FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/7 p. 16-17
  • Inona no zava-kendrenao eo amin’ny fiainana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no zava-kendrenao eo amin’ny fiainana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Tahafo ny Finoan’i Mosesy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Mosesy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nanam-pinoana i Mosesy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Fantaro ny Lalan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/7 p. 16-17

Velona ny Tenin’Andriamanitra

Inona no zava-kendrenao eo amin’ny fiainana?

INONA no tianao hotanterahina eo amin’ny fiainana? Fahaizana ivelan’ny fivavahana ambony ve? Sa toerana tsara eo amin’izao tontolo izao? Sa vola? Sa laza? Sa fahatsiarovana tsy fananana ahiahy? Zava-kendrena iraisan’ny rehetra ireo. Nefa moa ve ny fanatrarana azy ireo tena hanome anao izay tadiavinao eo amin’ny fiainana?

Mba hanampy anao hamaly fanontaniana toy ireo, dia diniho ny fiainan’i Mosesy, toy ny asehon’ireto sary ireto. Notezaina toy ny “zanaky ny zanakavavin’i Farao”, mpanapaka ny tany, izy. Tamin’ny naha-anisan’ny ankohonan’i Farao mpanjaka azy àry, i Mosesy dia nanana fahafahana tanteraka ny handray anjara tamin’ny “fifaliana (...) amin’ny fahotana”. Teo am-pelatanany koa “ny zava-tsoan’i Egypta”.​—Hebreo 11:24-26.

Ambonin’izany, milaza ny Baiboly fa i “Mosesy (dia) nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana”. (Asa. 7:22.) Araka izany àry, noho ny toerana feno tombontsoa nisy azy, i Mosesy dia nanana ny zavatra rehetra izay katsahin’ny ankamaroan’ny olona hotratrarina ankehitriny. Kanefa moa ve ireo zavatra ireo nitondra ho azy ny tena fahafahampo sy fahasambarana?

Tsy dia izay loatra. Na dia nanana ny zavatra rehetra teo amin’ny lafiny ara-nofo aza i Mosesy dia nahafantatra fa tsy naharitra ny vidin’ireny zavatra ireny. Tsapanao ve ny maha-zava-dehibe an’izany? Izany dia toy ny nilazan’i Jesosy Kristy azy hoe: “Inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy?” (Matio 16:26.) Tsy misy vidiny izay zavatra rehetra mety hananantsika raha verintsika ny aintsika. Tsy marina ve izany?

Noho izany dia milaza toy izao ny amin’i Mosesy ny Baiboly: “Nijery ny famalian-tsoa izy”. Eny tokoa, nijery izay natolotr’Andriamanitra i Mosesy. Tsapany fa ny fiainana mandrakizay, izay fanomezan’Andriamanitra, dia manam-bidy kokoa noho ny zavatra hafa rehetra. I Mosesy àry dia “naharitra toy ny mahita Izay tsy hita”. (Hebreo 11:26, 27.) Tamin’i Mosesy, i Jehovah dia tena nisy tokoa, ary toy izany koa ireo fampanantenany fiainana mandrakizay.

Moa ve marina izany aminao? Rehefa mamaky ny amin’ny fampanantenan’Andriamanitra ny hanome fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany iray ianao, moa ve tena misy tokoa ireo fampanantenana ireo aminao? Moa ve mahita ny tenanao ho anisan’izany Paradisa izany ianao, ka mankafy ireo fitahiana izay tehirizin’Andriamanitra ho an’ny vahoakany? (Salamo 37:9-11, 29; 46:8, 9; 72:7, 8, 16; Isaia 9:5, 6; 11:6-9; 35:5, 6; Lioka 23:43, MN; Apokalypsy 21:3, 4.) Raha izany no izy, dia ho tahaka an’i Mosesy ianao ka hametra ho ny zava-kendrena lehibe indrindra eo amin’ny fiainanao, ny hanompoana an’i Jehovah Andriamanitra sy ny hahazoana ny fankasitrahany.

[Sary, pejy 16]

Inona no zava-kendren’i Mosesy teo amin’ny fiainana?

[Sary, pejy 17]

Moa ve zava-kendrenao eo amin’ny fiainana ny hankafy izay atolotr’Andriamanitra an’ireo mpanompony?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara