Velona ny Tenin’Andriamanitra
Aoka halamintsika amin’ny alalan’ny fitiavana ny tsy fifanarahana
LASA i Jaona Marka. Nody tany Jerosalema izy, tany amin’ny fonenan’i Maria reniny. Nitranga izany tamin’ny dia misionera voalohany nataon’I Paoly sy Barnabasy. — Asa. 13:13; 12:12, 25.
Ny andro nanaraka i Paoly sy Barnabasy dia niomana hiainga hanao ny dia misionera faharoa. Tian’i Barnabasy ny hitondra an’i Marka zanak’olo-mpiraitampo taminy. Tsy tian’i Paoly kosa anefa ny hitondra azy. ‘Nandao antsika i Marka fony isika nitondra azy farany’, hoy izy. Tian’i Barnabasy anefa ny hanome azy fahafahana hafa.
Noho izany tsy fifanarahana izany, dia “nifanditra mafy izy roa lahy ka nisaraka”. Nitondra an’i Marka i Barnabasy. Niakatra tamin’ny sambo iray izy mirahalahy ka niondrana nankany amin’ny nosy Kyprosy mba hitory tany. Tetsy andaniny koa, I Paoly dia nifidy an’i Silasy, kristiana hafa iray, ary niara-nanomboka taminy, fandehanana hitory izay nitarika azy ireo ho any Syria aloha. — Asa. 15:36-41.
Inona no holazaina ny amin’ny tsy fifanarahana nampifanohitra an’i Paoly sy Barnabasy? Raha vavolombelona nahita maso izany ‘fifandirana mafy’ izany ianao, ho nanatsoaka hevitra avy amin’izany ve ianao, noho ny fahitana ny nataon’izy ireo, fa tsy anisan’ny olon’Andriamanitra i Paoly sy Barnabasy?
Raha izany no izy, dia tena tsy ho ampy fahendrena ianao. Tadidio tokoa fa isika rehetra dia samy handova ny tsy fahatanterahan’ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia Adama sy Eva (Romana 5:12). Noho izany antony izany, dia “tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra”, araka ny voalazan’ny Baiboly (Jakoba 3:2; Romana 3:23). Ny kristiana marina anefa dia tsy tezitra amin’izy samy izy foana ary tsy mitahiry lolompo. Tiany ny hanaraka izao baiko araka ny Baiboly izao: “Mifandefera ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alehelo amin’ny sasany (...). Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany [fatorana mampiray tanteraka izany, MN].” — Kolosiana 3:13, 14.
Raha ny amin’izany, moa ve ny fitiavana nahatonga an’i Barnabasy sy Paoly, ireo kristiana malaza roa ireo, ho afaka handamina ny tsy fifanarahany? Jereo izy ireo. Tafakambana indray izy (I Korintiana 9:5, 6). Aty aoriana aza i Paoly dia hanoratra amin’i Timoty hoe: “Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy.” — II Timoty 4:11.
Eny, raha nanana ady fifandirana indraindray ireo kristiana, dia hainy ny nandamina izany tamin’ny alalan’ny fitiavana.