Jehovah — Andriamanitra lozabe sa Andriamanitra fitiavana?
“KA FISIANA lozabe anie ny Andriamanitry ny Baiboly e”, hoy ny fanoheran’ilay lehilahy. Ilay misionera tonga nandondòna teo am-baravaran’io japone io dia nifandray tamin’ny olona iray nahafantatra ny Soratra masina.
“Moa ve ny Andriamanitrareo tsy nahafaty an-drano olona maro be tamin’ny safodrano? Tsy nataony tonga lavenona va Sodoma sy Gomora mbamin’ny mponina tao aminy? Ary tsy lazaiko anao intsony ny amin’ireo Kananita nasainy naringan’ny Isiraelita. Koa ahoana àry no ahafahanao miteny fa tsy lozabe izany Andriamanitra izany? Etsy andanin’izany kosa anefa, ny Andriamanitra ny ‘Testamenta Vaovao’ dia hafa dia hafa tanteraka. Jesosy, izy, dia niresaka ny amin’ny Andriamanitra fitiavana sy tia fihavanana iray.”
Maro no mihevitra toy izany ny Andriamanitry ny “Testamenta Taloha” ho olona iray lian-dra sy tia ady. Vokatr’izany, dia misy sasany aza misalasala ny amin’ilay Andriamanitra fitiavana lazalazain’ny “Testamenta Vaovao”. Ahoana tokoa moa no hanirian’ny tena hanompo Andriamanitra iray toa manana toetra anankiroa samy hafa?
“Ny làlany rehetra dia amin’y rariny avokoa”
Na ahoana na ahoana, dia tokony ho tsapa fa tsy dia tsara toerana loatra hanakiana ny asan’ny Mpamorona ny olombelona. Moa ve takatry ny zaza anankiray avy hatrany ny antony ampiaretan’ny rainy azy ny fanaintainana vokatry ny fanamboara-nify? Toy izany koa, fa mety tsy ho fantatsika eo no ho eo ny atao sy ny fihetsik’Andriamanitra rehetra. “Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra, hoy ny lazain’ny mpanao Salamo. Izy no nanao antsika, ary Azy isika [fa tsy isika, MN].” — Salamo 100:3.
Moa àry ve tsy ho tsy fahampiam-pahendrena ny halady hiampanga an’Andriamanitra ho lozabe? “‘Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako’, hoy ny fanambaran’i Jehovah. ‘Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany, no hahavon’ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.’ ” (Isaia 55:8, 9). Ankoatr’izany, ny Baiboly dia manome toky antsika fa ny “làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa.” Jehovah dia mbola lazaina koa ho “Andriamanitra mahatoky, ka tsy misy ratsy ao aminy”. (Deoteronomia 32:4.) Andeha hodinihintsika akaiky kokoa ireo fisehoan-javatra sasany niheveran’ny tenany ho nilàna hampiharana fitsarana.
Ny safodrano
“Ary hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.” (Genesisy 6:5). Toy izany ny toerana nisy izao tontolo izao talohan’ny safodrano. “Dia hitan’Andriamanitra ny tany, ka indro efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny làlany avy tambonin’ny tany.” (Genesisy 6:12). Amin’izany dia hisy hamaly angamba fa tokony ho navelany malalaka hanao izay tiany hatao ny olona. Ny hadinon’izy ireny, dia ny mbola nisian’ny olona nahatoky sy nahitsy ihany teto an-tany. Moa ve tsy ho halozana avy tamin’Andriamanitra ny namelany ny olona ratsy fanahy hikosoka tsy ho eto amin’ny planetantsika izay rehetra nety ho fitondrantena tsara? Takatra àry fa nampiasa safodrano naneran-tany Andriamanitra mba hanadiovana ny fonenantsika tamin’izay rehetra nanimba azy.
Afa tsy izany koa, ny Andriamanitra lozabe iray dia tsy ho hitsinjo na inona na inona ho an’ny fahatafitana velon’ny olona sy ny biby. Tetsy andaniny kosa anefa Jehovah dia nihevitra ny amin’izany. Tsy hampiomana ny olona na oviana na oviana ny amin’ny fihavian’ilay safodrano lehibe ny Andriamanitra lozabe iray. Fa Izy kosa nanendry an’i Noa “mpitory ny fahamarinana” fara fahakeliny 40 na 50 taona dieny mialoha (II Petera 2:5), mba hahafahan’ny tsirairay nisafidy teo amin’ny fiainana na ny fahafatesana.
Sodoma sy Gomora
Rehefa nankany Sodoma sy Gomora ny anjely anankiroa, tsy ela ny mponina tao amin’io tanàna io dia nampiseho fa tena ratsy fanahy izy. Izao no vakintsika: “Dia avy manodidina ny trano [ny an’i Lota] ny mponina [ny lehilahy, MN.] tao an-tanàna Sodoma, hatramin’ny tanora ka hatramin’ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna; dia niantso an’i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: ‘Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho atỳ aminay izy hahalalanay azy.’ ” (Genesisy 19:4, 5). Izany dia ‘fanarahana nofo hafa nampiasana fanao tsy araka ny natiora’. — Joda 7; jereo koa Romana 1:26, 27.
Andriamanitra “Izay mandinika ny fo”, dia nahita tsara fa tsy azo novana Sodoma sy Gomora ka mendrika ny fandringanana (Romana 8:27). Hevero fa: Tsy azo natao akory ny nahita olo-marina folo tao Sodoma (Genesisy 18:32)! Ny fitondrantenan’ireo Sodomita dia nahatandindomin-doza lehibe an’i Lota marina sy ny fianakaviany. Noho izany ny famonjena an’i Lota sy ireo zanany vavy koa dia nanaporofo ny fitiavan’Andriamanitra. — Genesisy 19:12-26.
Ny fandringanana ny Kananita
Nampanantena an’i Abrahama Jehovah fa amin’ny farany ny taranany dia hameno ny tany Kanana. Kanefa, tsara homarihina fa tsy tokony hitranga tamin’ny andron’i Abrahama ny fandringanana ny Kananita. Nahoana? Izao no navalin’i Jehovah: “Fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita [ny fototry ny firenena kananita].” (Genesisy 15:16). Tokony ho lasa ny 430 taona teo ho eo alohan’ny hahatraran’ny faharatsiam-panahin’io firenena io ny ara-keviny nety ho nitarika an’i Mosesy hanambara hoe: “Ny haratsiam-panahin’ireo firenena ireo [ny an’i Kanana] no androahan’i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao.” — Deoteronomia 9:5.
Toy izao no azontsika vakina mikasika izany ao amin’ilay boky hoe L’Archéologie et l’Ancien Testament (angl.): ‘Ny fahabibiana, ny fitondrantena maloto ary ny filibana nampiavaka ny tantara ara-pivavahan’ny kananita dia tsy maintsy nampiditra tao amin’ny mpivavaka tamin’ireo andriamanitra teo an-toerana taratry ny toetra nahadikidiky indrindra. Nitarika azy ireny hanaraka fanao nahamenatra indrindra tamin’izany fotoana izany, toy ny fijangajangana ara-pivavahana, ny sorona ankizy ary ny fanompoam-pivavahana amin’ny menarana, ary hilentika tao anatin’ny fikororosiana ara-pitondrantena sy ara-pivavahana tanteraka.’ Voatsimbina anefa ny ain’ny Gibeonita sy ny mponina tao amin’ny tanàna telo hafa (Josoa 9:17, 18). Ho namela hanao izany ve ny Andriamanitra lozabe iray?
Andriamanitra manana endrika roa ve?
Misy olona manantitrantitra anefa fa nanova toetra ny Andriamanitry ny “Testamenta Taloha” ao amin’ny “Testamenta Vaovao”. ‘Nosoritan’ny fampianaran’i Jesosy ny amin’ny fitiavana’, hoy izy ireny. — Matio 5:39, 44, 45.
Kanefa, ny fandravana namely an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 dia fampisehoana ny fitsaran’i Jehovah, araka ny nanambaran’ny tenan’i Jesosy azy mihitsy (Matio 23:37, 38; 24:2). Etsy andanin’izany, raha raisina isam-batan’olona, dia nisy olona ratsy fanahy toa an’i Ananiasy, Safira ary Heroda nomelohina ho faty. Tsy niova akory Andriamanitra (Asan’ny apostoly 5:1-11; 12:21-23; Malakia 3:6). Fa raha ny amin’ireo fampianaran’i Jesosy mikasika ny fitiavana, dia tsy nahaforona zava-baovao tao aminy akory izy ireny. Tany aloha ela be, ny lalàn’i Mosesy dia efa nirakitra sahady izao fampianarana izao: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” (Levitikosy 19:18). Marina aloha fa tamin’ny fanandratana ny fitiavana tsy mitady tombony niorina tamin’ny sorom-panavotana nataon’ny tenany, Jesosy dia lasa lavitra nihoatra io didy io (Jaona 13:34). Aza hadinoina anefa fa ny tenany mihitsy no nanonona fanamelohana mahery vaika natao ho an’ireo filoha ara-pivavahana Mpihatsaravelatsihy tamin’ny androny. Vakio ny toko faha-23 ao amin’ny Filazantsara araka an’i Matio dia ho hitanao ny hafanam-po be namelezany azy ireny.
Araka izany àry, ny fitantaran’ny Baiboly dia mampiseho, tsy ny fahabibian’Andriamanitra akory, fa ny fitiavany lalina sy tsy miova ny taranak’olombelona kosa. Izany dia manosika antsika hitana fifandraisana bebe kokoa amin’i Jehovah sy ireo fisehoan’ny fitiavany. Raha izany no fanirianao, ny lahatsoratra manaraka dia hanampy anao hanatanteraka izany.
[Sary, pejy 3]
Moa ve Jehovah niseho ho marina tamin’ny fandefasana ny safodrano, tamin’ny fandravana an’i Sodoma sy Gomora ary tamin’ny fandidiana ny handringanana ny Kananita?