FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Efrata”
  • Efrata

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Efrata
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Betlehema
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Avy Aiza i Jesosy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Jesosy Kristy: Ilay Mesia Nampanantenaina
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Hezrona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Efrata”

EFRATA

(Efràta) [Fahavokarana].

1. Vadin’i Kaleba (Kelobay) zanakalahin’i Hezrona avy amin’ny fokon’i Joda. Nanambady an’i Kaleba izy tamin’izy ireo mbola andevo tany Ejipta, taorian’ny nahafatesan’i Azoba vadin’i Kaleba. I Efrata no renin’i Hora. Zafiafiny ilay Bezalila mpanao asa tanana tena nalaza tamin’ny fanamboarana ny tranolay masina.​—1Ta 2:9, 19, 50; 4:4; Ek 35:30-35.

2. Anaran’i Betlehema na ny faritra nanodidina azy taloha. Maromaro ny andinin-teny mampiaraka an’i Efrata sy Betlehema. Mitantara, ohatra, ny Baiboly fa nalevina “teny amin’ny lalana mankany Efrata, izay atao hoe Betlehema” i Rahely, rehefa maty. (Ge 35:16, 19; 48:7) “Efratita avy any Betlehema” no niantsoana ny fianakavian’i Elimeleka, ary tao Betlehema i Naomy no niverina taorian’ny nialany tany Moaba rehefa maty i Elimeleka vadiny. (Rt 1:2, 19) Rehefa nampakatra an’i Rota i Boaza dia nitso-drano azy ny olona hoe: “Hahazo voninahitra anie ianao eto Efrata, ary halaza anie ny anaranao eto Betlehema.” (Rt 4:11) Natambatra ireo anarana ireo ao amin’ilay faminaniana momba ny ahaterahan’ny Mesia ka lasa hoe “Betlehema Efrata.” (Mi 5:2) Toa ny tanàna niavian’i Davida àry ilay Efrata resahin’ny Salamo 132:6, tamin’izy niasa saina momba ny Vata misy ny fifanekena.​—Jereo BETLEHEMA No. 1.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara