SINA
[ֹש], Shina [ׁש].
Litera faha-21 amin’ny abidy hebreo. Roa samy hafa ny fomba namakiana azy, ka navahana tamin’ny mari-tsindrimpeo izany tatỳ aoriana. Notononina hoe “s” ilay izy raha teo ambonin’ny “tandroka” havia ny teboka [ֹש], fa “sh” kosa raha teo ambonin’ny “tandroka” havanana [ׁש].
Samy manomboka amin’io litera io ny andininy valo ao amin’ny Salamo 119:161-168, amin’ny teny hebreo.