FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/10 p. 4-11
  • Ny Ady Lehibe Voalohany sy ny fiandohan’ny fahoriana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Ady Lehibe Voalohany sy ny fiandohan’ny fahoriana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fahoriana tsy nisy nitovizana tamin’ny teo aloha
  • Mihamitombo ny fitebitebena
  • Nesorina tamin’ny tany ny fandriampahalemana
  • Ny fanintonan’ny fanampiana ara-tsosialy
  • Aoka isika hitandrina mba tsy hanana toe-tsain’ny tia fanampiana
  • Ny ady izay hamarana ny ady rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Ny fiadanana sy ny filaminana: toe-piainana tena ilaina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ilay Tena Rangory Fototry ny Afo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Miaina amin’ny andro farany ve isika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/10 p. 4-11

Ny Ady Lehibe Voalohany sy ny fiandohan’ny fahoriana

HATRAMIN’NY fotoana ela dia ela, ny tantaran’ny olombelona dia mitondra ny mariky ny herisetra sy ny ady. Raha nampisy ny safodrano naneran-tany Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, dia satria indrindra ‘heniky ny herisetra’ ny tany. (Genesisy 6:11-13.) Taorian’io safodrano lehibe io, ny Baiboly sy ny tantara tsy ara-pivavahana dia milaza ady an-jatony maro izay nipoaka talohan’ny nahatongavan’i Jesosy mihitsy aza. Araka izany ny “ady” sy ny “filazana ady” dia tsy zava-baovao amin’ny maha-izy azy ho an’ny izao tontolo izaon’ny olona.

Araka izany, mba hananany hevitra manokana eo imason’ireo mpianany, ireo ‘ady sy filazana ady’ nambaran’i Jesosy dia tokony hifanipaka amin’ny fomba iray na amin’ny hafa amin’izay hitan’ny mason’ny olombelona hatramin’izay. Marina tokoa fa nanampy Jesosy hoe: “Ho hita ny firenena hitsangana hamely firenena, ary fanjakana hamely fanjakana, ary hisy areti-mandringana, mosary ary horohorontany amin’ny toerana samy hafa. Izany rehetra izany dia tsy inona fa vao fiandohan’ny fahoriana.” (Matio 24:7, 8, Crampon 1905; jereo Lioka 21:10, 11). Noho izany, dia tsy ho ady mitokatokana hipoaka mitsitapitapy etsy sy eroa fotsiny no ho re. Tsia, io lafiny amin’ny famantarana io dia hahatafiditra firenena sy fanjakana maro. Izany dia ho ady ankapobeny.

Efa nisy vavolombelona nahita ady karazan’izany ve? Izany tokoa, ary ny taranaka tamin’ny 1914 no nahita izany voalohany. Raha ny tena izy, dia nahita ady nanerana ny planeta roa isika nandritra ity taonjato ity. Ary izany dia ady tena karazany vaovao tokoa teo amin’ny fitohitohizan’ny tantaran’olombelona araka ny porofoin’ireo anarana nomen’ireo mpanao tantara azy. Araka izany, ilay voalohany aloha dia nantsoina hoe ilay Ady Lehibe. Taty aoriana, dia nomena indray anarana hoe Ady Lehibe Voalohany izy io, fa ny nanaraka kosa dia nantsoina hoe Ady Lehibe Faharoa. Eny, ny hevitra momba ny ady lehibe dia tafiditra teo amin’ny fomba sy fanao hatramin’ny 1914.

Fahoriana tsy nisy nitovizana tamin’ny teo aloha

Nifanaraka tamin’ny faminanian’i Jesosy, ny Ady Lehibe Voalohany dia nanamarika ny “fiandohan’ny fahoriana”. Eo amin’ny fonon’ilay boky hoe La fin de l’ordre (angl.), ireo mpampanonta dia namoaka ity fanambarana manaraka ity: “Ny Ady Lehibe Voalohan sy ny fanekem-pihavanana tao Versailles nanaraka azy dia nitarika ny fisafotofotoana lehibe indrindra nanamarika ny fizotra lava sy mikorontan’ny tantara maneran-tany amin’ny andro ankehitriny (...). Ireo diplaomaty nivory tany Paris sy Versailles tamin’ny 1919 dia tsy namerina ny filaminana velively fa nandentika indray izao tontolo izao tsy misy fanafodiny intsony mihitsy tamin’ity indray mitoraka ity tao amin’ny fikorontanana lehiben’ny taonjato faha-20. Faran’ny filaminana izany.”

Tao amin’ilay boky voalaza teo aloha, i Charles Mee, mpanoratra, dia nanazava ny heviny tamin’ny hoe: “Tamin’ny faran’ilay Ady Lehibe, hoy izy, ireo diplaomaty anefa dia teo anoloan’ny izao tontolo izao iray nipoaka, izao tontolo izao izay toa rembin’ny fisaratsarahana ara-tsaina amin’ny ankapobeny, ny firodanan’ireo rafitra tranainy izay nampaharitra ireo Fanjakana sy empira, ny fanapotehana ireo fandaharana ara-toe-karena sy ny kapitalisman’ny taonjato faha-20, ny loza faran’izay tsy nampoizina indrindra, ny tabatabam-bahoaka sy ny famonoana olona, ny fanapahana olona amin-kasiahana sy halozana ary ny fikorontanana, ny fiovaovana sy ny famoizam-po, ny harevoana sy ny horohoro, izany rehetra izany dia amin’ny habe tsy azo vinanina (...). Tsy mamerina ny filaminana teo amin’izao tontolo izao izy ireo fa nandray kosa ny fikorontanana lehiben’ny Ady Lehibe ary (...) nanorina izany ho toetra maharitra ho an’ny taonjato misy antsika.”

Ireo fandripahana sy fijaliana nosantarin’ny Ady Lehibe Voalohany dia “fahoriana” tsy nanan-tsahala teo amin’ny tantaran’ny olombelona. Ireo fiadiana ara-tsiansa araka ny toetr’andro, — fiara fananiham-bohitra, “mitrailleuses”, fiaramanidina, sambo mpanao an-tsitrika, gaza famonoana noforonina sy nampiasaina tamin’ny fotoana nilàna azy, — dia nanao fandravana naneran-tany. “Taranaka iray manontolo no ringana teny amin’ny saha fiadiana eoropeana, hoy ny azo novakina tao amin’ilay boky hoe La fin de l’ordre. Tsy mbola nahitana na oviana na oviana fandringanana toy izany teo aloha. Ny isan’ny miaramila maty isan’andro dia avo folo heny noho izay maty nandritra ny ady “Sécession”, lehibe in-24 heny noho izay nisy nandritra ireo ady nataon’i Napoléon, lehibe lavitra in-550 heny noho izay nisy nandritra ny adin’ireo Boers.”

Kanefa, araka ny nolazain’i Jesosy, izany dia tsy inona fa ny “fiandohan’ny fahoriana” na ny “horohoron’ny fitebitebena”. Ny fandikan-teny hafa dia mandika ny tenin’i Jesosy amin’ny fitenenana toy ny hoe “ny fiandohan’ny faharariam-piterahana”na “ireo faharariam-piterahana voalohany”. (Osty; La Bible en fran<u481>ais courant.) Ny vehivavy iray madiva ho teraka dia mahatsiaro fanaintainana mihamafy hatrany, mihamatetika sy maharitra hatrany. Toy izany koa, ny Ady Lehibe Voalohany sy ny fahoriana nanaraka azy dia tsy inona velively fa fiandohan’ny horohoron’ny fitebitebena.

Mihamitombo ny fitebitebena

Nisy fahoriana hafa mbola mahery vaika kokoa namely tsy ela ny taranak’olombelona tamin’ny fahatongavan’ny Ady Lehibe Faharoa. “Raha ny momba ny Ady Lehibe Voalohany, hoy ny nosoratan’i Quincy wright (ao amin’ilay boky hoe Une étude de la guerre [angl.], dia noheverina ho mihoatra ny 40 tapitrisa ny isan’ireo matin’ny ady sy ny aretina naelin’ny ady, kanefa ny nisaina nitovy tamin’izany dia mihoatra ny 60 tapitrisa tamin’ny Ady Lehibe Faharoa. Ao amin’ny sivilizasiona ankehitriny, dia azo heverina mivantana na tsy mivantana ho avy amin’ny ady ny folo isan-jato amin’ireo maty.”

Ny isan’ireo sivily maty dia niavaka ho ambony tokoa nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Nanazava ny profesora Wright hoe: “Ny mosary, ny fandatsahana baomba, ny fakana an-keriny ny fananana manokana ary ny fanjakan’ny horohoro, izay nandalo tamin’ny fandravana tanàna maro tanteraka, izany rehetra izany dia anisan’ny tetik’ady nampiasaina nandritra ny Ady Lehibe Faharoa ho fanoherana ny fitambaran’ny mponina sy ny faritanin’ny fahavalo (...). Ny fiainan’ilay firenena fahavalo iray manontolo dia nanjary lasibatry ny famelezana. Nisy mihitsy aza Fanjakana nanitatra ny politikam-panafihany ka tonga hatramin’ny fanafoanana tsy misy avakavaka ireo mponina tera-tany na ny fandavana ny zo maha-tompom-pananana azy ireo mba hametrahana ny zana-tanin’izy ireo teo amin’ny taniny.”

Ny tebiteby nateraky ny fandatsahana baomba tamin’ny 1945 tany Dresde sy Tokyo, izay nahafatesan’olona 235 000, dia maloka tsy ela teo anoloan’ny horohoro naelin’ireo baomba ataomika roa nalatsaka volana vitsivitsy taty aoriana tao Hiroshima sy Nagasaki. Hatreo amin’io fotoana io, dia nilaina ny baomba an’aliny mba hanaovana izany miaraka amin’izay. Ankoatr’izany, ireo vokatra mahafaty avy amin’ireo fisandrahan-kafanana (radiations) izay mbola tsapa foana ankehitriny dia voaporofo fa mbola mandrava bebe kokoa hatrany.

Indro misy famelabelarana nivoaka tao amin’ny revio anankiray (world Press Review tamin’ny jona 1982) momba ny baomba ataomika nalatsaka tany Hiroshima: “Tapa-kofehy ireo soavaly efatra ao amin’ny Apokalypsy. Ny sambatra indrindra dia ireo nanjavona tao amin’ny fipoahana, izany hoe teo amin’ny lehilahy, vehivavy, ankizy efa mianatra, zazakely botrabotra ary zaza vao teraka 100 000. Marina tokoa fa ny ankamaroan’ireo 100 000 hafa niharan-doza dia maty tao anatin’ny fanaintainana mampahory indrindra, vokatry ny ratra tamin’ny taova, fahamaizana mahatsiravina, na ny fijaliana maharitra nanaraka ny fisandrahan-kafanana (radiations).” Vao mainka nampijaly hatrany ihany ny horohoron’ny tebiteby.

Nesorina tamin’ny tany ny fandriampahalemana

Zavatra mahaliana fa rehefa miresaka ireo “mpitaingin-tsoavalin’ny Apokalypsy” io mpanao gazety io, dia manisy fitenenana andalan-teny anankiray ao amin’ny Baiboly izay hita ao amin’ny toko fahenina ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Nefa izao no vakina eo amin’ny andininy faha-4: “Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin’ny tany mba hifamonoan’ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.” Izany dia mampahatsiahy ny anankiray amin’ireo famantarana nambaran’i Jesosy,dia ny hoe firenena hamely firenena ary fanjakana hamely fanjakana.

Marina tokoa fa nesorina tamin’ny tany ny fandriampahalemana. Ireo mpanao tantara dia nanisa tokoa taonam-piadanana talohan’n y1914, nefa hatramin’izay dia tsy nisy intsony na dia iray aza. Mbola nanantena foana tsy amin’ny antony ny olona fa ilay ady farany dia hitondra fotoam-piadanana. Nefa ilay boky mitondra ny lohateny hoe La paix violente (angl.) dia manambara momba an’io hoe: “Ny fiadanana naorina tamin’ny 1945 dia tsy nidika ho fiafaran’ny ady, araka izay nanantenantsika azy. Hatramin’izay tokoa ny olona dia nifamely saika tany amin’ny faritra rehetra amin’ny gilaoby, hatrany Gresy ka hatrany Vietinama Atsimo, hatrany Cachemire ka hatrany Congo, ary dia misy fikomiana mipoaka saika hatraiza hatraiza any amin’ireo firenena mahantra.”

Araka ny fanambaran’ny Fanaovan-draharahan’ny Fanjakana amerikana vao haingana, dia nisy ady iraisam-pirenena sy ady an-trano 130 azo nisaina hatramin’ny fiafaran’ny Ady Lehibe Faharoa. “Teo amin’izao tontolo izao dia olona 701 600 000 eo ho eo no tafiditra tamin’ny endriky ny ady amin’ny fomba iray na hafa, hoy ny fitantaran’ny Toronto Star tamin’ny 13 jona 1982. Eo amin’ny mponina maneran-tany, izany dia mampiseho olona iray ao anatin’ny enina. Io isa io raha halalinina dia tsy ambany loatra noho ny isan’ireo miaramila tamin’ny Ady Lehibe Faharoa. Tao amin’ireo [ady rehetra ireo], dia teo amin’ny mpiady 250 000 ka hatramin’ny sivily 2 000 000 no maty isan-taona.”

Araka izany, ny “ady””sy “filazana ady” dia tsy mihena. Ilay boky hoe La paix violente dia manao izao fanamarihana izao: “Hatramin’ny [1945], dia tsy misahirana intsony mihitsy mifanambara ady na mamarana ireo fifanoherany ny olona. Miady izy ireo, dia izay fotsiny ihany. Miaina amin’ny fe-potoan’ny herisetra mitatra amin’ny ankapoben’olona ary mitondra amim-panoherana ny anarana hoe fiadanana isika.”

Hisy “fahoriana” vaovao hanerana ny planeta amin’ny endriky ny ady lehibe fahatelo ve? “Miaina ao amin’ny izao tontolo izao iray mialoha ny ady fa tsy aorian’ny ady isika”, hoy ny nambaran’i Eugène Rostow, talen’ny fitondran-draharaha amerikana momba ny famerana sy ny fampihenana fitaovam-piadiana. Ary efa tena vonona ho amin’izany ireo firenena! Amin’izao fotoana izao, dia mandany eo amin’ny 1 000 000 dôlara [izany hoe 70 000 000 ariary malagasy] isa-minitra ho an’ny fitaovam-piadiana izy ireo. Amin’ireo 550 arivo tapitrisa dôlara [maherin’ny 7 500 arivo tapitrisa malagasy] no natokana ho amin’ny fiadiana noklehera. Ireo fiadiana ataomika notehirizina dia manan-kery fandevonana mitovy amin’ny baomba iray tapitrisa toy izay nandrava an’i Hiroshima. Tsy misy isalasalana fa tena nesorina marina tokoa tamin’ny tany ny fiadanana. — Apokalypsy 6:4.

Ireo fanambarana rehetra mikasika ny ady amin’ny andro ankehitriny dia mitondra antsika amin’ny fomba tsy azo toherina ho amin’izao famaranan-kevitra izao: Miaina marina tokoa ireo “andro farany” ho an’ity fandehan-javatra ankehitriny ity isika.

Kanefa Jesosy dia tsy nianina tamin’ny firesahana ady amin’ny ambaratonga maneran-tany. Nilazalaza fisehoan-javatra maro hafa koa izy, izay raha mitambatra avokoa dia mahaforona famantarana mampiavaka amin’ny fomba manamarina mihitsy ny fe-potoana iainantsika ho fotoan’ny “fanatrehany sy famaranana ny fandehan-javatra”.

Ireo zavatra mahaforona io famantarana io dia hodinihina ao amin’ireo nomerao manaraka amin’ity gazety ity. — Matio 23:3-12; Lioka 21:7-11.

Ny fanintonan’ny fanampiana ara-tsosialy

Any amin’ny tany sasany, rehefa misy olona namoy ny asany, ny fanampiany azony noho izy tsy miasa dia indraindray mahatratra hatramin’ny 80 isan-jaton’ny karamany teo aloha. Ny lehilahy iray mandray fidiram-bola toy izany dia mety hanontany tena hoe: koa inona àry no ilàna hitadiavana asa? Ny kristiana anankiray, etsy andanin’izany dia mety hieritreritra mihitsy aza ny tombontsoa azony amin’ny fijanonana amin’io tarehin-javatra io. Marina tokoa fa tsy miaritra intsony ireo resaka valavala ataon’ireo namany mpiara-miasa aminy izy ary afaka manalavitra ny fiarahana amin’ny naman-dratsy izay tafaray foana amin’ny asa ivelan’ny fivavahana.

Tsara ve ny fiheverana toy izany? Tsy dia izany loatra. Voalohany indrindra aloha, izay mihevitra toy izany dia manadino fa ireo fanampiana noho ny tsy fananan’asa dia mazàna arotsaka amin’ny olona iray raha ohatra ka tena mitady asa tokoa izy. Raha tsy izany no izy, dia mety ho endriky ny fanambakana izany. Ankoatr’izany ny vola raisiny dia tsy maintsy ho avy amin’ny volan’ny sasany. Amin’ny teny hafa, dia ireo mpanao latsakemboka hafa no miasa mba hamelomana ny fianakaviany. Ny kristiana matanjaka iray ve afaka hanaiky tarehin-javatra toy izany? — Matio 7:12.

Rehefa nanoratra ho an’ny kongregasionan’i Tesalonika i Paoly, dia nanisy fitenenana ny amin’ny olona sasantsasany izay tsy niasa ary nanambara hoe: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.” (II Tesaloniana 3:10). Feno fahendrena tokoa ny teniny. Ny olona tokoa dia mandray fahafahampo avy amin’ny asany (Mpitoriteny 2:24). Ny hakamoana kosa, mifanohitra amin’izany dia mety hisy vokany manimba eo aminy. Mety hitarika azy ho amin’ny fahadisoam-panantenana izany, ho amin’ny heloka aza. Milaza ny Baiboly hoe: “Izay malaina amin’ny asany dia rahalahin’ny mpanimba.” — Ohabolana 18:9.

Marina aloha fa rehefa tsy misy asa atolotra azy, ny lehilahy iray dia mety ho voatery hivelona amin’ny fanampian’ny Fanjakana. Kanefa rehefa tolorana asa azony ekena tsara izy, dia tokony hanao am-po ity torohevitr’i Paoly ity hoe: “Mananatra anareo ihany izahay (...) mba hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin’ny tànanareo, mba handehananareo amin’izay fitondrantena mahamendrika amin’ny eo ivelany”. Ireo izay mandositra asa tokoa dia tsy mahazo ny fanajan’ireo manodidina azy. Mifanohitra amin’izany, ny laza ratsiny dia mety hanafoana ny soa rehetra azon’izy ireo atao amin’ny lafin-javatra hafa. — I Timoty 3:7.

Ny fanintonan’ny fanampiana ara-tsosialy dia mety hiteraka zava-manahirana amboniny koa. Araka izany, rehefa nifindra monina vao haingana tao amin’ny tany izay misy izany fandaharana izany ny lehilahy anankiray dia nameno fangatahana mba hahazoana fanampiana noho ny tsy fananan’asa. Nefa dia tsy nohazavainy fa nanam-pananana izy any amin’ny tany niaviany, satria hanala ny zon hahazo fanampiana ara-tsosialy izany. Araka izay, dia nanafina ny marina izy mba hahazoana ny fanampian’ny Fanjakana.

Mety hatao amin’ny endrika maro koa ny famitahana. Ohatra, mba hitakiana fanampiana ara-bola, ny vehivavy anankiray dia hilaza amin’ireo manam-pahefana mikarakara izany fa nilaozan’ny vadiny izy, nefa tsy nandao ny tokantranony velively izy io. Ny mpivady dia mety hisaram-panambadiana nefa miara-mitoetra ihany ho fikendrena fotsiny ny handray vola bebe kokoa. Hita ny amin’ny vehivavy tokan-tena izay nanan-janaka tsy ara-dalàna mba handraisana tombontsoa betsaka kokoa. Ny sasany dia manana zo amin’ny fanampiana sasantsasany, nefa dia miova ny tarehin-javatra iainany. Ohatra, mahita asa izy. Nefa raha tsy mampahafantatra io fiovana io izy ireo dia manohy mandray soa amin’ny fanampian’ny Fanjakana.

Ireo dia fanararaotana vitsivitsy fahita amin’ireo fandaharam-panampiana ara-tsosialy. Amin’ny fanafenan-javatra, amin’ny lainga tsy vaky atatra na ny fandikana hafa ireo fotopoto-pitsipika kristiana, dia azo atao indray ny mamitaka ireo manam-pahefana mba handraisam-bola bebe kokoa. Nefa dia milaza mazava tsara izao fampitandremana izao ny Baiboly: “Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny maniasia, fa ao amin’ny marina kosa ny fisakaizany.” Milaza koa izy hoe: “Ny fahazoan-karena amin’ny lela mandainga dia fofonaina mihelina ho an’izay mitady fahafatesana”. (Ohabolana 3:32; 21:6). Tsy hisy kristiana na dia iray aza te-ho fahavetavetana eo imason’i Jehovah noho ny fitiavan-tombony.

Nefa misy loza hafa iray tokony hiarovantsika tena.

Aoka isika hitandrina mba tsy hanana toe-tsain’ny tia fanampiana

Noho ny fahalalana fa azon’izy ireo atao foana ny miankina amin’ny tahirim-bolan’ny Fanjakana amin’ny ilàna izany, ny olona sasany dia mitondra tena ho toy ny tsy mahatsiaro ny andraikiny. Mety hanantena mihitsy aza izy ny hiantsorohan’ireo fandaharam-panjakana ny andraikitra, izay araka ny Baiboly, dia adidin’ny tsirairay avy. Ny sasany dia nobeazina tao amin’ny toe-piainana nanjakan’ny hevitra toy izany. Misy aza fianakaviana maro nivelona tamin’ny fanampiana ara-tsosialy hatramin’ny taranaka nifandimby maro, hany ka sahirana izy mihevitra fotsiny fomba fiaina hafa.

Na manao ahoana na manao ahoana, ireo fikambanana mitondra fanampiana ara-bola noforonin’ny Fanjakana dia tsy ho afaka hanala amin’ny kristiana ny andraikiny manokana izay napetrak’Andriamanitra taminy. Nanambara i Paoly hoe: “Raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” (I Timoty 5:8). Raha manampy ny filoham-pianakaviana hiahy ny amin’izay ilain’ny ankohonany ny Fanjakana, any amin’ny tany sasany, amin’ny alalan’ny vola ho an’ny misotro ronono, ny volan-jaza na tombontsoa hafa, dia tokony haneho fankasitrahana noho izany izy. Kanefa ny fikarakarana ny ankohonany dia mijanona ho andraikiny.

Mitovy hevitra amin’io ihany, ny apostoly Jaona dia nanazava fa adidin’ny kristiana ny manampy ireo rahalahiny tsy manana kokoa (I Jaona 3:17). Marina fa any amin’ny tany sasany, ny Fanjakana dia manome fanampiana ara-nofo ho an’ireo sahirana. Nefa tsy manova na inona na inona amin’ny adidin’ny kristiana izany. Izy ireo dia tokony ho vonona foana hitondra fanampiana ara-panahy sy ara-nofo ho an’ireo tena mila izany.

Araka izany àry, ireo fanampiana isan-karazany nomanin’ny fitondram-panjakana dia fisehoan’ny halemem-panahy avy amin’i “Kaisara”. Raha tsy misy izy ireo, ny kongregasiona kristiana dia tsy isalasalana fa tokony hiahy bebe kokoa ireo raharaha ireo. Kanefa ny kristiana dia tsy tokony hanararaotra izany fandaharana izany. Tsy azony atao ny mandainga, manafina ny marina na milefitra amin’ny fomba itsy na iroa amin’ireo fotopoto-pitsipika kristiana. Ankoatr’izany dia tsy tokony hametraka amin’ny Fanjakana ny andraikitra izay nomen’Andriamanitra azy ireo.

Ao amin’ny taratasy ho an’ny Hebreo, ny apostoly Paoly dia nanambara hoe: “Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy [Jehovah]: ‘Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory’.” (Hebreo 13:5). Ankoatr’izany, dia namporisika ireo Korintiana izy hanao “ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany”. — I Korintiana 10:31.

Akory moa ny hatsaran’ireo fotopoto-pitsipika ireo! Aoka hialantsika ny fitiavam-bola. Aoka isika hiantehitra amin’i Jehovah amin’ny lafin-javatra rehetra sady manaiky avy amin’ny Fanjakana ireo fanampiana anomezan’ny lalàna zo antsika. Amin’ny zavatra rehetra, dia aoka isika hieritreritra ny mety ho vokatry ny ataontsika eo amin’ny anaran’Andriamanitra. Raha tsy manadino velively ireo fotopoto-pitsipika telo ireo isika, dia hanampy antsika hitazona fomba fijery mendrika momba ny fanampiana ara-tsosialy izy ireo.

[Teny notsongaina, pejy 6]

“Ao amin’ny sivilizaiona ankehitriny, dia azo heverina mivantana na tsy mivantana ho avy amin’ny ady ny folo isan-jato amin’ireo maty.”

[Teny notsongaina, pejy 7]

Hatramin’ny fiafaran’ny Ady Lehibe Faharoa dia ady iraisam-pirenena sy ady an-trano 130 no nipoaka.

[Sary, pejy 11]

Na dia manome fanampiana ara-bola ho azy aza ny Fanjakana, dia anjaran’ny lehilahy tsirairay avy ny miahy izay ilain’ny fianakaviany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara