FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/1 p. 22-25
  • Tano ny fijoroanao — amin’ny fomba ahoana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tano ny fijoroanao — amin’ny fomba ahoana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fitaoman’ny raharaham-barotra eo amin’izao tontolo izao
  • Ny fomba hitanana ny fijoroana
  • Tano ny fijoroanao ara-panahy
  • Moa ve Ianao Mpisava Lalana Mahay Mandanjalanja?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Afaka ny ho sambatra ve ianao raha manan-javatra be dia be tsy maintsy atao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Manàna fiainana tsotra sy voalanjalanja
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Aza Mieritreritra Asa Intsony Rehefa any An-trano
    Ho An’ny Fianakaviana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/1 p. 22-25

Tano ny fijoroanao — amin’ny fomba ahoana?

HATRAMIN’NY taona maro i Kenneth dia talen’ny fikambanam-panorenana lehibe iray. Vetivety anefa dia veriny ny toerany. Izao izy dia manangana raharaha ho an’ny tenany, ka indraindray izany dia manery azy hanokana fotoana be dia be ho an’ny asany. “Tsy mora akory izany”, hoy ny fiaikeny. Tena tsy raharaha kely ho azy tokoa ny mahita fifandanjana amin’ny fiainam-pianakaviany, ny adidiny eo amin’ny asa sy ireo andraikitra iantsorohany ao anatin’ny kongregasionany.

Manandrana mizatra amin’ny fiainana vaovao kosa i David. Vao teraka ny vadiny. Rehefa avy niasa nandritra ny taona maro tao amin’ny birao iray any New York izy, dia lasa nanorim-ponenana tany ambanivohitra niaraka tamin’ny fianakaviana keliny. Any izy dia miezaka mianatra asa vaovao, sady manompo amin’ny maha-loholona sy mpitory maharitra (mpitory ilay Fanjakana manontolo andro).

Bill kosa dia mikely aina hatramin’ny taona maromaro mba hampihena ny fandaniany mba hahatongavana ho mpitory maharitra sahala amin’ireo zanany roa. Nandritra ny volana maromaro dia afaka nandany ny mazava indrindra tamin’ny fotoanany izy niasana ho an’ny fanorenana Efitrano Fanjakana vaovao iray ho an’ny kongregasionany. Izao anefa izy dia tototry ny taratasy fitakiam-bola indray. “Heveriko fa tsy mbola madiva hanomboka ny asan’ny mpitory maharitra akory aho, hoy ny nambarany tamin’alahelo. Mandiso fanantenana izany.”

Sahala amin’ny Vavolombelon’i Jehovah hafa rehetra, ireo lehilahy ireo sy ny ankohonany dia miezaka nitana ny fijoroany ara-panahy na dia ao aza ny “fotoana sarotra sy tsy mora setraina” mampiavaka ny “andro farany”. (II Timoty 3:1, MN.) Angamba tsy hoe tsy mbola hitanao ny zava-manahirana hitan’izy ireo.

Ny fitaoman’ny raharaham-barotra eo amin’izao tontolo izao

Nanambara tokoa ny apostoly Paoly fa amin’izao “andro farany” izao ny olona amin’ny ankapobeny dia ho “tia vola”, “mpanontolo fo” sy “mpamadika”. (II Timoty 3:1-4.) Ireo kristiana izay tsy maintsy mioitroitra ao amin’ny raharaham-barotra eo amin’izao tontolo izao dia tsara toerana mba hahatsapa ny fahamarinan’io faminaniana io. “Tsy mbola nahita zavatra sahala amin’izany mihitsy aho, hoy ny fitarainan’ny Vavolombelona iray. Tena tsy mahalala ny mety hatao intsony mihitsy ny olona. Tsy faly mihitsy izy ireny ary tsy tiany akory aza ny handoa ny trosany.” Ao anatin’ny toe-javatra toy izany, dia tsy mora akory ny mitana ny fijoroan’ny tena ara-panahy.

Tena ilaina ny hampiharana fifehezan-tena raha tsy tiana ny hanary ny fijoroan’ny tena. “Isaky ny maniry hividy zavatra tsy ilaiko na hanaiky asa betsaka kokoa noho izay ilaiko aho”, hoy ny fanazavan’ny lehilahy mpanao raharaham-barotra iray, “dia mifehy tena foana aho amin’ny fitenenana anakampo hoe: ‘Mijanòna ho tsotra hatrany!’ (...) Amin’ny toe-javatra sasany, dia tokony hasiaka amin’ny tenako aho. Izany anefa dia nahatonga ahy ho afaka hampihena ny fandaniako ka tsy hiditra tamin’ny fisetran-javatra izay, na dia toa nahaliana aza, dia ho nanimba ny fahafahako tamin’ny fametrahana ahy ho eo an-tanan’ny olona iray monja hifampiraharahana.”

Mba hahombiazana amin’ny raharaham-barotra, dia ilaina ny hananana fahatapahan-kevitra sy faharisihana. Tandremo anefa! Izay rehetra nanolo-tena ho an’Andriamanitra dia tsy afaka ny tsy hahalala ka ho afa-maina, izao fampitandremana mazava dia mazava izao ho hita indray ao amin’ny I Timoty 6:9, 10: “Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.”

Mora aoka izany ny mamela ny fomba fijery fatra-pihevitra ny zavatra ara-nofo eo amin’izao tontolo izao hanimba tsikelikely ny fiheverantsika ny atao hoe “fahombiazana”! Raha manaraka izany lalana izany ianao, tsy ho ela dia hanjary tsy hianina intsony amin’ny fanomezana izay ilain’ny ankohonanao, fa hieritreritra fa ny dikan’ny hoe “mahomby” dia fihoarana ny mpifaninana aminao lehibe indrindra, na fanjerana azy mihitsy aza. Hanjavona tsikelikely ny antony tsara manosika anao, ary alohan’ny hahatsapanao izany aza dia haniry ny ‘hanan-karena’ ianao. Amin’izay dia ho verinao ny fijoroanao ara-panahy.

Mitsofoka mangina ao amin’ny kristiana tsy malina ny “fitiavam-bola”. Miaiky ny Baiboly fa “fialokalofana ny vola”. Mampitandrina antsika amin’ny fitaky ny harena koa anefa izy.” (Mpitoriteny 7:12; Matio 13:22.) Ny mpanompon’Andriamanitra iray miasa ho an’ny tenany dia mety ho tonga vetivety amin’izao fiheverana izao: ‘Raha mba nanam-bola kely monja mantsy aho, izany dia ho nahatonga ahy ho afaka ny hitandrina mialoha ny amin’ny fivadibadihan’ny raharaham-barotra fara faharatsiny.’ Mampalahelo anefa fa tsy ela ny vola dia tonga ny zava-kendrena mihitsy. Raha tiana ny “hanintona ny mpividy”, dia tsy maintsy manana birao malalaka kokoa. Mba “hahazoana fifanarahana lehibe”, dia hilaina ny hividianana fitaovana fanampiny. Arakaraka ny iavosan’ny taratasim-bola anefa, dia mihamafy koa ny fitaomana manosika ny kristiana tsy mieritreritra hiasa bebe kokoa ihany, hanao tsirambina ny zavatra ara-panahy sy hanary ny fahaizany mandanjalanja.

Mety indrindra ny hahamaodimaody amin’ny fandaminana lehibe izay mikendry ny hamelezana olona tsotra loatra amin’ny fampanantenana fa hanome azy ireo zava-dehibe sy mahatalanjona ho takalon’ny ora vitsivitsy monja hiasana isan-kerinandro. Tsy iray ny kristiana tso-po nanjary nino noho izany fa tsy ho ela izy dia ho afaka hamelon-tena tsara amin’ny fiasana tapa-potoana ka hanao ny asan’ny mpitory maharitra aza, izany hoe hitory ilay Fanjakana manontolo andro. Afa-tsy izany koa, ireo Vavolombelona izay miditra amin’izany karazan-draharaha izany dia voatarika indraindray hitaona ireo rahalahiny hiditra amin’ny tranombarony amin’ny maha-masoivoho, ohatra.

Ny ankamaroan’ireny fikambanana ireny dia mandamina fivoriam-pivarotana izay mamelona ny “fitiavam-bola”, ka ireo mpivarotra mikendry vokatra indrindra dia mampideradera ny diamondrany farany na ny fiarakodiany vaovao. Hitanao sary an-tsaina ve ny apostoly Paoly anisan’ny nanatrika teo, nitehaka tamin’ny fisehoan-javatra toy izany? Ho nanery ireo namany kristiana ve izy mba hivarotan’ireo ny entany? Ho sahisahy foana ve izy niresaka tamin’izy ireny ny amin’ny foto-kevitra toy izany tao amin’izay nivorian’ny kongregasiona (Filipiana 3:7-9)? Arakaraka ny hamelomana faniriana mampiseho fitiavana ny zavatra ara-nofo, ireo izay miditra amin’ny fandaminana ara-barotra toy izany dia hahatsikaritra angamba fa tsy maka toerana firy intsony eo amin’ny fiainany ireo asan’ny kongregasiona. Maka ny toeran’ny fivorian’ny kongregasiona ny semineram-pivarotana isan-kerinandro. Misolo toerana ireo fivoriambe ny fihaonambe fanaovana dokam-barotra, ary ny fiarahana amin’izao tontolo izao dia mameno ny banga navelan’ny fifaneraserana tsara tamin’ireo rahalahiny tsy ananany intsony. Mety hisy vokany mampivarahontsana ny tsy fifandanjana ara-panahy toy izany.

Ny fomba hitanana ny fijoroana

Mazava ho azy fa tsy ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo ihany no mahatandindomin-doza ny fijoroantsika. Ho azo atao koa ny hahatsiahy izay hita amin’ireo mihevitra ho zava-dehibe loatra ny fanalana andro sy ny fialam-boly. Etsy andaniny koa, ny olona azon-doza amin’ny fahataitairana ny amin’ny lahy sy ny vavy eo amin’izao tontolo izao dia mety hahatonga antsika ho tafintohina koa. Rehefa heverina amin’izany fihaikana rehetra izany, ahoana no azon’ny kristiana itanana ny fijoroany ara-panahy?

Mahaliana ny mampitaha ny fijoroana ara-panahy sy ny fijoroana ara-batana. Ny zaza vao teraka dia tsy afaka mijoro, ary fanina indraindray ny marary. Toy izany koa, ireo kristiana tsy ampy fahamasahana na osa eo amin’ny lafiny ara-panahy dia tsy miavaka amin’ny fijoroany. Nefa, na dia ny lehilahy matotra sy salama tsara iray aza dia mety hianjera eo amin’ny tany malama. Amin’izany, ny kristiana matotra izay manana fahasalamana ara-panahy tsara dia hahita soa foana amin’ny fanalavirana ireo “tany mampidi-doza” sy amin’ny tsy fitokisana loatra amin’ny fijoroany.

Afa-tsy izany koa, izay rehetra nanandrana nihetsiketsika an-toerana tamin’ny bisikileta dia mahafantatra tsara fa aleo mandroso mba tsy hianjerana. Zava-dehibe indrindra izany, satria tao anatin’izao taona faramparany izao dia nisy nampiasa tamin’ny fomba ratsy na tsy nahazo ny hevitry ny fitenenana hoe “fijoroana ara-panahy”. “Aza manokana fotoana be loatra amin’ny fitoriana, hoy izy ireo. Mijanòna bebe kokoa ao an-tranonao, miaraka amin’ny fianakavianao. Ilaina ny hahaiza-mandanjalanja!” Tamin’ny fanarahana torohevitra tsy mampiseho fahendrena loatra toy izany, dia nisy nampihena ny asany ka latsaka tao anatin’ny fitiavana fanaranam-po, ka izany dia niteraka ho azy ireo fahavoazana eo amin’ny lafiny ara-panahy. — II Petera 2:3; 3:11, 12.

Ny fijoroana na fifandanjana dia azo antoka fa tsy mitaky ny hitsaharan’ilay kristiana tsy hitondra ny hazo fijalian’i Jesosy (Lioka 9:23-25). Ny fivadihana toy izany, raha ny marina, dia fisehoana ho tafintohina ny amin’i Kristy, ka mazava ho azy fa tsy ho mariky ny fijoroana tsara izany. — Matio 11:6.

Ny fifandanjana ilain’ireo mpanompon’i Jehovah dia voalazalaza tsara ao amin’ny bokin’ny Ohabolana, izay amakiantsika toy izao: “Ny voaloham-pahendrena dia izao [ny fahendrena no zavatra lehibe indrindra, MN]: Mahazoa fahendrena; eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara. Raha mandeha hianao, dia tsy ho èty ny làlanao; ary raha mihazakazaka hianao, dia tsy ho tafintohina. Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; hazòny izy, fa ainao.” — Ohabolana 4:7, 12, 13.

Ny fahendrena, ny fahiratan-tsaina sy ny fifehezan-tena dia samy toetra ilain’izay maniry hitana ny fijoroany ara-panahy. Mampitombo izany ny tena amin’ny fianarana tsy tapaka sy amim-pitandremana ny Tenin’Andriamanitra, sy amin’ny fampiharana izay ianarana ao. “Fa Jehovah no manome fahendrena; avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina. Izy mitahiry fanambinana ho an’ny mahitsy sady ampingan’izay mandeha tsy misy tsiny.” — Ohabolana 2:6, 7

Ny fahendrena dia milaza fampiharana ny fahalalana. Raha ny marina, ny ankamaroan’ny kristiana manary ny fijoroany ara-panahy dia resy noho izy tsy mampihatra amin’ny tenany izay fantany tsara ny amin’ny loza ateraky ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, ny fitiavana fanaranam-po sy ny fanomezana fahafahampo ny tena (Ohabolana 3:5-7). Fahendrena indrindra ny hampiasana ny fahalalan’ny tena mba handresena ny fahalemen’ny tena, hitsimbinan-tena amin’ny fahadisoam-panantenana eo amin’ny ara-panahy. Niaiky toy izao ny loholona iray: “Tokony hanara-maso akaiky ny fijoroako aho, satria fantatro fa toetrako ny manana saina tsy mizarazara ary tsy mahazatra ahy ny manao zavatra roa indray miaraka. Ho mora dia mora amiko ny ho variana tanteraka amin’ny asa iray, avy eo dia amin’ny hafa iray, ka hanao tsirambina mandritra izany fotoana izany ny andraikitro hafa rehetra.”

Mitondra fanampiana tsy hay tombanana mba hijoroantsika ireo rahalahy sy anabavintsika. Voamarik’izy ireo matetika fa maniasia isika raha lazaina amin’ny heviny ara-panahy, alohan’ny hahatsapantsika izany aza. Tena mahasoa tokoa ny hanekena amim-panetren-tena ireo torohevitra omeny antsika ao anatin’ny toe-javatra toy izany. Raha tsy manao izany isika, dia mety hanamarina, ho fahavoazantsika, fa tsy misy diso izao foto-kevitra raisina ho fitsipika ao amin’ny Baiboly izao: “Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.” (Ohabolana 18:1). Halaviro tanteraka àry ny fihatahana lavitra an’ireo rahalahinao ao amin’ny finoana, ary araho avy hatrany ireo fanipazan-keviny tsara dia tsara miorina amin’ny Soratra masina.

Tano ny fijoroanao ara-panahy

Raha fintinina, dia ireto misy hevitra vitsivitsy izay hanampy anao hitana ny fijoroanao. 1) Miezaha mitana ny fahasalamanao ara-panahy amin’ny fambolena fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fifehezan-tena. 2) Halaviro ny tany malama, indrindra fa ilay fandrika misoko mangina, dia ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo. 3) Tadiavo izay hahafantarana ny fahalemenao, ireo lafiny eo amin’ny fiainanao tsy anananao fijoroana, ka manandrama mihatsara. 4) Tsy tokony hijanona tsy hihetsika isika amin’ny fitoriana fa tokony hanohy handroso eo amin’ny asan’i Jehovah. 5) Ekeo amim-panetren-tena ireo torohevitra voaraintsika avy amin’ny fandaminan’Andriamanitra sy ireo izay ampiasainy. 6) Aza mitokana lavitra ny kongregasiona kristiana.

Mety ho hita fa zava-tsarotra tsy maintsy setraina ny hitanana ny fijoroan’ny tena ara-panahy amin’izao andro sarotra izao, nefa aza miala amin’izany indrindra. Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika dia tokony hanahaka Andriamanitra iray manana toetra mahafinaritra sy masina mifandanja tanteraka isika (Efesiana 5:1; Apokalypsy 4:8). Raha mbola hanosika antsika koa hanaraka ny ohatra omeny ny fitiavana amim-pahatsorana an’i Jehovah, ka hanaiky handray avy amin’ireo rahalahintsika kristiana sy ny fandaminan’Andriamanitra ny fanampiana ilaintsika isika, dia ho azontsika atao ny hitana ny fijoroantsika ara-panahy.

[Sary, pejy 23]

Tsy manana ny toerany ao amin’ny Efitrano Fanjakana ny raharaha ara-barotra.

[Sary, pejy 25]

Mba hitanana ny fijoran’ny tena ara-panahy koa dia ilaina ny handrosoana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara