FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/11 p. 11
  • Ampahafantarina ny Loza Entin’ny Sigara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampahafantarina ny Loza Entin’ny Sigara
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Sigara sy fanasivanana
    Mifohaza!—1990
  • Sigara sy fitsipi-pitondrantena
    Mifohaza!—1991
  • Aina An-tapitrisany Maro Manjavona Amin’ny Setroka
    Mifohaza!—1995
  • Mandefa ny Balaoniny Feno Hevitra Rivotra Ireo Mpiaro ny Sigara
    Mifohaza!—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/11 p. 11

Ampahafantarina ny Loza Entin’ny Sigara

Tao amin’ny taratasiny iray navoakan’ny revio ara-pitsaboana amerikana (“The Journal of the American Medical Association”), dia izao no nosoratan’ny dokotera Elisabeth Whelan: “Ireo bokikely misy sary malaza dia miankina aoka izany amin’ny vola miditra noho ny fanaovana dokambarotra amin’ny marika sigara, hany ka manamaivana ny vokatry ny sigara eo amin’ny fahasalamana izy. Rehefa avy namaky tao amin’ny ankamaroan’ireo bokikely misy sary malaza indrindra famakin’ny vehivavy aho, dia tsy nahita filazana lehibe mihitsy nikasika ny sigara sy ny fahasalamana.”

Nohazavain’ny dokotera Whelan fa ny gazetin-damaody iray izay maro be ny indray mivoaka, dia nangataka azy mba hanoratra lahatsoratra araka ny lohateny hoe: “Arovy amin’ny homamiadana ny vadinao”. “Nokaramaina tamin’ny lahatsoratra manontolo aho, hoy izy, nefa niaiky tamiko ny lehiben’ny mpanoratra fa tsy ho afaka hampiasa afa-tsy tapany kely izy satria manisy fitenenana imbetsaka loatra ny amin’ny sigara aho ary satria isam-bolana izy dia mamoaka pejy telo manontolo amin’ny fanaovana dokambarotra momba ny sigara. Nisy fotoana nitenenan’ny lehiben’ny mpanoratra ao amin’ny gazety tamiko nivantana hoe: ‘Aza asiana teny na dia iray monja aza mikasika ny sigara!’”​—Nomerao tamin’ny 7 novambra 1980, pejy faha-2045.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara