairay avy eo amin’ny toerany ary tokony hiantsoroka adidy sasany amin’ny fiaraha-miasa amin’ny hafa mba hanatrarana zava-kendrena iombonana. Amin’izany ny fandaminana tsara dia mitondra firaisan-tsaina, fiaraha-miasa, filaminana tsara sy fifandrindrana amin’ny fanalavirana ny fifandonana.
16. Araka ny Efesiana 4:8, 11-16, zava-kendrena inona no nolazalazaina efa taonjato 19 mahery izao? Inona no azo dinihina eo amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah?
16 Ny zava-kendrena tamin’ny firaisan-tsaina kristiana dia nolazalazaina taonjato 19 mahery izay, rehefa nisy “fanomezana olona” — apostoly, mpaminany, evanjelisitra, mpiandry sy mpampianatra — natolotra ny kongregasiona. Tamin’ny 1879, rehefa nanomboka nivoaka Ny Tilikambo Fiambenana, Andriamanitra dia nanome koa ho an’ny vahoakany “mpiandry sy mpampianatra”. Izany no nahatonga ireo Vavolombelon’i Jehovah hahatratra “ny firaisan-tsaina ao amin’ny finoana sy ny fahalalana marina ny Zanak’Andriamanitra”. (Efesiana 4:8, 11-16, MN.) Velom-pankasitrahana mafy an’i Jehovah isika noho ny nanatanterahany an’izany fahagagana izany rehefa taonjato maro no nisian’ny fisafotofotoana sy ny tsy filaminana ara-pivavahana.
17. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy ny fampiraisana ny kristiana voahosotra fotsiny no nokendren’Andriamanitra? Ny amin’izany, ahoana no nambaran’i Jesosy?
17 Tsy ny fampiraisan-tsaina ny kristiana voahosotra ihany no nokendren’Andriamanitra. Ny porofo dia ny ‘fikasany’ hampiasa “fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany”. (Efesiana 1:9, 10.) Ny amin’izany, dia izao koa no nambaran’i Jesosy: “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.” — Jaona 10:16.
18. a) Iza no anisan’ireo “zavatra” tokony hangonina ‘tety an-tany’? b) Tamin’ny 1935, niharan’ny fiheverana manokana inona moa ny “ondry hafa”?
18 Ireny “ondry hafa” ireny dia anisan’ireo “zavatra” tokony hangonina “eto an-tany”. Tamin’izany, tokony ho 21 taona taorian’ny nandraisan’i Jesosy Kristy ny fanjakana tamin’ny 1914, ny fanahy masina dia nanomboka nanintona indrindra ny sain’ny olon’Andriamanitra ho amin’ireny “ondry hafa” ireny. Tamin’ny 1935, tamin’ny fivoriambe iray nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Washington, ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower dia nanazava fa ny “olona betsaka” dia ho voaforon’ny “ondry hafa” angonin’ny Mpiandry tsara, Jesosy Kristy (Apokalypsy 7:9-17). Moa ve Jesosy nanangona ny sasany tamin’ireny “ondry” ireny tamin’io fivoriambe nanan-tantara io? Izany tokoa. Tamin’io fotoana io, dia olona 840 no fantatra ho ireo ondry resahina tamin’ny fanekena hatao batisa mba hampisehoana fa nanolo-tena ho an’i Jehovah izy ireo.
19. a) Nanao ahoana ny isan’ny “olona betsaka”? b) Tamin’ny fiarahana tamin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso, tafaray tamin’iza koa moa ireo anisan’izany “olona betsaka” izany? Tapa-kevitra ny hanao inona izy ireo?
19 Na dia izany aza, dia vao nanomboka fotsiny ny fanangonana ny “olona betsaka”, satria amin’izao andro izao ny “ondry hafa” mahaforona azy dia 2 800 000 mahery. Amin’ny fiarahana amin’ny tapany hita maso amin’ny fandaminan’i Jehovah, izany hoe amin’ny sisa amin’ny “ondry vitsy” tafiditra ao amin’ny ‘valan’ilay’ Mpiandry tsara, dia tafaray tamin’ilay Mpamorona ny fandaminana eo amin’izao rehetra izao izy ireo. Ambonin’izany, izy ireo dia tapa-kevitra ny hitana izany firaisan-tsaina izany ho mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany homen’i Jehovah, Mpiandry tampony, azy ireo. — Lioka 12:32; 23:43, MN.
20. Mahatsiaro ho voatosika hilaza inona ny sisa amin’ny kristiana voahosotra sy ny “olona betsaka” rehefa mieritreritra izay rehetra vitan’ilay Mpiandry tampony nanomboka tamin’ny 1914?
20 Amin’ny fiheverana izay rehetra nataon’io Mpiandry lehibe io teo amin’izao rehetra izao nanomboka tamin’ny 1914, daty nifaranan’ny andron’ny Jentilisa, ny sisa amin’ny kristiana voahosotra sy ny “olona betsaka” izay tsy mitsahatra ny mitombo isa dia mahatsiaro ho voatosiky ny fankasitrahana lalina hiara-hiventy ny Haleloia lehibe amin’ny salamo farany manao hoe: “Haleloia. Miderà an’Andriamanitra eo amin’ny fitoerany masina. Miderà Azy eo amin’ny habakabaky ny heriny. Miderà Azy noho ny asany lehibe; miderà Azy araka ny haben’ny voninahiny. Miderà azy amin’ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin’ny valiha sy ny lokanga. Miderà Azy amin’ny ampongatapaka sy ny dihy; miderà Azy amin’ny zava-maneno tendrena sy ny sodina. Miderà Azy amin’ny kipantsona maneno; miderà Azy amin’ny kipantsona tsara feo. Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia. — Salamo 150:1-6.
21. a) Rahoviana no hidera an’i Jehovah “izay rehetra manam-pofonaina”? b) Hiara-hiasa amin’iza amin’izay ny mpikambana rehetra ao amin’ny fandaminana eo amin’izao rehetra izao? Noho ny fikendrena inona?
21 Tsy ho ela, ny “lanitra” sy ny “tany” ankehitriny dia ho levona ao amin’ny “adin’ilay Andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, ka amin’ny farany dia hanome toerana ho an’ny “lanitra vaovao” sy ny “tany vaovao” tsy azo hozongozonina (II Petera 3:7-13; Apokalypsy 16:14-16). Amin’izany, ‘izay rehetra mbola hanam-pofonaina’ eto amin’ny planetantsika voadio dia hidera an’i Jehovah, ilay Mpamorona tsy manan-tsahala ny fandaminana eo amin’izao rehetra izao. Izay rehetra anisan’io fandaminana marina io, any an-danitra na eto an-tany, dia hanandratra an’i Jehovah ao anatin’ny firavoravoana. Ny fitiavan’izy ireo dia hanosika azy hiara-hiasa amim-pahatokiana aminy mba hanamarinana mandrakizay ny fiandrianany eo amin’izao rehetra izao sy hanamasinana ny anarany tsy manan-tsahala. Endrey izany firaisan-tsaina hahagaga ho an’izao tontolo izao ho avy!
Araka ny hevitrao...
◻ Ahoana no nahatongavan’i Satana ho filohan’ireo demonia?
◻ Tamin’ny ahoana moa no nahasoa ny nanavaka ny fandaminana roa nisy teo amin’izao rehetra izao?
◻ Mihatra amin’ny firaisan-tsaina inona moa ny Salamo 122 amin’izao andro izao?
◻ Nahoana no azo atao ny milaza fa tsy ny firaisan-tsain’ny mpianatr’i Jesosy voahosotra ihany no nokendren’i Jehovah?
◻ Rahoviana moa “izay rehetra manam-pofonaina” no hidera an’i Jehovah?
[Sary, pejy 14, 15]
Tafaray foana ireo mpanompon’i Jehovah, na tamin’izy samy izy na tamin’ny Mpamorona ny fandaminana eo amin’izao rehetra izao.