FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w84 1/9 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanoharana Momba ny Vary sy ny Tsimparifary
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • ‘Hamirapiratra Tahaka ny Masoandro ny Olo-marina’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • “Homba Anareo Foana Aho”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Inona no Hiafaran’ny Fivavahana Kristianina?
    Mifohaza!—2007
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1984
w84 1/9 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Anisan’ny “tsimparifary” resahina ao amin’ny fanoharan’i Jesosy ve ireo olona lasa mpivadi-pinoana vao haingana?

Tsia. Tsy izy ireo, raha ny marina, no tondroina amin’ny hoe “tsimparifary.”

Ao amin’ny Matio 13:24-30, 37-43 no ahitantsika ilay fanoharan’i Jesosy sy ny fanazavana azy io. Ny “tanimbary” dia izao tontolo izao, ary tao amin’izy io no namafazan’ny “Zanak’olona” “voa tsara”, izay mifanitsy amin’ny “zanak’ilay Fanjakana”, dia ireo tena Kristianina voahosotra. Namafy “tsimparifary” teo koa ny Devoly. Na dia sahala amin’ny “vary” aza izany, dia mifanitsy kosa amin’ny “zanak’ilay ratsy.” Toa Kristianina sandoka hiara-misy amin’ny tena Kristianina, azo ampitahaina amin’ny vary, izy ireo. Nitranga indrindra izany taorian’ny nahafatesan’ny apostoly. (2 Tesalonianina 2:6, 7) Marina tokoa fa be dia be no tsy nanao afa-tsy ny nilaza tena ho Kristianina, nandritra ny taonjato maro. Anisan’izany ireo mpitondra fivavahana nampiely fampianaran-diso.

Nohazavain’i Jesosy fa hangonina ny “tsimparifary” ary “hodorana”, mandritra ny fotoam-pijinjana, izany hoe amin’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Misy angamba mihevitra fa anisan’ny “tsimparifary” hangonina, ireo olom-bitsy nivadi-pinoana vao haingana. Tsy nilaza anefa i Jesosy hoe efa “vary” ny “tsimparifary” taloha ary niharatsy tatỳ aoriana. Mitombo “samy araka ny karazany avy” ny zavamaniry, noho ny lalàn’ny fandovan-toetra. (Genesisy 1:11, 12) “Tsimparifary” no nafafy ary nijanona ho tsimparifary foana izy, na dia rehefa naniry aza. Tadidio anefa fa nilaza mialoha momba ny Kristianina sandoka izay hiseho atỳ aoriana i Jesosy, rehefa niresaka momba ny “tsimparifary.” Tsy ireo anisan’ny “vary”, izay mety hiharatsy ka hanjary ho sahala amin’ny salohim-bary lo, no noresahiny.

Tsy manondro an’ireo mpivadi-pinoana niaina tamin’ny andron’ny apostoly sy ny amin’izao fotoana izao àry ny hoe “tsimparifary.” Na izany aza, dia asehon’ny Baiboly fa “tsy mba namantsika” ireny olona ireny, ary tsy ankasitrahan’Andriamanitra ka tokony hohalavirin’ny Kristianina mahatoky. “Hodorana” na hofoanana mandrakizay ny “tsimparifary.” Hitovy amin’izany koa no hiafaran’izay mivadi-pinoana nefa tsy mibebaka, rehefa ho tonga ny faran’ity tontolo ity.-Titosy 3:10; 1 Jaona 2:18, 19; 2 Jaona 9-11.

[Loharanon-kevitra]

Fanontaniana faharoa ihany (nohavaozina)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara