Fanontanian’ny Mpamaky
Amin’izao fotoana izao ireo fiangonan’ny vavolombelon’i Jehovah dia eo am-pandinihana ny hoe olona iza no mendrika ny hanao ny asan’ny anti-panahy na mpikarakara mpanampy. Mikasika izany, dia napetraka ireto fanontaniana ireto:
● Tokony ho mpino ve ny zanaky ny lehilahy iray mbola tsy ampy taona, izay atolotra ho anti-panahy na mpikarakara mpanampy?
Eny, satria nambaran’i Paoly ao amin’ny Titosy 1:6, fa tokony hanana “zanaka mino” izany lehilahy izany. Tsy milaza akory izany fa hoe tokony ho vita batisa ny zanany, fa milaza kosa hoe manaiky ny fitarihan’ny rainy izy raha ny amin’ny raharaha ara-pivavahana. Marina fa misy tany sasany izay manana lalàna tsy mamela ny zanaka mbola tsy ampy taona hiova finoana, raha mbola tsy miova koa ny reny. Nefa na dia amin’ny toe-javatra toy izany aza, dia tokony hiezaka ny ray mba hanao izay rehetra azony atao, hanomezana fampianarana ara-panahy ho an’ny zanany, ka tokony ho afaka hahatsapa ny kristianina hafa fa mandray tsara ny zanany, araka ny amelan’ny lalàna izany.
● Ahoana no hevitry ny hoe “lehilahy ... mampanaiky ny zanany amin’ny fahamaotinana tsara”?—1 Timoty 3:4.
Milaza izany fa rehefa manaiky ny zanaka dia tokony hampiseho fahamaotinana mifanaraka amin’ny taonany sy ny toe-javatra. Ny raharaha ara-pivavahana, ny lafiny lehibe indrindra eo amin’ny fiainana kristianina, dia tokony ho tafiditra ao amin’ny fanekeny. Ny fandraisan’ny zanaka ny fampianarana omen’ny rainy azy amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra àry no hamantarana raha afaka manampy mpikambana hafa ao amin’ny fiangonana hampifanaraka ny fiainany amin’ireo fepetra marina omen’Andriamanitra izy.
● Inona no hevitry ny teny ao amin’ny Titosy 1:6 iresahana ny amin’ny “zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy na ho maditra”?
Isan-karazany ny fomba nandikana an’io fehezanteny io avy amin’ny teny grika; ohatra: “Tsy mba tsy voafehy na voampanga ho miaina ao anatin’ny fikorontanana.” (Stapfer). Na koa “Tsy ampangaina ho mpiliba na tsy mankatò.”(Sacy). Araka izany, ny zanaky ny lehilahy iray atolotra ho anti-panahy na ho mpikarakara mpanampy dia tokony hampiseho fa manaiky ny rainy izy ireo ka mitondra tena araka ny lalàna marin’i Jehovah. Tsy tokony ho ratsy laza eo amin’ny faritany na ao anatin’ny fiangonana izy. Ny fitondrantenany na ny fahazarany dia tsy tokony hahatonga hisalasala raha tena mampihatra amin’ny fomba tsy milefitra loatra sy feno fitiavana ny fahefany io kristianina io.
● Moa ve ny fitondrantenan’ny vadin’ny lehilahy toy izany misy vokany eo amin’ny fahamendrehany ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana?
Koa satria ny vavy anisan’ny ankohonan’io lehilahy io, ny fitondrantenany dia hisy vokany tsara na ratsy eo aminy. Nefa, any amin’ny tany maro, ny lalàna dia mametra matetika tokoa ny fahafahan’ny lehilahy mifehy ny fitondrantenan’ny vadiny, indrindra fa raha tsy mpino izy. Mandrakariva dia kely kokoa ny fahefany eo amin’ny vadiny tsy toy ny eo amin’ny zanany, araka ny lalàna. Noho izany, raha mbola mifehy kokoa ny fitondrantenan’ny vavy araka ny fetra omen’ny lalàna azy io lehilahy io, dia tsy hoe tsy ho mendrika akory, raha mahafeno ny fepetra hafa rehetra takin’ny Soratra Masina izy. Miharihary fa tsy tokony ho tonga meloka ny tenany, amin’ny famporisihina ny vadiny hanaraka fitondrantena ratsy. Ny zava-dehibe indrindra dia ny ‘hanapahany tsara ny ankohonany.’—1 Timoty 3:4.