Azonao atao ve ny manampy ny mpitondratena sy ny kamboty ray “amin’ny fahoriany”?
1, 2. a) Inona moa no tsy itovian’ny hoe “mahita” olona ao anatin’ny fahoriana sy “mikarakara” azy? b) Araka ny Jakoba 1:27, inona moa no andraikitra mipetraka amin’izay manaraka ny fanompoam-pivavahana marina?
MISY tsy fitoviana lehibe amin’ny hoe mijery olona ao anatin’ny fahoriana sy mikarakara azy. Ireo izay manaraka ny fanompoam-pivavahana marina dia hitsahatra ny ho mpijery tsy miraika fotsiny ka hamonjy an’ireo rahalahiny amim-pangorahana, satria “izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy [mikarakara, MN ] ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao”. — Jak. 1:27.
2 Ny matoanteny hoe “mikarakara”, hita ao amin’ny Jakoba 1:27 dia dikan’ny teny grika iray milaza hoe ‘manolokolo, manome izay ilain’ny’. Izany dia manana heviny indrindra hoe mitsidika olona mba hanampy azy. Ankasitrahana foana izany karazam-panampiana izany.
METY HANJARY HILAINA NY ZANAKA
3, 4. a) Araka ny I Timoty 5:4, iza no tokony hanampy an’ireo mpitondratena? b) Amin’ny fomba ahoana no azon’ny zanaka anampiana ny rainy na ny reniny? Inona moa no fanohanana tsara indrindra azon’izy ireny entina ho azy?
3 Nasehon’i Paoly ny hoe iza no tokony hanampy ny mpitondratena, tamin’ny filazana toy izao: “Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra.” (I Timoty 5:4). Na dia manisy fitenenana ny amin’ny zanaka efa lehibe aza i Paoly, na dia ireo tsy ampy taona aza dia afaka mianatra mampiseho ny fitiavany fivavahana, amin’ny ‘famaliana soa’ ny ray aman-dreniny noho izay rehetra nataon’izy ireo ho azy. Inona àry no azon’izy ireny atao? Ny sasany mitondra fanampiana ara-bola, sahala amin’ity zazalahy kely izay, mba handoavana faktiora iray tsy nampoizina, dia nanolotra ny tahiry azony rehetra noho ny fanaovana asa tapa-potoana. Nanambara toy izao, tamin’ny endrika miramirana ny reniny: “Tsy hitako izay teny hilazana ny fampaherezana azoko raha nahita ny zanako lahy 14 taona naneho fahalalahan-tanana toy izany.”
4 Na dia tsy afaka manome vola ny ray aman-dreniny aza ny zanaka, dia azon’izy ireo atao ny manolotra zavatra lehibe kokoa ho azy, dia ny fankasitrahana sy ny fankatoavana (Ohab. 23:22; Efes. 6:1-3). Ray sy reny maro tsy manana vady intsony no manontany tena raha mitaiza tsara an’ireo zanany izy. Alao sary an-tsaina ny fifaliana tsapan’ny anankiray taminy rehefa nandefa “carte” ho azy nilaza toy izao ny zanany kely: “Tiako loatra ianao ary fantatro fa miasa mafy ianao.” Ry zanaka, moa ve ianareo tsy manana intsony, mba hitaiza anareo, afa-tsy ny rainareo na ny reninareo? Raha izany no izy, moa ve ianareo nilaza taminy vao haingana fa velom-pankasitrahana aoka izany ianareo noho ny sorona nataony? Mankatò haingana ve ianareo? Fantatrareo ve ny dikan’ny hoe manasa lovia amim-pahalemem-panahy, manary fako, manao ny enti-modinareo, mody ara-potoana, manao ny fidiovanareo ary indrindra, manomana tsy tapaka ny fianaranareo Baiboly? Ny fankatoavana an-tsitrapo toy izany no fanohanana tsara indrindra azonareo entina ho an’ny rainareo na ny reninareo.
NY FANAMPIAN’NY KONGREGASIONA
5. a) Inona moa no fananarana omen’i Petera antsika? Nahoana no zava-dehibe izany? b) Amin’ny fomba ahoana avy moa no ho azontsika, ao anatin’ny kongregasiona misy antsika, ipetrahana eo amin’ny toeran’ny ray na ny reny mitaiza irery an’ireo zanany?
5 “Mafy izany, ary rera-tsaina aho indraindray, hoy ny reny iray mitaiza an’ireo zanany enina, ka anisan’izany ny kambana 17 volana. Nefa, indraindray, ny rahalahy iray na ny anabavy iray [ao amin’ny kongregasiona] dia miteny amiko hoe: ‘Manao asa tsara ianao, ry Jeanne. Hisy vokany izany.’ Ny fahafantarana fotsiny fa mihevitra anao ny hafa ka miahy anao, dia mampahery.” Ohatra iray io, mampiseho ny hoe fanampiana toy inona no azon’ny tsirairay entina. Manao izao fananarana izao ho antsika ny apostoly Petera: “Miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory [mipetraha eo amin’ny toeran’ny hafa, MN ], mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo”. (I Pet. 3:8). Eny, mipetraha eo amin’ny toeran’ny hafa. Tena mety hisy heviny tokoa ny teny atao amim-pahalemem-panahy na ny fitsikiana tsy an-tery. Aoka àry ianao hanana fangoraham-po fa tsy ho be fanakianana.
6. Nahoana moa izay hanao tahaka an’ilay olona voalaza ao amin’ny I Jaona 3:17 no tena ho mendrika hotsinina eo imason’Andriamanitra?
6 Ny tena fitiavana dia tsy miseho amin’ny teny feno fahalemem-panahy fotsiny. Talohan’ny hamporisihana indrindra ny kristiana hampiseho ny fitiavany amin’ny atao, dia izao no nosoratan’ny apostoly Jaona: “Ary izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?” (I Jaona 3:17). Ao amin’ny soratra tany am-boalohany, eo ny matoanteny hoe “mahita” dia tsy milaza fanopaza-maso fotsiny, fa fijerena maharitra koa. Matetika io matoanteny io no ampiasaina mikasika ny fisafoan’ny jeneraly tafika iray. Mihevitra ny antsipiriany izy io, sa tsy izany? Eritrereto àry ny sary ataon’i Jaona eo ambany masontsika: Manana hanampiana ny namany ny olona iray. Rehefa mijery amim-pitandremana ny rahalahiny izy, dia mahamarika fa tsy manana ny ampy izy io, ary avy hatrany dia akatony sy hidiany mafy ny varavaran’ny fony. Tsy mety manampy ny namany izy. Tsy firaikana re izany! Soa ihany fa mahalana no ahitana fihetsika mandà toy izany eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Fitantarana tsy tambo isaina no manamarina fa ireny kristiana ireny dia mampiseho fahalalahan-tanana amin’ireo ‘ao anatin’ny fahantrana’.
7. Rehefa tsy raharahaina ireo fianakaviana tsy misy ray na reny intsony, inona moa matetika no antony? Ahoana no azo anamboarana izany tarehin-javatra izany?
7 Na dia izany aza, dia nisy fanaovana tsirambina. Matetika ny mahatonga izany, dia satria ny sasany tsy ‘nahita’ izay ilain’ireo rahalahiny. Tsy ampy ny fijereny na ny fiheverany an’ireo mahantra. Ahoana ny amin’ny kongregasiona misy anao? Tena tsapanao tokoa ve ny toe-piainan’ny mpitondratena sy ny kamboty? Oviana ianao no niarahaba azy farany tamin-kafanam-po tsy toy ny mahazatra? Moa ve ianao efa nanasa azy ireny tamin’ny fisakafoana na tamin’ny fivorian’ny mpinamana noho ny fikendrena ny hianatra hahafantatra azy tsara kokoa? Ny fanontaniana toy izany dia tokony hanampy antsika hamantatra raha ‘hitantsika’ tokoa ny toe-piainan’ny fianakaviana izay, eo amintsika, dia mijaly noho ny tsy maha-eo ny ray na ny reny.
8. Ahoana moa no fomba nanampian’ny mpikambana sasany ao amin’ny kongregasiona fianakaviana tsy misy ray na reny intsony?
8 Tsy ilaina ny hananan-karena be mba hanampiana ny naman’ny tena. Be dia be, rehefa nahamarika tena tsy fahampiana tokoa teo amin’ireo namany, no nizara sakafo na nanome fitafiana efa tsy antonona intsony an’ireo zanany. Ny hafa aza nampianatra reny ny amin’ny fomba fanaovan-javatra sasany, fanjairana, ohatra, mba hahatonga an’ireny vehivavy ireny ho afaka hahazo fivelomana kokoa. Nilaza toy izao ny ohabolana tranainy iray: “Raha manome hazandrano iray ho an’olona ianao, dia mamelona azy indray andro. Nefa kosa raha mampianatra azy manjono ianao, dia mamelona azy amin’ny andro sisa iainany rehetra.” Nanoratra toy izao ny reny iray tsy nanana ny vadiny intsony: “Nanome ahy milina fanjairana ny rahavavy iray, tapa-damba roa sy fampianarana manjaitra. Hatramin’izay, dia nitsitsy an’arivony ariary maro aho.”
9. Inona moa no fiheverana mety tokony harahin’ireo fianakaviana tsy misy ray na reny intsony, mikasika ny fanampian’ny hafa?
9 Moa ve ireo ray na ireo reny mitaiza irery ny zanany tokony hanampo ny hiavian’ny fanampiana avy hatraiza hatraiza ka ho kivy raha tsy toy izany no mitranga? Tsia; ilaina ny hahaiza-mandanjalanja hatrany eo amin’ny fiheveran’ny tena. Sady ho velom-pankasitrahana noho ny fanampiana azy ny kristiana iray, no tokony hanontany tena toy izao: “Moa ve aho manao izay rehetra azoko atao mba handaminana ny zava-manahirana ahy? Araka ny nolazain’ny olona iray tsy nanana vady intsony dia: “Tsy misy mihitsy olona afaka mandray fianakaviana faharoa ho andraikiny. Raha tsy manampy ny tenanao ianao, dia tsy miantsoroka ny andraikitrao rehetra. Ilaina ny hianarana manidina amin’ny elatry ny tena ihany.” Ny Baiboly dia mirakitra ohatra maromaro ny amin’ny mpitondratena izay tsy niandry ny hanampiana azy, fa ny tenany mihitsy no nandoa ny vidiny (Lioka 2:36-38; Marka 12:42-44). Ny reny iray kely vola izay tsy maintsy niady nandritra ny taona maro mba hahafahana mitaiza ireo zanany roa, dia nanantona tao an-tranony izao soratra kely izao: “Rehefa mandefa tara-masoandro kely eo amin’ny fiainan’ny namana ny tena, dia miverina eo amin’ny tena foana ny famirapirany.” Izany indrindra no nataony tamin’ny fiasana nandritra ny roa ambin’ny folo taona tamin’ny naha-mpitory ny filazantsara manontolo andro. Nanome avy amin’ny tenany foana izy ka amin’izao fotoana izao, eo amin’ny faha-73 taonany, dia mbola manampy ny namany ihany izy. Ny vokany dia ny tsy nisian’ny tsy ampy mihitsy taminy. — Ohab. 11:25.
10. Inona moa no porofo ananantsika fa tamin’ny taonjato voalohany ireo anabavy matotra dia nandray anjara lehibe raha ny amin’ny fanampiana ny mpitondratena sy ny kamboty?
10 Tamin’ny taonjato voalohany, ireo vehivavy matotra dia tsy azo lavina fa nandray anjara lehibe raha ny amin’ny fanampiana ny mpitondratena sy ny kamboty. Lazaina fa ny mpitondratena sasany dia “namonjy ny nozoim-pahoriana”, ka anisan’izany angamba ireo mpianakavy tsy manana ray na reny intsony (I Tim. 5:10). Tao amin’ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ireo kristiana tany Roma, ny ampahefatry ny olona nandefasany fampamangiana dia vehivavy izay niasa tamim-pahatokiana ho an’ny kongregasiona na niara-niasa taminy. Lazainy mazava mihitsy aza fa ny sasany tamin’izy ireny dia niasa mafy na nanao asa maro “ao amin’ny Tompo”. (Rom. 16:3-15). Mikasika an’i Foiby izay “mpanompo tao amin’ny kongregasiona” (tsy isalasalana fa nanompo an’ireo namany izy tamin’ny fanomezana izay nilainy manokana, nefa tsy voatendry ara-dalàna ho amin’io asa io), dia lazaina fa izy io dia ‘niaro kristiana betsaka’. Tsy maintsy ho nitarika fanampiana be dia be tamin’izy ireny izy, ary ny asany dia nanatanjaka ny kongregasiona. Sahala amin’i Foiby, ireo kristiana matotra amin’izao androntsika izao dia mampahery sy manampy amim-pitiavana “ireo izay ao anatin’ny fahoriana”, indraindray amin’ny fizarana amin’izy ireny ny fananany ara-nofo. — Rom. 16:1, 2, MN.
11. a) Amin’ny fomba ahoana no azon’ireo anabavy matotra anampiana an’ireo reny izay mitaiza irery ny zanany? b) Ohatra inona no azo tononina? Mahafantatra hafa amin’izany ve ianao?
11 Anabavy be taona maro no mitondra fanampiana ara-panahy sy ara-piraiketam-po amin’ny ‘maha-mpampianatra ny zavatra tsara, mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy’ amin’ny alalan’ny torohevitra mampiseho fahatakarana ny fiheviny (Tit. 2:3-5). Ho ohatra, dia aoka hotononintsika ny amin’ny reny iray izay mitaiza irery an’ireo zanany ka nitomany rehefa avy nihaino lahateny araka ny Baiboly mikasika ny fanambadiana. Rehefa nanontany azy ny vehivavy kristiana iray be taona kokoa ny amin’izay manjo azy, dia namaly toy izao tamin-dranomaso izy: “Ory aho, izay fotsiny.” Tamin’izay ilay vehivavy be taona kokoa dia nanomboka niresaka taminy. Fantany izay tsapa rehefa ketraka ny tena, satria ny tenany koa aza mba nilaozan’ny vadiny, 20 taona talohan’izay. Izao no nolazain’ilay vehivavy tanora: “Izy io no nahavonjy ahy indrindra. Niresaka be dia be tamiko izy ary nanasa ahy hiaraka mitory aminy. Ao am-poko tokoa izy.” Kristiana matotra maro no nankany amin’ireny reny ireny ka nanolotra “soroka hitomaniany”. Indraindray aza izy ireny dia niara-nandinika zava-manahirana manokana tokoa tsy ho hain’ny rahalahy iray irery halamina tsara.
RY LOHOLONA, ‘AMPIFALIO NY FON’NY MPITONDRATENA’
12. Ahoana no azon’ireo loholona ‘ampifaliana ny fon’ny mpitondratena’?
12 Izao no nambaran’i Joba izay velona tamin’ny andro talohan’ny kristianisma: “Ny fon’ny mpitondratena nampifaliko.” (Joba 29:13). Niaraka ory tamin’ireo mpitondratena izy ary tsy nampirehitra izany tamin’ny teny na ny fanaovan-javatra tsy voahevitra, fa nanandrana nampahery azy ireny tao anatiny, tao am-pony. Amin’izao andro izao, ireo loholona ao amin’ny kongregasiona kristiana dia afaka manao toy izany amin’ny fampahatsiarovana an’ireny olona ireny fa ny kongregasiona dia fianakaviana feno hafanam-po sy amin’ny fanaovana izay hahatsapany fa anisan’io fianakaviana io izy. Ireo mpiandraikitra dia afaka mampiseho aminy koa, andinin-teny ao amin’ny Baiboly mampahery izay milazalaza ny soa azo avy amin’ny tsy fivadihana. Raha ‘mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa’ izy ireny dia hanandrana hahatakatra ny fitaomana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po mihatra amin’ny ray na reny tsy manana vady intsony (I Pet. 3:8). Ho valiny, ireo ory dia hahatsiaro ho afaka malalaka hanatona an’ireny loholona ireny mba hanampy azy. Ny tsirairay avy amin’ireny lehilahy araka ny fanahy ireny dia tena ho “fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ho ranovelona amin’ny tany karakaina”. — Isaia 32:1, 2.
13. Nahoana moa ireo ray sy ireo reny tsy manana vady intsony no afaka mangataka torohevitra amin’ireo loholona alohan’ny hanaovana fanapahan-kevitra lehibe? Karazam-panampiana inona no hoentina ho azy ireny?
13 Nanambara ny Baiboly fa Andriamanitra dia hanendry indray ‘mpanolo-tsaina’ mahay, teo amin’ny vahoakany fahizay (Isaia 1:26). Amin’izao andro izao koa, ireo ray na reny mitaiza irery ny zanany dia afaka mangataka torohevitra amin’ireo loholona, alohan’ny hanaovana fanapahan-kevitra lehibe. Rehefa misy tonga manatona azy, ireny loholona ireny, amin’ny “fahaiza-mitondra”, dia tokony hanampy an’izay manontany azy mba hanaiky an’ireo fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly tafiditra. Nefa, ny anjara asan’izy ireo, toy ny an’ny kristiana rehetra angatahana fanampiana, dia ny manoro hevitra fa tsy ny manao fanapahan-kevitra ho an’ny hafa. — Ohab. 11:14, MN; Gal 6:5.
14. a) Nahoana moa ireo loholona no tokony hanandrana ‘hanarina’ ny kristiana “solafaka”? b) Ahoana moa no nampiasana, tamin’ny taonjato voalohany, ny teny grika nadika hoe “manarina”? Mampahafantatra inona antsika izany raha ny amin’ny fomba ‘fanarenana’ olona?
14 Hahamarika indraindray ny loholona iray fa ny ray iray na ny reny iray tsy manana vady intsony dia mila ho resin’ny fanerena ka ho “solafaka”, amin’ny fifaneraserana amin’ny tsy mpino iray, ohatra. Angamba izany kristiana izany tsy mahatsapa tanteraka ny faharatsian’ny fitondratenany. Koa manome izao torohevitra izao ny Baiboly: “Ry rahalahy, raha misy olona azon’ny ota tsy nahy [solafaka, MN ] aza, dia atsanganonareo [arenonareo, MN ] izay manana ny Fanahy amin’ny fahamorana izy”. (Gal. 6:1). Ireo loholona mbamin’ny kristiana hafa àry dia afaka misakana ny maha-“solafaka” tsy ho tonga fitondrantena misy fikomiana. Ny teny grika nadika eo hoe “manangana” dia adika hoe “manamboatra”. (Marka 1:19.) Tamin’ny taonjato voalohany izy io dia nampiasaina mba hiresahana ny amin’ny fanerena taolana tapaka iray. Ny mpitsabo izay mametaka taolana iray eo amin’ny toerany dia tsy isalasalana fa somary hanery azy, nefa hataony moramora tokoa izany. Ny zava-kendreny dia ny hanamboatra ny ratra, fa tsy ny hampitombo azy. Ireo loholona izay maniry hanohina ny fon’ilay “solafaka” àry dia tokony hifanazava aminy amim-pahalemem-panahy, nefa amin’ny fomba mazava. “Amin’ny fahamorana” no hanampian’izy ireo azy hahatakatra ny hoe nahoana no mahasoa azy ny mampihatra an’ireo torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ka hanampy azy ho sitrana ara-panahy izy ireo amin’izany.
15. a) Amin’ny toe-javatra manao ahoana moa ireo loholona no angamba tsy maintsy manorina fandaharam-panampiana ho an’ireo mpitondratena? b) Nahoana moa ireo loholona no mila ny hampian’ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona?
15 Indraindray ireo loholona dia tsy maintsy nanao fandaharam-panampiana an’ireo mpitondratena monina irery. Tany amin’ny nosy Trinité, ny mpitondratena iray 79 taona dia narary mafy. Voan’ny homamiadana efa lasa lavitra izy io, ary ny toe-pahasalamany dia nilana fikarakarana 24 ora tao anatin’ny 24 ora. Nandray fanampiana kely avy tamin’ny fanjakana izy, nefa tsy nanan-kavana mihitsy mba hanampy azy. Mba hanalavirana ny famelana ny andraikitra hikarakara amin’olona vitsivitsy monja, ireo loholona dia nanorina fandaharam-potoana nahatonga an’ireo vehivavy kristiana nanolotra ny fanampiany ho afaka hifandimby isan’antokony, ho ao an-tranon’ilay rahavaviny ara-panahy. Nandritra ny enim-bolana mahery, ireo vehivavy ireo dia nahandro ny sakafony sy nikarakara ny tokantranony, nitondra azy tamin’ny dia nalehany, nanasa ny fitafiany sy ny tenany koa aza rehefa tsy afaka nihetsika intsony izy. Tamin’izany izy ireo dia nanome oha-pitiavana izay nanaitra ny mpiara-monina. Mazava ho azy fa amin’izany toe-javatra izany, dia tsy ny tenan’ireo loholona ihany no afaka mitondra ny fanampiana ilaina rehetra. Mandrakariva izy ireny dia manana fianakaviana tsy maintsy karakarainy koa. Faly anefa izy ireny manao izay azony atao ary feno fankasitrahana rehefa misy kristiana hafa manipy hevitra ny hitondra fanampiana.
RY RAHALAHY, ‘VONJEO NY KAMBOTY RAY’
16. a) Inona indrindra moa no hilain’ny vehivavy manirery iray mba hitaizana tsara an’ireo zanany lahy? b) Iza no afaka manampy azy? Amin’ny fomba ahoana?
16 Ny reny rehetra izay mitaiza irery an’ireo zanany dia mitaraina noho ny tsy fisian’ny herin’ny ray ao an-tokantrano, indrindra fa raha manana zanakalahy izy. Ireo rahalahy ao anatin’ny kongregasiona àry dia tokony hanahaka an’i Joba, izay nilaza toy izao: “Namonjy (...) ny kamboty [kamboty ray, MN ] izay tsy nanan-kamonjy [sy izay rehetra tsy nanana olona hanampy azy mihitsy, MN ].” (Joba 29:12). Matetika dia ilain’ireny ankizy ireny ny hiheverana azy amim-pahatsorana. Tsy ho azonao atao ve ny ho any amin’izy ireny sy hangataka azy mba hiaraka aminao eo amin’ny asa fanaovana fanambarana, mba hanatanterahana asa sasany ao amin’ny Efitrano Fanjakana na mba hialana voly amin’ny fomba mahasoa koa? Ny fiheveranao toy izany dia mety ‘hahavonjy’ ny zazalahy iray amin’ny lalan’izao tontolo izao ka hanintona azy ho amin’ny kongregasiona.
17. a) Iza no nanome ohatra tsara raha ny amin’ny ‘famonjena ny kamboty ray’? Inona avy no vokany? b) Inona moa no tsy tokony hohadinoin’ny rahalahy manambady iray rehefa manampy ankizy hafa izy?
17 Ny apostoly Petera koa dia ‘namonjy ny kamboty ray’. Nanana firaiketam-po tamin’i Jaona Marka izay nantsoiny mihitsy hoe “Marka zanako”, izy. (I Pet. 5:13.) Azo inoana fa tsy teo intsony ny vadin’i Maria, renin’i Marka, satria milaza amintsika ny fitantaran’ny Baiboly fa lasa nankany an-tranon’i Maria i Petera fa tsy tao amin’ny an’ny vadiny (Asa. 12:12). Tsy isalasalana fa nisy asany sasany ny fiarahana ara-panahy tamin’i Petera mbamin’ny kristiana hafa tamin’ny nahatongavan’i Marka ho misionera sy ny nanoratany boky iray ao amin’ny Baiboly mihitsy aza. Io zazalahy io dia ohatra tsara ho an’ireo zazalahy izay ny reniny ihany no mitaiza azy. Mazava ho azy fa tokony ho fantatry ny rahalahy manambady iray fa, araka ny Soratra Masina, ny andraikiny voalohany indrindra dia ny mikarakara ny fianakavian’ny tenany. Nefa, sady tsy manao tsirambina ny fikarakarana ny “azy” izy no afaka manao soa be dia be amin’ny fiheverana an’ireo kamboty ray raha mahasoa izany ka mamela izany ny toe-javatra miseho. — I Tim. 5:8.
ZAVA-DEHIBE NY FITIAVANA SY NY FAHAFOIZAN-TENA
18. a) Karazam-pitiavana manao ahoana moa no amantarana ny kristiana marina? Ahoana no nanomezan’i Jesosy ohatra tamin’io lafiny io? b) Ahoana no azontsika ampisehoana izany fitiavana izany?
18 Ny marika mampiavaka ny kristiana dia tsy ny fitiavana fotsiny, fa ny fitiavana voamariky ny fahafoizan-tena. Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ireo mpianany: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:34, 35). Tokony ho ohatra faka tahaka ny fomba fanomezany. “Tsy nitady izay hahafaly ny tenany” izy. “Tonga malahelo noho ny aminareo” izy. “Izay nanolotra ny tenany [tamin’ny fahafatesana tao anatin’ny fahoriana] noho ny fahotantsika.” Amin’ny fanahafana an’io oha-pitiavana io ihany no hahafahan’ny mpianatr’i Jesosy haneho amin’ireo mpitondratena sy ireo kamboty ray ny fiahiana ilainy “amin’ny fahoriany”. — Rom. 15:3; II Kor. 8:9; Gal. 1:4; Jak. 1:27.
19, 20. a) Moa ve mora foana ny maneho fitiavana voamariky ny fahafoizan-tena? b) Iza indrindra moa no tokony hampiantsika?
19 Arakaraka ny itomboan’ny fanerena no maha-sarotra ny fandaminana ny zava-manahirana ny tena, sy maha-mora ny hahatongavana ho tsy mihontsina amin’ny mahazo ny hafa ka tsy hihevitra afa-tsy ny fahaveloman’ny tena. Tamin’ny taonjato voalohany, ny kristiana sasany izay ‘nampianarin’Andriamanitra hifankatia’ dia nila ny “hitombo bebe kokoa” hatrany tamin’izany. (I Tes. 4:9, 10). Moa ve isika tsy tokony handinika amim-pahatsorana ny fihetsika asehontsika sy ny ataontsika amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika kristiana tsy manana? Ny fitiavana nanomezan’i Kristy ohatra halain-tahaka dia hitaky ny hahafoizantsika ny aintsika ho an’ireo rahalahintsika. Koa raha vonona ny hanolotra ny aintsika ho azy ireny isika, moa ve isika tokony hisalasala ny hanolotra ho azy ny ‘hanintsika’, rehefa ‘mahita ny fahantran’ny rahalahintsika’? — I Jaona 3:17.
20 Maka fotoana be dia be ho antsika rehetra ny andraikitra kristiana ananantsika. Matetika isika no ho tia ny hanao mihoatra noho ireo rahalahintsika. Nefa raha manao an-tsitrapo izay azontsika atao isika, dia aoka isika hatoky fa mahalala ny fetran’ny herintsika Jehovah ka mankasitraka ny asa tontosaintsika. “Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.” — Gal. 6:10.
AOKA ISIKA HIARA-MIADY MBA HIARETANA FAHORIANA
21. a) Ahoana moa no azon’ireo ray na ireo reny mitaiza irery ny zanany, hisetrana an’ireo fanerena eo amin’izao tontolo izao ankehitriny? b) Ahoana no azon’ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona anampiana azy? Zava-dehibe ve ny hanaovana izany?
21 Aoka holazaintsika, ho famintinana fa mba hiaretana ny fahasahiranany, ireo ray na ireo reny izay mitaiza irery ny zanany dia tokony 1) hametraka mandrakariva ny fitokisany amin’Andriamanitra dieny izao ka hiandry amim-pinoana ny fiainana mandrakizay hanomezan’Andriamanitra fahafaham-po be dia be amin’izay irin’ny tsirairay (Sal. 37:3, 4); 2) hitana fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fianarana ny Baiboly sy ny vavaka amin-kafanam-po; 3) tsy hitsahatra hanatontosa asa mahasoa, toy ny fitoriana ilay Fanjakana, ny fikarakarana ny tranon’ny tena sy ny fitaizana ny zanaka. Ny fitiavana voamariky ny fahafoizan-tena dia hanampy ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona hahatakatra ny ilàna hanampy an’ireo ray sy reny tsy manana vady intsony. Ahoana no hanaovany izany? Amin’ny ‘fipetrahana eo amin’ny toeran’ny hafa’, amin’ny fiheverana ny zanak’ireny kristiana ireny, amin’ny fanampiana azy ireny ara-nofo sy ara-panahy, ets. Izany dia sasantsasany monja amin’ny asa tsara azo atao ho an’ireny anadahy sy anabavy ireny. Ny amin’ny hoe maha-sarobidy izany fanampiana izany, dia voamarina amin’izao fanambarana izao: “Betsaka loatra ny fotoan-tsarotra nodiaviko ka aleoko tsy mieritreritra izany intsony. Avelao anefa aho hilaza aminareo fa tsy ho nahatohitra mihitsy aho raha tsy nisy ny fanampian’ireo rahalahy sy anabavy mahatoky sy feno fitiavana.”
22. Inona no vokatry ny fiezahan’ireo izay mikarakara ny mpitondratena sy ny kamboty ray?
22 Ireo izay tena ‘mikarakara’ tokoa, fianakaviana mijaly noho ny tsy maha-eo ny ray na ny reny dia tsy vitan’ny hoe hanana fifaliana mahita azy ireny miaritra ny fahoriana amim-pahatokiana (Jak. 1:27). Hasehon’izy ireny amim-pamirapiratana koa ny toetry ny raintsika any an-danitra izay ‘mitondra fanamaivanana ho an’ny kamboty ray sy ny mpitondratena’. — Sal. 146:9, MN.
[Sary, pejy 23]
Ireo vehivavy kristiana matotra dia afaka mampahery an’ireo rahavaviny amim-pitiavana sy manampy azy amin’ny ara-nofo indraindray.
[Sary, pejy 24]
Ny fianarana manao asa sasany dia mety hahatonga ho afaka hisetra kokoa ny halafon’ny vidim-piainana.
[Sary, pejy 25]
Moa ve ianao mba efa nanasa hisakafo, fianakaviana iray tsy misy ray na reny intsony, mba hifankahalalana kokoa?